poatahak’izay…
Lasa lavitra ny saiko, ka nieritreritra hoe "ianao ity moa izany mbola ho antitra"…
he he…
dia hoy ny fiteny hoe “fitia garanadrelina – miketroketrona vao tena mamy” – izay novaiko hoe “miketroketrona vao tena mama”…
Izany no fiainana… tsy ho hitahita akory,
dia hikolepaka ireto manga eso…dia hiforiporitra izay tsy izy ity pasoka malama…dia halazo ny hazo eo afovoan’ny saha…dia tsy afaka hanondraka ny zaridaina matetika itsony…ho fola-damosina hitodika…
Mbola afaka hiteny ve aho amin’izay hoe “tiako ianao” sa hoe “tsy misy mpitia ahy itsony afa-tsy ianao sisa ka dia tiako ianao?”…?
Dia ho tena marina ve ilay fitia garanadrelina - miketroketrona vao tena mamy, ny “vieille marmite”, ny divay ela, ny fary lava vany, ny farany vao misy ventiny?
Tsy azoko veroka mihitsy…
mahita ireo efa miaina izany aho ankehitriny dia valalanina, ahoana ary no hahazakany izao?... sa dia hoe samy reraka sy disaka ka tsy izany itsony no jerena?...sa izay ilay hoe tapi-dalan-kaleha ka mason-tsokina ny kely hananana no hahiratra?...sa hoe izao sisa e?...
Tsy mety manome tsiny an’ireo anti-môla ny saiko raha vao mieritreritra izany, nefa mametraka ihany azy ireny hoe “mpanararaotra” – mpanararaotra farany…dia misy mamaly moramora ao am-poton-tsofiko hoe “fahanteran’alika ny an’ireny”… nefa…
Tena hamototra ahy ve ny finoako rehefa any aoriana any ka hahavita fefy tsy hamela ahy hiboritsaka eny amin’ny raozy vao mivelatra…
tena hamatotra ahy ve ny voady nataoko ka tsy hahatonga ahy hitsiriritra sy hihinana voankazo voarara…
Ho sahiko ve ny hiteny hoe "mbola manintona ahy foana ianao" amin’izay fotoana izay?
Soa ihany fa ny fiainako tsy eto an-tany ihany!...
Mandalo izao fianan’izao …
poatahak’izay…
ka izay no hanararaotana dieny mbola tsy mikentrona koh, manjary very tour be dia be :-)
(dia tena mba lasa lavitra koa sain'i twa tato zao kah !)
sady lasa saina no tonga saina... tsy hay itsony...
mila manenjika tour zany aho izao ...
anotanio Dadazily
Efa maty moa Dadazily sa mbola velona?
mba omeo ny amail an'i dadazily...zfd
Mbola tsy hita hono Razily hatramin'izao
http://observers.france24.com/en/content/20090330-razily-ravalomanana-supporters-cyber-hero-protests-madagascar
Ny nahitana azy farany dia ilay nosamborin'ny miaramila sy natao tao anaty 4x4-n'ny kapsaty.
finoanaranoray : tena mba lasa lalina marina ilay eritreritrao nefa tena mitombona tanteraka tokoa !....Naika nihomehy aho ,naika tapa-tsinay kinanjo nandefa saina ihany dia tonga saina koa fa tena ahoana tokoa re amin'izany andro zany e ? hummm ! aleo tsy heverina marina,araka ny lazain'ikalamako fa ny androany no araraotina!
Tena ratsy no fahitanao ny ho fahateranao izany an ! Ny tena miketrona tokoa, ara-batana ihany io, fa ny saina feno fahendrena, feno experiences, ho fanalahidin’ny hevitra. Tsy ilay vadinao ihany no mbola hiteny aminao fa mbola tiany foana ianao. Nahoana moa no hanimba sy tsy hanaja tena sy ilay fitia niarahana tamin’ny mamy sy ny mangidy ka “hiboritsaka eny amin’ny raozy vao mivelatra” ? Raha tsy hoe tena manao adina “stars” ise ? Ary ireo taranaka (raha tsara taiza izy ireo) sy ny manodidina anao haka hevitra aminao daholo. Ny namana mitovy taona tsy tapaka etsy an-daniny hiaraka adala sy hametsovetso, sy hikakakaka ny adalana natao fahiny. Tsy ho irery akory ianao fa hoe heverin’ny olona fa “martien”. Tsy ekeko ireo fampitahana raha araka ny voalazako noho izany.
Ataovy mafy ny finoana, ary aza adino fa olona mendrika ny fahatokisana ianao matoa nivoady. Ho avy moramora io, ary ho hitanao fa tsy araka ny noeritreretinao satria ny manodidina anao dia tsy hanary anao fa hanampy anao amin’izany. Mety hisy ny zavatra adino na ny aretina, fa olombelona no manodidia anao fa tsy biby akory rehefa tsy be ny ratsy natao. MAHEREZA.
Dia miahiahy ny amin'ny ho aviny foana tokoa raOlombelona 'ka :).
Izaho indray dia zavatra hafa (izay efa lalovan'ny maro aminareo) no mba mahalasa saina ahy ... dia ny fanambadiana sy ny fananan-janaka :).
Toa azoko an-tsaina ery izy izany : raha 4 ohatra ny isan'ny zanaka, dia tsy maintsy eritreretina daholo :
- ny fahasalaman'izy 4 :).
- ny sakafony.
- ny kilalaony.
- ny fianarany.
- izay zavatra ataony rehetra (arahi-maso rehefa eny an-dalàana sao voadonan'ny fiara,...).
- sy ny sisa sy ny sisa hihihi
Dia mba manontany tena aho hoe : mbola hisy tokontaniny ve ny ho fialambolin-drainy :) [ny blaogy, ny fitiavana teny malagasy, ny blagy amin'ny samy mpinamana, ny lalao maro isan-karazany, ny fitiavana mihira sy mihazakazaka, sns. : ireo zavatra ireo manko dia toa tsy ho atakaloko mihitsy ry 'zareo 'ko hihihi]] sy ny fahalalahana : toa tsy azo hatao intsony ilay hoe :
- rehefa tsy noana dia mahazo tsy mahandro :)
- rehefa kamo mifoha maraina dia @ 5ora hariva vao mikaly, dia avy eo tonga dia matory indray :).
- rehefa kamo hanasa lovia dia mihinana anaty sopera hihihi.
- rehefa tsy te hamafa trano dia lafihina gazety ny gorodona hihihi.
- rehefa tsara ny andro dia mandehandeha eny an-tsena, na mamonjy famakiam-boky :).
(hakamoana iray lavaka lllooolll)
O ry Tokinao a, mbola hanananao daholo ireo fahalalahana tianao tazonina fa aza miahiahy e ! tandremanao fontsiny ny ankizy tsy ho sous-alimentés sy ampy torimaso tsara ary ary fitaovana sy mandeha tsara ny fianarany ary indd ho ampy fitiavana dia mandeha zatra io fa ianareo no tsy ho azy, ianao indray no tsy aharaka avy eo !
Ny antitra mola moa ny tanora be zesita! Tsy hita be ihany.
Mahalasa saina sady mahatonga saina e?
izay ilay hoe tonga dia lasa ohatran'ny lelon-jaza...
misaotra an'i tsimitononanarana e :)! ho tanteraka anie ny teninao :)