Manohana anao aho...

06/14,2016

Manohana anao aho...

Tandremo sao hodin'akondro...zatra mampiasa sabatra 2 lela ny gasy, ka manahirana ihany indraindray ny mandray an-tendrony ny zavatra lazainy...ka adidy ny mamadibadika im-7 ny atidoha...izany hoe mivadik'at-doha...alohan'ny hahatonga saina marina mantsy dia aleo lasa saina...

Ny lasa saina moa dia tsy misy saina ka dia mora mihinana amam-bolony, tsy misy plastika manelanelana...mianika hazo tsy fantatra...tratrany henjana ka mety ho tafatsofoka lalina...

Manohana anao aho...

Sarotra ... fa aleo olona be kiana ohatran'ny Ihagamainty-n'Andrianampoinimerina, toa izay olona be asoaso toa ny Menamason-dRadama II...

Firifiry ny olona tsy sahy miara-mifono lamba mena, fa raha maty izy matesa rahavana raha maty rahavana matesa raomby...io lay hoe soribilana niaraka ihany fa sola vao mifanary...

Manohana anao aho...hoy izy ampahabemaso...dia revo ianao, dia lasa saina tsy tonga saina...

Hay va re Tohanany tsy handroso izaho ity...

Tohanany tsy handeha ... tsy handroso ...

Tandremo lahy, ny omby hono no nisy tandroka hampatsiahy fa afa-manoto - ny alika hono no nisy nify hampatsiahy fa afa-manaikitra - ary ny tanana no misy hoho tsy hoe mpanafosafo ihany fa mety ho rangopohy...

Hanohana ahy ianao??? Hanohana ahy tsy handeha???

14 Jona 2016

 


Dadakely...

12/25,2012

Mba tia ny zana-badiny ve ireny Dadakely ireny?

Misy sipa manja be izay ... efa nanambady imbetsaka izy io, fa mbola manja ihany...mbola azo tetezina tsy mikipy hoy ny vazaha sy ny sinoa, mpandalo matetika ao aminy...

Vao avy nilaozan'ny vadiny izy io vao taona maromaro izao...noho ny antony fahasoratam-piaro sy ny fikaontikaontin'izay Bandy kely izay...

Io Bandy io dia olona tao antanana ihany, fa dia niadiady tamin'ny rangahy vadiny tamin'izany fotoana ka nanapa-kevitra fa hikaonty an-drasipa sy tena ,handrava ny tokantranony ka haka ny toeran-dramose... ary toa nilaza hono izy fa izy no rain'ireo zanak'ilay sipa kely fa ilay Rangahy vadiny teo dadakely (?)

tanteraka tokoa io fanirian'io Bandy kely io ka dia lasa nitsaoka ilay Rangahy vadin'ilay sipakely...

Vokany lasa niady antrano sy nifamaly ny zaza tao an-trano - ao no milaza fa i Bandy kely no tena Dadantsika, ao no manamafy fa i Dada lasa nandeha iny ihany no Dadantsika...ngah tsy loza, fa dia tsy hay itsony...

Nanambitaby ary ilay Bandy kely nandritra ny fotoana niarahana tamin'ilay sipa rehefa lasa ny vadin'ilay vehivavy taloha:

  • nividy kilalao baolina lavava
  • nanamboatra ny tokontany filalaovana
  • nanisy toerana hifaliana havanja ao an-trano
  • nanisy efitrano fitsaboana
  • sy ny sisa sy ny sisa

Tsy hay aloha hoe avy taiza daholo ny vola nanaovana an'izany fa misy tsaho nandeha hoe ny entana tao an-trano ihany no navadika chiffre ...

...

Rehefa nitohy ny adin'ny ankizy tao antrano, dia nisy nanolo-kevitra hoe andao ny test ADN hoe iza no tena Dada ary iza no Dada kely...

...nandeha ny fotoana...nihalany ny tahiry tao an-tsompitra...Tsy mety handefa fanampiana itsony ry Dadatoa sy Nenitoa sy ny Havana rehetra satria mila fantany hono aloha hoe iza no tena dadan'ireto ankizy, ary ny Test ADN no tsy maintsy atao...

ary dia nisy nanolo-kevitra hoe tsy misy dadan'ireo ankizy ireo nareo ka noho izany tsy ilaina atao atao test...

Tokony hitady lehilahy hafa hono Rasipa atao Test...

Mila atao haingana dia haingana io test io satria, dia hita fa mamangivangy matetika an-drasipa ao ny Sinoa sy ny Vazaha, ary mitondra entana mivaoka ny trano foana isaky ny avy matory ao...

Mba tia ny zana-badiny ve ireny Dadakely ireny?

Inona moa no olana raha atao ny test ADN raha tena Rain-janaka tokoa?

Ra sipa moa amin'izany mihomehy fotsiny, ...


Adala ve ny tsy mitrosa? (tahaka ny FAT)

12/14,2012

Tsy haiko aloha ny fahamarinany fa dia miainga amin'izay voalaza aho...

Tsy nitrosa mihitsy...

Tsy nitrosa mihitsy hono ny tetezamita...

Fika fitrosana

Nisy Lehilahy mana-kaja izay nipetraka tao akaikin'ny namanay, ... tantara efa taloha be ity...manan-katao be mihitsy ilay rangahy io, ... mamoaka fiara, manao trano, mankany andafy, tsara ankanjo, tsara kilalao ny zanany, mianatra amin'ny sekolim-bazaha ny zanany, ... sns...

Fa izao misy fotoana batainy ny ankabeazan'ny entany ao an-trano dia afindrany ao amin'ilay namanay mandritra ny andro vitsivitsy...

Fa naninona?

Hay lery mpitrosa be - dia rehefa tonga ny mpanao "saisie" dia izay entana kely sisa eo sisa no lasany - ny fiara tsy soratany amin'ny anarany, ny trano tsy soratany amin'ny anarany...dia samy miala baba...

Lasa olona tsongoin'olom-bolo be moa ilay rangahy io taty aoriana, sola loha be izay izy...

Izany hoe mampandroso ny TROSA...

nanahirana ahy no naheno fa ny USA no anisan'ny firenena be trosa indrindra eran-tany, nefa dia anisan'ny firenena mandroso indrindra - ary manana droit de veto ao amin'ny Banque Mondiale - droit de veto manakana ny tsy ampitrosaina ny firenena iray...

Firifiry ny nanangan-tanana taloha tao Tsimbazaza rehefa mandalo ao ny vinavinan-dalana fitrosana, satria dia samy efa mikajikajy ny kajikajy madinidinika...ary miandry "point d'achèvement"...

Hafaliana anie ny any Ray aman-dReny isany tamin'izany satria nahazo "point d'achèvement" tamin'ny fotoan'androny e...

