Tandremo sao hodin'akondro...zatra mampiasa sabatra 2 lela ny gasy, ka manahirana ihany indraindray ny mandray an-tendrony ny zavatra lazainy...ka adidy ny mamadibadika im-7 ny atidoha...izany hoe mivadik'at-doha...alohan'ny hahatonga saina marina mantsy dia aleo lasa saina...
Ny lasa saina moa dia tsy misy saina ka dia mora mihinana amam-bolony, tsy misy plastika manelanelana...mianika hazo tsy fantatra...tratrany henjana ka mety ho tafatsofoka lalina...
Manohana anao aho...
Sarotra ... fa aleo olona be kiana ohatran'ny Ihagamainty-n'Andrianampoinimerina, toa izay olona be asoaso toa ny Menamason-dRadama II...
Firifiry ny olona tsy sahy miara-mifono lamba mena, fa raha maty izy matesa rahavana raha maty rahavana matesa raomby...io lay hoe soribilana niaraka ihany fa sola vao mifanary...
Tandremo lahy, ny omby hono no nisy tandroka hampatsiahy fa afa-manoto - ny alika hono no nisy nify hampatsiahy fa afa-manaikitra - ary ny tanana no misy hoho tsy hoe mpanafosafo ihany fa mety ho rangopohy...
Misy sipa manja be izay ... efa nanambady imbetsaka izy io, fa mbola manja ihany...mbola azo tetezina tsy mikipy hoy ny vazaha sy ny sinoa, mpandalo matetika ao aminy...
Vao avy nilaozan'ny vadiny izy io vao taona maromaro izao...noho ny antony fahasoratam-piaro sy ny fikaontikaontin'izay Bandy kely izay...
Io Bandy io dia olona tao antanana ihany, fa dia niadiady tamin'ny rangahy vadiny tamin'izany fotoana ka nanapa-kevitra fa hikaonty an-drasipa sy tena ,handrava ny tokantranony ka haka ny toeran-dramose... ary toa nilaza hono izy fa izy no rain'ireo zanak'ilay sipa kely fa ilay Rangahy vadiny teo dadakely (?)
tanteraka tokoa io fanirian'io Bandy kely io ka dia lasa nitsaoka ilay Rangahy vadin'ilay sipakely...
Vokany lasa niady antrano sy nifamaly ny zaza tao an-trano - ao no milaza fa i Bandy kely no tena Dadantsika, ao no manamafy fa i Dada lasa nandeha iny ihany no Dadantsika...ngah tsy loza, fa dia tsy hay itsony...
Nanambitaby ary ilay Bandy kely nandritra ny fotoana niarahana tamin'ilay sipa rehefa lasa ny vadin'ilay vehivavy taloha:
nividy kilalao baolina lavava
nanamboatra ny tokontany filalaovana
nanisy toerana hifaliana havanja ao an-trano
nanisy efitrano fitsaboana
sy ny sisa sy ny sisa
Tsy hay aloha hoe avy taiza daholo ny vola nanaovana an'izany fa misy tsaho nandeha hoe ny entana tao an-trano ihany no navadika chiffre ...
...
Rehefa nitohy ny adin'ny ankizy tao antrano, dia nisy nanolo-kevitra hoe andao ny test ADN hoe iza no tena Dada ary iza no Dada kely...
...nandeha ny fotoana...nihalany ny tahiry tao an-tsompitra...Tsy mety handefa fanampiana itsony ry Dadatoa sy Nenitoa sy ny Havana rehetra satria mila fantany hono aloha hoe iza no tena dadan'ireto ankizy, ary ny Test ADN no tsy maintsy atao...
ary dia nisy nanolo-kevitra hoe tsy misy dadan'ireo ankizy ireo nareo ka noho izany tsy ilaina atao atao test...
Tokony hitady lehilahy hafa hono Rasipa atao Test...
Mila atao haingana dia haingana io test io satria, dia hita fa mamangivangy matetika an-drasipa ao ny Sinoa sy ny Vazaha, ary mitondra entana mivaoka ny trano foana isaky ny avy matory ao...
Mba tia ny zana-badiny ve ireny Dadakely ireny?
Inona moa no olana raha atao ny test ADN raha tena Rain-janaka tokoa?
Tsy haiko aloha ny fahamarinany fa dia miainga amin'izay voalaza aho...
Tsy nitrosa mihitsy...
Tsy nitrosa mihitsy hono ny tetezamita...
Fika fitrosana
Nisy Lehilahy mana-kaja izay nipetraka tao akaikin'ny namanay, ... tantara efa taloha be ity...manan-katao be mihitsy ilay rangahy io, ... mamoaka fiara, manao trano, mankany andafy, tsara ankanjo, tsara kilalao ny zanany, mianatra amin'ny sekolim-bazaha ny zanany, ... sns...
Fa izao misy fotoana batainy ny ankabeazan'ny entany ao an-trano dia afindrany ao amin'ilay namanay mandritra ny andro vitsivitsy...
Fa naninona?
Hay lery mpitrosa be - dia rehefa tonga ny mpanao "saisie" dia izay entana kely sisa eo sisa no lasany - ny fiara tsy soratany amin'ny anarany, ny trano tsy soratany amin'ny anarany...dia samy miala baba...
Lasa olona tsongoin'olom-bolo be moa ilay rangahy io taty aoriana, sola loha be izay izy...
Izany hoe mampandroso ny TROSA...
nanahirana ahy no naheno fa ny USA no anisan'ny firenena be trosa indrindra eran-tany, nefa dia anisan'ny firenena mandroso indrindra - ary manana droit de veto ao amin'ny Banque Mondiale - droit de veto manakana ny tsy ampitrosaina ny firenena iray...
Firifiry ny nanangan-tanana taloha tao Tsimbazaza rehefa mandalo ao ny vinavinan-dalana fitrosana, satria dia samy efa mikajikajy ny kajikajy madinidinika...ary miandry "point d'achèvement"...
Hafaliana anie ny any Ray aman-dReny isany tamin'izany satria nahazo "point d'achèvement" tamin'ny fotoan'androny e...
Nandritra ny Tetezamita hono dia voaloa tsara ny trosan'i Madagasikara tokony aloha, trosa izay nataon'ireo mpitondra nifanesy...Trosa ny fanamboarana sekoly be dia be taloha izany, Trosa ny fanamboaran-dalana, trosan'ny kojakojam-pianarana, ...
Sady nahavita nandoa trosa zany ry zalahy no nahavita nanamboatra Hopitaly ...
Fa kosa dia nasehon-dry zalahy fa nahazo vola tamin'ny Sinoa izy ho takalom-by...izany hoe tsy voatery mitrosa izany fa ny eo an-tanana no atao takalo patsa...tsy haiko koa laoha izay sombo mofo latsaka amin'ny tany amin'ny fanondranana maro samihafa...
Izany hoe hahavitana zavatra ihany ny tsy mitrosa
Ohatran'ny te-hitrosa izany aho dia ampiasaiko lay fikan'ilay Rangahy voalaza etsy ambony...Ampiasaiko lay vola raha tsy tafavoaka aho dia tsy olana ny mpampitrosa no miantoka...raha tafavoaka moa izay no tena tsara...
Fa ny olana dia raha vao gasy maivamaivana hono dia tsy omen'ny banky trosa, fa mila antoka be hono ry zalahy, na olona miantoka io na fananana iantohana (efa voafitaka matetika angamba...)
Dia ahoana?
Aleo mitrosa
- "Ampindramo 2 000 000 aho fa averiko ny an'ialahy rehefa mandray karama aho afaka 15 andro"
- "Tena mbola sahirana lesy an...mba andraso kely moa eh...sa ity aloha 50 000 dia mba miala tsikelikely..."
Dia noraisina zara aza mba nisy niverina, fa dia lasa tsitaitaika ohatran'izany ny famerenana azy, dia tsy hita akory izay mba vitan'ilay 2 000 000 fa lasa rano ny tsitaitaika mba azo...Nefa lery amin'izany mahavita migalabona amin'ny fahafinaretana andoavam-bola, ary tsy miafina an...
Maninona ary no mahasarika sy mampite-hihinana ireto manga manta...mihantona eny antamponkavoana...sa ve dia noana ny dia lavitra ka manjary te hihinana voankazo voarara?
Maninona ary no mampite-hitsangatsangana sy mampite-hitety ireo vohitra sy lemaka...ny kirihitr'ala toy ny eny vakin'ankaratra, toerana tsy mbola nisy nandia...mampite-hihaino no kiakan'ny Railovy sy ny bibidia eo ampamakiana kirihatra?
Misy zavatra tsy azoko rehefa mitombo ny taona, ka lasa manjary te-hamakivaky indray sy higoka ny loharano amin'ny fatsakana vao hohadiana sy mbola tsy nisy mpangady...ny saina ve no adala sa ny nofo no reraka ka te hisosososo any amin'ny ala mikotroka tsy mbola nisy nizaha?...indrindra indrindra moa fa ilay toerana mihitsy no miantso hoe mba tsiditsidiho...
Ka Misetrasetra mahafinaritra mampitehitsidika ny hakantony...hany ka mila tsy ho tana ny hanadihady ny bozaka eny antampon-kavoana, tanety lava mahatonga fisainana...ny hitety ny tendrombohitra mangadihady mbola tsy lefin'ny taona, ny hikorisa eny amin'ny lemaka mangadihady mba hahatongavana ery amin'ny kirihitr'ala hahatsiarovana any vakinakaratra...
Hampijery ny lanitra anisana ny kintana, ka mahatonga ny tena handinika ny tany lava volo mbola tsy nisy niasa...
Ny hamafin'ny fiainana ve no mahatonga ny tany manaiky hanjakazakain'izao bodo sy adala rehetra izao?...hanjakanjakain'ny henjana...
Tsy haiko itsony, fa dia gaga ianao, izao ve sisa no iafarany...tantely afa-drakotra...fidiran'ny manambola sy ny basy vava...tsipolitra
Na dia mapitelin-drora aza dia tsy hitelindrora aho fa handrora amin'ny tany...handrehoka mihitsy...
Na dia mampite-hihanika aza dia tsy hihanika ny hazo malama aho fa manjary lalan-dririnana sy lalan-kita-kisoa...hitsin-dalana...Na dia mampite-hamakivaky aza dia hijanona aho ... adalan'ny tena no tafian-damba...
Voankazo manta kisoka anie 'zany re olon'e...
TSIA
aleoko maty an-kazo tokana...mihinana ny manga masaka eo antokotaniko, hitsiditsidika ny zohy fierena fangalana fisainana hatramin'izay, falehako irery, fandefasako ny nofinofy sy ny sentosento mampitony...tsy ho voasinton'ny mena miraviravy...hamerimberinba hitety ny havaonako na dia efa haiko tsianjery aza ny sakelidalana rehetra...
Soa ihany aho fa tsy niteraka an'i Kala hatramin'izao fa dia asa angamba ny firehetan'ny hasarotam-piaro rehefa hanomboka ho matoy ny manga eny antampon-kavoana, rehefa hanomboka hivelatra ny voninkazo, ary rehefa hanomboka hanidina ny railovy...dia asa fotsiny...
Mba manao ahoana re ny adisanin'ireo nahazo Ketaka ho mpatsaka eh?...
Omeko anao mba hanjakanao ny habakabaka Ny kintana azoko hakana hataonao firavaka Na ny masoandro aza sakanako tsy hatory Mba hanome hafanana sahaza ny fonao oriory
Vontom-pahoriana,orin'ny tsy fananana Izay mba nirina,tsy misy hananana
Etsy akipio ny masonao roa F'izay irinao anio ho azonao avokoa Fa manan-karena nofinofy aho Ka azoko omena izay rehetra tianao
Raha sendra hetaheta, omeko anao ny Ony Sotroy izay laninao rehetra,mandra-pahatony
Raha toa sendra mosary ho tolorako sakafo Na laoka na vary, ny tena tsara sy lafo
Raha sendra hirifiry, omeko mpitsabo ianao Na firy na firy, eran'izao tontolo izao
Raha tianao ny tany sy izay rehetra ao Raha ilainao izanydia atolotro anao
Raha izay vola foana tsy ho zakanao babena Tsy avelako ho noana, hampiondanako harena
Raha te hitety tany,hanodidina ny tontolo Na aiza na aiza izany,hataoko hitanao daholo
Aoka!
aoka aloha,
avelao hitohy ny nofy Aza mbola mifoha,
ny zava-misy tsy mitovy
Ary ianao toa tomany, mangina sombinaina Ao,manofisa ihany, raha toa izany no ilaina
Fa ny nofy tadidio,itovizana amin'ny maro Ny maso fotsiny no akimpio,ny saina no ampiakaro
Rehefa manomboka miteny hoe "ny anao koa izany foana" dia efa manomboka leo izay...diska loaka...
Rehefa manomboka tsy dia miaraka mivaoka intsony dia efa manomboka tsy te-hampiseho masoandro izany ny ankilany...fitaratra lany manja...
Rehefa tsy mba mamihapihana eny imason'olona dia efa manomboka tsy sahy milaza hoe ity no vadiko...vay an-kandrina...
Rehefa manomboka mijerijery ambadika ny SMS na "appel" amin'ny findain'ny ankilany dia efa mihalalina izay lay fahasarotam-piaro... Bako mpitsongo-dia...
Rehefa manomboka manivatsivana ny hevitra sy tranga amin'ny "réseau social"-ny vadiiny dia efa miha-midorehatra 'zay lay fahasarota-piaro...kaomisera Ratandra...
Rehefa manomboka tsy miaraha-mihomehy itsony dia efa mihamitombo izay ny hantsana...film dramatika...
Rehefa manomboka miantso hoe Rafotsy na i Bainina dia efa misaina izay fa vizaka sy mihakizitina ny ankilany...Ingahibesola...
Rehefa manomboka miantso hoe i "Dada" na i "Neny", ka manala ao anaty diksionera ny teny hoe "chéri(e)" dia efa mibedibedy lava tahaka an'i Dada sy Neny taloha izany ny silany... apetraho io hoa, efa tenenina foana...
rehefa mitady hiady dia aleo mampiady any ihany no misaraka tsy misy maratra...ny adidy vita, fahafinaretana azo...ny fahatezerana azo avaoka any daholo...ny alahelo moa dia efa mivaoka ho azy amin'ny sento lalina...
rehefa mitady hifamaly dia aleo alefa sms na email na amin'ny mur-ko (ataovy mp) ... dia amin'izay mandinika tsara eo ampanoratana...ka mety ho lasa na tonga saina ho azy hoe ...oay 'ty zah...
rehefa avy eo miresaka...ampirehetina ny labozia...dia atao "à la chandelle"...
Nahatontosa fifidianana aho tsy lany ilay nofidiko tamin'izay, raha tsy diso ny fitadidiko dia vato Mena sy Mainty izay ilay natsofoko tao..vato tsy mety lany efa ho 40 taona izao...ilay nampianatra ny gasy hi-grevy voalohany tamin'ny 72...
Tamin'izany no nisy nilaza fa "tsy lahatra akory ny fahantrana"..."Fanantenana vaovao"..."satroka penjy tsotra izao"..."Manga be"...ary ilay mpanao propagandy eo amin'ny salon na eo ambany akondro amin'ny télé...
Ahoana moa ny fanoratra ny hoe fringa...fringa sa firinga...
Teraka alakaosy daholo hono izay nampitondrain'ny dadany sy ny neniny izany anarana izany…fontotra volom-pody volom-bitsika…ary mifanohitra amin’ny adizaozy…Tsy hay aloha na vava alakaosy na vody alakaosy…na sady vavany na vodiny…
Finoanoam-poana moa izany…fa tantaraina fa zava-nisy…miala tsiny amin-dry RAKOTOFRINGA sy ry RAFIRINGA rehetra… Ary ohatarn’ny mbola tsy naheno anaran-dray hoe RAKOTOBETAY na RATAY hatramin’izay…(msiy ihany gasy metisy sinoa mibaby izany anarana izany ka…) …
… mihajahaja kokoa angamba raha mba avadika ilay teny malaza ampiasaina amin’ny “zava-mahagaga” na “zava –mahasosotra”:
Fringa be lehity an…tena fringa be…(ho an’ireo zay mampiasa azy)
Mahasoso-firinga…
Dia lasa miova koa ny fiantso ny zanany rehetra: fringan-delo, fringan-tsofina, fringan’nify, fringaringan-draha…fringam-piraka…fringawan…
Asa…
Fringa be ity mitranga eto Madagasikara ity, ary misy fringa mihevotra ny sasatsasany amintsika mianakavy, ny sasany izany moa dia fringa hatrany amin’ny tsinay maintiny…
Dia ahoana?...
Ny olana dia izao, zezika gravy be mihitsy izy io raha ampiasaina, ka lasa mamokatra be izay nasiana azy…fa mety ho voan’ny cysticercose..izay anie lay nampisalasala ny nihinana an’ilay fraise teny Ambatofotsy eh…
Ka dia asakasak’ izay manaiky ho fahanana…
Sady mbola fahanan-dalitra koa…
Mahakivy be ilay fisainanao indray andro izay, sakafo matsiro be no teo anoloako fa lasa ohatran’izao ny fijery azy:
Ahitsiko kely fotsiny ny teny iray nampiasainao ato : firinga miHEVOTRA, ny teny hoe mihevotra dia "rebondir" no dikan'ilay teny mihevotra, izany hoe ny baolina no mihevotrevotra, mitsambikimbikina ;)(aza ampifangaroana @ ilay teny hafa hoe manevokevoka = étouffant). Raha tsy hoe angaha ka hoe mitsambikina ilay firinga toy ny gabône any Toamasina, manisy fameriny ... LOL Fa ny hoe "firinga miHEVITRA" dia hoe maloto fieritreritra, hevitra = idée. Ka iza amin'ireo no mety amin'ity resakao ity ? ilay any Toamasina sa ilay maloto eritreritra ?
Raha toa ka atao hira ilay izy.. dia ny "Tojo anao" no tena mifandray aminy...
Tojo anao aho ka dia mirana...izay no zava-dehibe... iray minitra monja...
fa tena tsy tafiditra mihitsy ilay Lalao...
Adinon-dry zalahy tany ho any hono ny Valizy eh ... sao dia adino tao ivato fa tsy lasa an'i Thaïlande... mba nisy nandinika ve hoe tsy nitondra valise ny mpilalao sasatsasany...
Manomboka izao ny Lalao olympika...samy manao fikafika daholo na ny andaniny na ny ankilany ... ny hita amin'ny fanombohan'ny Lalao aloha dia ny tolona...
Ohatran'ny milay ihany raha ny gasy mitsongoloka rehetra no alefa an'i Bangkok...raha vao apetraka izao ny fanontaniana hoe iza no alefa an'i Bangkok?...tonga dia be dia be no manangan-tanana hoe "Zah'koa..zah'koa"
Rahoviana vao hifarana ity Lalao ity?
Raha ny vadiko aloha, raha azo atao dia tsy avelako misaraka amiko izany...na dia hanao Lalao olympika aza...fa sao viravirain-dry zalahy any...
tsy tsara hono ny mpivady misara-toerana Ramose an...ny ela maharay roa...
Ary maninona ny vehivavy gasy rehefa miha-matotra dia miha-matavy sady miha-be kibo eh...aleo ihany manao lalao olympika eh...
Mba mandinihan-tena ihany nareo ry manangy gasy fa lasa voatavo rehefa mahazoazo taona an...lasa mampiteniteny foana hoe aza omena tsiny Rangahy raha manjono eny amparihy...fa te-hihinana Friri Loka...
Ka dia lasa mandefa jery sy menomenona amin'ny izay zavatra tsy dia misy dikany...tahaka ny fomba fiadin'ny Amerikana...
Tsy mety amiko ny adin'ny Amerikana...
ao aloha ny Corps de la paix, ohatran'ny hoe mijaikojaiko be ny fomba fiasan'ny eto, ka toa tsy re mihitsy, fa nampitsiriritra an-dry Sombila fotsiny no nahatadidivako azy...
Aiza ve rangahy ka ny Frantsay isak'izao vazamototra izao mametraka alliance dia midobodoboka aponga isaky ny izay mihetsika...
Ny an'ny Amerikana CCA kely fotsiny...fa maninona no tsy manao kelikely be dia be miparitaka eran'i Madagasikara, fa manao be tsy nahoana eto Tana eto fotsiny...mety ho diso ihany anagamba ilay hoe be tsy nahoana raha toa ka mandinika an'ity tetikasan-dry zareo vaovao ity :ultra moderne...
Aza gaga ry Amerikana raha mbola Frantsay be ny "favori", satria ry zareo manao fitetika miparitaka, nareo ny kianja filalaovanareo feranareo eto Tana...
Mba nisy nihitatra ihany ka...ohatra izao ny Namanabe Hall ... trano koa izany ka trano..."sophistiqué"...ao koa ny trano be ny MCA...
Fa lavitr'ezaka be ny fiantraikany eh...
RFI manenika ny Nosy...ny VOA moa aiza fotsiny...
Resy be eh ...ela figadona...
Be ny mba nanantena ery tamin'ny Andron-DRavalo, fa ho ampirimina amin'izay ity fisainana frantsay ity, fa eh eh eh...mbola tsy tafavoaka ihany, mbola ny télé sinoa ihany no nandeha mandram-paharainan'ny andro rehefa tapitra ny fandaharan'ny TVM (tamin'izany..)...
Raha mba kitihan'ny Amerikana moa ny kolontsainan'ny eny ambany tanana sy ny eny ambany ravin'ahitra , ka hirotsahany toy ny fikan'ny CLEF (mamely fivondronana 100), dia asa fotsiny...
Tsy nisy varany mihitsy ny nandanina vola naovana ny lalampanorenana ka nanisihana ny teny anglisy ho tenimpirenena satria tsy nisy asa nifanaraka tamin'izany natao'ny Bekintana...tsy nisy varany mihitsy ny nidirana SADC na dia Francophone aza...
Sa hoe efa an'i Fantsay Madagasikara...
Nifanaraka tamin'izany ngaha nareo taloha ry vazaha?
Hitako t@ gazety, otran'ny manao resaka hoe centre culturel mobile ry zalah fa asa na mba effective na tsia...
Ny tena marina koa efa miezaka miditra tsikelikely izy fa zany hoe tsy tena prioritE hoandrizalah I Madagasikara ee... Asa refa misy solika marina nga vao mety hiova ny donnes fa ra @ zao aloha tsy dia mahliana azy loatra...
Ny tena hitranga aloha hoy ah dia ny hoe ny sinoa no tena ho role a horizon 2020 any ra tsisy ny sampona. Tsy eto amitsika ihany fa I Afrika iray manotolo..
Nankaiza hianao ry lasa, nankaiza no antsoina Nefa ako iray malemy no sisa mba mamaly sy manoina? ..... Manoina sy mitondra ny hiranay omaly Efa zary sentosento, mifangaro ranomaso. Ranomaso tsy mivoaka, mamonto ny aty fo ! O ry lasa, ô ry lasa mba andraso: Henoy ny manjo !
O ! Ny hiranay fahiny, sambo feno voninkazo, Nampamerovero saina, nanamanitra ny dia ... Dia halazo ? Hery feno namakiana ny onjan-drano izay naria, Toky sady niankinana ary koa mba nantenaina Fa hampita hatraminao, ry helo-dranom-pifaliana, Ry anton'aina, Izay tsy iza fa hianao, ry malala sady tiana.
Izao anefa ka ho rendrika, eny re ! arendrikao ... Ny hiranay, ny hiranay, mbola injao miraondraona ao am-poko ao ! Miraondraona ka ho reko toy ny hira iray misaona Sy miventy faharesena, ô ry vintana tsy hita Izay mandavo dia manindry ny malemy noho hianao, Tsy tafita Fa miankohoka sy rendrika ao anaty lalina ao !
Tsy mba misy izay mosara mba manatitra, tsy misy Sentosento iray akory mba arahinao tomany Ka indrisy ! Miherikeri-tsamy irery eto ambavan-tsesitany ! Miherikerika mihaino izany fiditry ny rano Ato anaty lakan-doaka voatendry mba hanafoana Ny mba hany tokim-po azo tamim-belirano Tsy tsaroana !
O ! dia foinao, ry lasa ! ô ry lasa, izay antsoina Nefa mianjona mandeha, mihomehy sy tsy mamaly, Tsy manoina .... O ry lasa, rehareha sady tokin'ny omaly, Nefa tonga sentosento sady tonga ranomaso ! Miantso anao ny indray nihira, miantso anao amim-po. Mitalaho sy mitaraina ! Miantso anao ka mba andraso : Ka toneo ny manjo !
dia izay zany no lakle na fanalahidy...MITADY SAFOSAFO...
rehefa manambady izany dia zavatra maromaro vitsivitsy no tena mila ianarana:
Mila manome zavatra matetitetika an'i Madama
Na Mofo gasy io na Mofo vazaha, na inona na inona fa rehefa mba manolotra ianao dia basy zay...nisy fotoana izay zavatra mba tiako ho azo ihany no vidiako dia mody atao fanomezana amin'ny madama, dia faly ery izy, nefa anie dia izao ihany no ampiasa azy rehefa avy eo...
Ny fandehan'io tantara io dia izao (ho an'izay tsy mahalala...) te hihinana galsy teny amin'ny Honey hono ilay vehivavy, satria nisy namany nitantara fa nividiannan'ny malalany glasy, ilay lehilahy anefa kinkina ary ilay glasy lafo be aminy, fa teny amorondalana mbola nisy nivarotra voanjo voahendy 20 ariary dia mahazo, dia ni-charme be lèry niteny hoe "tsy aleo voandro...?"...
fa mety koa ilay fikan'ny lôlô sy ny tariny iny hoe bobon gasy, dia tsy adino lay teny miala bala hoe "...ny fo manolotra aky ry malala no jereo, fa aza ny hakelin'ny zavatra a..."
...sady ny bonbon gasy izao efa sarotra hita, ilay bonbon gasy maro loko ireny...lasa espesy rara...dia mety hampietampo be raha ireny no omena...
ny tolotolotra majinijinika no zava-dehibe...
ka raha tsy misy vola mihitsy?
izay azo omena ihany no omena, fa mitombona foana ilay teny hoe "...aza ny hakeliny no jerena fa ny fo manolotra...".
Rehefa tsy misy vola izany dia ady miaramila io...manaraka baiko...ilay baiko hoe "Atolory..." ..."jery atrika..."...dia tsy mijanona raha tsy hoe "..aoka..."
