Ary raha atao @ 8 ny @ 6

Published on 10/31,2008

Ary raha atao amin'ny 8 ny @ 6...rehefa fahavaratra...

@ 5 dia efa mazava be ny tamin'ny toerana misy ahy, @ 5 maraina io...ny varavarankely koa fitaratra ny "rideau" fotsifotsy sady miantsinana...nahazo ny tara masoandroko maraina be aho ka tsy maintsy tsy nahita tory itsony...

@ 6 dia efa manomboka maizina, @ 6 hariva io...Ny jiro eny amin'ny arabe maro no tsy mandeha ny trano ho vonjena mitokatokana...ny tena tsy nisy fiara hodiana...ny andro maizim-bolana...

Satria (ho) fahavaratra ny andro...(?)

Tsy haiko hoe iza avy moa ireo firenena manova fotoana rehefa miovan-toetr'andron-taona...fa dia lasa ny saiko hoe maninona moa raha ahemotra (sa moa izany ampandrosoana) ny fotoana rehefa fahavaratra...dia amin'izay @ 8 vao mba maizina ary @ 6 vao mba mazava...

Iza moa no tokony hanapa-kevitra an'izany ny Akademia? ny Governemanta?...

Ny an'i frantsay dia toa fitsitsiana solika no nanombohan'ity resaka ity...fampihenana ny jiro lany mirenitra amin'ny alina...Heure d'été...

Ny ahy indray tsy te-hiditra lalina amin'izay jiro lanin'i Jirama (jira - rama) vokatr'ireny jiro eny @ "poteau" arabe mbola mirehitra ireny aho na dia mazava aza ny andro fa...... Ny hakamoako hifoha maraina sy hatory aloha angamba no betsaka...


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article