Tamin’izany (rohy)

Ary raha tsy mitrosa

Nandritra ny Tetezamita hono dia voaloa tsara ny trosan'i Madagasikara tokony aloha, trosa izay nataon'ireo mpitondra nifanesy...Trosa ny fanamboarana sekoly be dia be taloha izany, Trosa ny fanamboaran-dalana, trosan'ny kojakojam-pianarana, ...

Sady nahavita nandoa trosa zany ry zalahy no nahavita nanamboatra Hopitaly ...

Fa kosa dia nasehon-dry zalahy fa nahazo vola tamin'ny Sinoa izy ho takalom-by...izany hoe tsy voatery mitrosa izany fa ny eo an-tanana no atao takalo patsa...tsy haiko koa laoha izay sombo mofo latsaka amin'ny tany amin'ny fanondranana maro samihafa...

Izany hoe hahavitana zavatra ihany ny tsy mitrosa


Ohatran'ny te-hitrosa izany aho dia ampiasaiko lay fikan'ilay Rangahy voalaza etsy ambony...Ampiasaiko lay vola raha tsy tafavoaka aho dia tsy olana ny mpampitrosa no miantoka...raha tafavoaka moa izay no tena tsara...

Fa ny olana dia raha vao gasy maivamaivana hono dia tsy omen'ny banky trosa, fa mila antoka be hono ry zalahy, na olona miantoka io na fananana iantohana (efa voafitaka matetika angamba...)

Dia ahoana?

Aleo mitrosa

- "Ampindramo 2 000 000 aho fa averiko ny an'ialahy rehefa mandray karama aho afaka 15 andro"

- "tena averin'ialahy" (tsy sahy nandaiga aho hoe tsy manana)

- "ieh, mba tena ilaiko maika lesy fa sahirana aho izao, fa tena averiko ah"

- "fa angaha ilain'ialahy maika be, maninona raha miandry karama tonga"

- "tena ilaiko lesy ah, tena averiko lesy ah, ilahy ve tsy matoky ahy eh..."

- "bon ok ary eh, rahariva fa mbola haka any amin'ny Banky aho..."

Lasa ny 01 volana - 02 volana - 03 volana...tsy nisy niverina

- "Ahoana ihany lehity ilay vola an?"

- "Tena mbola sahirana lesy an...mba andraso kely moa eh...sa ity aloha 50 000 dia mba miala tsikelikely..."

Dia noraisina zara aza mba nisy niverina, fa dia lasa tsitaitaika ohatran'izany ny famerenana azy, dia tsy hita akory izay mba vitan'ilay 2 000 000 fa lasa rano ny tsitaitaika mba azo...Nefa lery amin'izany mahavita migalabona amin'ny fahafinaretana andoavam-bola, ary tsy miafina an...

Tsara hoa lay mitrosa...

 


 

 

 

 


Fanta Diallo

12/11,2012

Inona hoa no tsy vitan'ny Vola?

Rehefa tsy voatataka amin'ny voalohany ny paosy dia tsy maintsy miafara amin'ny fanaovana sonia taratasim-bola...fa tsiambaratelo, satria sao dia misy mamerina ilay film dia lasa fakana tahaka...

Lasa ny Vady, Tsy afaka nirotsaka Filoha, nialana ny Asa...

Raha hatramin'ny voalohany izany no nanaiky Diallo dia mety vola kely no azony...fa rehefa nitarina ny resaka dia lasa vola tsiambaratelo...

Fa dia miaiky aho amin'nilay fitiavan'ny Andefimandry, nanampy, nanampy, nanampy...na dia tafasaraka ihany aza tamin'ny farany

Ny ao an-tsain'ny lehilahy lehibe rehetra?

Raha vakiana batsilana ve ny atidohan'ny olo-maventy rehetra dia mety ho hity sary ity no hipoitra:

Tsy haiko fa aleo dia samy mandinika...

(mbola hotohizana...miandalana)


Voankazo mantakisoka...

12/02,2012

Maninona ary no mahasarika sy mampite-hihinana ireto manga manta...mihantona eny antamponkavoana...sa ve dia noana ny dia lavitra ka manjary te hihinana voankazo voarara?

Maninona ary no mampite-hitsangatsangana sy mampite-hitety ireo vohitra sy lemaka...ny kirihitr'ala toy ny eny vakin'ankaratra, toerana tsy mbola nisy nandia...mampite-hihaino no kiakan'ny Railovy sy ny bibidia eo ampamakiana kirihatra?

Misy zavatra tsy azoko rehefa mitombo ny taona, ka lasa manjary te-hamakivaky indray sy higoka ny loharano amin'ny fatsakana vao hohadiana sy mbola tsy nisy mpangady...ny saina ve no adala sa ny nofo no reraka ka te hisosososo any amin'ny ala mikotroka tsy mbola nisy nizaha?...indrindra indrindra moa fa ilay toerana mihitsy no miantso hoe mba tsiditsidiho...

Ka Misetrasetra mahafinaritra mampitehitsidika ny hakantony...hany ka mila tsy ho tana ny hanadihady ny bozaka eny antampon-kavoana, tanety lava mahatonga fisainana...ny hitety ny tendrombohitra mangadihady mbola tsy lefin'ny taona, ny hikorisa eny amin'ny lemaka mangadihady mba hahatongavana ery amin'ny kirihitr'ala hahatsiarovana any vakinakaratra...

Hampijery ny lanitra anisana ny kintana, ka mahatonga ny tena handinika ny tany lava volo mbola tsy nisy niasa...

Ny hamafin'ny fiainana ve no mahatonga ny tany manaiky hanjakazakain'izao bodo sy adala rehetra izao?...hanjakanjakain'ny henjana...

Tsy haiko itsony, fa dia gaga ianao, izao ve sisa no iafarany...tantely afa-drakotra...fidiran'ny manambola sy ny basy vava...tsipolitra

Na dia mapitelin-drora aza dia tsy hitelindrora aho fa handrora amin'ny tany...handrehoka mihitsy...

Na dia mampite-hihanika aza dia tsy hihanika ny hazo malama aho fa manjary lalan-dririnana sy lalan-kita-kisoa...hitsin-dalana...Na dia mampite-hamakivaky aza dia hijanona aho ... adalan'ny tena no tafian-damba...

Voankazo manta kisoka anie 'zany re olon'e...

TSIA

aleoko maty an-kazo tokana...mihinana ny manga masaka eo antokotaniko, hitsiditsidika ny zohy fierena fangalana fisainana hatramin'izay, falehako irery, fandefasako ny nofinofy sy ny sentosento mampitony...tsy ho voasinton'ny mena miraviravy...hamerimberinba hitety ny havaonako na dia efa haiko tsianjery aza ny sakelidalana rehetra...

