Mpivarotra tanindrazana izahay...

Published on 11/13,2008

Mpivarotra tanindrazana izahay...tanindrazana azo tamin'ny fitsembohan'ny razanay...tanindrazana tsy foin'ny razanay...

Eny noho ny hafenoin'ny rano mangidin'ny adim-piainana be loatra, dia lasa mpivarotra tanindrazana izahay...satria dia tena tsy dia tafavaoka loatra teo amin'ny fiainana ny mpiray tam-po, dia tsy maintsy nivarotra tanindrazana izahay...aleo maty rahampitso toy izay maty anio...tanindrazana any ambanivohitra...

Nanomboka teo izany dia anarana fotsiny sisa ny maha ambanivohitray ny ambanivohitray satria tsy misy taninay itsony any na dia iray dia aza...ny fasana aza efa ao Ampasampito, fasam-bazaha...

Ao an-drenivohitra sisa no misy ny fananana...

Nifananihany izahay mianadahy avy..."mpivarotra tanindrazana izany lesy isika..."

Fahatsiarovana sisa...

Ho lasan'izay ny ratsy rehetra ary mba hitondra soa anie ny vidiny...


Hevitra

  1. ikalamako

    ka matetika koa ilay tanindrazana lasa tany iadiana rehefa mitombo ny taranaka ange e, dia manjary mampisara-bazana indray aza. Ka amiko tany no namidy fa tsy ny razana tanaty fasana tsinona.


  2. news2dago

    Za vao saika hiteny kay ny an'ikalamavo no tg aloa! aleo zay e! de samy vita


  3. finoanaranoray

    Marina mihitsy ny hevitrareo, Tena iadivan-dry taranaka marina io any aoriana any...rehefa hameno ny tany ny taranaka...

    Malahelo ihany ny tena koa...tsisy ambanivohitra itsony...
    snif...snif...


  4. aina

    ka ra betsaka loatra anie le izy d aleo amidy e. manjary mitondra amin'ny fakam-panahy ami ratsy fotsiny. tantara marina. olona panakarena be mihitsy niteraka lahy iray sy vavy iray. niadiavan'ny zanany lahy ilay rainy ary tena saika matiny mihitsy noho ilay harena. namono biby tsy nahafaty ka dia toy izao no niafarany. tsy nitory rangahy fa kosa teo no ho eo ihany dia namidiny mora ny tranobeany sy ny fiarany ary ilay trano iray sisa nananany nosoratany tamin'ny zanany vavy. tsy nadova ranamana ka lasa tontakely.


  5. finoanaranoray

    Mety ho hanimba ny fisainako ary ve hoe tsy manana ambanivohitra itsony aho?...

    Ny nanasa ny atidohako mantsy dia ilay hoe "identité culturelle"...

    Simba ve ny fisainako...tsy haiko...

    Mahita ireo olona manana trano hivantanana any ambanivohitra rehefa fialan-tsasatra...

    Tsy afaka miteny itsony hoe "ny any aminay" fa lasa hoe ny any amin-dry zareo...


  6. ikalamako

    azonao atao indray izany mba manorina "any aminay" ho an'ny zanaka amam-paranao e. Aza atao mankarary fo fa ny lafy tsarany jerena fa eritrereto izahay aty lavitra aty mety tsy hahita izany ambanivohitray zany intsony ary asa raha ho zakan'ny saran-dalana ho any raha ho avy izay andro izay.
    Tsy atao mahakivy izany fa "ny any aminay" dia izay mahasoa ny fiainanao aloha amiko. Amiko hoy aho an, tsy voatery ho izay ilay izy ho an'ny hafa.


  7. simp

    ka le tsy mivarota tanindrazana mintsy no tekniquement impossible nge ee.
    Satria ny velaran'i Madagasikara dia voafetra, ka ra samy tsy mivarotra doly dia tsy hitombo harena tsony zany

    -> faux probleme io.

    @ cas pratika indray ilay izy matetika dia fanaon'ny ol dia any @ havany ihany izy no mivarotra fa tsy mampiditra intrus zany mintsy... zany hoe tsy mivarotra ihany en qlq sorte... sao dia mba mety aminareo :)


  8. finoanaranoray

    Tena tasara ihany 'lay amidy k'ity...

    Aleo mihary...


  9. mamabe

    Nareo ve adala e!
    Tsy azo amidy zany ny tanindrazana e!
    Inona fotsiny no maha-tanidrazana azy?
    Refa tsisy intsony ny tanidrazana, tsisy ntsony ny ambanivohitra dia tsisy ntsony zay ikambanana;
    Very sy sarak'havana e!


  10. mamabe

    Za zao ny vola ny ahy dia ividianako tany amin'ireny tany lavavolo ireny. investissement sur io. mitombo ho azy eo ny vidiny.
    Misy ho lovain'ny Taranaka e!

    Reny mpianatry ny Agro reny hono to hoe mahazo droit na tany 5ha.
    Sambatra ry zareo.


  11. kely_fil

    Manenina mihitsy zao reny nivarotra tanindrazana ireny.
    Lafo be zao ny tany an!
    30 0000 - 50 0000 Ar/m any @ peripherie de Tana (Ambohijanaka, Ampangabe, Alakamisy, Ambohidratrimo, Ambohitrimanjaka, Ambohimangakely, Soavinimerina, Talatavolon'ondry, sns)

    En ville moa de tena gravy be :
    100 000 Ar -150 000 Ar zao reny tanimbary azo totofana ireny,

    200 000 Ar - 250 000 Ar ny ao @ ville : Akazomanga, Tsimbazaza, Isotry, ivandry



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article