ATERO K'ALAO...

Published on 11/01,2008

Atero k'alao...atero ka alao...Aterokalao...fiteny andavan'andro amin'ny malagasy, ary lasa ampiharina matetika amin'ny fiainana...

"Hivarotra tapakila aminao aho,..., hanao tafika masina mantsy ny fikambananay ao am-piangonana, dia misy ,,opération la soupe,, hahazoana vola hanampiana ny ho enti-manana...5000 Ariary fotsiny"

"Hay...Amidio any aloha fa rehefa tsy lafo vao eto aty indray dia mieritreritra aho"

"Ao Moa e Mba mividiana...5 moa nareo no ao na-trano...5 izany no alainao?...tsy maninona ny vola alaiko amin'ny farany volana..."

"sssh...ianao koa toa misisika be...[tsy mety amiko ilay atero ka alao]...ohatrinona ary ny tombony alainareo amin'io e?...dia tombon'ny karatra 5 no alohako..."

"tena tsy haiko hoe ohatrinona ilay tombony..."

"Ao ary fa haka 5 aho e ... fa izao izahay tsy ho any... aza asaina manomana lasopy 5 ho ahy intsony ilay mpahandro ... fa tonga dia atovy tombony ho anareo daholo ny karatra 5...dia indro averiko aminao ny karatra 5 ... amidio amin'ny olon-kafa mpanao aterokalao any... "

...Lasa aterokalao ny fiainana...

napetraka ny tetika vaovao hanampiana ny fanantanjahan-tena, mividy karatra filalaovana ianao hametrahana ny vinavina hoe iza no mpandresy dia mety hahazo vola be...fa sady nahazo vola ilay nanonta ny karatra, ny nanao ny dokam-barotra... 

Nalaina tahaka amin'ny fiangonana aty an-tanan-dehibe ny vokatra hanampiana ny fampiroboroboana ny asam-piangonana, mividy ianao mahazo dia lasa ny fiangonana ny vola...fa ny volan'ilay nanome mofomamy lasan'ny mpivarotra lafarinina sy siramamy ary atody...

Esoriko ao anaty voambolako ny atero ka alao

PS: Hanome fanampiana ny Serasera aho...tsy aterokalao...fa sitraka enti-matory ka valiana satria efa mahatsiahy...Ny vato aza hosoran'ny sasany menaka rehefa nahitan-tsoa...

Nefa dia ny kely ananana no ahiratra...mason-tsokina...tsy izay kely voarambokin'ny tanana, na ambinambiny sisa tsy lany, fa tantely tapa-bata...Mahasoava  

 


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article