boule sa baolina...
Taiza tokoa moa no fetra farany nahatongavan’ny gasy tamin’ny baolina…hatramin’izay nahatsiarovako tena aloha dia ny BFV SG no hitako lasa lavitra… tipé, féfé, rado, fidy…tsy mitantatara ny zavatra tsy hitakoa aho, toy n,y saint michel - fortior - sotema… fa ny tamin’ny androko dia ry BFV Sg -BTM fc - ACT - COSFAP - VOROMAHERIN’ALAOTRA - SOLIMA - CIMELTA…
Amin’izao moa dia toa fiononana sisa… sao dia tokony hivadika kontinanta marina ny gasy e… andao hivadika any Asia dia lasa tafakatra “coupe du monde”…sady ny ankabeazantsika mitovitovy amin’ny asiatika…
fa ny “boule” kosa e (triplette)… toa efa tompondaka erantany isika 1999 - 2003 (junior) , toa efa laharana faharoa 1982 sy 2007 - “La suprématie europénne et maghrébine est flagrante, mais en 1999, Madagascar, a comme premier et jusqu’à présent seul pays de l’Afrique australe emporté le titre de Champion du Monde.” http://www.fipjp.com/chm/open/index.htm
Ny ankabeazan’ny gasy tsy dia maventy, ilaina amin’ny baolina io,…, mora vizaka, ilaina amin’ny baolina io…(fa mahay baolina kosa a!) … ny toerana hilalaovana baolina izao efa lasa trano avokoa, ilaina amin’ny baolina io,…, taloha izahay nilalao teny an-tanimbary…izao efa feno trano eny (toearna iva Tana)…(aiza ary ry zalahy ankehitriny no milalao baolina an-tanimbary?)…
Maninona raha ny “Boule” no imasoana e! tsy dia mamizaka io…tsy mila haventesana…tsy voatery ho lava…tsy misy mihazakazaka…atao ny “opération boule” (amin’izao toa 180 000Ariary ny boule 03 dia atao moramora) - atao ny “boule” fokontany…
nanadalo “bouledrome” tao Antsiranana aho dia nanoratra ity - ary nahita ny vaovaon’ny “boule” tany Toamasina, tamin’ny Pentekoty…sy naheno fa i Rakotoarivelo Sylvain Carlos no tompon-daka eran-tany tamin’ny ”tir de précision: 52 points” resiny i Milei Pascal Frantsay tamin’ny Famaranana.
Tena tsy malaza ilay “boule”
24 may 2008 blaogy.org