andron'ny lehilahy...

Published on 10/18,2008

Dia maninona izao raha mba atao mitovy zo tahaka ny vehivavy ny lehilahy...?

...ny lehilahy matetika rehefa mamonjy fotoan-dehibe dia tsy maintsy manao kravaty...ny vehivavy rehefa madio ny ankanjony sy miala kely amin'ny fanao ankoban'andro dia tsy olana...ny lehilahy tsy mba afaka misafidy fa tokana ihany ny mihaja aminy (?) lobaka - pataloha velon-drirana - palitao sy kravaty...ny vehivavy mandeha "jolie"...

...ny vehivavy manana "kapa mihaja", kapakapa kely nefa mihaja...ny lehilahy tsy maintsy kiraro mangirana...

Amin'io lafiny io ve tsy tokony hangataka ny hampitoviana zo amin'ny vehivavy ny lehilahy...

Omena andro iray hidradradrana ny zon'ny vehivavy ny vehivavy,8 marsa...ary inona no andron'ny lehilahy?...

inona no andron'ny lehilahy hangatahana ny zon'ny lehilahy?...angatahana zo mba tsy ho bedesina rehefa mody taratara indraindray?...angatahana zo mba ho afaka hanao ankanjo maivamaivana fa tsy hi-kravaty foana rehefa amin'ny fotoana mihaja?...angatahana zo mba tsy hitomanian'ny vehivavy ny anjara asan'ny lehilahy?...

Nefa dia fetsy ny lehilahy, satria mba hampangina ny vehivavy dia amporisihany hangataka zo ny vehivavy...

dia hoy ity lehilahy iray:"rehefa heverina ho zaza ny olona ho entina dia omena vehivavy hitondra - satria ny mitaiza zaza no tena kapaokan'ny vehivavy..."

brrr...Tsy vanona ny fiainako raha tsy eo ianao Madama a...mba zairo kely anie ny ba kiraro ao azafady e...

 

 


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article