andron'ny lehilahy...

Published on 10/18,2008

Dia maninona izao raha mba atao mitovy zo tahaka ny vehivavy ny lehilahy...?

...ny lehilahy matetika rehefa mamonjy fotoan-dehibe dia tsy maintsy manao kravaty...ny vehivavy rehefa madio ny ankanjony sy miala kely amin'ny fanao ankoban'andro dia tsy olana...ny lehilahy tsy mba afaka misafidy fa tokana ihany ny mihaja aminy (?) lobaka - pataloha velon-drirana - palitao sy kravaty...ny vehivavy mandeha "jolie"...

...ny vehivavy manana "kapa mihaja", kapakapa kely nefa mihaja...ny lehilahy tsy maintsy kiraro mangirana...

Amin'io lafiny io ve tsy tokony hangataka ny hampitoviana zo amin'ny vehivavy ny lehilahy...

Omena andro iray hidradradrana ny zon'ny vehivavy ny vehivavy,8 marsa...ary inona no andron'ny lehilahy?...

inona no andron'ny lehilahy hangatahana ny zon'ny lehilahy?...angatahana zo mba tsy ho bedesina rehefa mody taratara indraindray?...angatahana zo mba ho afaka hanao ankanjo maivamaivana fa tsy hi-kravaty foana rehefa amin'ny fotoana mihaja?...angatahana zo mba tsy hitomanian'ny vehivavy ny anjara asan'ny lehilahy?...

Nefa dia fetsy ny lehilahy, satria mba hampangina ny vehivavy dia amporisihany hangataka zo ny vehivavy...

dia hoy ity lehilahy iray:"rehefa heverina ho zaza ny olona ho entina dia omena vehivavy hitondra - satria ny mitaiza zaza no tena kapaokan'ny vehivavy..."

brrr...Tsy vanona ny fiainako raha tsy eo ianao Madama a...mba zairo kely anie ny ba kiraro ao azafady e...

 

 


Hevitra

  1. iNaivo-koely

    ny lehilahy , tany Etazonia, dia nangatahana zo mba ho afaka hifampaka-bady samy lehilahy.
    Ary dia tanteraka tokoa fa azon-dry zareo soa aman-tsara izany zo izany.
    :-)


  2. finoanaranoray

    Iny indray ny tsy fitiavana vehivavy no betsaka amin-dry zareo ireo...na ny fitiavana lehilahy tafahoatra...
    mbola tsy nisy nangataka zo hanambady biby ve tany ry Naivo kely?


  3. Poker

    Izay resaka akanjo avy ko ve dia hampidirina @ resaka zo! Ka ny pozinareo lhl tonga dia mijajirika be tsy hita hoe hatao awona ko! Sa hanao zipo dia hasorina ny kravaty @ mandeha zolie? :)


  4. Kdaobaramita

    Ny zo nangatahan'ny vhv dia ny mba hitovy considérations amin'ny lhl amin'ny karama satria toa hamaivanina ny asam-behivavy satria hono "fanaka malemy" (ha ha ha, iomehezako), nefa ny saina no ampiadiana fa tsy ny hery ! Tsy hitovy zo mihitsy isika satria izahay miteraka, miasa, mitaiza, mahandro sakafo, manadio, ary mbola manginy fontsiny ny hoe ... manjaitra bà kiraronareo !

    FA efa noresahiko tary ny hoe ny sainay vhv hono miasa 2 fois mihoatra ny anareo lhl, izany hoe raha asaina fanametarana dia hoe :
    - atoandro vhv miasa 4, ny lhl miasa 2
    - ny alina : ny cerveau-nay vhv miasa 2 (miasa na dia matory ary), ny an'ny lhl 0. Io no mahatonga ny lhl vao midaboka dia tonga dia rendrika, fa ny anay vhv mbola mahavita mi-veiller ny ankizy, mieritreritra ... sns

    Document tv no nahitako izany. Ka asakasakareo ny mbola hanenjika anay ihany nefa rehefa atao ny kaonty dia tena izahay no mitana ny sehatra mafy eo amin'ny fiainana : 8 mars ve itomaniana e !!!


  5. finoanaranoray

    :-)


  6. Tokinao

    Misy vehivavy iray izay nilaza tamiko (8 martsa tamin'io) : ndeh mba hiala sasatra aho anio ry Tokinao fa mba andron'ny vehivavy anio a! ... Isan'andro efa andronareo foana, fa anay androany fotsiny hihihi Momba ilay resaka akanjo 'ndray : ho ahy tsy dia mpivaky loha dia zarako aza tsy afa-manao zipo sy akanjo hafa ny lehilahy. Amùin'izay tsy sarotra ny mifidy izay anaovana. Izy 'koa madio, "basy 'zay"! ;)

  7. Kdaombaramita

    Manaova lobaka fotsy na hafa loko ranoiray (fa tsy ilay fanaovanao isan'andro misy careaux na rayures ireny e ! tandremo koa anefa sao mavo adala na menafify, na fluo !!! ... na loko tsy fanao enao) tsara pasoka fontsiny ary pataloha madio velon-drirana à la mode somary ilay lava dia miketrona ery ambany sy kiraro mangirana dia ho hitany fa olona minutieux ianao ! C'est tout ! na tsy asiana cravate ary tsy koi !


