mpaminany jentilisa?
Mpaminany ve ny jentilisa....? ...
"...Nanana ny lazany ny nanalana ny takelabin’ny Injet teo Antanimena tamin’ny taona 2003. Ny antony tamin’izany fotoana izany moa dia hoe tsy manara-penitra ilay takelaby fa lehibe loatra. Efa nampisy resabe teto amin’ny tanàna io fanalana takelaby io tamin’izany fotoana izany ary efa nahatonga ny hadrohadron’ny olona hoe eo afovoana takelaby roa misy ny vokatra tiko (hatramin’izao fotoana anoratana izao) no nahatonga io fanalana takelaby io. Kanjo dia mbola niverina indray io fanalana takelaby io nandritra ny enimbolana farany tamin’ity taona ity. Efa tena karazam-pihatsiana mihitsy izany. Fahadisoana lehibe (ataoko hoe fingana ihany koa) io fihetsika efa nahazoana tsikera io efa-taona lasa izay nefa dia naverina indray tao anatin’ny taona anomanana fifidianana ho Ben’ny tanàna indrindra. Hafahafa ihany!"
"Antananarivo dia mpijery ny tranga tahaka ireny. Halan’Antananarivo ny fanjakazakana sy ny fihoaram-pahefana. Efa niditra tsikelikely tamin’izany fihetsika izany ny sasany (ataoko hoe sasany) ao amin’ny antokoben’ny fitondrana. Mihevitena manko ny sasany fa rehefa ao anatin’ny antoko dia tsimatimanota, ary misy mpiaro hatrany na inona na inona ataony. Mety ho nitarika izany fomba fisainana izany ny nanjo ny Ben’ny tanànan’i Toamasina sy Fianarantsoa izay nandalo ny fonja sy mbola any amponja amin’izao fotoana izao satria tsy ao anatin’ny TIM nefa nisy koa ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga izay TIM kosa voampanga ho nanodikodim-bola nefa dia mialokaloka any ivelan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Manao arofanina mandrakariva i Antananarivo. Misy olona niezaka io miaramiaiina aminy nefa dia “iharan’ny tsy rariny”, olona tratran’ny tsindry hazo lena ataon’ny sasany. Ny TIM ihany noho izany no namolavola ny olona “hanohitra” azy nefa rehefa tonga tokoa ny fotoana itsaran’ny vahoaka dia nahazo ny fon’ny olona kokoa noho izy ilay novolavolainy ho “mpifaninana” aminy..."
http://jentilisa.blaogy.com/post/122/3804 17/12/2007
Ra8: Hay ve dia efa tsy te-hahalala!"...Tsy adala akory ny Ntaolo raha efa nanana fomba fiteny hoe "ny vava tsy ambina no ahitandoza" ary aza manilaka fa ny mpanao gazety indray no diso fampita resaka tamin'ny tafa nataon'izy ireo taminao. Ambava homana, ampo mieritra, tompoko. (Toa ho vetivety ihany dia ho tafala ianao raha izao fomba fiteninao izao! mba sanatriavina anie)..."
TGV - TIM: Ireo ho diso fanantenana sy tsy ho diso fanantenana