Ny Voka-tsoan’ny Hakamoana
Mandehana dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka itsony…
ohabolana filaza amin’ireo mihisatra matetika, …rehefa tena kamo iny ka irahina hamita zavatra…
nahatonga ny vazivazy toy ny hoe :
« tena mazoto be aho izao ka tsy afaka itsony, araky ilay ohabolana io e… »
« …ny hakamoan’ialahy no betsaka… »…izay fanamarihana kely izay fotsiny no nahatonga an’izao fonja-kevitra izao nipoitra mba ho entina hanohanana ny fahakamoana :
- Ny hakamoana hitsangana hamono fahitalavitra, rehefa te-hatory be eo ambony fandriana, amin’ny andro alina na atoandro be iny, no namoronana ny « télécommande »…
- Ny hakamoana hitsangana hanova ny fahitalavitra (zapp), rehefa mahasosotra iny ny fandaharan’ny VIV A ka te hivadika MB S, no namoronana ny « télécommande »…
- Ny hakamoana hikopak’afo – handrehatr’fo no namoronana ny « fatana gaz »…
- Ny hakamoana hiakatra tohatra no namoronana ny “ascenseur”…
- Ny hakamoana handeha tongotra lava no namoronana ny biskleta sy ny fiarakodia…
- Ny hakamoana hianatra lesona ela no hianarana azy haingana fa maika hilalao…
- Ny hakamoana hiasa no hamitana azy haingana fa maika hi-surf…
- Ny hakamoana hiasa mafy amin’ny angady no namoronana ny “charrue” sy ny “tracteur”…
- Ny hakamoana handika amin’ny tanana no namoronana ny “copie coller” sy ny solosaina…
- Ny hakamoana … no namoronana ny…
Toa mety daholo izay ohatra atao…
Be voka-tsoa ho’aho ny Fahakamoana, raha tsy nisy ny fahakamoana izany tsy nisy ny “télécommande” – ny fiarakodia – ny “copie-coller” – ny “charrue” sy “tracteur” - …
« …ny hakamoan’ialahy no namoronan’ialahy izany… »…dia nitsangana tsy fidiny ny tena nanantanteraka ilay iraka, sady feno fahakamoana ihany, nefa dia nanao satria maika hipetrapetraka…
P.S.: Ry zalahy vazaha hono no tena mahay kamo, kopy kafe iray laniany ora iray, sady mipetraka fotsiny eo amoron-dalana eo izy, dia mody mamaky gazety…na mamoron-dresaka…hay amin’iny izy no tena mandinika ny stratejia hivelomana…