B & B...

ohatrany tsy azoko mihitsy hoe maninona moa ny olona sasany tsy mahay manavaka zavatra hygiénique afatsy am'ny papier sy ny serviette ihany...

raha tsy tiana hisotro labiera ny ankizy dia rehefa avy mihinana jus mamy be iny tonga dia omeo labiera kely...fa tsy ho tia mandrakizay...tsy higiénique izany...

raha tiana hisotro labiera indray , dia amin'ny ilay mafana be iny na tsemboka be...no omeo labiera glacé, glacé hoa,...izany ve tsy higiénique...

ho tezitra ny vokovoko manga raha mahita ity sary ity...zaho koa aza mba gaga hoe fa naninona moa aho no naka an'ity sary ity...

...niakatra ny vidin'ny B...niakatra 30%...

Dia tena lasa ny saiko hoe : "tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?"

dia nanoratra aho hoe "point G" - teo amin'ny fitadiavana ...dia sambany vao nahalala ny fototra nihaviany:  point de Gräfenberg...

rehefa nitady aho, nitady, nikaroka, nitsapatsapa, nanao fandalinana sns, dia hitako ihany ilay "point G"...

fa tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?

dia ilay revy izany rehefa misy G...dia ny tsara indrindra manatona spesialista (manana traikefa), araka ny filaharany sy izay nahavita be indrindra, ireto avy ny spesialista e...:

  1. SECES (nahavita revy misy G indrindra angamba teto an...omena doka manokana fa nampiroborobo ny anjerimanontolo tsy miankina...bravo...)

Tena record mihitsy satria nandritran'izay nahatsiarovan'ny saiko ohatrany tsy mitsahatra mirevy misy G ry zalahy ireto, ...tsy haiko aloha izay tena any amin'ny ativilany fa dia ny tambimpikarahona matetika no arangaranga...

mikaroka inona ary? ary inona no efa voakaroka?...anontanio ry zareo...

  • SMM (mifanahatsahana amin'ny etsy ambony...)
  • Mpianatry ny Oniversity miankina (nampianarin'iry voalohany... ary lalaovin'ny eto ambany)
  • Hery Velona (na Rasalama io na Rabearivelo) - ny 1er tour de vita - ny Lamasinina haingampandeha (film mitovitovy ireo fa ny mpandray anjara no tsy dia miva firy, mifandimby bandy sy rôla...)
  • de iza koa - de iza koa????....hmmmh....i Satro bory spesialista amin'ny revy misy G amin'ny tsy fihinanankanina teo amin'ny tsangambaton-dRalaimongo...(nahazo toerana ihany izy ny farany an...hitany ihany ilay G...)

 

fa tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?...lasa Grevy eh...

 

 

 


Tena lasa nieritreritra programan'asa hafa indray ho an'ity 2012 ity...Manofisa fotsiny ihany, hoy ny be saina rehefa manolo-kevitra.

Izao lay izy: hialana amin'izay ity Madagasikara ity fa film tsy mamely, cartoons tsy mamely mantsy no tiana lazain'eh...

Ry zalahy akama ny 70% angamba ( salan'isa tsatoka io), efa lasa any an-dafy daholo no mamboly coco tsy hoe mila raviny (ravin'ahitra) fa efa mamboly coco mihitsy...mijery ny fiainan-dry zalahy toa ohatrany milailay zany...rehefa mba nandalo tany...

Tiako raha ianao, satriko ho toa anao
Ny namako rehetra, tsotra sady tsara fo sy fanahy
Toetran'olona maro, no tiako ho toy ny ianao
Mahay mifalifaly, mahay mandefitra koa.

 

 

Eto rangahy koa 10 taona niasana ianao tsy mahavita trano manara-PENITRA...tsy mahazo fiara manara-PENITRA...sssh...raha tsy mangalatra angamba na raha tsy tsara vintana...atsapaka koa io...

Ry zalahy lasa any andafy (ny ankabeazany) mahavita ...