2. Mila mikasikasika matetika an'i Madama
y indray moa izany dia ilay misakambina na mamihana na manafosafo na manorokoroka, fa tena mila an'io mihitsy Madama, mahagaga...
indrindra eny imasom-bahoaka...finaritra sy salanitra ery, rehefa sakambinina sy fihinina...fa mba lasa ohatran'ny vadin'olona rehetra...(...)...
Tato ho ato mantsy ohatran'ny hoe lasan'ny zanaka daholo lay ohatr'izay, ry zalahy ndray no fihimpihinina sy orokorohana fa i Madama navela tary amin'ny sisitôsy...ka rehefa eny ambony kianja ihany vao mahazo...
lasa saropiaro lay mpanampy tandrify, dia lasa niantsoantso hoe "zah koouh, zah koouh..." amin'ny antaondro be nanahary...
ary ny gravy dia lay zanaka indray no manosika hoe "mba ataovy calin Ney ry dada..."
"azafady lesy fa adino ny nanao calin azy teo imason'ny lisany an..."
Dia ezahana atao na amin'ny fo na tsy amin'ny fo... fa rehefa tsy amin'ny fo dia atao amin'ny fo...
Aleo mamerimberina ihany fa mahasalama azy hono izany...
ary tsy asiana an'ilay hoe "izay ela izay no nanambadiako anao, dia mbola manontany an'izany ihany ve ianao?..."
Fa tonga dia tairina hoe "Tiako ianao..." raha tiana asiana sakay sy sira kely dia atao teny vazaha "I love you..." fa amin'ny gasy aloha ny "Je t'aime..." no misy dongidongy kokoa...
Ohatran'ny tsy mahafaty ilay miteny ireo teny ireo matetika amin'ny Madama, fa mba miezaka kosa rehefa manomboka hita mihatola lay izy, dia mampahery tena amin'ilay hoe FITIA GARANDRELINA, be ketrona vao tena mamy...
sy haiko na mitovy amin'ny toetrako ny toetran'olona fa rehefa mateti-piavy ny ahy dia lasa tsy henoiko itsony...
RARY sy C H R I S T ALL I NA
Nisy fotoana tao amin'ny trano-mail ko dia feno soratr'i B O B A N ' a n t a l a h a, tena olona tsy fantatro izy io fa noho ny fidirako tao ami'ny serasera dia nahavoray ny mailaka avy amin'ny sersera foana aho, tamin'ny voalohany dia mba namaky ihany aho fa rehefa avy eo dia ny mi-suppr foana no ataoko...
Nangataka ny tsy hahazo mailaka avy amin'ny serasera group itsony moa aho fa toa mbola nahazo ihany, tsy olana fa dia ny mi-suppr sis no atao.
Amin'izao indray dia i R A R Y foana no mameno ny mailako...namaky ihany aho talohaloha fa rehefa ela ny ela dia tsy namaky foana fa tratran'ilay aretina mi-suppr koa...ny an'i C H Ri S t A ll I N A moa dia efa tsy vakiana itsony koa, na dia "[serasera] Soratra masina" aza ny lohateny.
Ny olako mantsy dia lasa mitobaka be loatra ny mailaka tonga ka tsy hita itsony ny izay tsy maintsy tokony hovakaina...
TSY MAHALALA VAOVAO ITSONY AHO
Tena gaga be antsoin'i Neny amin'ny andro hariva, ry Neny mantsy ilay karazan'ny tsy miantso mihitsy, finday io an, fa ilay antsoina foana, ni-bip izy amin'ny 07 hariva ... dia lasa be ny saiko hoa sao nisy maty na marary na...sns
Hay moa ka hoy izy hoe
- invité du zoma rajoelina fa mba mijereva...
- aty aminay angaha misy TV plus...
- jereo amin'ny internet...ary mandeha amin'ny Radio nasionaly koa...
- Za mbola tsy any antrano (ary mbola misy zoma manifika)...dia inona no vaovao?
- Gravy be aty...mitombo ny mpanendaka ...mpamaky trano...tary Ampitattafika zao trano 04 no notafihan-dry zalahy...mandeha eny antsena ianao mampatahotra fa misy sahy manendaa ampahibemaso...ny vehivavy mody tolominy sady endahany...
- Nefa izaho saika ho any amin'ny herin'andro?..kamo be aho andeha ho any raha izany...
- ka tetezamita anie zao - fitiavana pont - amin'ny 02 mai koa ...
- bon mety tsy ampy ny crédit, fa amin'ny manaraka ndray aho miantso, nakarin-dry zalahy orange koa moa ny vidin'ny antso ka laasa rapida be dia lany...toa niakatra be koa hono ny telma sy ny zain, marina ve izany fa tsy arako itsony...
- ie fa nagaha moa raikitra ihany ilay passerelle unique no niakatra?
- asaaaa...
- bon tafandry mandry ianao...
- ie sady mety hampiesona tsara ilay fandaharan'ny TV plus...
- ha ha ha
- manimanina ny esquimaux 1500Fmg angaha...
- aza be resaka eo fa mampamangy any eh...
- ok tafandry mandry
- vao amin'ny 07 zao...
- inona ny laokanareo ao?
- fa angaha tsy niakatra be koa ny saribao eh...
- Laoka no anontaniako fa tsy saribao...fa nagah tsy nampiasa gaz itsony?
Izaho mampiasa gmail (gmail.com) ka tsy dia mampaninona ahy loatra izay messages voaraiko fa filtrer-ko fotsiny dia mamaky aho rehefa indraindray te hamaky. Betsaka koa ny messages azoko avy any amin'ny olona tsy fantatra fa dia mitovy amin'izay ny fi-traiter-ko azy. Filtrer-na dia atambatra toerana iray dia raha sendra misy olana dia miaraka fafaiko fotsiny. Indraindray aho mba misy fotoana dia miaraka vakiako daholo :-)
Fa gravy ho'a ny zavatra mitranga any Madagasikara any fa dia miandry fotsiny hoe ho vita ihany io tetezamita io...
hihihihihi...eny tokoa hoa, nankaiza tokoa izay i boban'antalaha ? ny mail-n'i rao no mba nosokafako indraindray tamin'ireny ;) fa rehef mi-éliminer an'i cristallina aho dia sady enjehan'ny eritreritro hoe nefa raha blagy tity zao dia novakiako :-P Tsy i cristallina irery fa ao koa i teny fiianana :)
....ary hery aza manararaotra moa e - krkrkrkrkkrr
ohatrany tsy azoko mihitsy hoe maninona moa ny olona sasany tsy mahay manavaka zavatra hygiénique afatsy am'ny papier sy ny serviette ihany...
raha tsy tiana hisotro labiera ny ankizy dia rehefa avy mihinana jus mamy be iny tonga dia omeo labiera kely...fa tsy ho tia mandrakizay...tsy higiénique izany...
raha tiana hisotro labiera indray , dia amin'ny ilay mafana be iny na tsemboka be...no omeo labiera glacé, glacé hoa,...izany ve tsy higiénique...
ho tezitra ny vokovoko manga raha mahita ity sary ity...zaho koa aza mba gaga hoe fa naninona moa aho no naka an'ity sary ity...
fa tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?
dia ilay revy izany rehefa misy G...dia ny tsara indrindra manatona spesialista (manana traikefa), araka ny filaharany sy izay nahavita be indrindra, ireto avy ny spesialista e...:
SECES (nahavita revy misy G indrindra angamba teto an...omena doka manokana fa nampiroborobo ny anjerimanontolo tsy miankina...bravo...)
Tena record mihitsy satria nandritran'izay nahatsiarovan'ny saiko ohatrany tsy mitsahatra mirevy misy G ry zalahy ireto, ...tsy haiko aloha izay tena any amin'ny ativilany fa dia ny tambimpikarahona matetika no arangaranga...
mikaroka inona ary? ary inona no efa voakaroka?...anontanio ry zareo...
SMM (mifanahatsahana amin'ny etsy ambony...)
Mpianatry ny Oniversity miankina (nampianarin'iry voalohany... ary lalaovin'ny eto ambany)
Hery Velona (na Rasalama io na Rabearivelo) - ny 1er tour de vita - ny Lamasinina haingampandeha (film mitovitovy ireo fa ny mpandray anjara no tsy dia miva firy, mifandimby bandy sy rôla...)
de iza koa - de iza koa????....hmmmh....i Satro bory spesialista amin'ny revy misy G amin'ny tsy fihinanankanina teo amin'ny tsangambaton-dRalaimongo...(nahazo toerana ihany izy ny farany an...hitany ihany ilay G...)
fa tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?...lasa Grevy eh...
Tena lasa nieritreritra programan'asa hafa indray ho an'ity 2012 ity...Manofisa fotsiny ihany, hoy ny be saina rehefa manolo-kevitra.
Izao lay izy: hialana amin'izay ity Madagasikara ity fa film tsy mamely, cartoons tsy mamely mantsy no tiana lazain'eh...
Ry zalahy akama ny 70% angamba ( salan'isa tsatoka io), efa lasa any an-dafy daholo no mamboly coco tsy hoe mila raviny (ravin'ahitra) fa efa mamboly coco mihitsy...mijery ny fiainan-dry zalahy toa ohatrany milailay zany...rehefa mba nandalo tany...
Tiako raha ianao, satriko ho toa anao Ny namako rehetra, tsotra sady tsara fo sy fanahy Toetran'olona maro, no tiako ho toy ny ianao Mahay mifalifaly, mahay mandefitra koa.
Eto rangahy koa 10 taona niasana ianao tsy mahavita trano manara-PENITRA...tsy mahazo fiara manara-PENITRA...sssh...raha tsy mangalatra angamba na raha tsy tsara vintana...atsapaka koa io...
Ry zalahy lasa any andafy (ny ankabeazany) mahavita ...
Eto toa asain'ny olona mitolona foana...mitolona foana...mahareta fa hanana ny soa foana...andraso kely foana...ampanantenaina foana...sssh...marionety...
sady efa diso filière koa raha mijanona eto satria tsy Magistrat na Pharmacien na Mpitondra ambony na depioteuh na Entrepreneur tsara vintana...ireo ihany mantsy no toa mahavita ny manara-PENITRA rehetra...(sa misy hafa koa...asaaa...)
Aleo rangahy mitady lalana hiampita an...ny pôle nord no valamparihako...fa izay ranomasina any ialana tsiny amin'ny Andriamatoa Andrianampoinimerina...
na Masina aza ny Tanindrazana, rehefa tsy ahitana ilika akifika...
Eto no itabataba ataon'ny olona tohatra fiakarana eto fotsiny...manomboka ny kajikajy tsotsotra...ho avy aho ry Tapaka sy namana any andilambato...
Tsy hanao hoavy tsy ho ela tahaka ny an'ny Ramose ka andrasana tsy mety tonga...fa hanao be fiavin'ny rodorodom-pitia...
Inona marina moa izany no ataoko eto?
Sainga indrisy, sarotra izany Ka tsy ho haiko ny hanova azy ireo Soa aho fa nisy, namako iray tokana ianao - tokan ianao
Ny ahy ny tena tiako, mbola ho faniriako Ny fitiavana ahy, na ory na faly ny fiainako Ary izay iriako, hizara ny hafaliako Ory raha toa anao, tena ilay ataonao.
Esoriko amin'ny voambolana angamba ny teny hoe "VITANTSIKA IO"...
Ary mahagaga fa isaky ny fotoana toy izao aho te hihinana look's foana an...tsy azoko mihintsy...tamin'ny sabotsy zao gisa no laoka, matsiro an...nefa ohatarny look's ihany no tiako hohanina...tsy azoko...
dia mba zaraina ny kifafa, angady sy ny sisa...(aza adino ny savony hanasana tanana) dia mihetsika ny fokon'olona samy manadio ny fokontany...fa raha izao no mitohy dia tsy ho azo iainana itsony ny loto...
Analakely, Nosy Be, elakelantrano besarety, isotry,67, ambondromamy, ivandry, ambohitsirohitra...eran'i Madagasikara...
akatona ny tsena tsy ao anaty trano rehetra...ny pompier manondraka rano, ny kamio mitatitra fako voangona...
dia ny manolo-tena manadio tatatra...
'Zao foana ve no hiainana hatramin'ny 1980...
aparitaho...aparitaho...(tsy ny fako no aparitaka fa 'lay hevitra...)
ary entanina daholo mba any an-gabone moa mikapa fa tsy eny an-dalambé...na ranony io na ventiny...raha misy fahaporetana...
Aiza ve ka dia ny handany vola amin'izay sakafon-tsirom-bava(1) no ifanarahan-dry zalahy, ry zalahy amin'io tsy manam-bola, sady tsy miasa fa mbola velomina(2), ny vola aty ampaosin'ny tena no tadiaviny kaofina...dia midongy sakafon-tsirom-bava...dia hoe Demokrasia, Demokrasia, ny hevitry ny maro ihany...
Dia manomboka ny fitakiana sy ny fidrodrodrodroina...dia ohabolana sisa ampiasaina hoe TSY MAHAJERY VOAMASON-JAZA...
demokrasia : Be no vitsy
Ny akanga maro tsy vakin'amboa, ny mita be tsy lanin'ny mamba, izay mitambatra vato izay misaraka fasika, tondro tokana tsy mahazo hao, ny hazo iray tsy mba ala...be no vitsy...ny hevitry ny maro mahataka-davitr'eh...valalabemandry ...
Ny be izay mbola tsy manana diplôma ofisialy(2) akory, ny fianarana farany vitany CP1, CM2...sssh...izay zany lay demokrasia, manao rodorodon'alika, miara-mirona dia miara mierona...ssssssssssssh...miaraka adala?
Ekena fa tsy dia manao fangatahan'ny be di-doha ry Be sy ny maro. ilay fangatahan'ny be di-doha toy ny hoe : midongy an-kanina eo amin'ny tsangambaton-dRalaimongo, na mivory sy migrevy tsy mety mandeha mianatra sy manao devoara raha vao tsy mahazo, na manimba zavatra eran'ny trano (mamaky vilia...)
Demokrasian'i Didiko-fehy lehibe : ny lehibe ihany no manapaka
Izay zany no izy fa dia omeko NOTAM ny Demokrasia, Didiko Fehi-Lehibe io ka izahay Lehibe no manapaka...
Amposahay ny hevitrareo Zanako, fa tsy maintsy voatery hatao izany!!!...izahay lehibe no manapaka, Dada sy Neny izany...
Ok? Manomboka izao dia omeko NOTAM ny Demokrasia tsy hiditra ato an-trano...
za dia tsy mba mahay mi-apprecier art izany mihintsy... indrindra fa hoe peinture... io ve dia ho vidiana 30 000Ariary?? otaty izay ividianako tsaky sy beks... vola very maina haha
Ny manao dokam-barotra tsy asa an...voaporofo mazava izany araka ny voasary, ohatrinona lesy no mety ho karaman'i Boay kely?...tena efa tamin'ny androny ankizy "journée mondiale contre le travail des enfants" mba te-hanoratsoratra an'ity.
Alakamisy hariva andro tsy fianarana Mifampitantana izahay roa lahy Ho any avaratrin’ny abatoara Hangalatra ireo paiso ràn-kena
Ref : Mena mena asa raha tadidin’ialahy Mena mena ny lokon’ny fahatsiarovana
hatreo aloha mazava be...fa manomboka eto hafa mihitsy an...
Rehefa tonga eny ambony paiso Hidiko ny varavarana Manasaraka ny ambony sy ny ambany Ny lanitra sy ny tany
Ny lanitra azo tsapaina tanana Ny papango nanjary namana Ny vavanay roa lahy amin’izany Boba-drà amin’ny paiso ràn-kena
varavaran'inona koa ny eny ambony paiso...manasaraka ny ambony sy ambany? ambany saoka sy ambany faotra ve izany? lanitra azo tsapain-tanana? TSY AZOKO...
Sa misy ifandraisany amin'ity Hiran'i DAma ity, Hafatr'i Mbola, samy misy resaka Paiso mantsy, ry zalahy be Paiso...
Manao takariva ry zalahy Manao takariva ry zalahy Ry zalahy samy manana Sy ry zalahy be paiso Tandremo sao dia mipika ny any am-pataka Tandremo sao dia mipika ny any am-pataka Kakafotra eny ivohitra ialahy Mangidy ny fanala !
Tsara anaoavana lahatsoratra fanadihadiana any amin'ny Malagasy any amin'ny BAcc angamba ity, fa dia samy hirevirevy eo daholo,...
Dia mbola mirary soa an'i MAHALEO indray amin'iry taon-jobily iry eh...nisy nisolo ve RAOUL amin'ny fampisehona manaraka? iza no hihira an'ny ASIO SIRAMAMY?
Tsy azo kitihana, tsy azo kasihana...jerena fotsiny...fa dia be ny fendrofendro, ny hirahira, ny alahelo...izay manondrana dia manondrana (dikany 2 samy hafa ireo)...tsy azo amidy na atao haingon-trano...
Jerena fotsiny ohatran'ny...Anabavy...izay ilay famaritana ny "BOIS DE ROSE", jereo anie fa sady ROSE no EBENE... sao mikitika eo an...tsy aleo ve tapahana any daholo dia soloina MANGA...jereo fotsiny...
rehefa tafakatra enina hetsy iraimbilanja isam-bolana ny faktiora dia tsy maintsy miteny hoe : PIHO amin'izay io JIRO ary aza adino ny mamono ny télé, dia esory ny prise ny Frigo raha tsy misy zavatra ao...dia aleo mipasoka amin'ny fera saribô, dia ..."bonne nuit chérie"...
Ka rehefa manankarena be isika mivady afaka 100 taona dia ampiretina foan ny jiro...100 taona kosa ela loatra e...aleo atao hoe 100 andro...sa ahoana?
ary 30 Millions Dollars no fanampiana omen'ny Banque Mondiale mandritra ny 04 Taona ho an'ny Fampiroboroboana ny Ambanivohitra (projet 01 mbola mandeha eto Madagasikara)
dia mitohy foana ny fitsanganan-drajeneraly amin'ny maty...nahafinaritra ny fampisehoana...hiranay tamin'ny mbola tanora noho izao...fahatsiarovan'e...hira fotsiny...fampisehoana tao amin'ny espace mon gouter
Azafady ry Dada malala fa miantso ty zanakao, Tsy fantatro na mbola mihaino na tsy mihaino ahy ianao...
Iza moa no hampita ny teniko aminao any ampasana any,Ny olon-drehetra nafarako, tsy hita fa tany dia tany - Tsy nisy niverina intsony fa dia raiki-tory sy renoka, Manadino ny tsiron’ny tany ve rehefa nisitaka, Te hiverina nefa tsy afaka mihidy rahateo moa ny fasana...
Kalokalo ary sisa no azoko atao, Mba hitabatabako isan’andro aminao ô!
Dada malala ô ...Mampamangy amin’ny rehetra, Tsy hoe sanatria re miadaladala Fa ny reviko reviko ihany
Dada malala ô...Razana ianao fa tsy olona Raha iny hono ianao ka miverina aty Dia tsy anisan’ireo fokonolona ô ô ô an!
(mitsangana toa ny lolo mitsangana toy ny lolo mitsangana tsaranzatsolééééé)
Miala tsiny ry maty rehetra izay mbola toa resin-tory ,Miteny aminareo izahay nefa toa tsy valiana akory---Ny aty efa manerinerina : rahoviana ianareo no hiverina --- Aoka tsy ho alina nefa fa matahotra ireo velona rehetra
Tsy laitran’ny balan’ny fanadinoina ny fisehon’ny angatra, Tsy aleo ve mba amin’ny atoandro ianareo vao mipongatra...
Ilazao izay dadako izay fa niandry hatry ny ela izahay, Fa izy foana no antsoantsoina...Ka asaivo mamaly sao manafitohina ô!
Dada malala ô ...Mampamangy amin’ny rehetra, Tsy hoe sanatria re miadaladala Fa ny reviko reviko ihany
Dada malala ô...Razana ianao fa tsy olona Raha iny hono ianao ka miverina aty Dia tsy anisan’ireo fokonolona ô ô ô an!
(mitsangana toa ny lolo mitsangana toy ny lolo mitsangana tsaranzatsolééééé)
Miala tsiny ry avelo rehetra izay mbol mirenireny, Nahoana no anontaniana kanefa toa tsy miteny...Moana ary ve sa marenina sa kosa tsy azo tenenina? - Avelo efa ratsy fanahy toa manao izay mahasosotra ahy!
Manadala ny velona ve zato izy sa kosa mananihany, Tsy misangy amin’ny maty aho ry dada ka aza dia be vinany ô....Aoka tsy hifan’alika fa maty sy velona isika, Niaraka ihany ve tety an-tany Dia aiza no dia hisy an’izany ô
Dada malala ô ...Mampamangy amin’ny rehetra, Tsy hoe sanatria re miadaladala Fa ny reviko reviko ihany
Dada malala ô ...Razana ianao fa tsy olona Raha iny hono ianao ka miverina aty Dia tsy anisan’ireo fokonolona ô ô ô an!
(mitsangana toa ny lolo mitsangana toy ny lolo mitsangana tsaranzatsolééééé)
Misy any izao matahotra ny hihira an'ity hira ity - tsy lany match...
"ity hira ity dia atolotra amin'ny akama "Team" I & II & III sy ry "Taiza ve?"...sy ry Paul mianakavy (eisko Paul ) - mazotoa homana daholo hono hoe izay nahazo vilia, tohizo hono ny fitelomandrora ho an'izay tsy nahazo vilia, ary aza dia miady an-kanina itsony hono nareo 04 mirahalahy, fa ela loatra ny fiandrasana vasoka..." avy amin'i Berta bory avy ao Antrongivaohomana
A tous mes loupés, mes ratés, mes vrais soleils / Tous les chemins qui me sont passés à côté A tous mes bateaux manqués, mes mauvais sommeils / A tous ceux que je n'ai pas été
Aux malentendus, aux mensonges, à nos silences / A tous ces moments que j'avais cru partager Aux phrases qu'on dit trop vite et sans qu'on les pense / A celles que je n'ai pas osées A nos actes manqués
Aux années perdues à tenter de ressembler / A tous les murs que je n'aurais pas su briser A tout c'que j'ai pas vu tout près, juste à côté / Tout c'que j'aurais mieux fait d'ignorer
Au monde, à ses douleurs qui ne me touchent plus / Aux notes, aux solos que je n'ai pas inventés Tous ces mots que d'autres ont fait rimer et qui me tuent / Comme autant d'enfants jamais portés A nos actes manqués
Aux amours échouées de s'être trop aimé / Visages et dentelles croisés justes frôlés Aux trahisons que j'ai pas vraiment regrettées / Aux vivants qu'il aurait fallu tuer
A tout ce qui nous arrive enfin, mais trop tard / A tous les masques qu'il aura fallu porter A nos faiblesses, à nos oublis, nos désespoirs / Aux peurs impossibles à échanger
Tena hay ve Andriamanita ity mahay mampiesona eh...danz be ilay soridalana nataony...tsy maintsy nampiesoniny aloha...
Tsy nisy "négociation" io ah...
eny eh, nahatsapa fotsiny ilay akama hoe toa tsy misy mety amiko ireto biby sy dinozoro be ireto...tsy misy pointure-ko ireto hoy ny akama...
fa tonga dia nampiesonin'Andriamanitra i Lery, nataon'Andriamanitra ny "opération"...surprise - dia ohatrotran'ity izany ny vehivavy taloha : (Tsy noforoniko izany fa izay voasoratra dia voasoratra...)
raha tsy mivaoka ilay sarina vehivavy voalohan'indrindra dia jereo eto sary
raha 'ty aloha Tsy lany raha vao tsy misy fangarony
izao 'zany no plan handaniako azy, 2011 io:
ezahana vakina mandritra ny 04-bolana ny baiboly...ary ho haverina vakiana in-3, manomboka amin'ny gen ka hatramin'ny Apo...mba tsy hivanaka rehefa miresaka amin'ireo miseho mahay baiboly...HO HITAKO EO ARY...
mody aloha any an-trano rehefa alina fa tsy any ivelan'ny trano foana...sssh tsy maintsy mianatra mitaiza izany...TSY OLANA, Handramana...
handalina ny fikafika tsy hay amin'ty solos'aina 'ty, fa mandreraka be ilay mi-formaté isan'andro vaky izao...TSY MAINTSY HAPOAKAKO 'ty...ary bye bye virus...
mandeha mifidy amin'ny fifidianana rehetra...dia izay tsy de be mpanohana no fidiana...satria matetika ny be sy ny maro mifidy an'i Barabasy...(aleo ihany aloha handinika ihany hoe iza no fidiana...)
dia tsy mandany andro firy amin'ny f a c e b o o k...( manao j'aime fotsiny kosa eh...'lay miditra mihitsy no olana ela vao tafavoaka...)
dia mba manao vakiraoka (brouillon) amin'izay rehefa manoratra ato amin'ny Blaogy.com fa tsy tonga dia mitapy clavier...(toa nofinofy 'ty koa - tsisy fotoana hanaovana vakiraoka izany...TSY OLANA)
de ho be mpikaonty ndray 'zany Ragasy ... hifampizarazara vato (vato mamy) bonbon gasy... hahazo vola ny artista... hiparitaka ny kasikety...
hitombo ny t shirt fentina matory...
horaofina amin'ny sobika ny vola zaraina amin'ny sotrokely [izany samy mahazo eran'ny sotrokely ny kôtina, fa ny mpikôty mitondra ny sobika feno mody...]... andeha foana 'lay hira hoe "eh...mandehana mfidy fa..."
Hifandona ihany moa ka tsy nalaina ny vera sy ny tavoahangy hatramin'izay...
Sary: noteren'ny ONU ve - ary tao anaty commission koa ny bekintana?
Aleo koa Ragasy mba hiteny amin'izay fa tsssss...vato taratasy...
Sary:tany ambanivohitra be ity sary ity, nalaina Déc 2010- tsy haiko na propagandin'ny TSIA na tsy izany? Mba mahay manao propagandy kosa hoa ny TSIA raha marina fa an'ny TSIA marina io?
Aza hitako aza mahita ahy ...Hum... "tsy lany aho eh..."...fa ny tena lany dia ny PAISO AN-KADY...mbola misy ve? Mba omeo aho eh...
Teny tsy misorona :"ampidino ny tongotr'ialahy" - tohin'ny "tamin'ny telo taona toy izao..."
