Mpivarotra tanindrazana izahay...
Mpivarotra tanindrazana izahay...tanindrazana azo tamin'ny fitsembohan'ny razanay...tanindrazana tsy foin'ny razanay...
Eny noho ny hafenoin'ny rano mangidin'ny adim-piainana be loatra, dia lasa mpivarotra tanindrazana izahay...satria dia tena tsy dia tafavaoka loatra teo amin'ny fiainana ny mpiray tam-po, dia tsy maintsy nivarotra tanindrazana izahay...aleo maty rahampitso toy izay maty anio...tanindrazana any ambanivohitra...
Nanomboka teo izany dia anarana fotsiny sisa ny maha ambanivohitray ny ambanivohitray satria tsy misy taninay itsony any na dia iray dia aza...ny fasana aza efa ao Ampasampito, fasam-bazaha...
Ao an-drenivohitra sisa no misy ny fananana...
Nifananihany izahay mianadahy avy..."mpivarotra tanindrazana izany lesy isika..."
Fahatsiarovana sisa...
Ho lasan'izay ny ratsy rehetra ary mba hitondra soa anie ny vidiny...