Soa ihany aho fa tsy niteraka an'i Kala hatramin'izao fa dia asa angamba ny firehetan'ny hasarotam-piaro rehefa hanomboka ho matoy ny manga eny antampon-kavoana, rehefa hanomboka hivelatra ny voninkazo, ary rehefa hanomboka hanidina ny railovy...dia asa fotsiny...

Mba manao ahoana re ny adisanin'ireo nahazo Ketaka ho mpatsaka eh?...

 

 


Volana Fenomanana...miandry Masoandro mibaliaka

11/13,2012

...

Masoandro mibaliaka

Volana fenomanana

...

Miketriketrika

Minaonaona

Rehefa tafiditra amin'ny tantara hono ny tsongoin'olombolo toy itony dia hisy tantara izay...


NofiNofy

10/18,2012

Omeko anao mba hanjakanao ny habakabaka
Ny kintana azoko hakana hataonao firavaka
Na ny masoandro aza sakanako tsy hatory
Mba hanome hafanana sahaza ny fonao oriory

Vontom-pahoriana,orin'ny tsy fananana
Izay mba nirina,tsy misy hananana

Etsy akipio ny masonao roa
F'izay irinao anio ho azonao avokoa
Fa manan-karena nofinofy aho
Ka azoko omena izay rehetra tianao

Raha sendra hetaheta, omeko anao ny Ony
Sotroy izay laninao rehetra,mandra-pahatony

Raha toa sendra mosary ho tolorako sakafo
Na laoka na vary, ny tena tsara sy lafo

Raha sendra hirifiry, omeko mpitsabo ianao
Na firy na firy, eran'izao tontolo izao

Raha tianao ny tany sy izay rehetra ao
Raha ilainao izanydia atolotro anao

Raha izay vola foana tsy ho zakanao babena
Tsy avelako ho noana, hampiondanako harena

Raha te hitety tany,hanodidina ny tontolo
Na aiza na aiza izany,hataoko hitanao daholo

Aoka!

aoka aloha,

avelao hitohy ny nofy
Aza mbola mifoha,

ny zava-misy tsy mitovy

Ary ianao toa tomany, mangina sombinaina
Ao,manofisa ihany, raha toa izany no ilaina

Fa ny nofy tadidio,itovizana amin'ny maro
Ny maso fotsiny no akimpio,ny saina no ampiakaro

 

 RAKOTOBE Andrianabelina


zanan-dambo sy foza orana...

08/29,2012

La politique c’est comme le sexe parait-il, une fois qu’on y a gouté, on en redemande

 

Rehefa mba mandinin-javatra  dia maka ohatra amin'ny biby isika mianakavy...

misaotra an' Andriamanitra fa tsy toy ny tamin'ny 10 taona lasa ny zava-nitranga...

misy tiatia loaka na kabaka fozaorana fa tsy zana-dambo...sy tsindrin-tsakafo goavy...

...pesta sy kolerà...Ankatso sy Ambohidempona...sakay mena sy lasary manta-na manga...

Io moa toa ohatran'ny marina ilay hoe ny ny atao no miverina fa tsy misy ny Tody ...

Ka mananatra anareo aho ry zanako,fa eto madagasikara dia tsy misy Tody fa ny tampody no misy...

Raha manakana olona tsy hiditra an-tanindrazana dia misy hanakana tsy hipody...

Raha manala fanjakana amin'ny basy dia misy hanala amin'ny basy anglisy...

fa na izany na tsy izany...laona sy fanoto foana io ...laona sy fanoto...

izy mivady no miady ka ny ankizy no voatotototo...

zana-dambo sa foza orana...?...

....misy miandry tour ohhh...

...tsy mamango...tsy ka raha io ataon'olo jiaby...

Za leo...

ahoana koa ity clip ity atolotro ny mpahandro zana-dambo sy foza orana

Tsy maintsy mipaoka ny sarom-bilany...Rehefa avy mihosina lavo amin'ny tany...

Rehafa avy mitolona korosy fahana...Marary paosy foana ny an-tanana ...

dia lasa  ... manao diska laoka...mihirahira hoe lany ny loaka...

dia atsangana indray  terena hifoha

"avy indray ianao ry lay raika lahy taloha"...

...Malala o izany foana no ambetindresakao...

La politique c’est comme le sexe parait-il, une fois qu’on y a gouté, on en redemande

 

 

 

 

 


rehefa...

08/14,2012

Ho anay Mivady:

 

http://www.productionmyarts.com/blog/vieux-couple

Rehefa manomboka miteny hoe "ny anao koa izany foana" dia efa manomboka leo izay...diska loaka...

Rehefa manomboka tsy dia miaraka mivaoka intsony dia efa manomboka tsy te-hampiseho masoandro izany ny ankilany...fitaratra lany manja...

Rehefa tsy mba mamihapihana eny imason'olona dia efa manomboka tsy sahy milaza hoe ity no vadiko...vay an-kandrina...

Rehefa manomboka mijerijery ambadika ny SMS na "appel" amin'ny findain'ny ankilany dia efa mihalalina  izay lay fahasarotam-piaro... Bako mpitsongo-dia...

Rehefa manomboka manivatsivana ny hevitra sy tranga amin'ny "réseau social"-ny vadiiny dia efa miha-midorehatra 'zay lay fahasarota-piaro...kaomisera Ratandra...

Rehefa manomboka tsy miaraha-mihomehy itsony dia efa mihamitombo izay ny hantsana...film dramatika...

Rehefa manomboka  miantso hoe Rafotsy na i Bainina dia efa misaina izay fa vizaka sy mihakizitina ny ankilany...Ingahibesola...

Rehefa manomboka miantso hoe i "Dada" na i "Neny", ka manala ao anaty diksionera ny teny hoe "chéri(e)" dia efa  mibedibedy lava tahaka an'i Dada sy Neny taloha izany ny silany... apetraho io hoa, efa tenenina foana...

Rehefa manomboka adidy sisa...dia efa adidy tsy an'olon-dratsy...

...

Ka ....

rehefa mitady hiady dia aleo mampiady any ihany no misaraka tsy misy maratra...ny adidy vita, fahafinaretana azo...ny fahatezerana azo avaoka any daholo...ny alahelo moa dia efa mivaoka ho azy amin'ny sento lalina...

rehefa mitady hifamaly dia aleo alefa sms na email na amin'ny mur-ko (ataovy mp) ... dia amin'izay mandinika tsara eo ampanoratana...ka mety ho lasa na tonga saina ho azy hoe ...oay 'ty zah...

rehefa avy eo miresaka...ampirehetina ny labozia...dia atao "à la chandelle"...

...10 taona mahery no nivadiana...

Mbola tsy mifankazatra ihany...