AMBOHITSOROHITRA. Le « Zanaka » s’est fait remonter les bretelles par le « Raiamandreny » qui lui a demandé de descendre son pied de son genou.
Andry Rajoelina « admonesté » par le Président !
...
En effet, c’est généralement le « Raiamandreny » - aussi bien spirituel que temporel - qui accorde le pardon à ses « Zanaka ». Tout comme il peut les admonester ou leur dire ce qu’il faut faire ou ne pas faire. Quitte à les tutoyer. A l’instar du Président Marc Ravalomanana qui a demandé à Andry Rajoelina de baisser son pied, juste au moment où les journalistes ont quitté la salle où devait se dérouler le tête-à-tête entre les deux hommes. « Ampidino ny tongotr’ialahy », a-t-il lancé au jeune maire qui avait effectivement croisé son pied gauche sur son genou, au début de leur entrevue du jeudi 20 décembre dernier. Le « Zanaka » s’est exécuté volontiers à la demande qui était moins une injonction que des « teny tsy misorona » formulés sur un ton de « Raiamandreny ».
Tamin'ny 03 taona toy izao koa no namakiako ireto andalan-tsoratra eto ambany iretoy, ka mahatonga ahy mieritreritra ankehitriny hoe "Mpaminany ve ny jentilisa....?" ...
""""...Nanana ny lazany ny nanalana ny takelabin’ny Injet teo Antanimena tamin’ny taona 2003. Ny antony ... hoe tsy manara-penitra ilay takelaby fa lehibe loatra. ... nahatonga ny hadrohadron’ny olona hoe eo afovoana takelaby roa misy ny vokatra tiko ... no nahatonga io fanalana takelaby io. Kanjo dia mbola niverina indray io fanalana takelaby io nandritra ny enimbolana farany tamin’ity taona ity. Efa tena karazam-pihatsiana mihitsy izany. Fahadisoana lehibe (ataoko hoe fingana ihany koa) io fihetsika efa nahazoana tsikera io efa-taona lasa izay nefa dia naverina indray tao anatin’ny taona anomanana fifidianana ho Ben’ny tanàna indrindra. Hafahafa ihany!"
"...Halan’Antananarivo ny fanjakazakana sy ny fihoaram-pahefana. Efa niditra tsikelikely tamin’izany fihetsika izany ny sasany (...) ao amin’ny antokoben’ny fitondrana. Mihevitena ... fa rehefa ao anatin’ny antoko dia tsimatimanota, ary misy mpiaro hatrany na inona na inona ataony. Mety ho nitarika izany fomba fisainana izany ny nanjo ny Ben’ny tanànan’i Toamasina sy Fianarantsoa izay nandalo ny fonja sy mbola any amponja amin’izao fotoana izao satria tsy ao anatin’ny TIM nefa nisy koa nyBen’ny tanànan’i Mahajanga izay TIM ... voampanga ho nanodikodim-bola nefa dia mialokaloka any ivelan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao... Ny TIM ihany noho izany no namolavola ny olona “hanohitra” azy nefa rehefa tonga tokoa ny fotoana itsaran’ny vahoaka dia nahazo ny fon’ny olona kokoa noho izy ilay novolavolainy ho “mpifaninana” aminy..."""
Ra8: Hay ve dia efa tsy te-hahalala!"...Tsy adala akory ny Ntaolo raha efa nanana fomba fiteny hoe "ny vava tsy ambina no ahitandoza" ary aza manilaka fa ny mpanao gazety indray no diso fampita resaka tamin'ny tafa nataon'izy ireo taminao. Ambava homana, ampo mieritra, tompoko. (Toa ho vetivety ihany dia ho tafala ianao raha izao fomba fiteninao izao! mba sanatriavina anie)..."
"""Ny mpitondra fanjakana ambony mihitsy no tokony hieritreritra tsy haneritery ity mpitantana vaovao ity mba tsy ho afaka hiala bala ny TGV fa noteriterena (aleo halalaka ny fifaninanana raha tena sahy) tamin’ny asany. Alalaho ny sehatra hiasany tsara raha tsy te-ho menatra amin’ny Fivoriambe Afrikana kasaina hotontosaina eto amin'ny 2009 sy ny fivoriamben’ny mpiteny frantsay toa ekena hatao eto Antananarivo amin’ny taona 2010 ihany koa. Antananarivo ihany koa tsy azo teriterena fa dia ho diso fanantenana aminy tokoa raha hilaza anaty any hoe ‘sakoa izay rehefa tsy nifidy izay natolotro anareo’. Izay izy vao hivadika tanteraka fa tsy hijanona tamin’ilay fampitandremana fotsiny teo intsony.""""
Tsindriho ireny rohy ireny raha te hamaky azy tanteraka any amin'ny MAHARESAKA...VETO...NA NY BOLONGAN'NY VAOVAO ETO AN-TOERANA, ETO MADAGASIKARA
Fête de Noël : Les dindes à Ar 20 000Un Noël et une fin d’année sans dinde ? Force est d’y penser. « Les prix de la volaille ne sont plus à la portée de toutes les bourses. Une dinde de 4 kg est à Ar 20 000. Les poulets vivants coûtent Ar 4 000 à Ar 7 000 » nous a dit une commerçante de volaille à Analakely lors d’un interview que cette dernière nous a accordée. Cela fait maintenant un mois qu’elle s’y trouve. « Depuis, je ne vends que 2 ou 3 dindes tout au plus dans la semaine contre 30 à 35 pour les poulets. A ma connaissance, les gens les achètent non pas pour la fête de Noël et de fin d’année, mais pour leurs familles qui sont malades à l’hôpital et qui ont besoin de bouillons de poulets ». Nous sommes à moins d’une semaine de la fête de Noël. Des ménages, des mères de famille en particulier ne sont pas encore pressées pour acheter la volaille, et en particulier les dindes. Une dame que nous avons rencontrée affirme que son mari n’a pas encore touché son salaire. Une autre ne pense même pas dépenser son argent pour le menu de Noël. Des viandes de zébus à la place des volailles « Chaque année, nous fêtons Noël. Nous préparons des repas très spéciaux. Cette fois-ci, vu la cherté de la volaille, je préfère préparer le menu avec des viandes de zébus. Le prix est plutôt abordable. Je crois que si la préparation est bien faite, les plats seront plus délicieux que ceux qui sont faits avec des dindes ». Cette mère de famille a eu raison. Mais elle a tort également. Puisque le prix de kilo de la dinde revient à Ar 5 000 contre Ar 6 000 pour la viande de porc. Seulement, beaucoup de ménages n’ont pas la possibilité d’acheter une dinde à Ar 20 000.
"...Nanana ny lazany ny nanalana ny takelabin’ny Injet teo Antanimena tamin’ny taona 2003. Ny antony tamin’izany fotoana izany moa dia hoe tsy manara-penitra ilay takelaby fa lehibe loatra. Efa nampisy resabe teto amin’ny tanàna io fanalana takelaby io tamin’izany fotoana izany ary efa nahatonga ny hadrohadron’ny olona hoe eo afovoana takelaby roa misy ny vokatra tiko (hatramin’izao fotoana anoratana izao) no nahatonga io fanalana takelaby io. Kanjo dia mbola niverina indray io fanalana takelaby io nandritra ny enimbolana farany tamin’ity taona ity. Efa tena karazam-pihatsiana mihitsy izany. Fahadisoana lehibe (ataoko hoe fingana ihany koa) io fihetsika efa nahazoana tsikera io efa-taona lasa izay nefa dia naverina indray tao anatin’ny taona anomanana fifidianana ho Ben’ny tanàna indrindra. Hafahafa ihany!"
"Antananarivo dia mpijery ny tranga tahaka ireny. Halan’Antananarivo ny fanjakazakana sy ny fihoaram-pahefana. Efa niditra tsikelikely tamin’izany fihetsika izany ny sasany (ataoko hoe sasany) ao amin’ny antokoben’ny fitondrana. Mihevitena manko ny sasany fa rehefa ao anatin’ny antoko dia tsimatimanota, ary misy mpiaro hatrany na inona na inona ataony. Mety ho nitarika izany fomba fisainana izany ny nanjo ny Ben’ny tanànan’i Toamasina sy Fianarantsoa izay nandalo ny fonja sy mbola any amponja amin’izao fotoana izao satria tsy ao anatin’ny TIM nefa nisy koa ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga izay TIM kosa voampanga ho nanodikodim-bola nefa dia mialokaloka any ivelan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Manao arofanina mandrakariva i Antananarivo. Misy olona niezaka io miaramiaiina aminy nefa dia “iharan’ny tsy rariny”, olona tratran’ny tsindry hazo lena ataon’ny sasany. Ny TIM ihany noho izany no namolavola ny olona “hanohitra” azy nefa rehefa tonga tokoa ny fotoana itsaran’ny vahoaka dia nahazo ny fon’ny olona kokoa noho izy ilay novolavolainy ho “mpifaninana” aminy..."
"...Tsy adala akory ny Ntaolo raha efa nanana fomba fiteny hoe "ny vava tsy ambina no ahitandoza" ary aza manilaka fa ny mpanao gazety indray no diso fampita resaka tamin'ny tafa nataon'izy ireo taminao. Ambava homana, ampo mieritra, tompoko. (Toa ho vetivety ihany dia ho tafala ianao raha izao fomba fiteninao izao! mba sanatriavina anie)..."
Izy mivady irery sisa no tavela tao an-trano. Vita soa amantsara ny lanonana...toa lanadanadanaka sy vizabizaka...mijerijery clip amin'ny fahitalavitra eo...sady mitsilailay...mijery an'i Big Ali...
- Dia ahoana no atao, hoy ramatoa.
- Ny amin'inona moa izay fa dia ndao hatory...hoy rangahy
- Ny anao koa hatory sahady ve? tsy mba dinihana aloha hoe ahoana no ho atao?...
- Atao amin'ny ahoana e? hanao inona?
- izany koa dia anontaniana? efa be loatra koa angamba ny mampivadika ati-doha anao...aleo ary tsoriko ny resak'e : hanao ve ianao sa tsy hanao?
-Hay ve...Inona tokotrany moa no misakana ahy tsy hanao?...nefa izaho izany lanadanaka sy vizabizaka amin'ity course lava 'ty...androany fotsiny tena drodroka mihitsy...gauche...droite...sssh...hanao ihany aho Ramatoa o...sa re tsy hanao e?...toa henjana mantsy izy ity...hoy rangahy namaly...tsy hanao aho ramatoa o...
-sssh.... nilaza ianao fa tsy hanao...nefa ny fihetsikao te-hanao...ny safosafo mandambolambo...ny tolotolotra mandinidinika...sssh...rehefa tsy hanao ianao, inona moa no azoko atao eo...miseho henjana nefa tsy hanao..., hoy ramatoa.
Io no ny mpifidy nandeha nifidy tamin’ny fitsapakevimbahoaka tamin’ny 2007 …lany ny ENY 75.23%
Tsy nanaiky ny fitondrana ve ny 67% no nahatonga azy tsy nifidy...sa natahotra fa na hifidy TSIA aza dia hivadika ENY noho ny hala-bato…sa narary tany amin’ny hopitaly dia tsy afaka nifidy…sa nilaozany nampiaraka...
tsy hay tsy hay…
Raha toa manaraka ireo hevitry ny tsy hifidy - dia rehefa tonga koa ve ny fifidianana ben'ny tanana dia tsy hifidy?
Kizo marina ve izy ty ry zalahy a?
Dia tsy hirotsaka koa ve i Satro-bory na i Fetison amin'ny fifidianana ben'ny tanana any Tana?
Nefa anie dia toa hoe tena tian'ny vahoaka be mihitsy izao ankolafy 03 ao Tana --- ka dia tena azo antoka izany fa ho lany...(70% aloha e)
Sao dia sanatria tokoa hiova ny vokapifidianana ao Tana amin'ny fifidianana Ben'ny tanana----, ka ovaindry zalahy ny valin'ny avy eny ambanivohitr'ny Kaomina Ambonivohitry TAna (ohatra eny Paraky sy Nosy BE) fa aleo tsy mirotsaka...sarotra inoana izany...
Dia sady tsy hirotsaka koa izany no tsy hifidy amin'ny fifidianana ben'ny tanana...nefa anie dia toa hoe tena tian'ny vahoaka eran'ny Madagasikara ny voninkazo TELOMIOVA...METY HO azo antoka tanteraka fa raha mirotsaka ireo dia ny 70% ny ben'ny tanana dia ho lasany...
nefa indrisy mantsy ry saosisy fa... fa.....
Fa na dia efa i Satro-bory irery aza sisa no midongy tsy mihinankanina eo amin'ny tsangambaton-dRalaimongo dia mbola UNIlateral sady tsy CONsensuel foana...anontanio anie Chissano e...
Na dia izany aza sarotra ny mavandy fa niparitaka be mihitsy ny famphalalana azy ty...misy gazety manokana zarazaraina eran'ny tanana ka constitu fotsiny no ao antiny... mbola tsy nisy ohatr'zany kosa e...tsy ohatr'zany le tamin 2007
Tsy resaka hoe zaza midongy na tsia ka. Eritrereto hoe mitsangana tampoka avy any i Osama Bin Laden dia hoe hampanao fitsapan-kevi-bahoaka hoe "Inona no tianareo, hatao Kristianina i Madagasikara sa hatao Silamo".
Inoako fa na ny silamo na ny kristianina samy tsy handray anjara, tsy hoe midongy akory, fa gaga fotsiny hoe zo avy aiza no hampanaovan'i Bin Laden fitsapankevi-bahoaka?
finoanaranoray> Tsy hoe mametra-pialana na tsia ny resaka :-)
Fa angaha rehefa mametra-pialàna ny iray ohatra dia tonga dia raisin'izay manan-kery ny fitondrana fa tsy ifampidinihana?
Imbetsaka no misy firenena misy mametra-pialàna ny prezidà. Dia ny filoha lefitra (ho an'ny USA) na ny filohan'ny antenimieram-pirenena (ho antsika ohatra) no mandray fahefana sy mikarakara fifidianana haingana dia haingana.
Raha toa moa misy krizy dia atsangana haingana ny rafitra tetezamita iarahan'ny rehetra... mety afaka miandraikitra ny fiantsoana ny lafin-kery rehetra ohatra ny directoire militaire izay tokony ho tsy momba ny atsy na ny aroa.
Ny tany amintsika vao banga ny toerana dia avy ry zalahy.
Rehefa mba niezaka notezaina hiteny gasy ry zalahy zanako, dia lasa niteny vazaha...satria dia resin'i Dora sy Diego, ry Mickey sy ry Tintin ny tena tamin'ny fomba fampianarana, ny any ampianarana koa moa vazaha be rahateo...
fa ny tsara fotsiny dia raha miresaka aminy amin'ny teny gasy ianao dia mba azony ihany, na dia valiany amin'ny teny frantsay aza...
Fa rehefa mifamadibadika ny teny gasy sy ny teny frantsay dia lasa teny gasy ihany. Teny gasy ve ireto teny ireto sa teny vazaha e?
Ha ha ha, ny azo ilazàna azy angaha dia hoe misy ny tonalité gasy misy ny tonalité frantsay ka samy manana ny heviny ireo teny ireo raha ampiharina izy 2 ireo ! Mahita lalaon-teny koa ianao ity ka !
Ka maninona anefany e ?! noheveriko fa izany anie ilay notadiavintsika e !!! tsy efa làlana hiditra amin'ny fanjakan'ny frantsay koa ve moa isika rehefa samy tsy hanjary ny malagasy rehetra fa mitady ny sezany sy izay hamenoany ny paosiny daholo e !? Na ny olo-manga aza tsisy intsony !
Mazava ho azy izany fa tsy voafehin'ny Filoha 3 sy ny Praiminisitra 1 ny Ministra...satria tsy misy "TDRs"
Namendrofendro koa ny sasatsany tao amin'ny 3 tonta, ka dia nahasahy nanoratra tany ivelany fa tsy afaka misolotena an'i Madagasikara ry Ranona sy Ranona - nefa dia tamin'ny anaran'ny fahefana azony tany Maputo sy addis Abeba no nanaovany sonia...
Tao anatin'ny fahefany ve izany?
Tsy nisy niteny ny 3 hafa nanao sonia...
Tsy hay itsony izany hoe inona no andrikitry Ranona - ary inona no andraikitry Ranona?
Tsara Be ilay Maputo sy ny zanany raha tovanana ny andraikitry ny tsirairay : ny tsy azo atao sy ny azo atao? - Izay ilay antsoina hoe TDRs ...
Hatraiza ny fetran'i Didin'ny Filoha? - Ny Co-Filoha? - Ny Praiminisitra? ny Minisitra?
Iza ny hoe : inona no andraikiny? ary iza no mpanapaka farany raha sanatria misy hevitra tsy itovizana? tsy voasoratra mazava tamin'ny Maputo&Co izany...dia avy eo samy miala bala daholo hoe "Ranona no tsy alehany"...
Velona ny lakolosy, Manomboka ny lakilasy - Pejy voalohany ao amin'i "Lala sy Noro"...Rafitra namoaka boky Ireo mpianatra isan-dabilio - Endrey ny fibadabadany Mianatra ny abidy
Fa i Lesabotsy irery kosa - No toa osaosa, Raha namoaka ity boky efa tonta, Nolovainy Tamin'ny zokiny lehibe indrindra Aoka izany e Raha ny henatra, Nanongo tena - Ka nanitrika tsimoramora Ilay boky : Soa fa tsy nisy nahita
Nanomboka tamin'izay Dia tsy tafatombina mihitsy - Nierikerika tetsy teroa ô Nanao fampitahana Tsikariny tamin'izay Ireo namany vokolokolo - Tsaratsara sy ampy fitaovana Ka lasa tian-dRamose
Vaka dia vaka teo ny sainy, Fa i Ramose Izay nataony ho sakaiza tsara "Nanadino" : tsy nahalala ny anarany akory --- Kivikivy Lesabotsy fa toy ny very...Hany hery dia nifindra lasy, Ka namonjy ny faran'ny dabilio
Re siosio tato aoriana: Ilesabotsy kely Dia malaza mpanao tsidi-pahitra ny sekoly Tsy nahatamana hono mantsy Ka naleony nivangabao Nilalao sy mirenireny ô Afaka madiodio
Ry ray aman-dreny ô Na tsy hihinana aza ianareo - Na hiakanjo voron-kitsay sy ny sisa - Aza atao tsirambina re ny kilonga Sanatria tsy haitraitra na savi-tsaranga - Fa ny zaza dia zaza eny ihany Mandefera raha te-hanana ny tsara
Fa dia iza loatra aza no mpanala ny tain-tsofin’Andriamanitra,
fa dia tena mikaikaika mihitsy ny mpomba ny atsy sy ny mpomba ny aroa, mikofokofoka mafy mivavaka nefa toa mbola tsy mivaly ihany…vavaka roa samihafa sy mifanipaka no indray ampiakarina…fa dia he he…farany mampionon-tena amin’ny hoe
« Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andriko ihany e… »
Inona moa no idiran’andriamanitra amin’izay resak’ PaolyTika any…tena andraso eo tokoa I Paoly raha dia vavaka tsy mifanaraka amin’ny sitrapony no atao eo…andraso eo hoa Paoly tsy Paoly apostoly fa i Paoly ilay tsy mety tonga mihitsy aty Madagasikara…Satria tonga dia “TSIA” avy hatrany no valim-bavaka… “TSIA, tsy hamaly aho” hoy andriamanitra…ka noho izany Andriamanitra tsy be tain-tsofina, fa ny olona no be tain-tsofina tsy mihaino valim-bavaka hoe "TSIA"...
Satria fa nahoana?...
Izy ve dia handiso ny teniny hoe
Ary handre ady sy filazana ady ianareo … Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa…. Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana ...Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy…amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira… koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
Mety hoy ilay maître be mahay ny teolojia hoe : “eh ...tsy azo atao ny mitsimpontsimpona tenin’nysoratra masina...”
...fa dia hoy aho hoe “izay voasoratra dia voasoratra..., efa andro farany izao...ka tsy maintsy hitranga ireo na dia hivavaka be sahala amin’inona aza aho mba hisian’ny fandriampahalemana”
Fa LOZAN’izay hiavian’ny fahantafintohana...tahaka ny hoe “ny tompo tsy maintsy ho hombohana teo amin’ny hazo fijaliana fa lozan’izay manaiky ho jodasy eo”...
Dia eo koa ilay hevitra hoe : “Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao...”
an’iza tokoa moa izany izao rehetra izao...?
"Aza atsofoka amin'ny tsy tokony hitsofohana hoa andriamanitra fa manjary tafatsoka irery any amin'ny kizo ianao... izy tavela aty ivelany"hoy izaho mananatra ny tenako
Raha TSIA dia tsy ianareo no arahabaina - fa raha efa niasa tamin'ny ZONE ianao ka anisan'ilay voaroaka noho ny Krizy dia miarahaba anareo aho afaka amin'ny FANJANAHANA...
Efa nandalo tao tokoa aho - ary nahita - na dia toeran'olona ambonimbony ihany aza no nisy ahy dia nahita - nahita ny fanjanahana amin'ny endriny vaovao - nahita ny karama vary masaka nozarazaraina - nahita ny masokarena madinika dia madinika mafamaly amin'ny tombom-barotra maventy dia maventy...nahita ny fanalikana atao amin'ireo gasy kely asaina mitrongy fa tsy asaina homana...
Tsy hitantara zavatra betsaka aho satria mety ho tsara kokoa ny mihinan-kely toy izay mandry fotsy - nefa ny mihinan-kely dia mihinan-kely mandrakizay fa ny mandry fotsy no mampiasa saina hihinam-be...
Arahabaina hoy aho afaka amin'ny Fanjanahana - ary Tonga soa amin'nyFahoriana vaovaodia ny fitadiavana na famoronana asa?
Raha mba fantatry ny olona aty an-dafy mantsy fa endrimpanajanahana be ny fomba nanamboarana ireny akanjo avy any Madagasikara ireny - dia mbola hividy ve ry Zareo?
Eritreritra nandalo tao aorian'ny fanafoanana ny AGOA nahatsiarovana ilay 100 000Fmg/mois?
Ity no heveriko fa tena soso-kevitra hahomby ary hampandroso an'i Madagasikara, tokony ho soniavina an'i Djibouti izy ity - dia antsina hoe "Djibouti I"
ny Filoha : Andriamatoa Joaquim izay mpanelanelana teo aloha - hipetraka sy hiasa amin'ny lapa-panjakana any amin'ny renivohitr'i Madagasikara vaovao dia i Maputo - Maputo ihany Maputo hatrany.
Ny praiminisitra dia Andriamatoa Jean - ny toerana hiasany dia ao amin'ny Carlton.
ny Ministry ny raharaham-bahiny : valovotaka any Congo izay mpanapa-kevitra ny olona tokony hiteny sy tsy hiteny rehefa any ivelany ary ny sazy tokony arotsaka...Andriamatoa Bazily.
ny Minisitra miandraikitra ny fampiroboroboana ny toe-karena : Andriamatoa Ambasadera malagasy taloha tany Madagasikara - nisahana ny fifandraisana tamin'ny Amerikana - mifandray mivantana amin'ny AGOA.
Ny Minisitra lefitra ny raharaham-bahiny sady solontena maharitra ao amin'ny SADEC sy ao amin'ny Union Africaine, hiandraikitra manokana ny fifandraisan'i Madagasikara sy Afrika dia Andriamatoa Marka.
Ny Minisitra lefitra ny raharahambahiny sady solontena maharitra ao amin'ny vondrona Eropeana, hiandraikitra manokana ny fifandraisan'ny Madagasikara sy Frantsa dia Andriamatoa Nirina.
Ny Parlementaire hisolo vonjimaika ny congresy sy hanapaka ny ho avin'ny Madagasikara dia an-dry zareo Eropeana...
Ny hisahana ny Fiarovana dia ny Miaramilan'i SADEC...
Marihana moa fa Niangaviana manokana ny Miaramilan'i SADEC mba tsy hampiasa ny BASY BE izay ananany fa sao dia hampijaly ny zaza amam-behivavy gasy ... raha voatery tsy maintsy hampiasa izy dia niangaviana hanao satroka...
Ny alika hono mivovo rehefa matahotra…na mitomany valala…
ary ny alika jamban’ny taolana…
Amin’ny alina iny rehefa misy olona hafa misaodisaody, dia izy no lakolosy maneno voalohany…na dia tsy hanao ratsy aza ilay olona dia mivovo foana ny alika…
Asa aloha hoe raha omen’ilay olona misaodisaody taolana na hena kely ilay alika, dia mety hangina ve ka hipirina tsy hivovo…fa na dia izany aza raha toa ka misy poizina iny hena kely omena azy iny dia tsy fantany ary tsy ho azon’ny an-tsaina fa hoe misy poizina…fa “kay kay kay” sisa noa ho lazainy eo am-pialana aina…
Ny alika rehefa miady dia miady taolana izy izay…na miady alika vavy…(?)…ary ny alika be toy ny Berger allemand tsy ho resin’i chien de salon mihitsy…
Fa ny mahagaga ahy amin’ireto alika ireto dia ry zareo miara-mirona … manara-bavy…ary dia tia mamofopofona izay tsy izy amin’iny fotoana iny…izay matanjaka ihany eo no mahavoa… ary rehefa mahavoa dia miraikitra…ohatran’ny miteny hoe “tsy hiala aho hoa”…
Mifori-drambo…dia alika ihany io e…tsy misy azo atao itsony izy izay dia arovany mafy ny fitombenany, tena tsy azoko mihitsy hoe fa maninona?...
Fa ny tena maharikoriko dia ny alika mihinanana ny loany…sy mihinana ny malotony…asa na voajanahary izany na dia ny sainy mihitsy no efa voa…mety hoe tsy mahita hohanina…fa dia efa naloa izao ve dia mbola hohanina indray…fa dia efa maloto izao ve dia hotsakoana indray…(ny dikan’ny maloto eto dia ilay ariana iny rehefa te-hivaoka)…
Ary mba andramo alaina anie ny zavatra eny am-bavan’alika na eny an-tanany fa dia hahita ianao…hahita kaikitr'alika…
Ary ny alika romotra tsy maintsy vonoana fa manahirana...manjary mampitsindrona isan'andro mandritra ny 1 volana...
