Ary raha atao @ 8 ny @ 6

Published on 10/31,2008

Ary raha atao amin'ny 8 ny @ 6...rehefa fahavaratra...

@ 5 dia efa mazava be ny tamin'ny toerana misy ahy, @ 5 maraina io...ny varavarankely koa fitaratra ny "rideau" fotsifotsy sady miantsinana...nahazo ny tara masoandroko maraina be aho ka tsy maintsy tsy nahita tory itsony...

@ 6 dia efa manomboka maizina, @ 6 hariva io...Ny jiro eny amin'ny arabe maro no tsy mandeha ny trano ho vonjena mitokatokana...ny tena tsy nisy fiara hodiana...ny andro maizim-bolana...

Satria (ho) fahavaratra ny andro...(?)

Tsy haiko hoe iza avy moa ireo firenena manova fotoana rehefa miovan-toetr'andron-taona...fa dia lasa ny saiko hoe maninona moa raha ahemotra (sa moa izany ampandrosoana) ny fotoana rehefa fahavaratra...dia amin'izay @ 8 vao mba maizina ary @ 6 vao mba mazava...

Iza moa no tokony hanapa-kevitra an'izany ny Akademia? ny Governemanta?...

Ny an'i frantsay dia toa fitsitsiana solika no nanombohan'ity resaka ity...fampihenana ny jiro lany mirenitra amin'ny alina...Heure d'été...

Ny ahy indray tsy te-hiditra lalina amin'izay jiro lanin'i Jirama (jira - rama) vokatr'ireny jiro eny @ "poteau" arabe mbola mirehitra ireny aho na dia mazava aza ny andro fa...... Ny hakamoako hifoha maraina sy hatory aloha angamba no betsaka...


Hevitra

  1. Tokinao

    Afaka eritreretina tokoa 'zany :). fa zavatra mahatsikaiky iray no tantaraiko : i Maroc (raha tsy diso aho, Mety ho Algérie koa) dia nanomboka nanao ity fiovan'ora ity tamin'ity taona ity (volana vitsivitsy izay no niova ora 'zareo).

    Mbola betsaka ambanivohitra moa any ka dia tsy azon'ny tantsaha rehetra ilay resaka. Dia rehefa mifanao fotoana hono dia tsindriana foana ny hoe : "ilay tena ora ve sa ilay ora vaovao e?" hihihi

    Fanampin'izany : tsy nataony mitovy amin'ny an'ny Erôpena tandrefana ny daty fiovan'oran-dry zareo. Ho vokany dia lasa miova in-4 ny elanelan'ora misy eo amin-dry zareo sy ny aty Erôpa.


  2. malalany

    Ka ra any dago kosa ange tsy d misy elanelany b lé mazava sy maizina e.Aty ohatra été @10al mbola misy soleil nefa hiver @5ariva efa maizina ka aiza no itovizany zany.
    Fa ra io no aplikena any d be toko no lasa adala,aty aza ny vaza mbola perturbé ra vo manomboka miova iny lé izy


  3. finoanaranoray

    Tadidiko izahay mbola nianatra, nijaly mihitsy rehefa fahavaratra ny mirava amin'ny 6 hariva...mandeha tongotra mody sady miady amin'ny haizina no miady amin'ny orana sy ny fotaka...

    Ary nijaly mihitsy ny marainan-dririnina, izany hiala amin'ny 6 maraina ao an-trano izany...mbola maizina...hamonjy Rasalama avy any Ambohibao...


  4. kdaombaramita

    Kamo lahy loatra indray ianao izany ry ilay koto an !


  5. finoanaranoray

    :-) ...toran'ny hehy aho satria toa marina izany...

    Raha avadika resaka toe-karena dia mety mba hahitana tombony ihany...mihena ny fotoana hirehetan'ny jiron'ny jirama...

    ho avaokako ihany ilay soratro mikasika ny hakamoana...



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article