 

 


Tadidiko ny nanaovako azy voalohany…

08/02,2012

18 taona aho tamin’izay…(te-hamerina an'ity expériences ity aho fa indrisy tsy mety ry zareo fa amin'ny herintaona hono...)

Nisy tahotra hafahafa ihany tato anatiko, satria sambany mba hanao an’ity zavatra ity…hendrandrendratra be zany...

Nefa dia nanao ihany aho, satria normaly amin’ny ny olona maoty rehetra – ny olo-maventy – ny manao izany…

Efa mba nisy nanoro ihany hoe aiza ny fanaovana azy …

Satria dia na ny télé na ny radio na ny gazety dia manoro ny fika fanaovana azy daholo…

Roso ny dia tamin’izay…nanao metimety…

Nangingina ihany ilay toerana tsy maintsy hitrangan’ny fandehan-javatra…

Tsy maintsy nampiseho karatra aho hoe efa ampy taona, satria dia tsy natokana ho an’ny tsy ampy taona ilay toerana sy ilay zavatra ho atao…(visa A...?)

Indreo nilahatra maromaro ireo ho safidiana…misy mitsikitsiky (sady nisatroka tsihy) …misy matotra be…misy tsy mampiseho ny tarehany…Tsy maintsy amin’ireto aho no misafidy…Ahoana koa ary fa dia misy tsy mahay mivaro-tena mihitsy an…

Eny ary …

Nosafoiko tsirairay aloha izay nilahatra teo…nisy malamalama..nisy marokoroko tahakan’ireny emballage ireny…nisy tonga dia azoko an-tsaina hoe itony izao tsy misy mpitia mihitsy nefa sahy mirantiranty aty…

Nandeha tao amin’ny efitra mitokana amin’izay…somary maizimazina ihany… Tsy nisy nahita intsony

Ato amin’ity efitra ity izany no anatsofohana azy…ok…ohatran’ny fanao’ny olona rehetra…

… nisalasala kely aho nanokatra ilay hanatsofohana azy…”Ho atsofoko ve?...”

Tsy maintsy manapa-kevitra anefa…satria mbola hisy olon-kafa koa hampiasa ity efitra mitokana ity…Natsofoko ihany ny farany ilay anankiray…Nisento tokana aho teo ampamitana ny adidy…tsy hay itsony na sentompifaliana na tsia...dia nivaoka…

Izany fahafinaretako nahatontosa ny fanaon’ny olon-dehibe rehetra…

Na dia dimy minitra monja aza …

 

...

Nahatontosa fifidianana aho tsy lany ilay nofidiko tamin'izay, raha tsy diso ny fitadidiko dia vato Mena sy Mainty izay ilay natsofoko tao..vato tsy mety lany efa ho 40 taona izao...ilay nampianatra ny gasy hi-grevy voalohany tamin'ny 72...

Tamin'izany no nisy nilaza fa "tsy lahatra akory ny fahantrana"..."Fanantenana vaovao"..."satroka penjy tsotra izao"..."Manga be"...ary ilay mpanao propagandy eo amin'ny salon na eo ambany akondro amin'ny télé...

25 novembre 1992 tamin'izay : Albert Zafy 45.16% - Didier Ratsiraka 29.22% - Manandafy Rakotonirina 10.21% - Marson Evariste 4.60% - Ruffine Tsiranana 3.51% - Jacques Rabemananjara 2.87% - Nirina Andriamanalina 2.25% - Tovonanahary Rabetsitonta 2.19%.

 


Fringa mihevotra...

07/31,2012

Ahoana moa ny fanoratra ny hoe fringa...fringa sa firinga...

Teraka alakaosy daholo hono izay nampitondrain'ny dadany sy ny neniny izany anarana izany…fontotra volom-pody volom-bitsika…ary mifanohitra amin’ny adizaozy…Tsy hay aloha na vava alakaosy na vody alakaosy…na sady vavany na vodiny…

Finoanoam-poana moa izany…fa tantaraina fa zava-nisy…miala tsiny amin-dry RAKOTOFRINGA sy ry RAFIRINGA rehetra… Ary ohatarn’ny mbola tsy naheno anaran-dray hoe RAKOTOBETAY na RATAY hatramin’izay…(msiy ihany gasy metisy sinoa mibaby izany anarana izany ka…) …

… mihajahaja kokoa angamba raha mba avadika ilay teny malaza ampiasaina amin’ny “zava-mahagaga” na “zava –mahasosotra”:

Fringa be lehity an…tena fringa be…(ho an’ireo zay mampiasa azy)

Mahasoso-firinga…

Dia lasa miova koa ny fiantso ny zanany rehetra: fringan-delo, fringan-tsofina, fringan’nify, fringaringan-draha…fringam-piraka…fringawan…

Asa…

Fringa be ity mitranga eto Madagasikara ity, ary misy fringa mihevotra ny sasatsasany amintsika mianakavy, ny sasany izany moa dia fringa hatrany amin’ny tsinay maintiny

Dia ahoana?...

Ny olana dia izao, zezika gravy be mihitsy izy io raha ampiasaina, ka lasa mamokatra be izay nasiana azy…fa mety ho voan’ny cysticercose..izay anie lay nampisalasala ny nihinana an’ilay fraise teny Ambatofotsy eh…

Ka dia asakasak’ izay manaiky ho fahanana…

Sady mbola fahanan-dalitra koa…

Mahakivy be ilay fisainanao indray andro izay, sakafo matsiro be no teo anoloako fa lasa ohatran’izao ny fijery azy:

  •     Ity izao diabète
  •     Ity cholesterol
  •     Iry AVC
  •     Izaroa goutte
  •     …ary ity lasa fringa…

Tonga dia lasa tsy te-hihinana izany…

Fringa mihevotra…

Hevitra

  1. Kdaombaramita

    Ahitsiko kely fotsiny ny teny iray nampiasainao ato : firinga miHEVOTRA, ny teny hoe mihevotra dia "rebondir" no dikan'ilay teny mihevotra, izany hoe ny baolina no mihevotrevotra, mitsambikimbikina ;)(aza ampifangaroana @ ilay teny hafa hoe manevokevoka = étouffant). Raha tsy hoe angaha ka hoe mitsambikina ilay firinga toy ny gabône any Toamasina, manisy fameriny ... LOL Fa ny hoe "firinga miHEVITRA" dia hoe maloto fieritreritra, hevitra = idée. Ka iza amin'ireo no mety amin'ity resakao ity ? ilay any Toamasina sa ilay maloto eritreritra ?

  2. finoanaranoray

     

    Toa tena MIHEVOTRA no tiana lazaina ka ...ohabolana gasy...Misavoamboana hoatran'ny tay entin-driaka..