...ny connexion miadana be - mba te hamaky blaogy na vaovao amin'ny internet miandry adin'ny zato vao misokatra...indray mandeha izay ary tena saika mba hijery ny email dia teo adiny firy teo foana farany tapaka ilay connexion...
mazava ho azy fa mandalo miserana maharitraritra amin'ny sisitsisin'i Gasikara aho...
tara vaovao be... gazety efa lany andro no vakiana - gazety omaly tonga androany - nefa ny vaovao afak'omaly no lazain'ilay gazety...Radio RNM - fahitalavitra TVM vaovao tsy ampiampy...Radio Don Bosco sisa...nefa oa dia voafintina be...
Sary izany nalaiko izany...fa dia rehefa mba hampiditra azy amin'ny blaogy aho dia mihisatra be nedala...ary farany "connexion perdue"...
aleo mirôdy fa tssssh... tsy ho mateti-piavy intsony aho raha internet... raha mitohitohy izao...
Manokatra an'i Jentilisa aho - ela be - manokatra an'i Kdaomb - ela be - Simp - Hery - sns milona be...nefa manaikitra ihany ny hofany aloha- ary mikaonty minitra mihitsy...
Madagasikara...Tapenan-tsofina sy maso sa ny manao zavatra tsy mora - ka tsy vita izany tao anatin'ny 50taonan'ny fahaleovan-tena...bof...tsy any tena ny lelo ka mora ny miteny hoe ahisino...
Niakatra ny voankazo...letchi...Manga...Mananasy...manasa o! - matsiro...
ny sary ela vao tafatsofoka ka adaboko...
sssh...ndeha hihinana brochette aho fa tsssh...miaraka amin'ny lasary manga ary asiako obs...ampiako katakata ...Dia mitaingina soavaly tsy iray fa telo...
Amin'ny sabotsy aho handeha hilomano raha tsara ny andro...any amin'ny plage...
Tena nataon-dry zalahy nifafa mihitsy izay sendra azy tamin’ny 2009…nifafa ny kihony…
ary dia tsy maintsy milavo lefona …amin’ity taona 2010 ity indray manarina… Eny e tsy teo amin’izay nidiran-dry zalahy rehetra aloha e… fa na dia izany aza…tena nanjakazaka be mihitsy ry zalahy… (tohiny)
Mpivarotra gasy Voazanaka foana… Iza moa no nanafoana ny ZOMA? – ny nodradraina tamin’izany dia ny hoe MALOTO ny tanana…MIKORONTANA – feno mpangarom-paosy - Amboataiazy…nafindra tesy ka nalefa teroa…Pochard…Petite vitesse…67…Anosy…ny any Tana ihany aloha no tena hitako ny tantarany…
Tadidiko rehefa sabotsy maraina na zoma alina ny mpiasan’ny Kaomina tamin’izany miaraka amin’ny fiaraben’ny pompier manondraka an-Analakely manila ny fako navelan’i ZOMA…hay moa ka voadio ihany raha resaka loto…
Tadidiko ny Polisy na manao ankanjo sivily na manao ankanjo polisy mandehandeha eran-analakely, miantoka ny fiarovana amin’ny mpangarom-paosy…hay moa ka azo atao ihany izany hiarovana amin’ny mpngarom-paosy…
Tadidiko fa tsy afaka nizoran’ny fiara tao Analakely isaky ny Zoma noho ny hafenoin’ny tsena be loatra, ary dia amboataiazy be ny manodidina an-Analakely…
Mazava hoa azy, tamin’izany, fa sahirana ny orinasa vaventy anaty trano ao anivon’Analakely isaky ny Zoma…sahirana satria napetraka lavitra ny fiara ary tsy maintsy mandeha tongotra namonjy birao
Dia nofoanana ny ZOMA…
ampandrosoana ny vahiny?
Noho ny Tetipanorona tsy tafavoaka nentin’ny mpitondra nifanesy teto amin’ny firenena dia nihavitsy ny GASY nahavidy trano teo Analakely : Lasan’ny KARANA – VAZAHA – SINOA – ary AFRIKANA ny ankabeazan’ny trano…
tamin’izaho tany farany dia mivarotra any entana be dia be any amin’ireny Trano fatoriam-bahiny hotely ireny ny Afrikana – sady manofa hotely izy izany no mivarotra – feno entana ny efitrefitra madinika rehetra…
tamin’izaho tany farany dia nampiseho ny fahaizany manao trano avo misy rihana maro amin’ny toeran ety (kely) ny SINOA…feno entana vita sinoa 6ème qualité ny lalantsara- ny efitrefitra
Tamin’izaho farany tany dia feno gasy mivarotra amin’ny trano fivarotana fa tsy tompom-barotra izy ireny fa mpiasa madinika…na SINOA tsy mahay miteny gasy no Patrô…na KARANA…
ny ankabeazan’ny gasy manana trano ivaotana tao Analakely sisa dia mpivarotra sakafo masaka…
Aiza sisa no afaka mivarotra I gasy kely?
Eny amin’ny sisin’arabe…
Dia roahina, henjehina, …
ny tsena naorina no hitoeran’ny mpivarotra…67 Ha : aty ivelany daholo ny ankabeazan’ny olona no mivarotra – mila ho foana ilay tsena namboarina…ary eran’ny Madagasikara io … mitogaigy eo, fotsiny matetika ilay tsena naorin’I FID…
Nampahatsiaro ahy ilay Ben’ny tanana ny tanana iray izay : tamin'ny propagandy dia izao no nolazainy- hamerina ny Zoma hono izy rehefa lany ka ataon’ny tsena misy rihana…ary ho lokoiny menamena ny sisin-dalana…ataony Edena I Tana…haveriny ny Rova…
Lany tokoa izy fa tsy nahatody hatramin’ny farany, fa lasa niandraikitra zavatra hafa…taty aoriana ela voa nahavita tsena misy rihana ny solony…fa lasa Epicerie kely be dia be sy mpanao reliure sy saisie ary photocopie ny tao anatin’ilay tsena satria LAFO be ny Hofany…
Efa mihamalalaka ny lalana mankeny Anosibe…tsy fota-mandrevo intsony…ary tena isaorana ny mpitondra tamin’izany nanavao io tsena io, isaorana koa ny mpamatsy vola (reny malalaka)…
Efa namboarina ny tsenan’Anosikely…
Fa ireto mifanenjika eto analakely…mialona an’ireo VAZAHA KARANA SINOA migalabona mivarotra ao anaty trano…
Mampahatsiaro ahy ny Tsenan’ny ZOMA…
dia hosasana atidoha foana hoe NY FISAINANA NY FISAINANA...ry zareo irery no misy saina
Jirama - Farmasia - banky...any angamba sisa no sehatra mba hitenenan'ny madinika...Siligaoma, pecto, bômbô, ireo matetika no tsy maintsy lasa anjaran'ny madinika...
Indrisy mantsy ry madinika, tsy fidiny ho azy anie ny ho tonga amin'io toerana io - tsy nangataka izy hoe ity aho ampijalio - ...nihen-danja hono hoa ny vola malagasy ka ariary dimy aza lasa tokan'e...ary ny iray alina lasa tokan'e...
Milalao baoritra daholo sisa ny olona gasy - ary raha misy trano na tany amidy taty amin'ny toerana nandalovako(faritra eto Gasikara io), ka miparitaka eny amin'ny affichage eny dia tsy maintsy misy izao soratra izao : en Euros. [tsy misy madinika hahavidy an'ireny trano antoniny ireny koa]
Style fotssiny sisa ny XX50Ariary na XX25Ariary fa tsy maintsy mivadika boribory 100Ariary io rehefa mividy zavatra...
"pecto sa bômbô hafa no omena na-dramose fa tsy misy madinika?"...
Tsy miteny intsony ny madinika fa efa manjaka ny vaventy...
Mobla misy mitsipona ve raha misy ariary folo latsaka ao anaty taxi-be?
ny mamaoka zavatra tsy voahadihady tsara dia "diffamation" ... zavatra tsy mitombona...ny mamoaka vaovao tsy mitombona...
fa mba firy moa ny vaovao tsy mitombona navaokan'ny mpanao gazety? ary mpanao blaogy?...ny tsaho moa etsy andaniny efa manginy fotsiny...dia rehefa samborina dia midradradradra hoe "LIBERTE DE PRESSE" e...
Io indray izao no fampisehoam-pahaizan'ny miseho ho tia politika...manenjika fahalemena maivana ...tsy misy vaingany fa dia halako bika tsy tiako tarehy...
Raha mbola politika mivavaka amin'ny OLON TOKANA dia izay sisa no hiafarany tsy mahay sy tsy mahita afatsy ny halako bika tsy tiako tarehy...Tsy mahay afatsy ny hitsikilo hoe nangetotra hono i Ranona dia atao sariitatra (...) nisy taindelo ny oron'ny anona...
tsy afaka ny hanokatra ady hevitra amin'ny zavatra hafa izay ZAVA DEHIBE - toy ny lalampanorenana sns - fa dia HALAKO BIKA TSY TIAKO TAREHY foana...sy politikan'OLONTOKANA...
efa nisy ihany ny zaikabem-paritrandrajoelina – mitovy tamin’ny fakana hevitra tamin’ny MAP – ny tanjona dia ny maka sary ny fahabetsahan’ny olona tonga nanatrika ny fivoriana…fa dia niady stylo sy kahie ary indemnité no tena izy …
Ny an’I fireharehan-dRavalo kosa ve mba efa vonona?...raha toa ka ny narosony tamin’ny 2007 ihany no arosony dia mety maro no tsy hanaiky (fanjakam-piloha be ?)… Ary ny an’i fireharehana Hafa?
Toa mety amin’ny Ragasython ihany mantsy ilay manompo tompo iray ilay tsy maintsy manonona ny anaran’I Prezida isaky ny mba mahazo micro : “…fitondrana tarihan’ny Filoha X…” – “…Ny filoha hajaina X…” Ilay tsy maintsy manaraka ny baikon’ny filoha na dia efa TOA asainy mivarina any an-kady aza
Koa raha atao co-prezida koa izay hahazo ny laharana faha 2 amin’ny fifidianana filoham-pirenena (azo atsofoka ao amin’ny lalampihinana io – atao andininy voalohany)…dia mba miara mitantantana sôsy ao tsy manankorontana ny sarom-bilany…
Fa mahagaga fa rehefa be laotra koa ny PDs amin’ny tanana, dia tsy misy mivolana mihitsy hoe safidi-bahoaka tsy hajaina (?) – spesialité ny fitondrana efa nisy teto io – efa oviana moa no very zo hifidy I Nosy be – I Saint Marie – I Fort Dauphin? – ary mba efa impiry I Tana renivohitra no vao avy mifidy izay tiany dia afindra toeran-kafa ny tiany fa soloina PDs? – Fanajana ny safidim-bahoaka izany matoa tsy misy miteny –
Ka angamba mety raha mba soratana ao amin’ny lalampihinana panorenana koa fa tsy azo atao mihaotra ny 3 volana ny fipetrahan’ny olona tsy nofidiana hisolo voafidy, fa ao anatin’ny 3 volana dia tsy maintsy mifidy…
Fa naninona koa no tsy nofidiana mihitsy ny filohan’ny faritra? Ka angamba mety raha mba soratana ao amin’ny lalampihinana koa fa tsy maintsy fidiana volana vitsivitsy ao aorian’ny nahalany ny filoha ny filohan’ny faritra… (tsy efa voasoratra ve izany fa tsy nisy nanaja e?)
Mbola be dia be ny Fanontaniana ato an-tsaiko – fa aleo aloha ho any…
Ohatra
Fa maninona no misy mpifidy tsy azo fidiana? – ny 18 taona ohatra – tonga dia hoe “mbola tsy matotra” hoy ry zalahy –
dia nampiako hoe “maninona ary ny mbola tsy matotra no mahazo mifidy e?”
dia hoy ry zalahy “sssh ady hevitra be izany fa manomboka eo amin’ny 35 taona eo no matotra”…
Ary ny GTT aty andafy angaha tsy hifidy? Tsy misy mba mitolona ho an’izany koa – Isam-bahoaka…mpandrehatra trano-kala fotsiny…
Dia hono hoa Loholona mandram-pahafatiny daholo ny Filoha teo aloha hoy Maputo…ary ny Co Filoha mba ahoana? Mahazo manantena ve I Fetison sy Rakotovahiny…Sa tsy raharahan’I Emanoela Izany…
Ary maninona moa raha lany solombavambahoaka dia tsy azo atao minisitra e…nahavoafitaka ny Tana io : Nihazakazaka ery nifidy an-dry Andriamparany, ry Ben’ny tanana taloha sy ny sisa … hay affecte-ndry zalahy ho minisitra fotsiny avy eo dia avy eo esoriny…dia eo vao hoe iza moa ilay 2ème position? – tsy nisy nahalala – Fitaka be vava…fanajana ny safidim-bahoaka
Ary nankaiza ilay Fitsarana mpitondra ambony HCJ tsy nety nitsangana?...ho hitako eo izay sahy hanoratra izany indray ao anaty lalampanorenana...
ny fiteny manainga tamin'izany moa dia ny "oe - oe" - "mamokatra mamokatra mamokatra hatrany" - "fanantenana vaovao" - "lera"- fa ny tena nifantoka tao an-tsaiko dia ny "ankizin'ny taona 2000" ...SUBLIMinal
"Ny minoa fotsiny ihany" natao autocollant niparitaka eran'i Dago vao hanomboka hanoratra tantara ny orin'asa "vita malagasy" tamin'izany- notohizana hatrany hatramin'izay..."Ny amboary ny lalana" –
SAingy indrisy Fa nisy ireo tsy nahatafita hafatra firy - Asa aloha -, toa ireto :
Samy mahay miteny hoe vahoaka daholo ny manam-pahefana isany sy ny te hanam-pahefana...Tolombahoaka e...tombontsoambahoaka e...
Mahafinaritra ka...rehefa mba mahatsiaro ny vahoaka - fa dia tsy mbola faheno firy aloha ny teny hoe Vahoaka vaventy (...) fa dia vahoaka tsy mandandy harona sy vahoaka madinika no fiteny...
Dia ahoana moa raha atao ny fifidianana ka tsy lanim-bahoaka ireo miteny vahoaka vahoaka ireo?
Satria mantsy tsy afaka mitory ny vahoaka, hoe nampiasaina fahatany ny anarany, dia samy manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina manonononona ny teny hoe VAHOAKA...
Fa mba firy moa no tsy handeha hifidy e...eo no tena fangalaram-bato...ataoko hoe nifidy ianao nefa tsy nandeha nifidy akory...anontanio anie ny CDE e...nefa raha tsy mifidy ianao dia tsy voakaonty ho isam-bahoaka...
(fa maninona moa ny any an-dafy no tsy mifidy mihitsy e? ;-)...sa tsy vahoaka koa?
Mety tsy dia mitovy amin'ny valala be mandry angamba ny fomba fitolomako...na koa tena samy hafa tanteraka amin'ny fitoloman'ny valala tsy mandady harona sy ny sarambabembahoaka...izay mety hanaiky ho tangosana ohatran'ny valala voatango...asa mba hitsinjovany ny ho avin'ny taranany ve?...
na mety tsy hifanaraka amin'ny ady sy tolon'ny vato nasondrotry ny tany sy ny hazo avo halan-drivotra...na mety hifanipaka tanteraka amin'ny vinavinan'ny lehilahy nosoran-dreniny menaka izay mety hitady voninahitra sy seza (sanatriavina?)...
Mety tsy ho hitanao eny an-Kianja mihitsy aho...ka hitabataba hanoso-potaka olona...na hanara-drenirano toy ny very ketsa...na hiozongozon-doha hiteny hoe ny mitabe tsy lanin'ny mamba ary ny akanga maro tsy vakin'amboa, nefa dia ho lanin'ny mamba sy ho vakin'amboa ihany...ka mety hitondra mody ra mandriaka...
ary mety tsy hiakatra ny lapa mihitsy...hanindrahindra ny fahaiza-mandihin'ny zana-drazana...na hisolelaka faladia mihosom-potaka...
Fa Hitolona am-bavaka...izay ny ahy ny tolona...
Manasa anao aho hiaraka hitolona amiko, ny toerana dia eny rehetra eny...ny fotoana dia isan'andro isan'ora...Tsy tolona mandreraka akory izy ity fa FINOANA sy FAHATOKIANA...Fametrahana ny fiainana amin'Andriamanitra...ary fahatokiana fa voavela heloka sy manana ny fiainana mandrakizay...
Nandehandeha nitety Madagasikara ny tena, Tsy dia ela izay...dia nahatsapa, nahare, nahita ny KRIZIN NY FIFANDRAISANA...
Efa ela io Krizy io fa dia eh eh eh...tsy nisy nahavaha azy - na koa hoe novahana amin'ny ampahany...
Naninona no may ny Radio Tsioka vao? Naninona no nisy namotika ny Radio tany Ambositra tamin'ny 2002? Naninona noa may ny RNM tamin'ny 2009? naninona no may ny MBS?
Radio iray RNM (02 izy niampy an'i MBS tamin'ny fitondran'ny TIM), izay ihany no manenika an'i Madagasikara, ary manaparitaka vaovao izay heverin'ny sasany fa tsy marina izany Radio iray izany (tamin'izany sy hatramin'izao?)...saika adino ny RFI mandrakotra tanan-dehibe tsy izy rehetra...
Na i Profesora efa nanana fahefana aza tsy namaha io olana io, ka taty aoriana vao midradradradra fa tsy omena fitenenana ao amin'ny RNM sy ny TVM (saika adino hoe mitovy amin'izany koa ny fahitalavitra...)---raha mba navelanao nanonja eran'i Madagasikara moa ny Radio tamin'izany, indrisy mantsy...
Lafiny ara-teknika?
Inona no ARADALANA? ary fa naninona ny MBS no afaka niparitaka eran'ny Nosy? fa maninona ny Radio DOn BOsco no afaka mandefa vaovao mivantana hatramin'izao? Fa maninona ny Radio FAhazavana no ao Tana fotsiny? Fa maninona ny Radio Antsiva no ao Tana Fotsiny?
Krizy be ny fahazoana vaovao... ny internet moa dia dikavilana sy fafilainga no betsaka...sady vitsy no liana aminy...ny gazety any amin'ny faritra tara andro hany ka vetivety dia lany andro...
Ary maninona moa no tsy mba mifidy mihitsy ny gasy any an-dafy isaky ny misy fifidianana? toa mbola tsy nahare ny voka-pifidiana filoham-pirenen'ny gasy any ivelany aho? Nefa ny vazaha aty toa mifidy ny filoham-pireneny foana isaky ny misy fifidianana?
Very zo ve ny gasy any an-dafy?
dimy minitra ihany no ahazoa-miteny isaky ny 5 taona...ary tsy mahazo miteny akory ary fa taratasy antsoina hoe VATO no arotsaka...raha miteny ivelan'io ianao dia lazaina fa tsy manaja ny safidim-bahoaka...he he...5 minitra ihany azafady
Manahirana an-Drafotsy mihitsy rehefa misolifatra ilay teny hoe kona konaime, asa aloha na miteraka faka mangidy any amin’ny fony na tsia …
Jeneraly iray izay no nahenoiko io teny voalohany indrindra, ary dia fiteny tao antsaiko rehefa tsindraindray…taty aoriana anefa votsitra teo imason-drafotsy ilay izy…dia fantatra ihany moa ny talentan’ny taranak’I Eva raha hanao fanadihadiana fa dia resiny ny C I S sy C I A…ny teknikan-dRavalo manana ireny tsy misy valera aminy (Colonel Ravalo manana Rich ard io Fa tsy ilay Ravalo manana iray)…Miala fondro manonona anarana Tompoko…(tohiny)
Didy vaovao no omeko anareoDidy vaovao no omeko anareo dia ny…efa fantatra ny tohiny ho an’izay mpamaky baiboly sy mpihaino toriteny…nefa tsy izay ô…(tohiny)
Misy angatra hoa ato antranoko ato fa tsy haiko hoe ahoana no atao?
Ny nanombohan’ny nanangaran'ilay raika lahy taloha, no nampikorontana ny trano tahak'izao (anisany fa tsy iny ihany ry ise a)...gravy...aiza moa izao ny hafatra tamin'iny?...na izaho koa aza mbola tsy naheno azy hatramin'ny farany... (tohiny)
Natao soratra ikalakely zandrim-bady...ilay milalao ny vadin-joky io...Nahafinaritra ny fihaonana amin'ny fianakaviana efa ela tsy hita, mazava ho azy fa dia somary saika menamenatra ihany ny tena satria tsy nanao palitao sy kravaty, fa lobaka fohy tanana, - ny lehilahy rehetra manao - fa dia nanamafy saina hoe :"izay rangahy ny Kolontsaiko ah"...lamba landy fotsy kely izay no mba nasampiko niaraka taminy...
Nanomboka ary ny Sinema (sary mihetsika?) - dia nikabary ilay mpikabary...ohatran'ny hoe mitady tsy omen'ny andaniny ery...fa izay ilay hoe Sinema eh - efa fantatra fa efa azony io ka mbola angatahany indray - plivava re izao - blabla re izao - Ohabolana re izao - fa dia teo aho no niezaka nijery fa kanto be ilay teny gasy mihaingo hainteny...ary tapa-kevitra ny hividy boky fampianarana mikabary mihitsy any aoriana...
Dia lasany hono Ikala, natakalon'ny VODY ondry - ary nolain'ny fa FOZA...tsy FOZAORANA fa fozavavy...
Teo koa no nahitana ARIARY DIMY, efa ela aho tsy nahita an'io an...ny karazam-bola rehetra mantsy no nanaovan-dry zareo tapi-maso...
Tonga dia Firaisana avy hatrany no nitodihan'izy roa kely, hisoratra...
Fa ny tiana ho raiketina dia izao:
Mpaka sary izany maka sary izany...samy maka amin'ny numérique-ny daholo ny olona...angamba ny antsasaky ny mapanatrika tamin'ny fangatahana lasa mpaka sary daholo - angamba ny antsasaky ny mapanatrika tamin'ny soratra mpaka sary daholo - toy izany koa ny tany amin'ny fety...
Fa dia lasa nifampavongovongo eo aloha eo maka sary...ohatran'ireny tena star na mpanao politika ireny hoa izy roa kely...
Enim-bolana lasa izay, nifankahita indray izay...
Aiza daholo hoa ilay sary nalain'olona ireny no toa ireto fotsiny sisa, mantsy azy, EFA NOVONOIN-DRY ZAREO HONO FA TSY NANDALO TANY ISIKA NAKA AZY hoy izy...
Hay moa ka vonoin-dry zareo ilay izy rehefa lasa ny volana "faute d'espace"....
Dia maninona raha tsy naka fa nanelingelina teo aloha teo fotsiny...
izay ilay hoe "GASY FIANAKAMS MPAKA SARY...TSY DIA NY SARY LAOTRA FA FITIAVANA HITSANGANA ENY ALOHA"
fa ilay bà hoa 2 sa 3 eh...manaoainina be ilay mbola manolotra takolaka fahatelo nefa ilay olona efa dify (voarakitra amin'ny horonan-tsary) - avy eo indray ianao mijanona eo amin'ny 2 izy mbola mihodina ametraka fahatelo tena saika teo amin'ny molotra...hummm
Mazava ho azy fa hanangan-tsaina aho...Miala tsiny amin'ndry zalahy tompon-kevitra amin'ny amin'ny fanafen-tsaina mandra-paha aho...
Fa inona hoa ny dikan'ny saina gasy eh?
Ilay Mena misy milaza hoe fiandrianana : Jaky...( sa tamin'izany dia efa nisy naminany hoe AREMA?) - sa Ra Mandriaka? - sa doro-tanety (mena = afo eo ambonin'ny maitso = tanety sy ala)
Ary ilay Maitso? : Tontolo iainana ve? ny ala antsinana? - sa inona?
Ary Maninona ny Maitso ao ambanin'ny Mena - tsindrian'ny Mena ? Sa ny Maitsovolo (tanora maitso volo) dia Miaina ambaniny ny Mena foana...?
Ny Mena sy Maitso mba mitsivalana ihany (mandry hilika) - fa ilay fotsy amin'ny sisiny no mitsangana, fa maninona?
Sa hoe Manangana saina fotsy fa resy lava? dia mody asiana mena sy maitso fotsiny...
tena tsy azoko mihitsy hoa ny dikan'ilay Saina?
dia maninona koa no "maitso-fotsy -mena" no fiantso azy fa tsy fotsy mena maitso - sa miady rima amin'ilay hoe ssainam-pirenena
Na dia tsy azoko aza ny dikany dia hanangan-tsaina aho...
Satria variana amin'ny fandehan-draharaha ny Gasy, dia tena mino aho fa ho vitsy no ho vonoina ho faty alohan'ny 26 jona...ary dia mety ho ambany dia ambany ny salan'isan'ny ra latsaka...
Na hisy Merssa na tsy hisy Merssa...
Na ny manam-pahefana na ny Legalista...
Na ny misy saina na ny tsisy saina...
Na ny TIMihinana na ny Hazo Amoron-Tevana...
Eny hoy aho Ho vitsy ny Gisa , Kisoa sy Akoho halatsa-dra atao laoka saosy, ho vonoina ho faty atao sakafo 26 jona...
Tena sahirana mihitsy aho satria dia ireo no kilalaon'ny zanako 3 lahy, ny ankabeazany moa dia azony tamin'ny didim-paotra - ny sasany nitomaniany dia novidiana tsy fidiny...izao ve rangahy...mbola kely ohatr'izao ve dia milalao izany sahady...
Nefa ny dahalo moa ve nilalao basy koa tamin'ny mbola kely?...toa tsy mitombona indray ny eritreritro...aleo rangahy kely ohatran'izao dia manao kilalao miaramila sy ankitifitifitra dia rehefa lehibe mba efa leo ...Mbola mandinika foana aho hoe "mba mitombona koa ve izany"...
Inona no kilalao vidiana ho an'ialahy amin'ny fetin'ialahy? - Raoplanina na Basy...
Miteraha mba hahita hoy Neny izay rehefa mba be moraly izahay fony mbola mpitovo, ka nidradradradra hoa "ny zanako tsy ividianako kilalao mahery setra izany" - hay tsy nahajery voamason-jaza akory rehefa niteraka...
Ary raha hividiana saribakolivavy izy 3 lahy? mety hitondra voka-tsoa sa voka-dratsy?