Eto toa asain'ny olona mitolona foana...mitolona foana...mahareta fa hanana ny soa foana...andraso kely foana...ampanantenaina foana...sssh...marionety...

sady efa diso filière koa raha mijanona eto satria tsy Magistrat na Pharmacien na Mpitondra ambony na depioteuh na Entrepreneur tsara vintana...ireo ihany mantsy no toa mahavita ny manara-PENITRA rehetra...(sa misy hafa koa...asaaa...)

Aleo rangahy mitady lalana hiampita an...ny pôle nord no valamparihako...fa izay ranomasina any ialana tsiny amin'ny Andriamatoa Andrianampoinimerina...

na Masina aza ny Tanindrazana, rehefa tsy ahitana ilika akifika...

Eto no itabataba ataon'ny olona tohatra fiakarana eto fotsiny...manomboka ny kajikajy tsotsotra...ho avy aho ry Tapaka sy namana any andilambato...

Tsy hanao hoavy tsy ho ela tahaka ny an'ny Ramose ka andrasana tsy mety tonga...fa hanao be fiavin'ny rodorodom-pitia...

Inona marina moa izany no ataoko eto?

Sainga indrisy, sarotra izany
Ka tsy ho haiko ny hanova azy ireo
Soa aho fa nisy, namako iray
tokana ianao - tokan ianao

Ny ahy ny tena tiako, mbola ho faniriako
Ny fitiavana ahy, na ory na faly ny fiainako
Ary izay iriako, hizara ny hafaliako
Ory raha toa anao, tena ilay ataonao.

...ho tanteraka tokoa anie izany...Amen

(tena tsisy hidirany mihitsy lay hira....lol)

 

...demagozia be fotsiny ny programan'asako voasoratra tany aloha tany...

  1. Tsy voavaky hatramin'ny farany ny Baiboly...hatramin'ny androany ve rangahy mbola Amosa...tsss...
  2. Mbola tsy misy mody aloha izany...sssh...mitady ho lasa hotel ilay tokantrano : matory, man.., misakafo, misasa, mandeha mivaoka ny trano...
  3. inona akory ny eo fa in-3 ny ni format ordi...sady amin'izay virus efa elabe no namely win sality moa...sssh...
  4. tsisy fifidianana akory...sssh...na ny vato TIM aza tsy dia nandalo firy tamin'ny tanako (vato TIM :vola 50 000Fmg)
  5. vao maika koa adalan'na f a ce b oo k...lehty eh...
  6. tsy nanoratra tato firy...ny fampiditra (mot de pass) aza saika adino...

Bon...manarina indray amin'ny 2012...raha tsy tonga amin'ny 02/01/2012 ny Tompo (ho avy tampoka ohatran'ny mpangalatra hono nefa misy miseho mahalala...)

Esoriko amin'ny voambolana angamba ny teny hoe "VITANTSIKA IO"...

Ary mahagaga fa isaky ny fotoana toy izao aho te hihinana look's foana an...tsy azoko mihintsy...tamin'ny sabotsy zao gisa no laoka, matsiro an...nefa ohatarny look's ihany no tiako hohanina...tsy azoko...

brrr...

 

 

Mangataka andro iray tsy hiasana,(tsy asabotsy tsy alahady fa ankoban'andro)...

Tsy hiasana nefa handaraisan-karama...ary hanadiovana tanana...

dia mba zaraina ny kifafa, angady sy ny sisa...(aza adino ny savony hanasana tanana) dia mihetsika ny fokon'olona samy manadio ny fokontany...fa raha izao no mitohy dia tsy ho azo iainana itsony ny loto...

Analakely, Nosy Be, elakelantrano besarety, isotry,67, ambondromamy, ivandry, ambohitsirohitra...eran'i Madagasikara...

akatona ny tsena tsy ao anaty trano rehetra...ny pompier manondraka rano, ny kamio mitatitra fako voangona...

dia ny manolo-tena manadio tatatra...

'Zao foana ve no hiainana hatramin'ny 1980...

aparitaho...aparitaho...(tsy ny fako no aparitaka fa 'lay hevitra...)

ary entanina daholo mba any an-gabone moa mikapa fa tsy eny an-dalambé...na ranony io na ventiny...raha misy fahaporetana...

...

...

...

...

sa hiandry kolèra sy pesta isika mianakavy...







1 2 3 ... 24 25 26  Manaraka»