 


Tsy tafiditra 'lay Lalao

07/30,2012

Raha toa ka atao hira ilay izy.. dia ny "Tojo anao" no tena mifandray aminy...

Tojo anao aho ka dia mirana...izay no zava-dehibe... iray minitra monja...

fa tena tsy tafiditra mihitsy ilay Lalao...

Adinon-dry zalahy tany ho any hono ny Valizy eh ... sao dia adino tao ivato fa tsy lasa an'i Thaïlande... mba nisy nandinika ve hoe tsy nitondra valise ny mpilalao sasatsasany...

Manomboka izao ny Lalao olympika...samy manao fikafika daholo na ny andaniny na ny ankilany ... ny hita amin'ny fanombohan'ny Lalao aloha dia ny tolona...

Dia misy milaza fa Hors jeu...Misy milaza fa Hors jeu...

Ohatran'ny milay ihany raha ny gasy mitsongoloka rehetra no alefa an'i Bangkok...raha vao apetraka izao ny fanontaniana hoe iza no alefa an'i Bangkok?...tonga dia be dia be no manangan-tanana hoe "Zah'koa..zah'koa"

Rahoviana vao hifarana ity Lalao ity?

Raha ny vadiko aloha, raha azo atao dia tsy avelako misaraka amiko izany...na dia hanao Lalao olympika aza...fa sao viravirain-dry zalahy any...

tsy tsara hono ny mpivady misara-toerana Ramose an...ny ela maharay roa...

Ary maninona ny vehivavy gasy rehefa miha-matotra dia miha-matavy sady miha-be kibo eh...aleo ihany manao lalao olympika eh...

Mba mandinihan-tena ihany nareo ry manangy gasy fa lasa voatavo rehefa mahazoazo taona an...lasa mampiteniteny foana hoe aza omena tsiny Rangahy raha manjono eny amparihy...fa te-hihinana Friri Loka...

 

oadray, ny olako kay izao tsy any mihitsy...

fa hoe inona no laoka???? Henomby ritra...

ssshhhh

 

...


Frantsay # Amerikana

07/28,2012

Mbola eto Dago ihany aloha hatramin'izao...

Ka dia lasa mandefa jery sy menomenona amin'ny izay zavatra tsy dia misy dikany...tahaka ny fomba fiadin'ny Amerikana...

Tsy mety amiko ny adin'ny Amerikana...

ao aloha ny Corps de la paix, ohatran'ny hoe mijaikojaiko be ny fomba fiasan'ny eto, ka toa tsy re mihitsy, fa nampitsiriritra an-dry Sombila fotsiny no nahatadidivako azy...

Aiza ve rangahy ka ny Frantsay isak'izao vazamototra izao mametraka alliance dia midobodoboka aponga isaky ny izay mihetsika...

Ny an'ny Amerikana CCA kely fotsiny...fa maninona no tsy manao kelikely be dia be miparitaka eran'i Madagasikara, fa manao be tsy nahoana eto Tana eto fotsiny...mety ho diso ihany anagamba ilay hoe be tsy nahoana raha toa ka mandinika an'ity tetikasan-dry zareo vaovao ity :ultra moderne...

Aza gaga ry Amerikana raha mbola Frantsay be ny "favori", satria ry zareo manao fitetika miparitaka, nareo ny kianja filalaovanareo feranareo eto Tana...

Mba nisy nihitatra ihany ka...ohatra izao ny Namanabe Hall ... trano koa izany ka trano..."sophistiqué"...ao koa ny trano be ny MCA...

Fa lavitr'ezaka be ny fiantraikany eh...

RFI manenika ny Nosy...ny VOA moa aiza fotsiny...

Resy be eh ...ela figadona...

Be ny mba nanantena ery tamin'ny Andron-DRavalo, fa ho ampirimina amin'izay ity fisainana frantsay ity, fa eh eh eh...mbola tsy tafavoaka ihany, mbola ny télé sinoa ihany no nandeha mandram-paharainan'ny andro rehefa tapitra ny fandaharan'ny TVM (tamin'izany..)...

Raha mba kitihan'ny Amerikana moa ny kolontsainan'ny eny ambany tanana sy ny eny ambany ravin'ahitra , ka hirotsahany toy ny fikan'ny CLEF (mamely fivondronana 100), dia asa fotsiny...

Tsy nisy varany mihitsy ny nandanina vola naovana ny lalampanorenana ka nanisihana ny teny anglisy ho tenimpirenena satria tsy nisy asa nifanaraka tamin'izany natao'ny Bekintana...tsy nisy varany mihitsy ny nidirana SADC na dia Francophone aza...

Sa hoe efa an'i Fantsay Madagasikara...

Nifanaraka tamin'izany ngaha nareo taloha ry vazaha?

Hevitra

  1. simp

     

    Hitako t@ gazety, otran'ny manao resaka hoe centre culturel mobile ry zalah fa asa na mba effective na tsia...

    Ny tena marina koa efa miezaka miditra tsikelikely izy fa zany hoe tsy tena prioritE hoandrizalah I Madagasikara ee... Asa refa misy solika marina nga vao mety hiova ny donnes fa ra @ zao aloha tsy dia mahliana azy loatra...

    Ny tena hitranga aloha hoy ah dia ny hoe ny sinoa no tena ho role a horizon 2020 any ra tsisy ny sampona. Tsy eto amitsika ihany fa I Afrika iray manotolo..


  2. finoanaranoray

     

    tena marina izany raSImp...Sinoa kely daholo atsy ho atsy ef nanaomboka tamin'ny presidà ny zanak'ampielezena io...

 

 

 

 


NANKAIZA HIANAO RY LASA

07/28,2012

Nankaiza hianao ry lasa, nankaiza no antsoina
Nefa ako iray malemy no sisa mba mamaly
sy manoina? .....
Manoina sy mitondra ny hiranay omaly
Efa zary sentosento, mifangaro ranomaso.
Ranomaso tsy mivoaka, mamonto ny aty fo !
O ry lasa, ô ry lasa mba andraso:

Henoy ny manjo !

O ! Ny hiranay fahiny, sambo feno voninkazo,
Nampamerovero saina, nanamanitra ny dia ...
Dia halazo ?
Hery feno namakiana ny onjan-drano izay naria,
Toky sady niankinana ary koa mba nantenaina
Fa hampita hatraminao, ry helo-dranom-pifaliana,
Ry anton'aina,
Izay tsy iza fa hianao, ry malala sady tiana
.

Izao anefa ka ho rendrika, eny re ! arendrikao ...
Ny hiranay, ny hiranay, mbola injao miraondraona
ao am-poko ao !
Miraondraona ka ho reko toy ny hira iray misaona
Sy miventy faharesena, ô ry vintana tsy hita
Izay mandavo dia manindry ny malemy noho hianao,
Tsy tafita
Fa miankohoka sy rendrika ao anaty lalina ao !