Ilay saribakoly manja ireny dia mba mahay mijery ny canon-canon !!! ha ha ha ! Ny ahy aloha h@ izao dia mba basy 1 ihany no fiadiana novidiako ho azy, fa ny sisa avion (sao lasa pilote), hélicoptère, zava-maneno isan-karazany (mba hizatra izany raha mafy ny manjo fa ny mozika manamora adim-piainana), fiarakodia (iny no hanehoanay ny toetran-dehilahiny fa vahany tsiray² dia esahiny haverina na dia tsy mety intsony ary), baolina (basket sy foot : ary tena tiany tokoa ny milalao azy), fa dia mbola tiany lavitra ilay peluche ireny fa miara-matory aminy daholo ny anakidimy be izao !!!! tsetsatsetsa ts yaritra leiroa .............
Afangaro daholo ny kilalao izay tiany, na saribakoly izany na auto, na ho an'ny zaza vavy na lahy, fa rehefa lehibe ny vavy hanana fiara ary ny lahy hitaiza zanaka :-).
BROETY MALAGASY... (araho ny rohy) Namapalaza ny gasy io Hatsikana io ...
Ny Gasy hoa hafa ihany, sady misy sinoa endrika no misy vazaha endrika no misy senegaly endrika, no misy karana endrika sns fa dia gasy ... kompoze (composé sy la soupe no tiana tenenina)...antsiben'Andriamanitra (arc en ciel no tiana tenenina)...Tiako i Malagasy... (tsy misy miresaka TIM na TGV eo...sssh....mandreraka izany...)
Samy manana ny fiteniny...nefa toa teny iray ihany...Mbola tsara...Manao ahoana...Mbarakaly...Akory li...Tsara va tompoko...Salama...sns dia bonjour daholo no dikan'ireo...Tsara hoa ilay samihafa miara-mitoetra...gasy izay...Tiako i Malagasy...
...
Dia ilay manindraindra ny Razana hoa TSY Tiako , Taranak'Andriana e ... Andevo e... Borisatroka e... Foko izao e... Ataovy amin'ilay fombandrazana ... ilay tsy hita izay maharatsy azy e...
Miampy an'ilay Manindraindra havana manana seza : HAVANAY anie Rafitomanana ! (eny havana tsy dia akaiky aloha e)...TSY tiako rehefa tsy nisy nanontany an'izany dia izany no abosesika...
Ny hoe havan-dRafitomanana : olomanga anie Rafitomanana e, fa izay havana "fozaorana" no tena loza ! Izaho aloha "havany" na dia tsy mifankahafantatra ary izahay satria samy mankafy ny fampandrosoana firenena e ! hi hi hi !
Mitovy isika sy i Mangamaso amin' io resaka io. Izaho koa dia nampitaha resaka tetsy sy teroa teto amin' ny internet ihany, fa tsy mbola azoko tsara ny hevitr'ilay hoe "fozaorana" (Ankoatr'ilay hira). Tany am-boalohany io teny io dia toa nidika hoe "tovovavy kely jefijefy", dia avy eo angamba mety niova.
Mangamaso sy LeRastah < inty ny momba ny fozaorana ka ataoko fa io no niandohan'ilay teny izay midika hoe ZAVA-DOZA ("fléau" no ieritreretako azy). Fa natao ho lasa argot ilay izy itenenana ny ratsy rehetra, ary lasa fanopàna mihitsy ary.
Mangamaso sy LeRastah < inty ny momba ny fozaorana ka ataoko fa io no niandohan'ilay teny izay midika hoe ZAVA-DOZA ("fléau" no ieritreretako azy). Fa natao ho lasa argot ilay izy itenenana ny ratsy rehetra, ary lasa fanopàna mihitsy ary.
Horonan-tsary malaza ary nampitolagaga ny ankabeazan'ny olona ny Titanic sy Madagascar...ny hifandraisany moa dia misydian-tanan’I Steven Spielberg
Fa dia tamin'ity indray mitorakaity dia Titanic I Madagasikara...eny tokotrany, "film" efa nandeha io...
tamin'ny Titanic anefa niandry hatramin'ny farany ny "Commandant" - ary nihira mandram-paha ireo mpihira (dj angamba no fiantso azy amin'izao fotoana izao)...mihavaky mihavaky ny sambo...tsy hita ny mpamonjy...mbola raikitra ihany anefa ny ady saritaka...sao dia Titanic iMadagasikara?
Angamba hoy aho, tokony hisy "film" vaovao indray hotontosain'i steven Spielberg mba hampivaha ny olana eto Madagasikara...fa tsy Terminator lava izao... (Terminator Renaissance)
Nanombonomboka farany 2008 mantsy no nivaoka i Madagascar 2, ary nanombonomboka tamin'izay koa ny krizy...?... ary mety hivaoka ato ato indray I Terminator Renaissance…
Madagascar...tafiditra tokoa moa I Alex (avy any amerika)… I Jurassic Park mampivandravandra ireo Dinozoro (politika)...i E.T. moa tsy lazaina itsony, fa dia mipoitra ho azy eny...I Indiana Jones nampiseho ireo harena be misy -hifampandroitana - avy eo tsy misy ho raisina...
Lasa finoanoampoana izy ity?..."il faut sauver le soldat Ryan"...sa "il faut sauver madagascar"... sa "theRivals ?"...
finonaranoiray> izany tokoa angamba no atao hoe nofy ririnina, tsy ho rendrika i Madagasikara, satria ny Commandant Ravalomanana efa tsy eo, Ratsiraka moa tsy lazaina intsony, aleo @ izay ho entin'ny mahay ny firenena, @ izay izy tsy sambo intsony fa TGV. Tsy ho rendrika i Madagasikara Mitohy foana ny asa e, tsy maintsy mandroso Madagasikara na inona na inona filazan'ny TIM.
Nivory hono ireo gasy efa maty tany amin'ny fiainan-tsi-hita...tsy izy rehetra anefa fa izay maty nisy namono noho ny tolona...
Ny antony ny Fivoriana dia ny fananganana Repoblika fantôme...satria dia efa tsy lasa intsony ny korontana ataon'ny velona an-tanindrazana...
Mazava ho azy fa dia Kolonely Ratsimandrava no lany fa atao présida...lanin'ny mpivory rehetra io...satria dia anisan'ny maty novonoina izy...Ny didimpitondrana navaokany voalohany hono dia ny nanome amnistia an'i Zimbo...
Fa dia tsy hita hoe iza no atao praiministra, satria dia toa olona tsy dia be diploma avokoa ireto maty ho an'ny tanindrazana...ireo mba manana diploma moa dia tsy nety nirotsaka satria "leo" hono izy, ny vitany aza nanenenany...Mazava ho azy fa dia nanahirana be torak'izany koa ny hanendry hoe iza no ho Ministra...
Tonga saina avokoa ary ireto mpivory fa dia tena natao fitaovana tokoa fony fahavelony...ka dia tapaka ny hevitra fa dia HANANGATRA ry zareo...ka eny tsimbazaza no atao ny fitokonana...
Tsy nanaiky anefa ny antoko "10 aogaositra" ka nivaoka ny trano tsy nety hifampidinika itsony, aminy mantsy dia tsy maintsy eny iavoloha no atao ny fanangarana...ny any antoko "13 Mai" moa dia vaky 2 avy hatrany, eny analakely ihany ny no toerana tokony hanangarana hoy ny sasany - eny Ambohijatovo hoy ny sasany - eny Ambohitsirohitra hoy ny sasany... ny reservista sy ny nanohitra azy tamin'izany moa dia eran'ni madagasikara mihitsy no tena tiany...
izany dia noho ilay kisoa lahy ity ihany… Firy sahady izay ny maty noho Ilay Kisoa lahy ‘ty ?
Na ny ONU aza lasa nikoropaka mihitsy noho Ilay Kisoa lahy ‘ty…
Biby miverina amin’ny naloany…biby mpihinana maloto…biby tia mihosim-potaka…biby be tenda tsy mifidy izay arapaka…biby manimba ny fofon’ny tontolo manodidina…nefa MATSIRO (samy manana ny matsiro aminy io - sa ahoana?)
Mibitaka indray izao ny apokalipsy tsy mihinan-kisoa, ny adventiste tsy mahalala ny tsiron’ny kotileta, ny anjoany tsy nanandrana tsaramaso sy henakisoa…
Sakano ny kisoa sy ny sombim-patin-kisoa azo hohanina tsy hotafiditra ny sisin-tany fa sao handroban-draha…
Inona no laoka ao androany?
Henakisoa sy voanjobory…
Toa ny Teo Ihany no Miverina, tsy vao haingana ve isika nanao izany laoka izany? Tena Gaga sy Variana mihitsy aho…dia tena tsy mahita laoka atao mihitsy ve nareo e! Arosoy MAFANA ary e…inona moa no azo atao?...Ary inona no “dessert” – tsindrin-tsakafo mantsy e? Laoranjy Marikivy makadilo nify…
Na izany aza, dia tokony ho mailo ihany i apokalipsy satria tsy ny "fihinanana" kisoa akory no mahavoan' ny gripan-kisoa, fa ny rivotra iainana, izay mitondra ny otrikaretina (maladie à transmission aérienne).
Raha toa ka “mazava” ny dikany dia toa tsy mety satria toa “clair” no hevitr’izany, izay tsy voatery ho “précis” mihitsy…
Raha toa ka “voafaritra tsara”, dia “bien défini” no hevitr’izany fa tsy ho voatery ho « précis » mihitsy…
Raha toa ka “tsy miolakolaka”, dia “direct” no hevitr’izany fa tsy ho voatery ho « précis » mihitsy…
Inona ary no dikan’ny « précis » amin’ny teny gasy ?...tsy dia tena “précis” tsara hoe inona no dikan’ny “précis”…
Ny tiana lazaina tsy tahaka ny hoe tsy “précis” tahaka ny ampitomboana sy ampiana ihany io, sarotra be ny mieritreritra hoe ny zavatra ampitomboina iray ny isany dia tsy miova, fa ny ampiana iray no miampy iray…
tena tsy "précis" ho'a ilay Andafiavaratra ny Praiministra, nandrasana tao tamin’ny ora voatondro ka he he he, sao dia any Andafy Avaratra kosa e? (any ampitan-dranomasina)... tsy misy “précis” hoy aho ny teny gasy… (dia sahala amin'ny kilalaon-jaza-kely izy ity)
tena tsy "précis" ho'a ilay “famindram-pahefana” noeritreretina hoe “fametraham-pialana” hay moa “tsy fametraham-pialana” ny “famindram-pahefana” (voafitakin’ny fandikan-teny daholo ny mpanao gazety eran-tany) … tsy misy “précis” hoy aho ny teny gasy…(dia sahala amin'ny kilalaon-jaza-kely izy ity)
tena tsy "précis" ho'a ilay dikan'ny hoe "NDAO LASA IZAO IZAO DIA IZAO" hay ny dikan'ny hoe ndao hamonon-tena hovonoin'olona...tsy misy "précis" hoa ny teny gasy...(dia zazakely daholo no fiheverana an'azy e)
Na tahaka ny hoe “ambadika ao”, valin’ny fanontaniana – mbola lavitra ve? - rehefa mandeha tongotra any ambanivohitra, hay ary amin’ny “100 km miala avy” teo… sy ny “indray mahamasa-bary eo no eo dia tonga” hay moa tsy vary soa fa vary maina eran’ny vilany be…
Lasa mot a mot ilay izy raha ezahana adika amin'ny teny gasy daholo ny voambolana vahiny rehetra. Raha fehezan-teny (ma fehezan-kevitra) misy hoe "precis" no adika dia inoako fa misy mahadika "tsara".
à 7h précis = @ 7ora tsy diso plus précisement à andafiavaratra = ny marimarina kokoa dia ao andafiavaratra. un lieu précis = toerana voatondro mazava. sns.
Momba ilay mari-pandrefesana indray kosa : ny indray mahamasa-bary, ny iray njehy (asa toa io ve ny fanoratra azy?), sns :
Amiko dia matsilo saina ny razana raha namorona an'ireny satria efa nanomboka namorona mari-pandrefesana sahady izy ireo. Eto dia ampahatsiahiviko fa ry zareo anglisy dia nampiasa ary mampiasa ny : - iray felantongotra ( one feet) - iray ankihibe (one inch), sns. (amin'ny sehatra maro maneran-tany dia ampiasàna ireo)
Taloha dia tena ny vatan'olombelona no nataon-dry zareo ho fandrefesana. Taty aoriana dia natsarainy izany ka namorona zavatra lavalava iray izy (tokana maneran-tany io zavatra io. "echelon no anarany, izany hoe modely), dia io no nolazaina fa tena iray felan-tongotra, ira ankihibe, sns.
Izaho manokana dia mino fa raha tsy tratry ny fanjanahan-tany isika dia ho haintsika koa ny hampivoatra io fomba fandrefesana io, ka mety ho lasa fandrefesana malaza koa. Asiana fifandraisany amin'ny fomba fandrefesana iraisam-pirenena ange dia vita e :). Ity fanatontoloana ity koa moa loza ihany, ka na tsy nisy aza ny fanjanahan-tany ... toa tsy hisy ihany aloha ilay vinavinako e hihihi.
mdr fa mampatsiahy fony SN ilay hoe ao ambadika ao. Hamonjy biraon'ny zandarmaria atao antongotra, nandeha antsasak'adiny nanomboka nanontany dia ny valiny efa kely sisa fa ao ambadik'io bonga io fotsiny, dia nandeha lasa ny adiny iray, nanontany olona hafa nifanena indray dia kely sisa kah, dia nita rano t@ lakana, dia mbola efa kely sisa, dia mbola nisaka rano nanainga zipo-kilaoty ry zavavy sy pataloha salopety ry zalahy dia indray mahamasa-nahandro indray (raha andrahoina @ saribao dia tokony ho adiny telo fa raha andrahoina @ gaz dia adiny iray fts farafahaalikany), teny ka teny vita soa amantsara ny 50 km vao tonga anoloan'Ingahy lehiben'ny Zandaramaria adiny efatra aty aoriana : ça use les souliers hozy simp. Fa nilay be fa nianatra fiainana daholo t@ zany.
Miverina @ tena resaka, angamba kosa bien précis ny hoe "rouge avant d'expert fa expert avant d'être rouge" (latsaka ny rà menamena vao mahay mipetraka fa efa expert :-P)
ikalamako : njy koa nahatadidy tsara be an ! ié ,hoe ao an'anona ao dia lasa foana nefa tsa mety tonga mihintsy ,ny tena efa kajo tanteraka ! Za manokana tsy mana-kambara mikasika ny dikan'ny "precis" satria na ny fiteniko sy fanoratro aza tena misy precis sady tsy ampy mihintsy ,mba tsy hilazana fa diso tanteraka e!
Precis amiko dia midika hoe "voakendry". Ny hevitra hoe "kendry" dia milaza zavatra efa nodinihina sady ara-tanjona voafaritra ara-tsiansa ny vokany. Ohatra: Kendreo tsy ho vaky ny voanio raha alatsaka avy any ambony hazony.
precis dia tsy teny frantsay fa nohajariana ho frantsay, avy amin'ny matoanteny latinina prae-cidere, izay manome praecisus... raha adika amin'ny teny malagasy dia mazava hoe : manara-penitra. Ny prae- aloha (sy aoriana) ary cidere (tinapaka) dia milaza ny zavatra iray tsy mihoatra ny fennitra ho azy. Koa aza ambaniana ny teny malagasy, ary raha tsy misy teny tokana mahadika ny precis dia satria mazava ny antony, tsy teny tokana izy tsy akory... Ny mampalahelo dia ilay pécis mihitsy no tsy hainareo ny dikany fa tsy ny teny gasy... raha te handika teny araka ny tokony ho izy, farafahakeliny ahay, fantaro ny fotopototra niforonan'ilay teny
tena tsy "précis" ho'a ilay dikan'ny hoe "NDAO LASA IZAO IZAO DIA IZAO" hay ny dikan'ny hoe ndao hamonon-tena hovonoin'olona...tsy misy "précis" hoa ny teny gasy...(dia zazakely daholo no fiheverana an'azy e)
tena tsy "précis" ho'a ilay dikan'ny hoe "NDAO LASA IZAO IZAO DIA IZAO" hay ny dikan'ny hoe ndao hamonon-tena hovonoin'olona...tsy misy "précis" hoa ny teny gasy...(dia zazakely daholo no fiheverana an'azy e)
Lasa lavitra ny saiko, ka nieritreritra hoe "ianao ity moa izany mbola ho antitra"…
he he…
dia hoy ny fiteny hoe “fitia garanadrelina – miketroketrona vao tena mamy” – izay novaiko hoe “miketroketrona vao tena mama”…
Izany no fiainana…tsy ho hitahita akory,
dia hikolepaka ireto manga eso…dia hiforiporitra izay tsy izy ity pasoka malama…dia halazo ny hazo eo afovoan’ny saha…dia tsy afaka hanondraka ny zaridaina matetika itsony…ho fola-damosina hitodika…
Mbola afaka hiteny ve aho amin’izay hoe “tiako ianao” sa hoe “tsy misy mpitia ahy itsony afa-tsy ianao sisa ka dia tiako ianao?”…?
Dia ho tena marina ve ilay fitia garanadrelina - miketroketrona vao tena mamy, ny “vieille marmite”, ny divay ela, ny fary lava vany, ny farany vao misy ventiny?
Tsy azoko veroka mihitsy…
mahita ireo efa miaina izany aho ankehitriny dia valalanina, ahoana ary no hahazakany izao?... sa dia hoe samy reraka sy disaka ka tsy izany itsony no jerena?...sa izay ilay hoe tapi-dalan-kaleha ka mason-tsokina ny kely hananana no hahiratra?...sa hoe izao sisa e?...
Tsy mety manome tsiny an’ireo anti-môla ny saiko raha vao mieritreritra izany, nefa mametraka ihany azy ireny hoe “mpanararaotra” – mpanararaotra farany…dia misy mamaly moramora ao am-poton-tsofiko hoe “fahanteran’alika ny an’ireny”… nefa…
Tena hamototra ahy ve ny finoako rehefa any aoriana any ka hahavita fefy tsy hamela ahy hiboritsaka eny amin’ny raozy vao mivelatra…
tena hamatotra ahy ve ny voady nataoko ka tsy hahatonga ahy hitsiriritra sy hihinana voankazo voarara…
Ho sahiko ve ny hiteny hoe "mbola manintona ahy foana ianao" amin’izay fotoana izay?
Soa ihany fa ny fiainako tsy eto an-tany ihany!...
finoanaranoray : tena mba lasa lalina marina ilay eritreritrao nefa tena mitombona tanteraka tokoa !....Naika nihomehy aho ,naika tapa-tsinay kinanjo nandefa saina ihany dia tonga saina koa fa tena ahoana tokoa re amin'izany andro zany e ? hummm ! aleo tsy heverina marina,araka ny lazain'ikalamako fa ny androany no araraotina!
Tena ratsy no fahitanao ny ho fahateranao izany an ! Ny tena miketrona tokoa, ara-batana ihany io, fa ny saina feno fahendrena, feno experiences, ho fanalahidin’ny hevitra. Tsy ilay vadinao ihany no mbola hiteny aminao fa mbola tiany foana ianao. Nahoana moa no hanimba sy tsy hanaja tena sy ilay fitia niarahana tamin’ny mamy sy ny mangidy ka “hiboritsaka eny amin’ny raozy vao mivelatra” ? Raha tsy hoe tena manao adina “stars” ise ? Ary ireo taranaka (raha tsara taiza izy ireo) sy ny manodidina anao haka hevitra aminao daholo. Ny namana mitovy taona tsy tapaka etsy an-daniny hiaraka adala sy hametsovetso, sy hikakakaka ny adalana natao fahiny. Tsy ho irery akory ianao fa hoe heverin’ny olona fa “martien”. Tsy ekeko ireo fampitahana raha araka ny voalazako noho izany.
Ataovy mafy ny finoana, ary aza adino fa olona mendrika ny fahatokisana ianao matoa nivoady. Ho avy moramora io, ary ho hitanao fa tsy araka ny noeritreretinao satria ny manodidina anao dia tsy hanary anao fa hanampy anao amin’izany. Mety hisy ny zavatra adino na ny aretina, fa olombelona no manodidia anao fa tsy biby akory rehefa tsy be ny ratsy natao. MAHEREZA.
Dia miahiahy ny amin'ny ho aviny foana tokoa raOlombelona 'ka :).
Izaho indray dia zavatra hafa (izay efa lalovan'ny maro aminareo) no mba mahalasa saina ahy ... dia ny fanambadiana sy ny fananan-janaka :).
Toa azoko an-tsaina ery izy izany : raha 4 ohatra ny isan'ny zanaka, dia tsy maintsy eritreretina daholo : - ny fahasalaman'izy 4 :). - ny sakafony. - ny kilalaony. - ny fianarany. - izay zavatra ataony rehetra (arahi-maso rehefa eny an-dalàana sao voadonan'ny fiara,...). - sy ny sisa sy ny sisa hihihi
Dia mba manontany tena aho hoe : mbola hisy tokontaniny ve ny ho fialambolin-drainy :) [ny blaogy, ny fitiavana teny malagasy, ny blagy amin'ny samy mpinamana, ny lalao maro isan-karazany, ny fitiavana mihira sy mihazakazaka, sns. : ireo zavatra ireo manko dia toa tsy ho atakaloko mihitsy ry 'zareo 'ko hihihi]] sy ny fahalalahana : toa tsy azo hatao intsony ilay hoe : - rehefa tsy noana dia mahazo tsy mahandro :) - rehefa kamo mifoha maraina dia @ 5ora hariva vao mikaly, dia avy eo tonga dia matory indray :). - rehefa kamo hanasa lovia dia mihinana anaty sopera hihihi. - rehefa tsy te hamafa trano dia lafihina gazety ny gorodona hihihi. - rehefa tsara ny andro dia mandehandeha eny an-tsena, na mamonjy famakiam-boky :).
O ry Tokinao a, mbola hanananao daholo ireo fahalalahana tianao tazonina fa aza miahiahy e ! tandremanao fontsiny ny ankizy tsy ho sous-alimentés sy ampy torimaso tsara ary ary fitaovana sy mandeha tsara ny fianarany ary indd ho ampy fitiavana dia mandeha zatra io fa ianareo no tsy ho azy, ianao indray no tsy aharaka avy eo !
Mitohy ihany ny fampiharana ny lesona politika, eo anivon’ireo izay mankamamy izany. Ny lesona natao tato ato indray dia mikasika ny fomba fanaparitahana vato.
"10 000 - 20 000 - 40 000. Firy tapitrisa ireo?". izay ilay fanontaniana. nentina teny ambohijatovo sy teny amin'ny 13 mai ary teny Mahamasina mihitsy hanao fampiharana ny lesona. ..."Tena tapitrisa ny 40 000 ka" hoy ny andaniny, "an, an, an...Arivo na aman'alina io ka" hoy ny ankilany...Mifamadibadika io valin-teny io an, omaly ny iray milaza fa "Tapitrisa", rehefa tsy eny itsony izy fa ny andaniny indray no eny dia "Arivo"...toy izany koa no ambetin-tenin'ny andaniny...Fa hatramin'izao mbola tsisy mahay manisa ry zareo e na ny andaniny na ny ankilany. Ny marina anio lasa diso rahampitso, ny diso anio lasa marina rahampitso. (tohiny)
Misy marina ve izany hoe "message subliminal"? fa dia tena misy hira ohatran'ny mandrisika hanaraka firehana tsy eken'ny saina...mahagaga fa lasa miverimberina ao an-tsaina tsy mety miala mandritra ny andro ilay hira...
Tandremo : Tena "mivantana" manasa ati-doha mihitsy ny Hira maka endrika politika, na sendra maheno tsy nahy sy tsy fidiny aza, … lasa te hihaino bebe kokoa ho azy izany. Fanapahan-kevitra hentitra mihitsy no notapahana hoe "hira tsy alehany izany", "hira tsy mitondra fahasoavana eo amin'ny fianako!".
Miala tsiny aminareo mpanakanto mpihirahira fanentanana hitolona aho fa dia VONOIKOtsy hoe ho tifiriko ny Basy akory favonoiko ao an-tsaina…ny hira toy izany.
Raha mihaino ny hiram-pitoloman’I Sareraka izao dia lasa Mpanohitra ho azy teo, dia miverimberina ao an-tsaina foana iny hira iny, … ary raha sendra tafahira “ka sahia” dia toa lasa sahisahy hafahafa teo…indrindra moa raha ilay hira hoe “ao anaty boky mena…” dia lasa te-ho eny Ambohijatovo hitady boky Mena, Ambohijatovo tsy Kianjan’I demokrasia io fa Ambohijatovo mpivaro-boky tonta…
Ao indray ireo Hira malaheloelo : hira mivetso fisarahana ohatra...lasa te-hisaraka ho azy teo rehefa mihaino elaela, fa angaha tsy loza...dia mamorona ady mangatsiaka amin'ny andefimandry, te ahita azy mandehamiala...dia avy eo te hiantso azy indray - nefa anie dia tsara ery ny mihaino ilay hira e, ao tsara daholo ny hakantony…
Ary koa tadidy ilay fihetsikin’ny Ray aman-dreninay tamin’izany…Samoela nanao hira mivatambatana, fa dia tsy tian’ny Ray aman-dreny mihitsy fa tonga dia hoe “vonoy any izany”fa manimba saina…nefa rehefa hira vazaha, toy ny “Faisons l’amour avant de nous dire adieu…” mandeha tsara tsy misy blabla…eise e…mahery ilay "message subliminal"
Fa hanao veloma ny sehatra hono I Henri Ratsimbazafy, ka mba ho fahatsiarovako azy, dia mba mametraka ireto fanontaniana ireto amin’ny tenako aho sy aminy:
Inona kay ilay lamba mikopakopaka? Ilay tsara sy ma te-ho tia? Ilay toa miantso hoe avia ? : … ve?
Ary dia misaotra fa dia tena ny ankabeazan’ny fiainako no nohirainao : fitiavan’ankizy, fiara-dalamby, trano falafa, Mahafatifaty, Andriamanitra fitiavana, indro tazako ianao re ry tiana, Fony aho, vola, ny lehilahy, ianao (hizarako ny hasambarako)…Anao no nidramiko
Mipoa-tsarok’e…
Efa ela aho no nivoady - fa hijanona tsy hanambady 'Zaho tsy ho voarebireby - hitebiteby ;
Koa ataoko sanatria - izay ho tia ka tena tia ary hanao ny hadalana - dia ho voatana,
Kanjo asa foana teo,niseranan-dry zareo, niova hevitra avy hatrany - babony aho no niafarany, tsy nahateny fa nalemy !
