Ny Voka-tsoan’ny Hakamoana

Published on 11/07,2008

Mandehana dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka itsony…

ohabolana filaza amin’ireo mihisatra matetika, …rehefa tena kamo iny ka irahina hamita zavatra…

nahatonga ny vazivazy toy ny hoe :

« tena mazoto be aho izao ka tsy afaka itsony, araky ilay ohabolana io e… »

« …ny hakamoan’ialahy no betsaka… »…izay fanamarihana kely izay fotsiny no nahatonga an’izao fonja-kevitra izao nipoitra mba ho entina hanohanana ny fahakamoana :

-         Ny hakamoana hitsangana hamono fahitalavitra, rehefa te-hatory be eo ambony fandriana, amin’ny andro alina na atoandro be iny, no namoronana ny « télécommande »…

 

-         Ny hakamoana hitsangana  hanova ny fahitalavitra (zapp), rehefa mahasosotra iny ny fandaharan’ny VIV A ka te hivadika MB S,  no namoronana ny « télécommande »…

 

-         Ny hakamoana hikopak’afo – handrehatr’fo no namoronana ny « fatana gaz »…

 

-         Ny hakamoana hiakatra tohatra no namoronana ny “ascenseur”…

 

-         Ny hakamoana handeha tongotra lava no namoronana ny biskleta sy ny fiarakodia…

 

-         Ny hakamoana hianatra lesona ela no hianarana azy haingana fa maika hilalao…

 

-         Ny hakamoana hiasa no hamitana azy haingana fa maika hi-surf…

 

-         Ny hakamoana hiasa mafy amin’ny angady no namoronana ny “charrue” sy ny “tracteur”…

 

-         Ny hakamoana handika amin’ny tanana no namoronana ny “copie coller” sy ny solosaina…

 -         Ny hakamoana … no namoronana ny… 

Toa mety daholo izay ohatra atao…

Be voka-tsoa ho’aho ny Fahakamoana, raha tsy nisy ny fahakamoana izany tsy nisy ny “télécommande” – ny fiarakodia – ny “copie-coller” – ny “charrue” sy “tracteur” - …  

« …ny hakamoan’ialahy no namoronan’ialahy izany… »…dia nitsangana tsy fidiny ny tena nanantanteraka ilay iraka, sady feno fahakamoana ihany, nefa dia nanao satria maika hipetrapetraka… 

P.S.: Ry zalahy vazaha hono no tena mahay kamo, kopy kafe iray laniany ora iray, sady mipetraka fotsiny eo amoron-dalana eo izy, dia mody mamaky gazety…na mamoron-dresaka…hay amin’iny izy no tena mandinika ny stratejia hivelomana…


Hevitra

  1. Tokinao

    Ekena, na izany aza : nila namboarina sy noforonina ilay "télécommande, ascenseur, bisikileta, fiara, sns". Raha olona kamo tanteraka ataoko fa tsy hahavita hamorona an'ireo :).

    Izany hoe : ny hakamoana dia tokony hanosika antsika :
    1°- "hitady hevitra",
    2°-"hamorona fitaovana" : izany hoe miasa, ary tena miasa.

    Fa tsy hoe "hatory maraina" sy hitsilailay, na hitanin'andro fotsiny.


  2. simp

    sao dia mba hoe fivoahana ao @ "hahadondronana" fa tsy hakamoana loatra eee :)

    -> hakamoana hitsangana dia aleo mipetraka =))


  3. Rasoa

    Ny HAKAMOANA hafa, ny TECHNOLOGIE hafa ry koto a ! Fa tena hitako bandy kamo koa i toi ity an ! tsy ity resaka ity ihany no ahitako izany fa efa nisy hafa tary aloha tary :) hmmmmm !


  4. finoanaranoray

    Samihafa kosa ny kamo be sy ny kamo tsisy tohiny e...

    Ny ahy izao noho ny hakamoako no nahaizako dia hianarako haingan be ny lesona fa maika hilalao aho...ny kilalao amin'io mamaky boky tantara sy manao kilalao fanitaran-tsaina...

    KA ilay hakamoana anie dia hoe mahakamo koa izany hitsangana lava hamono sy handefa fahitalavitra izany...aleo rangahy mamorona télécommande a...(azoko antoka fa izay no tao an-tsain'ilay namorona...)

    Ohatra,Noho ny hakamoako handeha amin'ny cyber lava izao dia hamandrika ao an-trano amin'izay aho...Noho ny hakamoako hampiasa tanty kafe izao dia hividy fanaovana ranonkafe mandeha herin'aratra aho...

    Fetsy be ilay Kamo...

    ...fa ilay razako hoa dia kamo mihitsy e...tsy dia nahaforona zavatra firy toy ireo voatanisako ireo...tsy laitran'ny balan'ny fahakamoana..