Tsy mba misy izay mosara mba manatitra, tsy misy
Sentosento iray akory mba arahinao tomany
Ka indrisy !
Miherikeri-tsamy irery eto ambavan-tsesitany !
Miherikerika mihaino izany fiditry ny rano

Ato anaty lakan-doaka voatendry mba hanafoana
Ny mba hany tokim-po azo tamim-belirano
Tsy tsaroana !

O ! dia foinao, ry lasa ! ô ry lasa, izay antsoina
Nefa mianjona mandeha, mihomehy sy tsy mamaly,
Tsy manoina ....
O ry lasa, rehareha sady tokin'ny omaly,
Nefa tonga sentosento sady tonga ranomaso !
Miantso anao ny indray nihira, miantso anao amim-po.
Mitalaho sy mitaraina ! Miantso anao ka mba andraso :
Ka toneo ny manjo !

 

J. J. RABEARIVELO (Lova)

 


Mitady safosafo...

07/07,2012

dia izay zany no lakle na fanalahidy...MITADY SAFOSAFO...

rehefa manambady izany dia zavatra maromaro vitsivitsy no tena mila ianarana:

  1. Mila manome zavatra matetitetika an'i Madama

Na Mofo gasy io na Mofo vazaha, na inona na inona fa rehefa mba manolotra ianao dia basy zay...nisy fotoana izay zavatra mba tiako ho azo ihany no vidiako dia mody atao fanomezana amin'ny madama, dia faly ery izy, nefa anie dia izao ihany no ampiasa azy rehefa avy eo...

ary raha tsy ampiampy vola?...

dia aleo ampiharina ilay teny gasy izay tsy hita izay maharatsy azy hoe "tsy aleo voandro...?"

Ny fandehan'io tantara io dia izao (ho an'izay tsy mahalala...) te hihinana galsy teny amin'ny Honey hono ilay vehivavy, satria nisy namany nitantara fa nividiannan'ny malalany glasy, ilay lehilahy anefa kinkina ary ilay glasy lafo be aminy, fa teny amorondalana mbola nisy nivarotra voanjo voahendy 20 ariary dia mahazo, dia ni-charme be lèry niteny hoe "tsy aleo voandro...?"...

fa mety koa ilay fikan'ny lôlô sy ny tariny iny hoe bobon gasy, dia tsy adino lay teny miala bala hoe "...ny fo manolotra aky ry malala no jereo, fa aza ny hakelin'ny zavatra a..."

...sady ny bonbon gasy izao efa sarotra hita, ilay bonbon gasy maro loko ireny...lasa espesy rara...dia mety hampietampo be raha ireny no omena...

ny tolotolotra majinijinika no zava-dehibe...

ka raha tsy misy vola mihitsy?

izay azo omena ihany no omena, fa mitombona foana ilay teny hoe "...aza ny hakeliny no jerena fa ny fo manolotra...".

Rehefa tsy misy vola izany dia ady miaramila io...manaraka baiko...ilay baiko hoe "Atolory..." ..."jery atrika..."...dia tsy mijanona raha tsy hoe "..aoka..."


 2. Mila mikasikasika matetika an'i Madama

 y indray moa izany dia ilay misakambina na mamihana na manafosafo na manorokoroka, fa tena mila an'io mihitsy Madama, mahagaga...

indrindra eny imasom-bahoaka...finaritra sy salanitra ery, rehefa sakambinina sy fihinina...fa mba lasa ohatran'ny vadin'olona rehetra...(...)...

Tato ho ato mantsy ohatran'ny hoe lasan'ny zanaka daholo lay ohatr'izay, ry zalahy ndray no fihimpihinina sy orokorohana fa i Madama navela tary amin'ny sisitôsy...ka rehefa eny ambony kianja ihany vao mahazo...

lasa saropiaro lay mpanampy tandrify, dia lasa niantsoantso hoe "zah koouh, zah koouh..." amin'ny antaondro be nanahary...

ary ny gravy dia lay zanaka indray no manosika hoe "mba ataovy calin Ney ry dada..."

"azafady lesy fa adino ny nanao calin azy teo imason'ny lisany an..."

Dia ezahana atao na amin'ny fo na tsy amin'ny fo... fa rehefa tsy amin'ny fo dia atao amin'ny fo...

 

3. Teny mamy

Rehefa manomboka mametrapetraka fanontaniana hafahafa izay Madama hoe "zah ve tianao?"...tonga dia tadidy avy hatrany hoe "oay, herin'andro marina aho izay tsy niteny hoe Tiako izy..."

Aleo mamerimberina ihany fa mahasalama azy hono izany...

ary tsy asiana an'ilay hoe "izay ela izay no nanambadiako anao, dia mbola manontany an'izany ihany ve ianao?..."

Fa tonga dia tairina hoe "Tiako ianao..." raha tiana asiana sakay sy sira kely dia atao teny vazaha "I love you..." fa amin'ny gasy aloha ny "Je t'aime..." no misy dongidongy kokoa...

Ohatran'ny tsy mahafaty ilay miteny ireo teny ireo matetika amin'ny Madama, fa mba miezaka kosa rehefa manomboka hita mihatola lay izy, dia mampahery tena amin'ilay hoe FITIA GARANDRELINA, be ketrona vao tena mamy...

 

...ssssh

 

 

 


Feno loatra...

03/25,2012

sy haiko na mitovy amin'ny toetrako ny toetran'olona fa rehefa mateti-piavy ny ahy dia lasa tsy henoiko itsony...

RARY sy C H R I S T ALL I NA

Nisy fotoana tao amin'ny trano-mail ko dia feno soratr'i B O B A N ' a n t a l a h a, tena olona tsy fantatro izy io fa noho ny fidirako tao ami'ny serasera dia nahavoray ny mailaka avy amin'ny sersera foana aho, tamin'ny voalohany dia mba namaky ihany aho fa rehefa avy eo dia ny mi-suppr foana no ataoko...

Nangataka ny tsy hahazo mailaka avy amin'ny serasera group itsony moa aho fa toa mbola nahazo ihany, tsy olana fa dia ny mi-suppr sis no atao.

Amin'izao indray dia i R A R Y foana no mameno ny mailako...namaky ihany aho talohaloha fa rehefa ela ny ela dia tsy namaky foana fa tratran'ilay aretina mi-suppr koa...ny an'i C H Ri S t A ll I N A moa dia efa tsy vakiana itsony koa, na dia "[serasera] Soratra masina" aza ny lohateny.

Ny olako mantsy dia lasa mitobaka be loatra ny mailaka tonga ka tsy hita itsony ny izay tsy maintsy tokony hovakaina...