Ny masony, toa mangarika 'nefa koa malefadefaka fijery MAHAFATIFATY ka manintona sy misarika toa ny misy herimbaratra mahery MAHAFATIFATY Tena kanto izany volony Miondraondra, misarako ao an-damosiny MAHAFATIFATY Raha mitsiky izany molony toa voankazo mena fify ka aoka fotsiny MAHAFATIFATY.
Ireo sakaizako fahiny - avy dia manome tsiny, lazainy aho fa tsy matotra ka dia voafatotra.
Ry zareo manao izay tiany - tsisy ora ny fodiany izay tiany aleha rehetra - dia tsy voafetra !
Ity anefa no mba lalina : rehefa mody izy amin'ny alina efa nanao kibo an-tsena, tonga tsy misy mpitsena fa manirery toa ny very
Ny ahy kosa, vao amin'ny enina, indro tazako izy ery am-bavahady MAHAFATIFATY dia tsaroako, tsisy nenina mahafinaritra ery ny manambady MAHAFATIFATY Indro izy misomebika an-dakozia mikarakara ny sakafo MAHAFATIFATY Amizay aho dia rebika tsy maharitra fa dia manafosafo MAHAFATIFATY
Nefa kosa, na izany aza, ny lafiratsiny mba misy kely ihany TSY MAHAFATIFATY Rehefa izy no mivazavaza, menomenona tsy misy fiafarany mila tsy ho tanty rehefa misy adi-hevitra mirintondrintona amin-java-tsisy fotony tena mahasoso-(tra ahy) nefa izaho tsy mety tezitra vao mahita izato fiangotingotiny MAHAFATIFATY !!
Mitsara ve ny tantara? Fiteny matetika sy ombieny ombieny ny hoe SAMY MBOLA HOTSARAIN'NY TANTARA - asa na fitenin'olona resy io na fitenin'ny olona mampisaina, fa dia lasa sady tonga ny saina hoe : Mitsara ve ny tantara?
Mora ve ny tsy mahatsiaro, ka hanamarina hatrany ilay ohateny hoe "RIRININ-DASA TSY TSAROANA", sa dia ny LASA OMBAN'ny LASA no savony manasa ny atidoha, ka mahatonga ny tantara miverimberina sy manao tampody fohy isaky ny tsingerin-taona.
Sarotra tsaroana ve ny TANY NAHALAVOANA, ka hiverenana indray, Sa ny zokibe toa ray no tsy mba namela hafatra ho an'ny taranaka fa nahalavo sy nahasolafaka iry lalana iry ka mitandrema, Sa dia ny RAHA MATY AHO MATESA RAHAVANA sy ny RAHA MATY RAHAVANA MATESA RAOMBY no antontan-teny filamatra?
Iza no mpanoratra ny tantara ho velarina hodinihan'ny sarambabembahoaka? Ny fomba nanoratany azy ve no tsy hay vakian'ny valala tsy mandady harona, ka mahatonga azy ireo ho solafaka amin'ny tany nahalavoan'ny teo aloha?
Maninona tokoa moa, ohatra, raha ovaina an'ilay hira hoe:
"choc, choc, choc – halako magnano choc ady ady ady halako olo-miady olo-tsy mahay miaigny mandrombaka ny ambiansy choc choc choc e halako magnano choc e i a"
sa mety lasa mihetsiketsika be, mety handihy eo am-pihirana ny hiram-pirenena...
Izao indray ary, raha tsy mety iny e, ho soloina an’I Ka sahia e, dia ny anaran’ny Filoha no ovaivaina:
“Ka sahia andeha hiara-dia…Aza kanosa Ka avia a I Filoha no hitondra antsikaTiako ny Malagasy”
Sa mety manindraindra AVI be… Sa ity hira ity rangahy dia ovaina ny tonony a, nefa toa hiram-paty be :
“Aza manadino anay Ry Ambohitsirohitra Aza mba manary anay Hanalavitra anao Mitodiha vetivety… Hampandroso sy hampety”
Hevitra taingina marina...ity no tena mety e
Toa lavitra be ny eny Ambalambahoaka
Raha tazanina avy eny Ambohikobaka
Toa lavitra be ny eny Ambohikobaka
Raha tazanina avy eny Ambalambahoaka
Tsy mahatazan-davitra ny any Ambalambahoaka
Tsy mbola afaka mitsinjo ny vody andro merika
Tsy tazana mihintsy ny any Ambalabahoaka
Fa varimbariana ny lavitra ny eny Ambohikobaka
Ny eny Ambohikobaka variana Mivarotra rorono an-tavy
Dablio: ho an'izay mafimafy fitombenana, kelikely ihany ny sakany...tsy dia tena amporisihana loatra ianareo hividy an'io fa manjary mitady seza hafa rehefa ela ny ela fa tsy tamana,...dia lasa miady seza...fa tsara io amin'ny fiarahana 2 na 3 na 4, rehefa hiaraka hisakafo sy hianatra.
Tabouret: ho an'olon-tokana ihany io, maozamaozatra koa no mipetraka aminy...mety hiadivan'ny olona koa any aoriana fa aza mividy an'io...raha izaho nareo tsy mividy an'io, na dia mora entina an'i Mahajanga sy any Toamasina aza.
Pouf: io indray afaka ho entina mandehandeha, ho an'izay tsy manana seza raikitra...sady tsy dia mavesatra no afaka atao solon-tseza (reserva) raha toa ka very seza tampoka...
Strapotin: vitsivitsy io sisa, fa dia tena be mpividy tokoa, fa tsy maintsy miaraka amin'ny palitao mora avadika izy io, fa raha tsy izany tsy mety...ka raha tsy manana palitao mora avadika ianareo dia tsy dia tsara ny mividy an'io...
Ankalana: io moa dia tena sasatra vao mahita azy, raha tsy hoe manafatra any amin'ny valala bemandry mpisolo vaikan'ny ankalana...aza mividy an'io fa tsy fipetrahana io fa fitetitetehana hena...mody ohatran'ny seza fotsiny ny paoziny.
Sy ny sisa sy ny sisa e...
Mba tsy hisian'ny ady seza sy ny fitiavan-tseza moa no nanokafako ity varotra iray ity.
Fa ny seza tsisy intsony dia ny "seza arenina", efa lasan'ny malagasy io mba hiterahany an'i Demokrasia HONO...
Tena mitohana be mihitsy ny fifamoivozana ... fiara izany tsisy aleha itsony. iny misy olona mandalo mandeha tongotra andeha hanontaniana...
- fa misy aksidan angaha ao no ambotaiazy be?...
- an an an, misy mpanao politika malaza be ao...
- mitokona indray ve sa manao filaharam-be?...
- an an an tazomin'ny "gros bras" ao anatin'iry hotely iry lery dia tsy avelany mandeha hono raha tsy manome vola be 40 millions an-dry zareo raha tsy izany dia hodorany amin'ny lasantsy nedala... dia tohanan'ny vahoaka ny lalana sady misy solon-tena mitety fiara ao mangataka izay foy...mbola ho avy aty ireo solontena ireo hangataka izay foy omena ireo "gros bras".
- dia ohatrinona no omen'ny olona?
- Lasantsy 2 litatra isan'olona eo ho eo...andorana an'i lery
Samy ho antitra ihany lesy dia maninona no mifanomearetin’an-doha tahaka io an, samy ho antitra ihany lesy raha mbola tsy tonga aloha ny Tompo, mba mipetraha tsara moa lesy fa manakona an…mba samy hihira an’ity hira ity ihany anie rehefa antitra fa dia mba mipetraha moa fa tsy misy hakana tsirony ny fiainan’e e…mbola samy hitelin-drora sy horarak'ivy ihany rehefa antitra mahita ilay voalaza ery ambany…sy hahatsiaro zoma manifika…ao moa lesy fa aza be dongy eo an... aza migafy lesy a...
Ouh ! Ouh! Ouh! Eh! eh!eh! ...Veloma ny lasa letsy ry zalahy a!
Soara soara soara soara e e e! --- Antitra vao be ny tanora --- Antitra letsy 'ty ka antitra e --- Antitra letsy Dadazily a, Antitra letsy Dadazily a,
Maraina ny andro, maraina ny andro --- Irery antrano, irery mitanondrika --- Manganohano, manganohano tsy afaka e! --- Mahatsiaro , mahatsiaro ny andro lasanà a! Tazanina io miantona @ rindrina e! --- Io ny sary mariazy---Rafotsy mbola "jeune" misarona ny voaly… "Souvenir" sisa.
O! Rafotsy o…! Rafotsy a…! Rafotsy e…! Jeram-potsiny efa ketrona sy lany --- Tsisy mamy intsony ny oroka nafana --- Aiza ho aiza lay bôgôsy fahizay e ! --- Miara- miondrika eto amorom-parafara
Tsy hita intsony ny hamamin'ny alina iny e---Mangatsiaka ny mamanton'alina iny --- mivadibadika Rafotsy misohiaka ---Feno banga, tsy hita intsony zany bika --- Aiza ho aiza ny fahiny ho aho ry tiana --- Efa antitra vao be ny "souvenir" a!
Ouh!ouh!ouh! Mafy refa antitra letsy e! --- Mbola samy hoantitra letsy a a
Soara soara soara soara e e e! Antitra vao be ny tanora -- Antitra letsy 'ty ka antitra e! --- Antitra letsy Dadazily a!
Atoandro ny andro, atoandro ny andro --- Mitapy andro ,mitapy ny masoandro ---MAhatsiarotsiaro, mahatsiaro ny andro lasana e--- Manganohano, manganohano manina
Manembona eto ampoto-kazo maloka e --- Njao ny ankizy mikorana --- Ireny fa mandalo reny sipa manja reny --- Manao "jean" tery.
O! ry Bandy a…!bandy o…! Bandy e…! Te ho tanora foana saingy tsisy fika --- Efa gôdraka, malazo ny efa vita --- Bye bye 'lay zoma magnifika e! --- Brigthon, ny revy, sy ny sipa.
Sasakalina mikohaka mandevy --- Fa mitaky ny sigara sy ny revy, Nisotrosotro teo Isoraka hoa fahiny --- Nitazatazana iny Anosipatrana iny, Aiza ho aiza ny fahiny hoa ry tiana --- Efa antitra vao be ny "souvenir"
O !ry bandy a…! Bandy o…! Bandy e…! --- Indray andro any refa antomotra ny anjara --- Efa soara ela miandry 'lay fotoana Mivavabavaka eo andoham- parafara e! --- Miady aina samirery ambava-haona
Fa ny olona manohy ny fiainany iny e!...Anaty "bus" handeha hampiaraka @ tiany e! --- "Spectacle" any Antsahamanitra any Fa elah veloma handao ny tany! Ouh!ouh!ouh! …..elah veloma handao ny tany
Ialahy tia hira be io ve dia tsy mahalala fa Hiran'ny Ainga io, ... tsy hiran'i Boney M tao Antsonjombe izany io...
rehefa mba leo politika dia lasa mba nihaino hirahira, fa dia tena voafitaka ao tamin'ity indray mitoraka ity fa dia dia tena tafajabaka...nanontany ilay mpitondra fiara hoe afaka mihaino hirahira ve ramose fa mbola lavitra ny lalana?---ie izany izao no tsara hoa, tahak'izay koa aho nitondra avy any an-trano, adinoko koa iny---misy ao ka, hoy ilay mpitondra...inona no tianao Sareraka sa Onja?---(mpihira hafa mihitsy no nandrasako - boooh...)---fa angah tsy misy hafa? hoy aho nanatsafa --- an an an, ireo izao no mba lamaody---lamaody taiza koa? hoy aho gaga be---nga tsy fantarao Sarerak'e? tsy fantatrao koa angaha i Onja Tinondia?...sady nalefan'ilay hira.
Vaovao azo farany : Mahatratra 90% ny Malagasy tsy nandia sekoly sy zara raha nianatra Afenina @ fampividina kitapo, kravaty, akanjo izao ny fahantrana. Tsy alehany ny mpandraharaha sy ny manampahaizana Malagasy ailika gadraina atao sesitany. 100 miliara raha anton'aina kajy tsotsotra fa samy mahantra 6000 fmg isan'olona hojain'ny zafy azo letra, rehefa tsy ampy ny vokatra sy hetra. Miasa miaraka tokoa izao ny mpitondra sy ny vazaha - Offre d'emploi avy @ sareraka : " Mitady fonctionnairen'ny bretton wood tsy misy rà gasy hitantana miaraka ny fanjakana Malagasy"
Nozarainy foko maromaro Hanarina ny hery madagasikara Manampahaizana avo lenta anglisy hiady à tsolotra Raràna ny sinoa za-draharaha hanafatra PPN, Sud africain bokonozatra avo be mitondra motard garde corps solon'ny officier rehetra navoakan'ny akmil Frantsay hitaky vidin-jiro sy rano Morisianina hitrandraka fary sy siramamy Ny Kolombianina handray an-tànana ny tsenan-drongony. Associés vazaha manambola matahotra fanjakana sy fitsarana Hanamboatra tatezana sy hanampina lavadavaka Conseiller senegalais hitora-bonikazo fa tsy tirailleur hamoha razana Mila hongrois sy bulgare hanabe voho ny isam Chief of staff isaky ny Region fivondronana commune CIS GCC isam-pokontany Mila force one vitsivitsy ho an'ny havana sy ny akama mahatoky Mitady jeune patriote havanana sy sahy @ hazalambo, fandarohana mipitokona sy mpanohitra ary fandoroana dahalo.
Mila mpitsara tsy ao anatin'ny SMM havanana @ fitsarana vilana sy fanamarinana diso
Adraidraidrai …… (3 fois ) Mba miareta kely fotsiny ee OOO ooooo Gasy koa tsy azo sangisangina Radio n'ambohitsitononina antoko fahaefatra = Dia voatery hiverina hiresaka aminareo indray izany zao Sareraka.
MEDITATION
{Posy fa i Rasoa ve no mamoy fo inona ny miseho o beni oui oui…} Avy manaiky be fahatany 100 taona dia minomino fotsiny ihany 02 taona - Ary manantena vary masaka hamidy amin'ny boatina madco
Hiaka sy baikom-pitolomana noforomporonin'ny mpilalao politika dia nahavoafitaka antsika.
"Eto miakatra e miasa miaraka vahoaka paraka, vahoaka raraka" - Dominy tapany dia mandoa erany e
Nozaraina 4x4 sy VolsWagen tsy fantam-piavina ny depiote sy ny Officiers Lasa DeSylla Marc fa tsy Deputé intsony ny eny Tsimbazaza Nikivorivory hotran'ny olona 02 teny @ 13 mai no nampigadra an'i Victor Huong Raha izao no mitohy dia ho lasa mpanjaka ny Filoha. Miovaova eny am-panindinana ny andininy ao @ lalam-panorenana - Jeren'ny HCC hotran'ny tany nahalavoana - Aza gaga raha grands electeurs no hifidy Filoham-pirenena
Rainizavona ny amare proof sy Helico hiadivana @ dahalo - 3P Promotion sy paty ho hanin 'i Presidentielle angamba
Kely sisa dia ho resin'y Groupe TIKO ny Groupe MacDonald - 3P Paiso Paoma Poara ny vahoaka malagasy
Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo hoy i Kristy, saingy voatsodranon'ny FFKM ka mandà fihavanana angamba ny TIM - Ka mody mivavaka alohan'ny Fivoriana fa mandà amnistie - Mihiboka @ maizina na misy diavolana ô Mon Ami
Azo atao tokoa ny Karama farany ambany 1 350 000 fmg, Raha ts'isy detaxation ho an'ny orin'asa toa an'i TIKO hatramin'izay; Lavin'ny kardinaly Marolahy ny fampiasana bonnet plastika, hadinon'ny Filoha ny nandà an'i satàna satria be herehana izy.
Ref: Herinandron'izao tontolo izao Aleo idray zao halambahoaka toy izay halan'andriana Maty tsy voatsara ny colonel Botomora iray vohi drazana @ Premier minisitra Sylla. Resin'I Sylla Williams I Dally Randiantefy Mivorivory eny Iavoloha sy Ambohitsorohitra ny zafim-paladian'andriana Zara raha manangana fanjakan'andraina ts'isy andevo angamba ry zareo Tehirizin'ny mpinompino foana ny biletan'ny TIM sao mba hiova 50 000
Maty tsy natao autopsie ny praministra Ravony. Vony mavotany no kitay nandorana azy - May miaraka aminy ilay cause côtière Izaho ravalo indray izao no malaza Tsipoy amalona akanga Tsy misy azo atolotra afa tsy voandraketa sokatra ka very hevitra ny RAR kaleta. Lany fanahy zokibe tsizaraina ka tsy misy afatsy ananambo soanambo …… Ny depiote Jao Jean fa tsy mahazo mihoa bonga ny toaka gasi'ni soafia Mitokona 03 andro ny vahoaka Nigeriana dia naidin'ny fitondrana ny vidin'ny solika MEDITATION
Rakotra diplaoma tsy fahita eran-tany ramose. (hahahahaha) Sahirana ny teknisiana sy ny SECES misy mpitompo teny fantatra - Misy mpitondra liam-pahefana misalovana ny asan'ny sasany - Raha izao ny mitohy dia hisy ny ho Filohan'ny Filoha Resy lalandava toa an'i Scorpion ny tantsaha Malagasy. Novonoin'ny arabo mahery fihetsika toy ny kisoa Nicolas berthe Efa miroso mivarotra tanindrazana izao ny depiote - Samy miandry ny higadonan'ny mpivarotr' olona isika mianakavy. Tsy mba maty toa ny fahiny teny amin'ny malacam ,ravolomaso fa maty tao @ staden'ambohitsorohitra - Maty noho ny fisalasalana izany ravolomaso ka dia afaka noho ny fisalasalana Ranjokibe. Tsy misy arakaraka toy ny mpandrava fihetsiketsehana eo anatrehan'ny emmonat ireo namono azy. Novetavetain'ny miaramila anglisy sy amerikana ireo babo an'ady irakianina. Nandresy tamin'ny Urne I Rolly Mercia fa resy kosa teny ambony helicoptèra.
Efa sahy mamono mahafaty olona izao ny depioten'ny TIM i Mahafaritra sy Rakotoasimbola
Milefasa ro Zakahely sao tratry ny élimination physique fa tsy assasinat politique toy ny mahazo ny Depiote Hajan'ikalamavony.
Na dondrona na mpanavakavaka ny tsy mahay mampitovy nyDecagona sy Alma Nodimandry i Ronald Reagan saingy tonga ny namany Gorbatchev - Niravona hatrany am-pasana ny adimangantsika fahiny
Vita izao ny am-pahandalan'ny Praograman'i Didier Ratsiraka fa ny frais handehanana aminy no tsy misy.
Réf:
Sao mba haingana sy maharitra ny fivadiham-pitokisan'ny Prezidà Ny manamanana ity mihamantra izay kely anananao hesorina aminao Mahery raha hametraka olona iray @ sezany ny Malagasy - Mifampitora-bato anefa izy raha mba hitaky hampanana ny tsy manana Espece d'Hitler Mussolini, espèce d'idiot,de voyou Dia hoe sambory basy izay manelingelina ahy ety,Tifiro basy izay miseho ho mokon-doha - Atero aty ny renseignement - tsy DGIDE intsony no miandry an'ialahy fa ny CIS Espèce d'Hitler Pinochet Bokassa Tsy matahotra mpanohitra ny aty rangah! ………………………………. Tokony hatao confort @izay ny fonja - Alterance democratique aza hitako aza hitako
Tsy maintsy handresy ihany ny ady @ mahantra - Dia hozaraina 4L sy Frigidaire …… Ghana Rwanda Botswana Ouganda Liberia
Fahamasinana Fahamarinana - Izay vendra-poana ihany sisa azo ampanginina Burundi zambie algerie lybie tanzanie Fadin-drazana ny lahy gasy ny maty an-kazo tokana Nigeria Cameroun Angola Côte d'ivoire Kenya Tsy mihoa-bonga ny sokina nanani-bato Elfreh Niger Soudan Mali Lesotho Mozambique Izay mpihinin-drà mikisakisaha mab tsy ho azon-draha Comore Tunisie Seychelle Maurice Izay tsy may raha mialà
Le fou du village n'est-il pas aussi un sage? Méditation Ny fou du village ho'aho mba sage - A ry havako e meditation baba aa - Meditation niniko e! Méditation méditation ... Fou du village = sage ... Méditation méditation
MAHALEO, efa ela no maha-Mahaleo an'i Mahaleo fa izao vao tena tsapa fa tsy ry zareo no MAHALEO, ka dia aleo manao fihetsika OLP tsotra izao
...Samy manao izay mahafalifaly ny fony ...
MAHALEO ny miaka-midina toa lelon-jaza...
MAHALEO ny zaza be tomany amin'ny tsisy dikany...
MAHALEO ny vato be angeren'ny vorona...
MAHALEO ny moka tsy hahitan-tory...
MAHALEO ny tolona tsy omby tratra...
MAHALEO ny basy vava sy be taim-bava…
MAHALEO ny tsy miady tsy miady nefa ny kibay ankelika ihany…
MAHALEO ny madinika voatorotoro nefa ny fanoto sy laona no miady…
Izay te-hiditra OLP dia raisina an-tanan-droa...
OLP : olona LEO pôlitika...
Ka rehefa MAHALEO ihany dia ity no ny MAHALEO e:
Olona samihafa loko, samihafa firazànana Tsy tia mitsitokotoko fa mifandray tànana…Samy faly sy mahatsapa fa ratsy ny mizarazara, Ka aleo iray lapa mitovy zo mitovy anjara.
Ireo tanana izay mifandray toa sarotra sarahana - Toa miloko rano iray tsy hita ho havahana …Toy ny ankizy miara milalao, toa lavitry ny olana - Jereo ireto izy malaina hifandao manao faribolana…Dia mihodina tsy misy fiafarany miodidina fitiavana - Fa tsara sy mamy aok’izany izany hoe mifampihavana …
Valala an-karona miady … fanao rehefa te-hanakana ny hafa tsy hiakatra…
Valalan’alika ka na dia ny tompon’ny aza tsy tia…noho nahatonga ny teny hoe “gasy ka manja”…fototry ny fampivoarana ny toe-karena io teny io…
mazava ho azy fa rehefa foana ny valala tsy misy itsony ireo rehetra ireo...
LAMBO:
Io biby io HONO no lasa fototry ny fialambolin’ny tia fialam-boly hafahafa, fihazana (chasse) : Haza-lambo, no fiantso azy, mifandimbidimby ho lambo eo … mazava ho azy fa rehefa foana ny lambo, tsy misy hanao haza lambo itsony...
HAO:
Miarakaraka amin’ny Lambo ihany io…SAVA HAO…mazava ho azy fa rehefa foana ny HAO tsy misy hanao sava hao itsony...
LALITRA:
Io biby io HONO no tena manome asa be tsy mampidi-bola indrindra, raha tsy misy azy angamba dia izay vao tena tsy an’asa daholo ny ankabeazan’ny olona…ilay asa moa dia mitango-lalitra…mazava ho azy fa rehefa foana ny lalitra dia tsy hisy hitango lalitra itsony...
MOKA:
Vono moka isaky ny tsitaitaika … mampitehatehaka amin’ny andro alina, tena nihoson-drà mihitsy ny tanana rehefa avy mikapoka…mazava ho azy fa rehefa foana ny moka dia tsy hisy vono-moka itsony aty afrika...
MAMBA:
Io biby io HONO no mihinana raha vao mandehandeha irery … Mitabe tsy lanin’ny Mamba…ka ho foanana sa tsy ho foanana ny Mamba? ... ny olana mantsy ilay ampihi-mamba...
OMBY:
Be loatra ny olona nianatra ny fomban’izy io…MIJERY FLORA…ary atao A GOSY TIKY ... dia manaraka...ka ho foanana sa tsy ho foanana ny omby?... ny olana mantsy dia io no sary famantarana ny firenena...
"Tena aza mba miady amin'ny mpandoa-bary izany mihitsy"hoy ilay zoky ray aman-dreny be resaka izay... dia tena nihatra tamin'ny tena ilay izy...
Eo moa ny hoe "ny hevitra no ampiadiana...fa tsy ny olona", dia mba nampiharin'ny tena izy io...indrisy mantsy noheverin'i Sefo fa izy mihitsy no niadiana...
nefa anie dia hevitra no nampiadiana e...Nasehony amin'izay ary re-olona fa izy no mbola mpandoa-bary...
Isak'izay mba manolotra vilia ianao amin'ilay fotoana fandaoaram-bary iny...
dia andraso aloha fa ny anao no farany hoy izy...lany ihany ny vary ka dia iray sotro kely sisa no mba anjaran'ny tena...snif......snif...raha be be ny vary ambiny amin'ny farany dia mody ataony izay hahavery azy...misanaka indray ny tena...handroaka ilay very amin'ny tany toa tsy mety...
Aza mba miady amin'ny Mpandoa-bary ihany hoa...
Dia tena hita izao fa dia tetika tsotra dia tsotra no fampiasan'i Sefo, rehefa hiady amin'ny tena ankolaka izy : mampanantena...dia mampitahotra...dia mampiady...
nampitahotra indray izy hoe sao dia hiadian'ny mpihinam-bary sasany eo, raha ny tena no omena vary aloha ... raha tezitra mantsy ireo hafa ireo dia mety hamaky vilany... dia nanaiky tokoa koa natahotra tsinona ka...
nampiady amin'izay izy tamin'ny fiafaran'ny fandoaram-bary fa noho i Anona na i Anona no nahatonga ny vary tsy ampy ka tsy nahazoan'ny tena itsony...dia te-hiady tokoa satria toa tsy nety tokoa ny nataon-dry zalahy...
...ssh...tokony hiasa tena amin'izay angamba, fa tsy ho mpiasan'olona lava izao...amin'izay izaho indray no mpandoa-bary...
Tena lasa angano be ity tantara ity, ka dia averina eto, fa toa mitombina ilay angano...ilay ngahibe mpitantara moa nihomehy fotsiny...nony niverenako tany nanontaniana hoe fa iza ilay dokotera e? fa iza ilay infirmera?tena nisy ve io tantara io?...tsy mety mamaly izy... Finoanaranoray 01/02/09 ...
