ATERO K'ALAO...

Published on 11/01,2008

Atero k'alao...atero ka alao...Aterokalao...fiteny andavan'andro amin'ny malagasy, ary lasa ampiharina matetika amin'ny fiainana...

"Hivarotra tapakila aminao aho,..., hanao tafika masina mantsy ny fikambananay ao am-piangonana, dia misy ,,opération la soupe,, hahazoana vola hanampiana ny ho enti-manana...5000 Ariary fotsiny"

"Hay...Amidio any aloha fa rehefa tsy lafo vao eto aty indray dia mieritreritra aho"

"Ao Moa e Mba mividiana...5 moa nareo no ao na-trano...5 izany no alainao?...tsy maninona ny vola alaiko amin'ny farany volana..."

"sssh...ianao koa toa misisika be...[tsy mety amiko ilay atero ka alao]...ohatrinona ary ny tombony alainareo amin'io e?...dia tombon'ny karatra 5 no alohako..."

"tena tsy haiko hoe ohatrinona ilay tombony..."

"Ao ary fa haka 5 aho e ... fa izao izahay tsy ho any... aza asaina manomana lasopy 5 ho ahy intsony ilay mpahandro ... fa tonga dia atovy tombony ho anareo daholo ny karatra 5...dia indro averiko aminao ny karatra 5 ... amidio amin'ny olon-kafa mpanao aterokalao any... "

...Lasa aterokalao ny fiainana...

napetraka ny tetika vaovao hanampiana ny fanantanjahan-tena, mividy karatra filalaovana ianao hametrahana ny vinavina hoe iza no mpandresy dia mety hahazo vola be...fa sady nahazo vola ilay nanonta ny karatra, ny nanao ny dokam-barotra... 

Nalaina tahaka amin'ny fiangonana aty an-tanan-dehibe ny vokatra hanampiana ny fampiroboroboana ny asam-piangonana, mividy ianao mahazo dia lasa ny fiangonana ny vola...fa ny volan'ilay nanome mofomamy lasan'ny mpivarotra lafarinina sy siramamy ary atody...

Esoriko ao anaty voambolako ny atero ka alao

PS: Hanome fanampiana ny Serasera aho...tsy aterokalao...fa sitraka enti-matory ka valiana satria efa mahatsiahy...Ny vato aza hosoran'ny sasany menaka rehefa nahitan-tsoa...

Nefa dia ny kely ananana no ahiratra...mason-tsokina...tsy izay kely voarambokin'ny tanana, na ambinambiny sisa tsy lany, fa tantely tapa-bata...Mahasoava  

 


Hevitra

  1. jentilisa

    Ny ahy koa dia aleoko manome tsotra toy izay terena hividy sy hivarotra!

    Lazaina aho fa asocial fa tsy raharahako izany! tsy maintsy resaka varotra ve no ifandraisana eny fa na dia any ampiangonana aza.

    Tena mitovy hevitra isika tamin'ity


  2. kdaombaramita

    Ka izay rehefa mahantra ny firenena e, tsy maintsy misy asa tokony hatao isaky ny misy hetsika ketrehina, tsy mahatakatra ilay fiangonana re ! Nefa izay asa hatao aminy no jerena e, ho mora aminao ny mividy @ izay ! Ny tombony amin'ny fiangonana dia mitombo isa ny olona voavonjy ara-panahy noho ny tafika masina hataony ! Mahereza e !


  3. simp

    zany hoe le fiangonana mintsy no tsy natao ho vocation commerciale ka any no tena olana... tsy maintsy miaina @ le tolotra sy fanampiana.

    Tsy tokony ho olana aloha izany satria mandeha a 2 sens io e. Refa manome tapakila anao izy dia mazava fa tsy maintsy mandray ny tapakila omenao azy ihany koa ;-)


  4. tebokaefatra

    Izay manao @ fifaliana no ankasitrahan'Andriamanitra!


  5. finoanaranoray

    teboka4: "Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra" II Kor 9.7

    Ekena fa na dia izany aza tsy tokony ho aterokalao...dia tsy maintsy tambazana "lasopy" ve izaho vao afaka manampy...sa sady mamampy ilay mpivaro-dasopy aho amin'izay no sady manampy ny tafika masina...
    Kaontio anie e...raha karatra 5 000 ny 3 000 vidin-dasopy fa ny 2 000 tombony lasa tafika masina...iza no nampiako bebe kokoa izany ny nahazo 3 000 sa ny nahazo 2 000...
    Koa raha tonga dia omeko ny tafika masina ny 5 000...

    Nanontaniako izy ohatrinona ny tombony fa io no alohako? - tsy hainy akory -

    Saika niteny ary aho hoe "o ry reto a, fa tsy zanaky ny mpanjaka ny mpanjaka ve isik'e? fa naninona no toa lasa mpangataka-nareo?...ary maninona aho no eritreretinareo hoe tsy hanome raha tsy homena lasopy? nefa dia vola tsy ahy no aty amiko fa napetrak'Andriamanitra taty fotsiny ho tantanako..."



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article