  5. kdaombaramita

    Ny razanao tsy mahalala technologie knou :)) Hafetsena sy fahaizana izany fa tsy fahakamoana, samy hafa be ireo ry toi ! tsy fahazotoana no mety itenenana ny ohatra nomenao rehetra ireo, ary tsy fahazotoana tsy mitovy amin'ny hakamoana. Kamo = tsy tia miasa na asa inona na asa inona.


  6. Tokinao

    Karazana hakamoana daholo tokoa ireo. Fa amiko ny hakamoana "tsara" dia ilay miaraka amin'ny "famoronan-javatra", ary ianao mihitsy no mamorona fa tsy mampiasa ny zavabitan'ny sasany fotsiny.

    Raha ireo no jerena dia ilay mpamoron-javatra ihany no manana ny fahakamoana "tsara indrindra", fa isika dia revo mampiasa izay noforonony fotsiny. Ry zareo tsinona : namorona dia avy eo nampiasa ny zava-bitany, ary koa mivarotra ny zavabitany. Fa isika kosa rehefa te ho kamo, dia mbola mila mividy ny zava-bitany. Izany vola nividianana ny zava-bitan-dry zareo 'zany anefa dia azo tamin'atsembohana. Ka inona fa tsy mitovy ihany : mihena ny "dépense energétique corporelle" fa mitombo kosa ny "dépense financière" :). "bilan négatif" satria efa naka tombony ilay mpamorona hihihi.


  7. Rasoa

    Izao indray ny teny gasy tsy mety an'i Tokinao izany :)) tratrako indray i toi androany :

    -> Tamin'ny hatsembohana na tamin-katsembohana
    -> Zava-bitany
    -> Te-ho kamo

    Ha ha haaaa !


  8. finoanaranoray

    toa "malaina" tokoa no nolazain'ilay ohabolana koa fa tsy kamo..."mandehana dieny mbola malaina..." fa ilay Kamo anie fa toa tsy mandeha irery e (adverbe? miankina amin'ny matoateny), ohatra: kamo milalao...kamo matory...kamo miala voly...fa tsy voatery hoe "kamo miasa"

  9. Tokinao

    >>>>>Rasoa :
    - marina tokoa ny anao @'ilay "tamin-katsembohana". Ilay "zavabitany" moa dia fahadisoam-pitendrena :) satria misy anankiray mba tsy nodisoiko io. Momba ilay "te-ho kamo" ndray : raha azoko tsara dia tsy maintsy misy tsipi-panohizana ve zany rehefa mampiasa ny hoe "te" ?

    Misaotra ary kiano hatrany e ;). Dia mba ampiharo ao amin'ny blaoginao koa moa ilay teny gasy fa aza dia tazomina ho anao e! Sao tsy ametrahan'i jentilisa hafatra eo 'tsony :-P. ("phonétique io "'tsony" io a! hihihi. ty ny hoe "M'dame Kdaomba" hihihi).


  10. Kdaombaramita

    Mampiasa dia mampiasa aho fa hitanao eny ihany ny fahamaizana indray², sady izaho tsy mba nanao sujet tamin'ny blaogiko hoe 'teny gasy hatrany', izay no tsy nidirako tamin'ilay lalaonareo indray mandeha iry ! Fa misy ny lahatsoratro tena ataoko mamay io teniko io h@ voalohany ka h@ farany raha mahatsikaritra ianao ka ! ha ha ha ha ! Nisy olona 1 izay tena nataoko fanina mihitsy tamin'ny 'raha soan'i Rasoa' ary koa :))

  11. SVSUnlache

    Различные из скважин в результате мероприятия восстановительного комплекса событий позволят быть снова введены в использование. Тем более что сумма данных выполненных работ в 10 раз ниже суммы непосредственных сооружений.
    Обеспечено повышение дебита водозаборной скважины не менее 30% от имеющегося на момент запуска работ.
    В 80% случаях скважины возобновляются до начальных данных при включении в использование скважины, что по праву является альтернативой производства буровых работ новой скважины.
    Наши сотрудники организации по Очистке колодцев, отстойников и Монтажу подземного оборудования в скважину предлагаем свои услуги всем, как частным так и общественным предприятиям.
    SpecVodService - шлам очистки трубопроводов и емкостей


  12. MichaelVople

    Бизнес бот для Вашего бизнеса


  13. Rbaseomutt

    * Компании любых сфер деятельности
    · За все время победители тендеров за 4 года
    · Кто создавал закупки по 223 ФЗ,44 ФЗ
    * Авито, юла, и другие сайты объявлений
    - Резюме, индивидуальные данные сотрудников
    * Контакты физических лиц
    - Данные руководителей
    https://baseo.ru


  14. fxbrokersSalt

    currency-trading-brokers.com/forex-comparisons-ratings-reviews-portugal.html Estimativa cima-topo estrangeira divisas-intercâmbio-troca-câmbio empresas-companhias.



Hametraka hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article