Ao amin’ity toeram-pitsaboana iray dia tena manjaka ny Demokrasia sy ny mangarahara
…dokotera 1 sy infirmera 4 ary marary 1, moa no ao anatin’ilay fiasana kely
…nihombo ny aretin’ilay marary…
Amin’ny anaran’ny fanehoan-kevitra malalaka dia hoy ilay dokotera hoe:“tokony ho tsindromina “tromadin298” ilay marary…”
satria moa malalaka ny fanehoan-kevitra dia naneho ny heviny koa ny 1 tamin’ireo infirmera nanao hoe:“tokony parasipamole fotsiny no omena ilay marary, fa tsy tsindromina izany…”
nitarika ny infirmera ambiny hilahatra izy ka dia nahavory infirmera maro (2 – 3 miaraka aminy)…
Ary satria moa demokraty hatrany amin-tsinay maintiny ra Doko dia natao ary ny fivoriam-be hanapahana hevitra,
ary satria moa mandala ny mangarahara dia nantsoina mihitsy ny vavolombelona maromaro hanatrika,
samy naneho ny heviny raDoko sy ilay Infirmera, ny ambiny tsy nana-kevitra fa dia nitongilan-tsofina nihaino ny fampielezan-kevitra…
amin’ny maha demokraty dia tapaka ny hevitra ny farany fa atao ny tsangan-tanana, nivadika ho latsabato miafina izany ka ny fidiana dia na I tromadin298 na I parasipamole…teo imason’ny mpanara-maso daholo izany, amin’ny anaran’ny mangarahara…
…loza nisy nahita izy teo ampikarakarana ny tsindrona, ka dia nisy nitati-bolana tamin’ny mpanara-maso fa mitady tsy hanaja ny demokrasia sy ny hevitry ny maro…ka indrisy mantsy tsy maintsy nilefitra I radoko
Mampalahelo ... Maha ontsa...Fa dia manomboka ny FISAMBORANA...maromaro ihany izay efa voasambotra izay...
Misy ireo mahay miala bala ka raha vao miala any sy hitany lavidavitra ny mpisambotra, dia mitsaoka miafina izy...misy moa ny basy vava amin'ireo samborina ka dia tsy azo akisina sy tsy azo kitihana mihitsy...
Indrisy mantsy...fa dia tsy ho tafavoaka eto ny statistikan'ny VOASAMBOTRA, satria dia mianga amin'ny majinika indrindra izany ka hatrany amin'ny tsy misy majinika...
Ka dia miantso ny andrimasom-paosin'olona mba samy handray andraikitra...mba samy hiaro ny azy...mba samy hitsinjo ny vody andro merika...
Atorotoro ihany ny mety ho fomba fitenin'ireo Mpisambotra rehefa hisambotra izy ireo:
"Sao dia mba misy 25 000 any amin'ialahy dia soloiko rehefa tonga ny karama fa tena krizy be ity...ao moa lesy fa tena tsy mihinana ny ankizy a...ny karama ity tsy mety mivaoka (na hoe ny trano niasako ity may) ...ataovy 10 000 ary e..."
Ka dia antsoina isika vahoaka rehetra mba samy hiaro ny boatindrakiny fa mitady hisy hamaky izany...
“Niresaka hono I Anona sy Anona, dia nilaza I Anona fa ohatrany efa mihamilatsaka ny fitiavan’ny mpijery azy ary toa ohatran’ny tsy hain’ny ekipany ny mampiakatra azy…
izao ary no atao: midira inagahy manao baolina … dia tsy maintsy hitongilana nay amin’ingahy ny mpijery…eo aloha dia efa haparitaka hoe I Anona no mpanazatra ao mabdik’ingahy…
mandritra ny fanokafan-dalao aloha dia mody ho korontanina ingahy, mba tsy hahafantaran’ny olona ny tetika ataontsika, indrindra fa ny ekipa…
tsy maintsy haharesy ingahy amin’ny fiodinana voalohany satria efa ambany dia ambany ny fitiavan’ny mpijery ny ekipako…
Rehefa amin’ny lalao ny fiodinana faharoa indray ingahy dia mody hokorontanina, asina fingafingana kely…dia izao atao izay hibahanan-drangahy, tsy hamono baolina …
dia tarito amin’izay ny mpijery…eto mirotsaka ankianja…tsy maintsy hisy zavatra hitranga eo…atao izay hamakian’ny mpijery ny baolina…atao izay hanesorany ny tsatokazo….
hiraviravi-tanana ny ekipako, ary hiafina any anaty vestiaire mandritra ny fotoana vitsivitsy…
Haparitaka hoe I anona no mpanazatra ao ambadik’ingahy…dia hirotsaka indray aho amin’ny maha kapitenin’ny ekipa ahy, ary hilaza ampahabemaso aho fa ho esorina ny karatra filalaovan’ I Anona (izay tsy maintsy hisosoka hiaraka hilalao amin’ingahy) dia lazaina hoe izy no tena nitarika ny mpijery anao izao…
ary koa hoe ho amboariko indray ny Kianja simba teo… Dia ho avy indray aho hitondra famonjena, dia ho mamim-bahoaka indray …
dia halamina ny raharaha…dia avy eo Isika mifandray tanana…
Ingahy miverina madio eo imason’ny olona, satria ho porofoana fa tsy mpanazatran’ingahy izany I anonaizaho lasa mamin’ny mpijery indray…”
Mifanohitra tanteraka amin’io ny hevitra naposany faharoa…io ilay hevitra mitovy amin’ny hevitry ny mpijery sasany…ka dia tsy ho tanteriko itsony…
Avy eo nivadika Germain Tiko ny resaka, mahay baolina ingahy io an…Tiko Messina, laharana faha 11 ny mpilalao Juniors an'i cameroun...tsy haiko rangahy izay famakiana io anaran'io amin'ny teny gasy?...
Milamina Ry mpijery fa aleo ny mpilalao no hilalalao...Tadidio fa nandoa vidim-pidirana ianao vao afaka nijery teo...ho hakaton'ny FIFA indray anie io e...tsy hijery baolina firy taona eo indray sady handoa lamandy...ka sao matimaty foana e...fa sao dia sady lany vola no mbola hitondra faisana mody...Mandehana mody dia manaraha baolina amin'ny Fahitalavitra...
ny hotelin'ny taona 2009, ireto sary ireto dia nalaina atmin'ny sary vinavina napetraky ny hanao azy mba hahitan'ny vahoaka ny ho zava-bita goavana amin'ity taona 2009 - samy hotely izy ireto, ny voalohany Hôtel de Ville ary ny faharoa Hôtel 5 étoiles...
Ankehitriny dia mifamalimaly ny tompon-kevitra amin'ny fanantontosana azy ireo...ny asa fanantontosana ny iray dia efa lavitra be, ny iray kosa anefa toa mbola vao manomboka fototra (zava-misy janoary 2009)...
Ny iray eo afovoan'ny analakely ary ny iray eny Ivato...
Mba samy hamitombo ny fari-piainantsika anie izy ireo rehefa vita
Ny rova iry managasanga ery amin'ny sisiny ankavia iry...ranon'ambohibao ny aty amin' ny sisiny ankavanana , Tendrombohitra Ambohimanarina ve (?) io afovoany io, ny eo ambaniny mikisaka kely miankavanana dia ny Ambatobe Lycée Français (miloko briky) , trano villa naorin'ny sinoa (raha tsy diso aho) ilay midorehitra mitafo mena ery ankavia ambanin'ny rova
dia tranoben'Antananarivo, tazana mirongaronga sy mijenitra tsara iry lavitra iry i "5 ETOILES", eny Ivato io izany, ilay tany fotsifotsy eo ambanin'io no toerana misy ny galaxie eny andraharo...teny amin'ny fokontanin'i Ambohimiangara Andohalo aho no nitsangatsangana...ny hazo maintso tazana eo ambany dia ny hazo maintson'ambohijatovo...ny tafon'ny pavillon ireo tafo tanimanga io...
tranoben'antananarivo hoa ka izay vita aloha no manenina, nitodika kely aho dia talanjona toy izao,...nalebiazina kely ny sary ahitana ny trano eo afovoany...building Ramaroson io miloko mavo sy volon-davenona io...midina kely dia misy tafo menamena volontany mena: ny EPP Soarano io...dia mikasaka mianakavanana ny firaisana voalohany sy ny IHS, avy eo ny Lycéé JJ rabearivelo, pharmacie Ratovondriaka taloha...Ilay misy soratra CA no BNI Cl taloha, mikasaka miankavanana ny toerana malalaka misy ny trano fivoahana anaty tany...misy tsangambato ny SIDA eo afovoan'ny eo, pavillons amin'izay...ny fiangonana analakely io mavomavo mijaridina be eo akaikin'ny CA io... nivanaka sy nisanaka, ela aho tsy tety an...
ny sary eto ambany indray, faravohitra no tazana raha nahodiko kely ny lohako...ny antenne-ny radio fahazavana io manangasanga io, ary ny trano fonenan'i Filoha no eo ambaniny...ny sisan'izay tsy azoko hono...ny ala, alan'ambohijatovo...
dia nihodina miankavanana ihany...maintso tazanin-davitra...sary eto ambany izany, ao aorian'io hazo eo afovoany io ny nitifiran'i sasany an'i filoha Ratsimandrava...ary Panorama angamba iry efajoro fotsifotsy ery lavitra ery...ny sisan'izay tsy haiko aloha fa izaho vahiny...
dia lasa nitsangatsangana teny antampony hafa indray
ho atsofoko tsimoramora eto ihany ny sary...fa ela fahatongavana ny rian'ny aterin'eto-ko
Aiza ary nankaiza na iza i Hagamainty...Hagamainty mpanolo-kevitra alohan'ny hanapahana hevitra...sahy milaza hoe "tsy mety ny io hevitrao io ry filoha(m-pokontany), satria izao no tsy mampety azy...ary izao no mety satria izao no mampety azy..."---fa tsy beniouioui be fotsiny ka raha tsy kenda vao domy aho ranaotra vao mamono afo...
Izao mantsy no olana, matetika ireo MPANOLOTSAINA tsy mandinika tsara koa fa dia manaraka ambokony fotsiny ohatran'ny kofehy manara-panjaitra...matahotra ny ho tapa-kapoaka...
Sa kosa ilay "Toriana hevitra" no mety masiaka sy mihevi-tena ho mahay be loatra (mafy loha) ka manjary mampody mitsiky foana sy ahaizana ny hoe:
"izany mihitsy tompoko" sy ny
"tena mety izany ka..."
raha vao miresaka aminy...ianaro i hagamainty fa hainy ny mampiresaka olona be di doha...
Aiza ary i Hagamainty...
Iza no Hagamaintin'ny filoha? Iza no Hagamaintin'i Ben'ny tanana?
TSy Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity. Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.
Inona no mahasakana ny mpanao politika tsy hiresaka?...samy mpanao politika daholo moa fa ny tena matihanina no tiana resahana...
Rehefa tsy mety hifanatri-maso manodidina ny latabatra dia tokony hanokatra sehatra hanehoana hevitra...fa tsy rehefa misy fanapahan-kevitra efa tapaka, vao misokatra ny ady hevitra...Dia maninona izao raha mifanatrika?...fa dia ny haino aman-jery no ifandimbiasana andrasana hampita hevitra eo...rehefa mampita hevitra indray ireo haino aman-jery ka tsy manaraka ny hetaheta dia lazaina fa mitongilana...
Mba manandrama ianareo matihanina amin'io zavatra io mifampiresaka...dia hoe eny amin'ny antenimiera no sehatra anaovana izany...eny e fa na dia izany aza, mety tsy hahazo toerana eny ireo olona sasany izay manam-potoana betsaka handinihina ny ho avin'ny firenena, dia ny hevitry ny maro no mahataka-davitra...
tsy mahay milaza tsotra ... fa fanaratsiana no betsaka...eh tsy ny olona no haratsiana...fa tokony HEVITRA no ampiadiana...
Sao dia tsy mahalala an'i Hagamainty ianao...mpanolo-tsaina ny mpanjaka tamin'izany izy...
Saika tsy tratrany angaha aho no arahabainao hoe TRATRANY...
Eny eh fa dia tratrany soa aman-tsara aho...norovitiny soa aman-tsara ny paosiko sy izay mba paoketra keliko taty...TRATRANY tokoa aho...
Ka dia ireto misy fisaorana mitafotafo mety ho ataoko ...
Fa dia isaorana mitafotafo ny SINOA, namorona kilalao tsy dia lafo nefa tsy dia mateza, sitrany ahay mba nampihena ny vola nivaoka tamiko...tsy azoko nentina nivaoka firy mantsy ry zalahy boaykely tamin'ity fa be tomany kilalao lafo...mandreraka... soa fa "SinOA NY FIARAHANTSIKA" (hira malaza amin'ny dokam-barotra ankehitriny io) = mahazo toa mahazo tsara rehefa simba haingana tsy manenina...
Fa dia isaorana manokana ny fanjakana sasatsasany tsy nanapaka na nanidy ny Fahitalavitra sasany (afa-tsy ny VIVA) fa raha tsy izany dia tsy afaka andro mihitsy nandritra ity fety ity, fa raha TVM sy MBS fotsiny mety mahamonamonaina be ihany...simba mantsy ny lecteur DVD ko tamin'ity ary mbola tsy nahavidy aho...
Fa dia isaorana manokana i Jesoa Kristy nanaiky hiara-hipetrapetraka tamiko tato an-trano androany krismasy, tsy nanaiky aho aloha hoe ovainy divay ilay rano...ary tena tsy haiko na tany am-piangonana tany lery, adinoko ny nanontany azy fa be dia be mantsy ny olona lasa any...
Fa dia isaorana manokana koa ny Filoha manomboka tsy mi-kravaty firy tamin'ity taona ity...
Dia isaorana koa ny tarika Saotra sy dera amin'ilay Clip mampivanitika "avia ry mino"...fa dia lasa kilalao atoko amin'ny zanako tamin'ity krismasy ity ny fihetsikareo...he, he...
Dia misaotra ny ben'ny tanana Tana fa dia nahita film tsy nanadoavan-bola e...ary ianao mihitsy no mpilalao...asehoy amin'izay ilay saovaly taingenanao fa efa te hahita izahay...
Fa angaha lasa nisy masera ny protestanta, hoy ilay tsy mahalala…mahita ireto vehivavy miankanjo fotsy manjopiaka sy misaron-doha fotsy…hay mpandroaka devoly ireo, na mpiandry…
Misy fiantraikany amin’ilay devoly ve ilay mitrerona sy mibetroka iny rehefa mandroaka devoly?…”amin’ny anaran’i jesosy, miala ny fanahy ratsy rehetra”…
Na ny feo voalohany aza lasa beso ho azy teo…Ny totohondry mivokona, sy ohatran’ny hamely ireny mihitsy…na ilay baiboly no hahetsiketsika ohatran’ny hikapoka rivotra…
any amin’ny antoko sasany aza tena ohatran’ny hoe marenina ilay devoly dia mitabataba be mihitsy: “miala, miala, miala hoa…amin’ny anaran’i jesosy miala!”…(mandalova kely atsy ananona raha mba te hahita…)
Ohatran’ny hoe arakaraka ny hikiakiahina no mampitsaoka ilay devoly…(mitovy ve ny hoe miteny mafy sy mikiakiaka?)ekena fa tokony “toherina” ny devoly…fa na dia izany aza dia mahay sinema be isika e…misy fiantraikany be aty an-tsaina mihitsy ilay mikiakiaka…satria mahatsiaro ny fomba fandroahana alika…”allez”…na dia izay fotsiny aza dia mampamaivamaivana…
Tsy amin-kery na amim-patanjahana, fa amin’ny fanahiko, hoy Jehovah…Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina…ao anaty baiboly ireo teny ireo…
Izaho indray tsy handohalika eo anoloanao izany masera (dika ara-bakitenin’ny Ranabavy), fa mijoroa ato aorianako ianao raha hametra-tanana amiko mandritran’izaho mandohalika iny…Andriamanitra irery no andolihana…dia mba aza ahetsiketsika be moa ny lohako e…
Fa misy olona mahita fijery hafa mihitsy, toa devoly daholo izay hitany tsy dia mitovitovy amin'ny heveriny fa marina...ary ny loza dia tsy ilay devoly irery itsony no roahany fa dia voaroaka hatramin'ny ilay olona - hany ka asian'ny kakay sy hoditra ankondro avokoa ny lalan'ilay olona....
Ary satria moa efa nampianarina ny handrombaka diplaoma isika tato ho ato...dia mba atorotoro ihany itony diplaoma itony , sao mba tokony horombahana koa...
Mety hahaleo ny sarany ny vidiny...izy ity moa dia tamin'ity lohahevitra ity: aola'ko a ; no nahalalako azy ary dia hisaorana ny nanaposaka hevitra...
Ny mampalahelo ahy dia ilay ramatoa mieritreritra fa ny toy izao no mety ahavoavonjy azy tsy ho any amin'ny helo...INDRISY...
Iza amin'ireo sary be dia be ireo no tena izy e?...indraindray toa Mpihira Rock indraindray toa "années 70"...
Nahasahy nandrovitra ny sary mikasika an'io aho...dia ohatran'ny nampihoron-koditra ny sasany ny nahita ny nanaovako izany...
dia hoy aho hoe tsy misy izy ireo sary ireo...ka izay tonga eo rovitiko...fa ny ahy mbola tsy hitako ny tarehiny, any an-danitra aho mahalala azy...
Raha miainga amin'ny sary dia i Jesoa tsy Zezo... i Zezo somary bogosy kokoa raha sary (ilay sary vongana mihantona any amin'ny hazofijalian'ny fiangonana katolika no nalaiko ohatra)...ary i Jesoa tsy hita hoe aiza izay sariny...(tany amin'ny protestanta aho no nitady fa hazofijaliana-tsisy olona voafantsika -izay fotsiny no ao am-piangonan-dry zareo)...
- Moramora Dada a... - Nankaiza i Dada teo... - Mba jereo aloha io zavatra io ry Dada...
Tafara-dalana niaraka tamin'ny olona roa (lahy sy vavy) ...nifampiresaka tsara ho azy...ka dia tsy aritro ny mba nandrakitra kely io sombin-dresaka eo ambony io ... ny "présentation" moa adino, fa tonga dia nafana ny resaka, ny lalana lavitra rahateo...
Ilay vehivavy mbola mampite-hizaha, samy tsy misy peratra ny tanany...sombin-dresak'ilay vehivavy, amin'ilay lehilahy sy mikasika ilay lehilahy io voasoratro eo ambony io...
Ela ny ela...tsy teo kely ilay lehilahy..."iza moa no anaranao"hoy aho mantsy ilay vehivavy, "i Solange"hoy izy...
Niverina ary ity lehilahy...nitohy ny tafatafa...tafateny aho hoe "hitan'i Dadan'i Solange, izao sy izao no ..." - tsy tapitra akory ny teniko...dia nanapaka i Solange...: -"tsy dadako anie io fa vadiko e..."
Tankina aho...sady menatra fa diso...
Taty aoriana ao vao nandinika fa tsy i Solange mivady ihany no mifampiantso Dada sy Mama...fa mpivady be dia be...dia hoy aho tamin'ny vadiko, rehefa izy roa irery koa ve mbola Dada sy Mama ihany:"Moramora Dada..." ---"Ao moa Neny a..."... izany kosa ve tsy "inceste"...
aleo ny antsika mivady "malala" ihany sao dia mieritreritra ny Dadanao eo ianao rehefa tafaraka isika...
hahaha Saika somary manao an'io daholo rehefa mbola tapohany mananjanaka iny, eo imason'ny ankizy. Tsy de hoe incestueux fa manantitra fotsiny hihi Izay tsy te ho antitra manitsy ny ankilany, raha mbola be mokondoha dia averiko any @ reniny ;op
tsy hoe notampohany kosa e, fa manaraka ny ankizy satria rizareo koa indraindray manaraka ny fiantsonao olona dia mba tsy hialany @ ilay hoe dada sy neny dia mba lasa ho azy ny an'ny mpivady. Fa misy ankizy tsinona rehefa zatra mihaino ny rainy miantso ny reniny amin'ny anarany (na vice-versa) dia manjary lasa ho azy koa ny vavany miantso ny rainy hoe Zôzefa a, na hoe Solanza a ! (mba sendra ilay hiran'i LSNT fotsiny io fa tsy hoe iza akory :-P)
Rehefa mahare ilay zanaka miantso Papa sy Maman foana anie dia lasa ho azy koa ny anao e ! Fa hafa indray ilay angolan'olon-droa rehefa ary ka ! Toy izany ny iray tampo amiko ny iray antsoin'ny rehetra hoe Mama, ny iray voapetaka hoe Neny, ary ny zanako dia niantso ny andahiko hoe Dada ! mandeha zatra io fa ianareo no tsy ho azy e ;)
Izao izany ilay hoe mikitikitika na dia tsy mihetsika ary an ! Mila ampitomboana ilay px n'ilay fanoratana eo afovoany, #main angambany no anaran'izy io raha tsy diso aho fa ny #rap ity efa mety ! ary tena hoe BLAOn'i Finoanaranoray ve ilay izy sa tokony hoe BLAOGIn'i Finoananoray e ?
Ny tena zava-dehibe dia afrikana no nahazoana “ireo Metisy afrikana” malaza...
Raha tsy nisy Afrika dia ho sahiran’izao Tontolo izao…hitady sy hamorona Afrikana sy metisy afrikana…
SATRIA:
"Reservista" be ny Afrikana sy ny taranany - tamin'ireny ady lehibe ireny dia afrikana fotsiny no mameno ny ankabeazan'ny tafika vazaha...afrikana no nalefa andevo tany amerika hanampy amin'ny fampiroboroboana tamin'izany...afrikana no mameno ny ekipa amin'ny firenenan'ny fotsy sasany na hazakazaka io na baolina na hira...
"mateza jerena ny vavy afrikana" (PHOTOGENIQUE) ary "mateza roitina ny lehilahy afrikana"-tsy izy rehetra aloha e -manary vady mihitsy ny vazaha lahy (sy vavy) raha sendra ny afrikana mahay azy...asa mba azonao an-tsaina hoe inona no antony...ary amin'ny toerana izay misy ahy ankehitriny - dago avaratra - dia manary lamba mihitsy ny vehivavy -ny ankabeazany - raha vao kaontin'ny vazaha fa mitsaotsaoka raha izahay Afrikana lahy...asa mba azonao an-tsaina hoe inona no antony...)
nefa hatramin’izao aloha dia izy no mbola tsy nahazo “coupe du monde foot” (sokajy normaly) ary mbola tsy mety hatao “pape”…
Dia ny Honohon’ny Afrika:
Ny afrikana hono no tena tsy mpamaky boky feno soratra … fa mpijery sary kosa … mijery FLORA...
nihitatra amin’ny “internet” izany, ka ny tena ilainy ny internet dia fitadiavana vady vazaha, raha vehivavy izy…raha lehilahy kosa izy dia ny “téléchargement gratuit”…tsy dia voalaza mazava hoe inona ilay tena tiany “télécharger”-na…Ny “Maimaipoana” no teny tena tiany … hany ka raha misy “cocktail” dia aza gaga raha manisa 5 dia manjavona daholo ny tsakitsaky eo…
“tonton”…”tantine”…"papa"..."mama" ary "mon FRERE" no hiantsoin’ny afrikana anao rehefa te-hikaoka kely anao izy…ary “sefo” no iantsoin’ny anao rehefa tsy te ho kaofinao izy…(tena eran’ny Afrika io an…)
Hiadivana izy izao ary hatramin’izay, hiadian’ny Sinoa sy Amerikana ary ny Eropeana…Nahatonga ny Amerikana hametraka ny taranak’I Afrika ho mpitondra azy io ady io…mba hahazoana tsena bebe kokoa ao Afrika, hanapotehana ny tsena sinoa…
Ny mampalahelo ahy dia ohatrany adinon'i Afrika i Madagasikara...
Anisan'ny nanombohako nivavaka tsy nikipy angamba ny fisian'ny Saka tao an-trano...Saka matsilo saina ary mahay mangarom-bilia sy vilany...ny mpianakavy variana mikipy iny no mitsoriaka izy maka ny laoka eo ambony latabatra (sikidiman no anarany), efa any ambany farafara any an'efitra izy rehefa vita ny vavaka...
Dia avy eo indray, lasa tsy miseho mivavaka itsony aho alohan'ny sakafo, fa novitaiko amin'ny fomba tsotra dia tsotra...amin'ny hoe "misaotra Andriamanitr'o!"...matetika any an-tsaiko fotsiny io fa tonga dia lasa amin'ny angady sy ny harona (sotro sy vilia mantsy e!)...dia nanontany ny vadiko "fa dia ahoana loatra re?", hoy izy...
"izaho angaha sain-kanina hoa...ka rehefa misakafo ihany vao miseho aminareo hoe misaotra an'Andriamanitra...Andriamanitra irery no mahita ny ao am-poko (ao amin'ny mangingina), sy maheno izay vavaka ataoko mikasika ity sakafo ity...Raha tan'ty moa ka be sira tsy azo hohanina io laoka io, nefa efa nalefa aloha ny vavaka fisaorana, dia sintomina indray ve ilay vavaka?...Ary jesosy koa hoa niandrandra ny lanitra ka nisaotra alohan'ny sakafo... fa tsy nikipy...ny tsara angamba aleo VOKY tsara isika vao miaraka MISAOTRA an 'Andriamanitra..."
Fa ilay vavaka Toriteny no tena tsy laitra, indrindra raha alohan'ny sakafo...pasohana sy dokafana ery Andriamanitra (manaotra noho ny manompo sampy)...dia avy atoro azy izay tokony ataony (tahakan'ireny tsyTSITOHA ireny Izy)...dia avy eo raha misy olona tiana ho tifirina ankolaka dia tifirina ankolaka ao amin'ilay vavaka...ssssh...