  8. finoanaranoray

    1. Tokinao : miala tsiny fa tena tsy azoko mihitsy hoe maninona no lasa spam ny soratrao...
    Ny nahatonga hanoratra ity tsy hoe hiady anao zipo... fa tsy maintsy hihaona amin'ny lehibe aho...dia ny manodidina no nilaza (manery ankolaka) fa tsy mety raha tsy manao "cravate"-...ny andro mafana be...dia saika lobaka fohy tanana tsy misy "carvate" no nanaovako sady tsy nanao palitao...fa hoy ny vadiko hoe tsy mety...dia tsy maintsy ni "cravate" sy ni palitao...ny tsy fantatro dia asa na mety hitsara ahy i Lehibe raha toa lobaka "fotsiny" no nanaovako sady tsy nisy palitao...
    Ny an'ilay vehivavy mpiara-miasa amiko dia mihaja nefa maivana (tsy maneritery)...dia nitsiriritra aho...


  9. finoanaranoray

    Tsy hangataka an'io zo io amin'ny "vehivavy" aho...fa amn'ny lehibe...
    toy ity e...
    http://www.france-info.com/spip.php?article167677&theme=14&sous_theme=20

    Namporisihana ny mpiasalahin'ny Nations unies hiankanjo maivana...


  10. finoanaranoray

    ary toa lasa nisy sary?

    hihihi


  11. Poker

    Aiza ilay zipo ?! Tsy hitako @ sary :-)


  12. finoanaranoray

    nanaovan'i Madama...


  13. simp

    aleo less mba hanao maivamaivana ny vevavy ah.

    plus izy mihena ny anaovany, plus tsara izay hoan'ny humanite :P


  14. bosista

    ka zahay lehilahy ange tsy mivalan-dra mena isam-bolana e de afaka ho toy izany koa ve ny vhvv???


  15. ikalamako

    ka ny vehivavy na maivana aza ny fitafiny - la charme, la classe rankizy a !
    Izaho tsy mbola tadidiko nisento tokana teny amin'ny feu rouge niteny hoe : "pitin, le beau cul qu'il a le mec".
    Ny bandy bôgôsy dia miainga avy amin'ny fijerena ny endriny.
    Ianareo lehilahy anefa impiry kely mihodina manara-maso eny amin'ny familiana raha mahita ny "entana tena oayyyy". Matetika ny anareo andravoahangy ambany no hitanareo voalohany vao mijery an'andravoahangy ambony, ka normal na kapa kely sy zipo fotsiny aza dia mampivoaka ny haingon'ny vehivavy :-D


  16. ikalamako

    oups le fa tsy la charme hihihi


  17. Tokinao

    ikalamako > mapme mits le resaka Andravoahangy hihihi.

    Finoanaranoray > raha 'zah ianao dia atao eo anelanelany 'zany e (raha mbola tsy dila ilay fotoana anio) :
    lobaka fohy tànana miloko ranoray + kravaty + pataloha velondrirana + kiraro mangirana.

    Tsy mafana loatra ianao amin'io, no sady efa manaja an'ilay patirao ny kravatinao hihihi.

    Ilay resaka kravaty 'ndray : miankina amin'ilay patirô :) io : raha "formel" be ny fifandraisana aminy dia ilaina ny kravaty. Raha tsy izay dia azo avela.


  18. finoanaranoray

    Misaotra...

    Dia miverina main'nilay ZO aho hoe :" o ry Lehibe a, mba omeo zo hiankanjo maivana re izahay ... dia aza heverina hoe tsy manaja anao raha mba tsy mi "complet" sy tsy mi kravaty..."

    Ny akanjo saika hanaovako : "lamba soga karazan-dobaka tsy mivaky tsisy bokotra, fohy tanana, miloko fotsy, misy peta-kofehy sary aloalo sy sarin'omby"...


  19. Tokinao

    ah ok! Tsara koa ireny 'ka ... na dia somary akanjon'artista aza :).


  20. Rasoa

    Ilay pôzinao amin'ny sary nama dia mety a ! Mipôzy be anie nareo izany nefa rehefa hihaona amin'ny sefo mikaperotra loatra indray e ! Io blouson cuir io izao mety tsara fa mety tsy manana toa io i sefo dia maty lolo :))

  21. finoanaranoray

    nangatsiaka tamin naka io sary io...


  22. rasoa

    Tsy maninona fa ataovy akaiky dia ampidiro rehefa juste ilay hiditra ny varavarana iny !!! Mety io ry toi ! tandremo sao ao ambadika ao i sefo an !


  23. finoanaranoray

    Sefo koa anie gravy e...ahitana raharaha mihitsy...dia ho lazaiko indray ny vaovao farany tsy mahazo manao kravaty mena "hono" miaraka amin'ny lery, fa ny an'i lery ihany no mena...

    sshhh...raha mba fantatr'i lery mantsy fa fosaina ambadika lery...

    Toa ratys ilay lasa sefo koa...


  24. Rasoa

    Sefo AREMA izany knou ! hi hi hi



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article