Izaho mivarotra seza...
Izaho mivarotra seza izay mitady. Misy karazany maro :
- Dablio: ho an'izay mafimafy fitombenana, kelikely ihany ny sakany...tsy dia tena amporisihana loatra ianareo hividy an'io fa manjary mitady seza hafa rehefa ela ny ela fa tsy tamana,...dia lasa miady seza...fa tsara io amin'ny fiarahana 2 na 3 na 4, rehefa hiaraka hisakafo sy hianatra.
Tabouret: ho an'olon-tokana ihany io, maozamaozatra koa no mipetraka aminy...mety hiadivan'ny olona koa any aoriana fa aza mividy an'io...raha izaho nareo tsy mividy an'io, na dia mora entina an'i Mahajanga sy any Toamasina aza.
- Pouf: io indray afaka ho entina mandehandeha, ho an'izay tsy manana seza raikitra...sady tsy dia mavesatra no afaka atao solon-tseza (reserva) raha toa ka very seza tampoka...
Strapotin: vitsivitsy io sisa, fa dia tena be mpividy tokoa, fa tsy maintsy miaraka amin'ny palitao mora avadika izy io, fa raha tsy izany tsy mety...ka raha tsy manana palitao mora avadika ianareo dia tsy dia tsara ny mividy an'io...
- Salon: io indray komandy manokana, tsy maintsy mifanaraka amin'ny diplomaty aho vao afaka manafatra an'io...sarotsarotra ihany vao mety azo io an, mety hipetraka amin'ny goudron ianao...ary mety hanao polisy volera eran'ny tanana vao hahazo azy...sur commande.
Ankalana: io moa dia tena sasatra vao mahita azy, raha tsy hoe manafatra any amin'ny valala bemandry mpisolo vaikan'ny ankalana...aza mividy an'io fa tsy fipetrahana io fa fitetitetehana hena...mody ohatran'ny seza fotsiny ny paoziny.
Sy ny sisa sy ny sisa e...
Mba tsy hisian'ny ady seza sy ny fitiavan-tseza moa no nanokafako ity varotra iray ity.
Fa ny seza tsisy intsony dia ny "seza arenina", efa lasan'ny malagasy io mba hiterahany an'i Demokrasia HONO...