tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?
Dia tena lasa ny saiko hoe : "tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?"
dia nanoratra aho hoe "point G" - teo amin'ny fitadiavana ...dia sambany vao nahalala ny fototra nihaviany: point de Gräfenberg...
rehefa nitady aho, nitady, nikaroka, nitsapatsapa, nanao fandalinana sns, dia hitako ihany ilay "point G"...
fa tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?
dia ilay revy izany rehefa misy G...dia ny tsara indrindra manatona spesialista (manana traikefa), araka ny filaharany sy izay nahavita be indrindra, ireto avy ny spesialista e...:
- SECES (nahavita revy misy G indrindra angamba teto an...omena doka manokana fa nampiroborobo ny anjerimanontolo tsy miankina...bravo...)
Tena record mihitsy satria nandritran'izay nahatsiarovan'ny saiko ohatrany tsy mitsahatra mirevy misy G ry zalahy ireto, ...tsy haiko aloha izay tena any amin'ny ativilany fa dia ny tambimpikarahona matetika no arangaranga...
mikaroka inona ary? ary inona no efa voakaroka?...anontanio ry zareo...
- SMM (mifanahatsahana amin'ny etsy ambony...)
- Mpianatry ny Oniversity miankina (nampianarin'iry voalohany... ary lalaovin'ny eto ambany)
- Hery Velona (na Rasalama io na Rabearivelo) - ny 1er tour de vita - ny Lamasinina haingampandeha (film mitovitovy ireo fa ny mpandray anjara no tsy dia miva firy, mifandimby bandy sy rôla...)
- de iza koa - de iza koa????....hmmmh....i Satro bory spesialista amin'ny revy misy G amin'ny tsy fihinanankanina teo amin'ny tsangambaton-dRalaimongo...(nahazo toerana ihany izy ny farany an...hitany ihany ilay G...)
fa tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?...lasa Grevy eh...