TSY MAHALALA VAOVAO ITSONY AHO

Tena gaga be antsoin'i Neny amin'ny andro hariva, ry Neny mantsy ilay karazan'ny tsy miantso mihitsy, finday io an, fa ilay antsoina foana, ni-bip izy amin'ny 07 hariva ... dia lasa be ny saiko hoa sao nisy maty na marary na...sns

Hay moa ka hoy izy hoe

- invité du zoma rajoelina fa mba mijereva...

- aty aminay angaha misy TV plus...

- jereo amin'ny internet...ary mandeha amin'ny Radio nasionaly koa...

- Za mbola tsy any antrano (ary mbola misy zoma manifika)...dia inona no vaovao?

- Gravy be aty...mitombo ny mpanendaka ...mpamaky trano...tary Ampitattafika zao trano 04 no notafihan-dry zalahy...mandeha eny antsena ianao mampatahotra fa misy sahy manendaa ampahibemaso...ny vehivavy mody tolominy sady endahany...

- Nefa izaho saika ho any amin'ny herin'andro?..kamo be aho andeha ho any raha izany...

- ie sady nareo mpody alin'io - tsy maintsy mitondra kara-panondro foana raha mody alina ...

- sssh...mahakamo izany...ny ambotaka koa tsy laitra, tamin'ny farany teo izao tamin'za tany, amin'ny 05 ao no miala eny Itaosy amin'ny 10 vao tonga eny Andravoahangy...nefa nandeha tomobilina ... avy koa ny orana tamin'iny...

- dia ahoana ho avy ihany?

- toa tsy poins izany - hitady aretin'andoha fotsiny...

TAOM BAOVAO MALAGASY HONO

- hay ve eh?...

- Koa maninona tsy atao andro tsy fiasana? Rahoviana hono?

-  le 22 Mars no manomboka...

- ary mety ho pont ve ny 30 Mars?

- ka tetezamita anie zao - fitiavana pont - amin'ny 02 mai koa ...

- bon mety tsy ampy ny crédit, fa amin'ny manaraka ndray aho miantso, nakarin-dry zalahy orange koa moa ny vidin'ny antso ka laasa rapida be dia lany...toa niakatra be koa hono ny telma sy  ny zain, marina ve izany fa tsy arako itsony...

- ie fa nagaha moa raikitra ihany ilay passerelle unique no niakatra?

- asaaaa...

- bon tafandry mandry ianao...

- ie sady mety hampiesona tsara ilay fandaharan'ny TV plus...

- ha ha ha

- manimanina ny esquimaux 1500Fmg angaha...

- aza be resaka eo fa mampamangy any eh...

- ok tafandry mandry

- vao amin'ny 07 zao...

- inona ny laokanareo ao?

- fa angaha tsy niakatra be koa ny saribao eh...

- Laoka no anontaniako fa tsy saribao...fa nagah tsy nampiasa gaz itsony?

Tapaka ny antso lany ny crédit...

Amin'ny manaraka indray...

 

Hevitra

  1. Hery

     

    Izaho mampiasa gmail (gmail.com) ka tsy dia mampaninona ahy loatra izay messages voaraiko fa filtrer-ko fotsiny dia mamaky aho rehefa indraindray te hamaky. Betsaka koa ny messages azoko avy any amin'ny olona tsy fantatra fa dia mitovy amin'izay ny fi-traiter-ko azy. Filtrer-na dia atambatra toerana iray dia raha sendra misy olana dia miaraka fafaiko fotsiny. Indraindray aho mba misy fotoana dia miaraka vakiako daholo :-)

    Fa gravy ho'a ny zavatra mitranga any Madagasikara any fa dia miandry fotsiny hoe ho vita ihany io tetezamita io...


  2. ikalamako

     

    hihihihihi...eny tokoa hoa, nankaiza tokoa izay i boban'antalaha ?
    ny mail-n'i rao no mba nosokafako indraindray tamin'ireny ;)
    fa rehef mi-éliminer an'i cristallina aho dia sady enjehan'ny eritreritro hoe nefa raha blagy tity zao dia novakiako :-P
    Tsy i cristallina irery fa ao koa i teny fiianana :)

    ....ary hery aza manararaotra moa e - krkrkrkrkkrr


  3. ikalamako

     

    hahahaha na ry mama na ry zoky na ry cousine na ny mpiaramianatra taloha dia mitovy amin'io aby ny resaka an hihihihi

 

 

 

 

 

 


B...

01/23,2012

B & B...

ohatrany tsy azoko mihitsy hoe maninona moa ny olona sasany tsy mahay manavaka zavatra hygiénique afatsy am'ny papier sy ny serviette ihany...

raha tsy tiana hisotro labiera ny ankizy dia rehefa avy mihinana jus mamy be iny tonga dia omeo labiera kely...fa tsy ho tia mandrakizay...tsy higiénique izany...

raha tiana hisotro labiera indray , dia amin'ny ilay mafana be iny na tsemboka be...no omeo labiera glacé, glacé hoa,...izany ve tsy higiénique...

ho tezitra ny vokovoko manga raha mahita ity sary ity...zaho koa aza mba gaga hoe fa naninona moa aho no naka an'ity sary ity...

...niakatra ny vidin'ny B...niakatra 30%...


tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?

01/17,2012

Dia tena lasa ny saiko hoe : "tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?"

dia nanoratra aho hoe "point G" - teo amin'ny fitadiavana ...dia sambany vao nahalala ny fototra nihaviany:  point de Gräfenberg...

rehefa nitady aho, nitady, nikaroka, nitsapatsapa, nanao fandalinana sns, dia hitako ihany ilay "point G"...

fa tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?

dia ilay revy izany rehefa misy G...dia ny tsara indrindra manatona spesialista (manana traikefa), araka ny filaharany sy izay nahavita be indrindra, ireto avy ny spesialista e...:

  1. SECES (nahavita revy misy G indrindra angamba teto an...omena doka manokana fa nampiroborobo ny anjerimanontolo tsy miankina...bravo...)

Tena record mihitsy satria nandritran'izay nahatsiarovan'ny saiko ohatrany tsy mitsahatra mirevy misy G ry zalahy ireto, ...tsy haiko aloha izay tena any amin'ny ativilany fa dia ny tambimpikarahona matetika no arangaranga...

mikaroka inona ary? ary inona no efa voakaroka?...anontanio ry zareo...

