Lesona faha-3 : Maty ho an’ny Tanindrazana

Published on 04/04,2009

  Lesona faha-3 : Maty ho an’ny Tanindrazana 

Mbola mitohy ihany ny lesona ataon’ireo mpanao politika amin’ny gasy kely. Ny antsoina hoe maty ho an’ny tanindrazana indray no nampianarina, izany hoe sombin’ilay Hira hoe: 

“Madagasikara Tanindrazanay, Tany sarobidy….maty ho anao no tena lazanay” 

Famerenan-desona moa izy ity satria dia efa tamin’ny 1947 no nampitaina ny lesona anisan’ny voalohany, dia nitohy tamin’ny 1972, 1982, 1991, 2002 ary dia izao naverina izao indray … revision…  

Teny Ambohitsirohitra aloha no “travaux pratiques” voalohany, … dia toa mitohy tao Ambohijatovo izany avy eo…

(Fa rehefa ry zareo mpampianatra kosa no hanao fampiharana (Travaux pratiques) dia any amin’ny Ambasady sy any Afrika izy no mandeha, ny sasany moa dia efa lasa taloha any Frantsa sy Maurice)

 “Madagasikara Tanindrazany, Tany sarobidy….maty ho anao no tena lazanay” 

Nefa rehefa misy maty midradradradra ihany hoe “fa mininona kosa no mamono e?...tsy valahara” 

Asakasak’ireo izay mbola hitohy hianatra…

Hevitra

  1. Ankoay

     

    Efa tenenina foana fa "aza ny ataoko no atao fa izay lazaiko tanteraho", tsy mety tonga saina!!! Ka mandehana ihany manohy famonoan-tena!


  2. hasimbola

     

    Aiza kosa e? moa ve fidiny ho azy ireo no ho fohy fisainana toy izao? Izany izao no mba hanentanana anareo mba efa lasa lavitra @ fanakaran-javatra, hanampy, hanoro, ary hintanana ireo izay tsy mba manana ny anjara fanakarana tandrify azy ireo.Saingy indrisy fa ny manam-pahaizana Malagasy na variana mikatsaka ho an'ny tenany, na mandatsa ny kely tsy mba mamindro, dia toy izany hatrany, dia ny omaly tsy miova, dia.....


  3. Ankoay

     

    Tsotra fa tsy mila mahay filozofia io ry hasimbola a! Efa hitanao izao ve fa biby no ifandrarahana dia mbola miroso ihany ianao? Fanatisme koa anie no mibaiko azy ireo ka tsy laitra akisoka amin'ny heviny mihitsy izy e! Ianao be hevitra io, efa nanentana azy ireo mivatana ianao? Any no tokony tonga dia alehanao fa tsy be mOraly eto fotsiny!


  4. kdaombaramita

     

    Mbola tsy nahita anarana blaogy teny mety ihany ve ? hi hi hi ! sao dia mila fanampiana ? :))


Hevitra


Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article