Dia miverina amin'ity Ntaolo be vazivazy ity aho: "mivavaha ho'aho ianao"..."mivahavaha ho'aho ianao"...tsy hay itsony izay tiany ho tenenina...,
Dia averiko eto ilay andalana ao anatin'ny vavaka alohan'ny sakafo, fanao matetika:
"Tahio ny sakafonay...", io no fanoratra azy...fa ny fiteny azy dia mety ho hafa mihitsy raha tsy tononina tsara, raha adika "Firinga io no sakafonay" ...tsy misy miteny "h" izany...mananihany an'Andriamanitra
"dia samy ho tahian'Andriamanitra e"...matetika anefa adino ny miteny ny "h" sy "a" amin'ny "hia"...ka lasa nanontany tena hoe "inona an'andriamanitra a?" ...
Mbola ao ve io trano io amin'izao...efa ela koa aho no tsy tany...(sary nalaina jolay 2008)
Ny sary moa be tsy miteny izay ka ampitenenina: - norakofan'ny fifankatiavana amin'ny sinoa ilay Trano gasy aoriana (EPP Soarano) - mpivarotra sinoa mazava ho azy no tao taloha fa noravaina ny tao anatin'io trano io taty aoriana (nohavaozina angamba?) - ireo miankina amin'ny rindrina ireo ny gasy tsy miasa, mivarotra entam-barotra fa tsy hoe avy niantsena akory ka be entana...angamba hihazakazaka hitsaoka ry zareo rehefa kelikely fa ho henjehin'ny Polisin'ny Kaomina - tamin'ny andron'i Profesera ZAFY no nanombohan'ity fifankatiavana ity...
Ankehitriny dia efa 5 ETOILES izany FIFANKATIAVANA izany raha nanomboka tamin'ny Biriky toy izao...
Angaha moa misy ny loko mainty?...tsy misy n'inon'inona ny loko mainty..."vide"...
Tsy nisafidy ho fotsy ny olona fotsy, ary izaho koa tsy nisafidy ny ho mainty na ho teraka teto Madagasikara...dia midika ve izany fa tsy maintsy OBAMA no tohanako fa tsy ny heviny... (tohiny)
Mba gaga amin’ireto razako ireto aho…fa dia tena mpananihany sy mpananihany tokoa izy ireto…ary mpampiasa teny miolakolaka sy midika roa matetika, asa na fialam-bala izany na tena tetika fifandraisana tsotra izao… (tohiny)
Taiza tokoa moa no fetra farany nahatongavan’ny gasy tamin’ny baolina…hatramin’izay nahatsiarovako tena aloha dia ny BFV SG no hitako lasa lavitra… tipé, féfé, rado, fidy…tsy mitantatara ny zavatra tsy hitakoa aho, toy n,y saint michel - fortior - sotema… fa ny tamin’ny androko dia ry BFV Sg -BTM fc - ACT - COSFAP - VOROMAHERIN’ALAOTRA - SOLIMA - CIMELTA…
Ny olana dia toa tena mitovy tokoa ny fiangonanna samihafa … toa samy Kristy no Jeso…toa samy baiboly no vakiana… hany ka manjary tafatoetra ilay hoe “samy 1 ihany”…ao amin’ny antokompivavahana dia misy mpitondra, misy lohany, misy foibe…ny fiangonana sasany dia manerantany mihitsy (ny katolika ohatra dia any Roma no foibeny, ary ny Papa no lohany - ny FJKM ohatra dia ao analakely ny foibeny ary ny Filohan’ny FJKM no lohany,…) (tohiny)
Tena mahery fo tokoa ve ny mpanoratra J.J. Rabearivelo?
Ekena fa tsy azo ferana ny olombelona iray amin’ny fanapaha-kevitra amin’ny fiainany - raha manapa-kevitra izy fa hamono tena dia tena zony tokoa izany - fa na dia izany aza dia somary lasa ny saiko, raha nahatsiaro ny tantaran’ity lehilahy ity, tsy dia ny tantarany fony fahavelony no nahalasa saina ahy fa ny tao aorian’ny nahafatesany… misy sekoly lehibe iray nampitondraina ny anarany nanomboka ny Mai 1960 “lycée JJ Rabearivelo”… (tohiny)
Eo moa ny filazan’izay mpandinika 01 izay, mikasika ny ankanjon’ny gasy…
Rehefa Sabotsy sy Alahady hoy izy , na @ andro tsy fiasana dia izao no ahafantarana ny sokajin-karenan’ny olona (tsy dia mitombona 100% izy ity), ny manankarena manao ankanjo « jogging » miaraka @ kiraro « tennis » na di tsy hanao fanatanjaha-tena aza izy, ny antononontonony kosa dia mitovitovy @ izay ihany fa tsy dia tena ilay « marque » malaza… fa rehefa alahady hoy izy dia eo no manararaotra manao ankanjo mihaja ny madinika … noho ny maha madinika azy anefa dia matetika mampihomehy ny ankanjo mihajany…tsy mifanaraka ny loko… malalaka be ilay ankanjo…mihantona be ny pataloha…(ary mitondra baiboly sy fihirana)… dia mandeha tongotra… na taxi be…ary mifanjohy maromaro… (tohiny)
AHOLAAKO A...ambetin-teny malaza avadika io teny io...ny fivadihany moa dia heno andavan'andro...fa ny vakiny mivadika dia milaza hoe "aolako a!"...teny ampanasana bodofotsy izany no fiteny matetika fa ankehitriny lasa fanaon'ny OLONA kilasian'ny fiaraha-monina ho BIBY...
mampatsiahy ilay hira hoe "ao anatiko ao anefa misy biby lava...biby lava tena lava...biby lava ngoza be...tsy ho voky e!..." , asa na inona no bibilavan'i Lôlô...sa dia misy ifandraisany amin'io koa ilay hira hoe "...bibilava...sinambotr'ankizy...tsy tanana handrangotra tsy tongotra hitsipika..."
"Tazomy ny maha virijiny anao" hoy ny Doka ...dia hoy ilay voatavo mitady hifandraka nananihany "Tazomina amin'ny tanana havia sa amin'ny tanana havanana...?"..."aza dia avoboka fotsiny e!..." hoy ny vosibositra.
mahita sampona mihitsy ...
dia tsy vao maika ve mampilendalenda (ho an'ireo izay efa zatra) ny mahita ito zaza mitafy lamba toa azo isarombahana avy hatrany... amin'ny DOKA manohitra ny "fizahantany mamoafady" (dikanteny ofisialy)?
sssh..."AOKA ALOHA"...eh...Andriamanitra ao an-tampon'ny loha...
Ho sahirana aho anaka hampianatra anao ny eritreretiko fa tokony ho atao...mety tsy ahovoka aho manoloana an'izao tontolo izao...mijery "clip" ianao toa mandefa hafatra ambadika ry zareo, manaitra filana...mijery "film" ianao toa misy miserana eny ihany ireo manosika filana...ny namanao any am-pianarana toa manesika andrankandrana...
...Mitodika ho azy amin'andriamanitr'e!...tsy misy horombahana...
PS: AHOLAAKO A...dia vadi-tenin'ny AOKA ALOHA, fonjan-teny ampiasain'ny fanentanan'ny ANKOAY amin'ny ady atao amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra sy an-tery...
Maninona loatra re no tsy zava-dehibe amin'ny gasy ny fahadiovana...raha nitsidika distrikta iray aho dia nahita ny loto niparitaka etsy sy eroa...rehefa atao ny statistika amin'ny tomba-maso dia ny "sachet platique" no betsaka mameno ny fako miparitaka amin'ny tanana, mikopakopaka miarahaba anao eny amin'ny faritra maromaro dia avy eo ny poti-taratasy...nefa kosa ny lalabe dia azo lazaina madiodio ihany...fa raha vao mitsofoka any amin'ny elakelan-trano dia mitobaka ny loto...
Tsapa fa ny tetika fanariandrano maloto no tsy ampy...ny lakan-drano mifanaraka amin'izany no mivotirika hany ka mahatonga ny fiangonan'ny rano maloto mifangaro fako...mba tamana lahy ny mponina amin'ireny toerana ireny...mety hihetsika ihany angamba ny fokontany amin'izy ireny atsy ho atsy ka hametraka sy hamerina ny dina toy ny taloha tany...
Mba mahagaga koa fa tsy ampy ny toeram-pivoahana sy fipipiazana ho an'ny sarababem-bahoaka, sahirana mihitsy raha vao poritra satria dia ohatran'ny tsy mahita hoe aiza no aleha...namonjy biraom-panjakana sasatsasany fa dia sadaikatra ihany mahita ny tooetoetran'ilay tao anatin'ny toeram-pivoahana...namonjy niangavy tamin'ireny Hotely fatoriana natao ho an'ny valala be mandry ireny fa dia manahirana koa ...mitsingitsingy ery miditra ilay fitoeram-pivoahana...
Mazava ho azy fa raha toerana misy fakofako kely mitangorongorona eny anjoron-trano na anjoron-dalana dia efa mantsina izay satria lasa fivoahana amin'ny fomba ofisialy...
raha sendra nanontany ny tranon'olona indray dia teo vao nahalala fa hay mifangaro ny toeram-pandroana sy ny toerana fipipiazana, antsoina hoe "ladossy", trano kely vita amin'ny fafana...mba ahoana hoy aho ny fandroana ato amin'izany fofona mantsina be sy amin'ity fanambany feno amany ity?...
Ilay izy ve noho ny fahantrana sa noho ny toe-tsaina? tsy haiko itsony... fa dia nisy fotoana aho poritra te-hivalandrano teny amin'ny kianja teny, tsy maintsy nisafidy hoe - na izaho vaky tatavia na izaho hivalandrano eto anjoron-dalana eto?...nisafidy ny tsy ho vaky tatavia aho tamin'izay...
Raha tany Antsirabe dia avy eo tany Miarinarivo no novinavianina hametrahana ny foto-drafitr'asa manara-penitra tamin'ny Nov 2007...Raha nisavorovoro ihany hoe mety ho votsitra ilay fanomezana ny fanampiana avy amin'ny olympafrica, noho ny fahataran'ny antontan-taratasin'Antsirabe (?) sy ny tsy fetezan'ny hametrahana ny foto-drafitr'asa any Miarinarivo (lavitra ny tanana ilay toerana?)...
dia raikitra HONO fa ao Antsirabe no hapetraka izany...300 000 000Ar miampy ny fandraisan'anjaran'ny mpahazo tombontsoa 60 000 000Ar...
Hanamboarana kianja fanaovam-baolina - fihazakazahana - toerana fanazaran-tena toa hahazo vahana manokana ny taranja "karaté"- ary "parc" filalaovan'ny ankizy...
i Bresil hono ny mampalaza azy eran-tany dia ny baolina...Maradona sy Tevez dia efa izay matetika no ahafantarana an'i Argentine...Zidane ireharehan'ny Algérie...Eto idedahan'ny Cameroun...Drogba manakona ny ady ao Côte d'ivoire...
111 toerana ho an'ny spaoro...maninona moa raha ny spaoron'olon-tokana na tsy maro no tena karakaraina?
ny Ethiopie ny hazakazaka, ary tsy mety mivadika "nationalité" mihitsy ry zalahy sy ry zavavy...dia nipoitra koa Jamaique...Nadal nampiseho indray an'i espagne...
tompondaka eran-tany amin'ny tsipi-kanety be - tompondaka eran-tany amin'ny hai ady - tompondaka eran-tany amin'ny ...
iza no mba manana ny lisitry ny gasy efa tompondaka eran-tany?, mba omeo aho ho tanataraiko amin'ny zanako...
ny famelabelaran-kevitra nataon-dry zareo Image Appli:
- 2.500.000Fmg ny totalim-bidin'ny fanasitranana...
- mankany amin'ny ivon-toeran-dry zareo any Tana mandritra ny fotoana ny fitsaboana, 2 volana eo no eo no fitsaboana dia tsy ahitana ilay aretina itsony ny tsaboina...
- ny fanafody dia amin'ny endrika TAMBAVY, ka tsy azo entina mivaoka ny toerana fitsaboana sao dia misy mangalatra ny mombamoba azy, ravin-kazo karazany 10 no mitambatra avadika ho vovoka afangaro amin'ny tantely...voasokajy ao @ "plantes médicinales" ilay fanafody...
Tena afaka atao fampitahana mihitsy ny Tarika Mahaleo sy Lôlô sy ny tariny ary ny gasy... ... ...
ny mahafinaritra ahy amin'ny tarika Mahaleo dia izy mahay miaraka ary koa samy afaka mandeha irery...namoaka raki-kira azy manokana i Dama, i Fafah,i Dadah, i Bekoto, ny an'i Raoul tsy haiko...nefa dia mbola tsy dia nahare firy aho hoe nisaraka hono Mahaleo... tsy mba tahaka ny Rebika izay efa niteraka zana-drebika maromaro...
ary tsy mba lasa "olon-tokana" tahakan'ny Rossy ry zareo, vao nanomboka i Rossy dia ny Tarika iray manontolo no atao hoe "Tarika Rossy", ny sarin'izy rehetra no teny @ afisy, taty aoriana dia i sarin'i Rossy irery sisa no hita amin'ny raki-kira...tahaka an'izany Tselatra, Kiaka, ...fa i "Mahaleo" dia izy rehetra foana no miara-mitsikitsiky eo amin'ny afisy eo
dia avy eo koa dia tsy mety leo azy mihitsy ny olona (tsy ny rehetra io an...), ny hirany taloha mantsy no tsy mankaleo ny olon'e!...aiza izao no misy raki-kiran-dRaberanto (mba omeo aho raha misy manana hadikako)...ny an'i Njila moa toa misy ihany...raki-kira Mahaleo tsy orizinaly izany manenika ny tany izany...toy izany koa ny Lôlô...
FA dia samy kamo manao raki-kira orizinaly ry zalahy...benny(?) sy charles(?) no mba nanetsiketsika kely taloha namokatra raki-kiran'i tarika...dia izao efa moa efa misy mpamokatra...izany hoe raha ry zalahy ireo no andrasana hiteny hoe fadio ny piraty dia nofy...
Fa i Lôlô, taminy hitako farany tamin'ny télé niresadresaka alohan'ny fampisehona dia lasa ohatran'ny vazaha miteny gasy, miteny gasy mibadabada ... dia avy eo misy hirany tsy hainy itsony ny tonony soa fa teo ny mpijery nihira...i Bebe nisafidy hijanona eto madagasikara, dia ireny ny fiainany (izay nijery anim'artist TVM)...mba mahaforona hira toy ireny taloha ireny itsony ve i Lôlô? - nisy "clip" hira vaovao izay nandeha tamin'ny fotoana nandalovany teto madagasikara fa tsy nalaza e ary tsy naeha itsony!(i Lôlô irery no mihira ao anaty clip)...eny e ny "clip"-ny "bandy sy rôla" koa aza tsy alefan'ny TVM mihitsy (clip ny lôlô sy ny tariny efa ela be)...
Iza moa no tsy mahalala ny revin'i bekoto sy Fafah? ...tsy ho resahana itsony?...
Dia nianjera i Dadah...
Dia gasy anie hoa ireo tarika 2 ireo, ny iray gasy mafy ady lasa any an-dafy dia miova be (mibadabada)...ny 1 gasy nisafidy hijanona eto an-toerana...mahay miaraka sy mahay misaraka... tsy mivaky loha be amin'ny fiainana fa dia omeo gitara sy seza dia lasa izao...samy tsy mieritreritra hihazakazaka hanohana ny "original"...tsy dia manana zava-baovao atolotra fa ny teo ihany nefa tsy mety leo...tsy manafin-talenta ary tsy manafina fahalemena (mianjera min'ny seza eo ampihirana)...samy nilaza hoe mafy ny mafy ady...samy tsy dia be môraly...
Samy milay sy samy tiako ry zalahy ireo , fa mbola masaka kokoa i LOLO fa tena mifono zavatra sy fiainana be ny tononkirany ary rehefa tena tafalatsaka ao anatin'ilay revy miainga iny ary vao tena milay be le revin'dry zalahy avy eny Ambohijatovo ireo .
Misy mahalala ve ny hiran'i Lôlô sy ny tariny hoe "kala Katosoa"
Mba te hahafantatra ny fiainan'ireny olona mikarama 160.000Ar ireny aho...
indrindra moa raha mandoa hofan-trano izy15.000Ar isam-bolana izy...raha mandoa jiro sy rano 10.000Ar isam-bolana...raha manefa saram-pianaran'ny zanany 10.000 isam-bolana mandritra ny 9 volana...raha mividy fanafody raha sendra marary...raha mandeha taxi-be rehefa handeha hiasa 200Ar isaky ny andro fiasana...raha mba mijery fampisehoana indray isan-telo volana amin'ny fidirana 3 000Ar...raha mampiditra fahana 2.000Ar isam-bolana...raha mividy vary sahabon'ny 3 kapoaka isan'andro, miaraka amin'ny laoka hihinanana azy...raha mividy savony hisasana sy hanasana lamba...menaka...sira...
Tsy dia hita itsony ry zareo amin'ny fivoriam-pianakaviana satria matetika dia "cotisation" sy "hividy ary hivarotra "billet"-na 20.000Ar " ho fidiram-bolan'ny taranak'i ... no resaka matetika ao...Manahirana azy ny mampiditra havana an-trano satria ny seza "salon"-ny dia fandriana...hany ka tsy mety mandray fivoriam-pianakaviana izy...
Raha misy fahoriana dia tsy mihaotran'ny 1.000Ar ny tsipaipaikany...
Raha misy fifaliana toy ny mariazy dia izy ilay mpitady fiaran-kavana mba ho taingenana "sao dia misy place any aminareo", na ilay mihazakazaka haingana mitady taxi-be rehefa avy ao am-piangonana sao dia tara laotra vao tonga any amin'ny toerana hisakafoana...
Fripy ny ankanjony, fripy ny kirarony...
Tsy mba afaka maka vakansy izy...
"Mianara tsara nareo fa izay ihany no lova avelako ho anareo..."hoy ry zareo mantsy ny zanany...
Aiza kosa e. Raha eny Ampasampito ohatra izy no mipetraka ka mamonjy mandeha miasa eny Anosy, dia vita tsara ny mandeha bisikileta eo isan'andro; tsy mila mandany vola @ taxi-be. Na fripy aza ny akanjony, dia mampitafy azy tsara izany. Na fripy aza ny kirarony, rehefa vitany ny manasa sy miborosy azy tsara, dia madio-kiraro toy ny olona rehetra izy. Raha any amin' ny CEG na lycée na université-mpanjakana no mianatra ny zanany, dia tsy mila mandoa écolage izy. Raha vakansy indray no lazaina, dia tsy voatery hoe mandeha manao voyage fandaniam-bola foana akory. Azony atao tsara ny mandefa ny zanany hanao asa tselika manao vendeur / vendeuse eny amin' ny grandes surfaces na eny amin' ny MacDo (na hafa koa) izy, ka amin' izay dia tsy mila manome argent de poche an' ireo intsony ny ray aman-dreny.
Nefa dia betsaka ny malagasy no mikarama an'io, na ambany akory aza.
lehilahitsiresy, finoanaranoray-> ny saran-dalany dia mihoatra ny 200Ar satria mandroso sy miverina. Ary mety tsy ho iray amin-dry zareo no mila mandeha "bus", fa roa ohatra. Izany hoe : 400Ar x 5andro/herinandro x 4herinandro/volana = 8.000Ar/volana. Momba ilay mitondra bisikileta ao Tanà koa mantsy tena dadany 'ko. Tery ny làlana, ary ny vovoka aoka fotsiny.
Ilay fijerena fampisehoana in-1 isam-telovolana ataoko fa tsy ho vitany intsony.
Rehefa faran'ny volana dia vary amin'anana no sakafo.
Tena tsy hita e.
Na izany aza anefa dia manana fanantenana ry zareo, tsy kivy fa mikaro-bahaolana hatrany, mitsiky.
Izany ka fahasoavan'Andriamanitra hoy aho any an-tsaiko. "Allah akhbar" hoy ny silamo. Lehibe Zanahary.
Aleo mahantra nefa manana fanantenana eo amin'ny fiainana toy izay manan-karena nefa te hamono tena.
Nefa dia betsaka ny malagasy no mikarama an'io, na ambany akory aza.
lehilahitsiresy, finoanaranoray-> ny saran-dalany dia mihoatra ny 200Ar satria mandroso sy miverina. Ary mety tsy ho iray amin-dry zareo no mila mandeha "bus", fa roa ohatra. Izany hoe : 400Ar x 5andro/herinandro x 4herinandro/volana = 8.000Ar/volana. Momba ilay mitondra bisikileta ao Tanà koa mantsy tena dadany 'ko. Tery ny làlana, ary ny vovoka aoka fotsiny.
Ilay fijerena fampisehoana in-1 isam-telovolana ataoko fa tsy ho vitany intsony.
Rehefa faran'ny volana dia vary amin'anana no sakafo.
Tena tsy hita e.
Na izany aza anefa dia manana fanantenana ry zareo, tsy kivy fa mikaro-bahaolana hatrany, mitsiky.
Izany ka fahasoavan'Andriamanitra hoy aho any an-tsaiko. "Allah akhbar" hoy ny silamo. Lehibe Zanahary.
Aleo mahantra nefa manana fanantenana eo amin'ny fiainana toy izay manan-karena nefa te hamono tena.
dia toa fohifohy daholo ny olona @ firenena manana foto-tsakafo vary …
dia anisany nanimba ny nifiko ny vary misy vato…
dia nihinanana vary aho nandritra ny 34 taona, izany hoe 70 gony teo ho eo ny vary laniko hatramin’izao…kely balitika izy izany…
dia hita koa fa be loatra ny asa natao tamin’io vary io vao tonga teo am-biliako:
miasa tany mamadika bainga / manosy / manetsa (raha hanao SRI sy SRA) / mamindra-ketsa avy eo / miava in-3 fara faharatsiny / mampiditra sy mandritra rano / miandry fody / jinjaina / kapohana eo amin’ny banja / kororoana eo amin’ny rivotra – atao anaty gony / totoana @ laona / ahofa @ sahafa / tsimponina ny vato sy akotry @ sahafa / sasana dia sivanina tsara / andrahoana dia arahi-maso (ora 1 latsaka…) / sy ny sisa (…lava-piringa no farany)
dia misy tahalaka ny tanimbarintsika , samy manana ny tompony, hany ka sarotra ny mampiasa ny fitaovana maventy toy ny “tracteur” eny an-tanimbary…
dia lafo sy miakatra hatrany ny vidim-bary hoy ny mpihinana-mpividy…
dia mora sy varo-boba ny vidim-bary hoy ny mpamokatra antsoina hoe Tantsaha…ary ny manelanelana sy manangom-bokatra (antsoina hoe mpijirika) no tena mahazo tombony…
dia manafatra vary hatrany isika…mampanify ny kitapom-bola Malagasy…
dia ny fambolem-bary anaty ala sy an-tanety na tavy sy savoka, no mahatonga ny antsangasy fihenan’ny ala…ary ny vokatr’izany …
dia mahantrahantra daholo ny ankabeazan’ny firenena manana ny vary ho foto-tsakafony…
dia vary maina, varin’ampango, vary sosoa na sabeda, vary amin’anana, “riz cantonnais”, vary lasopy, vary mangatsiaka, vary modaka – ireo ihany no mba haiko @ fomba fandrahoana azy…
dia tsy mba misy vary mihitsy ao anaty "composé"...
Mahatsiaro anareo nandray anjara rehetra tamin'ny nahatongavan'ity vary ity hoe ento ambony viliako aho, Mahatsiaro ny asa be natao tamin'izany, Ho tahian'Andriamanitra anie ianareo...
raha tany ivelany tany hono ilay Gasilahy izay, namonjy fiofanana...dia niaraka niditra Hotely tamin'ny tsy gasy, dia nitady vary... - "mais pourquoi tu manges des graines? chez nous les graines sont pour les volailles...t es pas une poule par hasard..." - "ah bon", hoy, ilay gasilahy... fa ny an'ilay tsy gasy kosa hono, "..." no nosafidiany hohanina..., dia hoy ilay gasilahy - Mais pourquoi tu manges des "..."?, chez nous... les COCHONS adorent ce truc..."
Rah ho ahy aloha tsy misy mahasolo ny vary ao an-kiboko. Ny tsakitsaky hafa raha misy ny fahafaha-manao azy atao fa tsy noheveriko ho foton-tsakafo loatra. Raha vao tsy mihinambary aho de tsy mahariva andro mihitsy
Kivalavala ihany izy ity, fa aza raisina ho tena izy...tsy izaho no namorona azy, fa mampita fotsiny aho...satria izy efa lasan-ko-razana...fiteny kivalavala ("blague") tany Ambositra izy ity, tamin'izaho mbola nipetrapetraka tany, ...
Raha resaka politika moa t@ izany, (tsy haiko itsony izao),dia mizara 3 mazava tsara Ambositra ary ny Fianakaviana nipoiran'i Herizo no endriky ny fizarana: i Herizo (Leader Fanilo), i Tantely (arema) ary i Rapelanoro (MFM)...mpihavana akaiky izy 3 mirahalahy ireo, ary tena akaiky dia akaiky tokoa...samy tian'ny zanak'Ambositra...nandeha ny fifaninanana tao aorian'ny 2002, ny fifidianana maro samihafa io...dia samy miresadresaka eny amin'ny sisiny eny..."hifidy Leader sa hifidy zavatra hafa?", izany no votoatin-kevitra...
dia hoy ilay rangahy iray izay nananihany:"inona moa no mahasamihafa ny goavy mena sy Herizo?...",
... "fa ilay rangahy ity ve mahita hoe Herizo toa goavy? tsy mba voatavo ahay...mampitovy zavatra tsy mitovy...", hoy nysasany...
"goavy mena anie no nolazaiko teo e, fa tsy goavy fotsy...",hoy indray ilay rangahy nanamafy
Ahitsiko kely fotsiny ny teny iray nampiasainao ato : firinga miHEVOTRA, ny teny hoe mihevotra dia "rebondir" no dikan'ilay teny mihevotra, izany hoe ny baolina no mihevotrevotra, mitsambikimbikina ;)(aza ampifangaroana @ ilay teny hafa hoe manevokevoka = étouffant). Raha tsy hoe angaha ka hoe mitsambikina ilay firinga toy ny gabône any Toamasina, manisy fameriny ... LOL Fa ny hoe "firinga miHEVITRA" dia hoe maloto fieritreritra, hevitra = idée. Ka iza amin'ireo no mety amin'ity resakao ity ? ilay any Toamasina sa ilay maloto eritreritra ?
Toa tena MIHEVOTRA no tiana lazaina ka ...ohabolana gasy...Misavoamboana hoatran'ny tay entin-driaka..