Mitongilana amin'ny mitovy volon-koditra...
Angaha moa misy ny loko mainty?...tsy misy n'inon'inona ny loko mainty..."vide"...
Tsy nisafidy ho fotsy ny olona fotsy, ary izaho koa tsy nisafidy ny ho mainty na ho teraka teto Madagasikara...dia midika ve izany fa tsy maintsy OBAMA no tohanako fa tsy ny heviny...
Tadidiko tsara
raha vao mandray raki-bolana vahiny aho (dictionnaire) ka tsy manana teny voafaritra ho jerena dia ny famaritana ny "Madagascar" no jereko, dia avy "Malgache", dia avy eo "Ravenala" dia mankany amin'i "Maki"...
raha vao mijery sarintanin'izao tontolo izao aho dia Madagasikara no tadiaviko voalohany...raha vao mijery vaovao an-tsary vahiny aho aho ka misy sarintanin'izao tontolo izao ao ambadik'ilay mpilaza vaovao dia Madagasikara no tadiaviko...
raha vao mijery ny sarin'olona marobe mpinamana aho (photo de classe ohatra) dia ny sariko no tadiaviko voalohany...dia avy eo ny namako akaiky...
raha vao misy lalao iraisam-pirenena ka ao ny ekipa gasy dia mila hitongilana amin'iny ny fanohanako, raha tsy misy gasy ao dia ny afrikana, raha tsy misy afrikana dia izay ekipa misy afrikana efa tsy afrikana itsony (ohatra Frantsay), na ny firenena nabosesika tao an-dohako tami'ny fitaizana sy serasera (ohatra Frantsay)...
raha misy zavatra ho vidiana, ka misy karazany 2, ny iray vita gasy ny iray tsy vita gasy, dia mibosesika ao an-tsaiko ilay teny baiko ankolaka "GASY ka MANJA", miady ery ny saiko ny tsy handa ny vita gasy...
raha vao nanomboka ny fifaninana filoha tany Amerika, ka nahita aho hoe i OBAMA tsy fotsy 100% dia nibosesika ny saiko nanao hoe raha mifidy aho dia OBAMA no fidiko... tsy nijery akory izay mba hevin'i MC c.
raha vao mitady hirona amin'ny kolon-tsaina vahiny dia mibosesika ao an-tsaiko ny hoe RAZANA...tenin-drazana, vako-drazana, fomban-drazana, tanindrazana, fahendreny ny razana...
Angamba toetra voa-janahary ilay misafidy ny TENA na ny akaikikaiky ny Tena... NORMALY...fa tena hitako ohatrany manambany tena kosa aho rehefa endrika ivelany no ataoko fototry ny safidiko...dia hoe satria gasy aho dia tokony hanohana BAREA na dia hita fa ho resy izao aza izy...Eny e faly mihintsy aho rehefa maharesy BAREA...nefa ny tena tiako dia ny filalaon'i Côte d'ivoire...dia izaho irery no toa adaladala tsy maka BAREA... mahazo MORALY tsy tia ny an'ny tena...
Tena novelariko ilay Tontoloko, tsy ny ranomasina no valamparihako...ary tsy hoe akory an'ny RAZAKO dia tsy foiko...ka izay no andemena ny saiko...asisiana RAZANA daholo mba hanasoavana azy... na hoe GASY dia tohanako...fa ny Endrika Anatiny...ilay Kalitao e...
Dia faly isika mainty fa mainty (metisy) no lany ho Filohan'ny firenena mantanjaka rehetra...(dia hoy izahay manasoaso hoe ny Papa sisa no andrasana ho mainty ary ny solon'i Sarikozy...amin'izay angamab tena fety be mihitsy...)