ndao ovaina...ny hiram-pirenena
“tahionao ry Zanahary
ty nosin-drazanay ity
hiadana sy ho finaritra
e sambatra tokoa izahay”
Sao dia tokony ovaina lesy io Hiram-pirenena io fa dia tena tsy misy vokany mihitsy.
Efa olona firy izay no nihira an'io im-piry nefa mbola TSY SAMBATRA IHANY tokoa izahay... (ampijalian’ny drog bas na koa antsoina hoe gros bras…),
sa ilay Zanahary mihtsy no be marenina
Efa nohiraina daholo ny andininy 3, fa dia eh eh eh...
ary ilay hiram-pirenenan’ny TVM ilay alefany alohan’ny fandaharana sy kabarin’ny Filoha iny aza lasa ohatran’ny hafahafa be izany ( ohatran’ny tsy mahazo ventin’aina izany ilay antokom-pihira)
Maninona tokoa moa, ohatra, raha ovaina an'ilay hira hoe:"choc, choc, choc – halako magnano choc
ady ady ady halako olo-miady
olo-tsy mahay miaigny mandrombaka ny ambiansy
choc choc choc e halako magnano choc e i a"
sa mety lasa mihetsiketsika be, mety handihy eo am-pihirana ny hiram-pirenena...
Izao indray ary, raha tsy mety iny e, ho soloina an’I Ka sahia e, dia ny anaran’ny Filoha no ovaivaina:
“Ka sahia andeha hiara-dia…Aza kanosa Ka avia a
I Filoha no hitondra antsikaTiako ny Malagasy”
“Aza manadino anay
Ry Ambohitsirohitra
Aza mba manary anay
Hanalavitra anao
Mitodiha vetivety…
Hampandroso sy hampety”
Hevitra taingina marina...ity no tena mety e
Toa lavitra be ny eny Ambalambahoaka Raha tazanina avy eny AmbohikobakaToa lavitra be ny eny AmbohikobakaRaha tazanina avy eny AmbalambahoakaTsy mahatazan-davitra ny any AmbalambahoakaTsy mbola afaka mitsinjo ny vody andro merikaTsy tazana mihintsy ny any AmbalabahoakaFa varimbariana ny lavitra ny eny AmbohikobakaNy eny Ambohikobaka variana Mivarotra rorono an-tavyNy any Ambalambahoaka sahirana Mitady ny hanina hohanina anio
Toamangina be ny avy eny AndohasahaRaha henoina avy eny AmbohikobakaAza ny lohasaha mangina no jerenaFa Ambohikobaka an-tampon' ny lohaTsy heno mihintsy ny avy eny AndohasahaAvo feo loatra ny avy eny Ambohikobaka Nankaiza tokoa ary ny feon' ny tantsahaNo ireo mpisolo vava no mbola tompon' ny lakaNy eny Ambohikobaka mifaninana Mamadika bainga hivelomana...