  • SMM (mifanahatsahana amin'ny etsy ambony...)
  • Mpianatry ny Oniversity miankina (nampianarin'iry voalohany... ary lalaovin'ny eto ambany)
  • Hery Velona (na Rasalama io na Rabearivelo) - ny 1er tour de vita - ny Lamasinina haingampandeha (film mitovitovy ireo fa ny mpandray anjara no tsy dia miva firy, mifandimby bandy sy rôla...)
  • de iza koa - de iza koa????....hmmmh....i Satro bory spesialista amin'ny revy misy G amin'ny tsy fihinanankanina teo amin'ny tsangambaton-dRalaimongo...(nahazo toerana ihany izy ny farany an...hitany ihany ilay G...)

 

fa tsara ve ilay revy raha ampiarahina amin'ny G...?...lasa Grevy eh...

 

 

 



ialana amin'izay Madagasikara

12/30,2011

Tena lasa nieritreritra programan'asa hafa indray ho an'ity 2012 ity...Manofisa fotsiny ihany, hoy ny be saina rehefa manolo-kevitra.

Izao lay izy: hialana amin'izay ity Madagasikara ity fa film tsy mamely, cartoons tsy mamely mantsy no tiana lazain'eh...

Ry zalahy akama ny 70% angamba ( salan'isa tsatoka io), efa lasa any an-dafy daholo no mamboly coco tsy hoe mila raviny (ravin'ahitra) fa efa mamboly coco mihitsy...mijery ny fiainan-dry zalahy toa ohatrany milailay zany...rehefa mba nandalo tany...

Tiako raha ianao, satriko ho toa anao
Ny namako rehetra, tsotra sady tsara fo sy fanahy
Toetran'olona maro, no tiako ho toy ny ianao
Mahay mifalifaly, mahay mandefitra koa.

 

 

Eto rangahy koa 10 taona niasana ianao tsy mahavita trano manara-PENITRA...tsy mahazo fiara manara-PENITRA...sssh...raha tsy mangalatra angamba na raha tsy tsara vintana...atsapaka koa io...

Ry zalahy lasa any andafy (ny ankabeazany) mahavita ...

Eto toa asain'ny olona mitolona foana...mitolona foana...mahareta fa hanana ny soa foana...andraso kely foana...ampanantenaina foana...sssh...marionety...

sady efa diso filière koa raha mijanona eto satria tsy Magistrat na Pharmacien na Mpitondra ambony na depioteuh na Entrepreneur tsara vintana...ireo ihany mantsy no toa mahavita ny manara-PENITRA rehetra...(sa misy hafa koa...asaaa...)

Aleo rangahy mitady lalana hiampita an...ny pôle nord no valamparihako...fa izay ranomasina any ialana tsiny amin'ny Andriamatoa Andrianampoinimerina...

na Masina aza ny Tanindrazana, rehefa tsy ahitana ilika akifika...

Eto no itabataba ataon'ny olona tohatra fiakarana eto fotsiny...manomboka ny kajikajy tsotsotra...ho avy aho ry Tapaka sy namana any andilambato...

Tsy hanao hoavy tsy ho ela tahaka ny an'ny Ramose ka andrasana tsy mety tonga...fa hanao be fiavin'ny rodorodom-pitia...

Inona marina moa izany no ataoko eto?

Sainga indrisy, sarotra izany
Ka tsy ho haiko ny hanova azy ireo
Soa aho fa nisy, namako iray
tokana ianao - tokan ianao

Ny ahy ny tena tiako, mbola ho faniriako
Ny fitiavana ahy, na ory na faly ny fiainako
Ary izay iriako, hizara ny hafaliako
Ory raha toa anao, tena ilay ataonao.

...ho tanteraka tokoa anie izany...Amen

(tena tsisy hidirany mihitsy lay hira....lol)

 


demagozia be fotsiny

12/26,2011

...demagozia be fotsiny ny programan'asako voasoratra tany aloha tany...

  1. Tsy voavaky hatramin'ny farany ny Baiboly...hatramin'ny androany ve rangahy mbola Amosa...tsss...
  2. Mbola tsy misy mody aloha izany...sssh...mitady ho lasa hotel ilay tokantrano : matory, man.., misakafo, misasa, mandeha mivaoka ny trano...
  3. inona akory ny eo fa in-3 ny ni format ordi...sady amin'izay virus efa elabe no namely win sality moa...sssh...
  4. tsisy fifidianana akory...sssh...na ny vato TIM aza tsy dia nandalo firy tamin'ny tanako (vato TIM :vola 50 000Fmg)
  5. vao maika koa adalan'na f a ce b oo k...lehty eh...
  6. tsy nanoratra tato firy...ny fampiditra (mot de pass) aza saika adino...

Bon...manarina indray amin'ny 2012...raha tsy tonga amin'ny 02/01/2012 ny Tompo (ho avy tampoka ohatran'ny mpangalatra hono nefa misy miseho mahalala...)

Esoriko amin'ny voambolana angamba ny teny hoe "VITANTSIKA IO"...

Ary mahagaga fa isaky ny fotoana toy izao aho te hihinana look's foana an...tsy azoko mihintsy...tamin'ny sabotsy zao gisa no laoka, matsiro an...nefa ohatarny look's ihany no tiako hohanina...tsy azoko...

brrr...

 

 


andro tsy hiasana fa hanadiovana tanana...

11/20,2011

Mangataka andro iray tsy hiasana,(tsy asabotsy tsy alahady fa ankoban'andro)...

Tsy hiasana nefa handaraisan-karama...ary hanadiovana tanana...

dia mba zaraina ny kifafa, angady sy ny sisa...(aza adino ny savony hanasana tanana) dia mihetsika ny fokon'olona samy manadio ny fokontany...fa raha izao no mitohy dia tsy ho azo iainana itsony ny loto...

Analakely, Nosy Be, elakelantrano besarety, isotry,67, ambondromamy, ivandry, ambohitsirohitra...eran'i Madagasikara...

akatona ny tsena tsy ao anaty trano rehetra...ny pompier manondraka rano, ny kamio mitatitra fako voangona...

dia ny manolo-tena manadio tatatra...

'Zao foana ve no hiainana hatramin'ny 1980...

aparitaho...aparitaho...(tsy ny fako no aparitaka fa 'lay hevitra...)

ary entanina daholo mba any an-gabone moa mikapa fa tsy eny an-dalambé...na ranony io na ventiny...raha misy fahaporetana...

...

...

...

...

sa hiandry kolèra sy pesta isika mianakavy...








omeko NOTAM ny demokrasia...

09/17,2011

Tena Omeko NOTAM ny demokrasia...

Aiza ve ka dia ny handany vola amin'izay sakafon-tsirom-bava(1) no ifanarahan-dry zalahy, ry zalahy amin'io tsy manam-bola, sady tsy miasa fa mbola velomina(2), ny vola aty ampaosin'ny tena no tadiaviny kaofina...dia midongy sakafon-tsirom-bava...dia hoe Demokrasia, Demokrasia, ny hevitry ny maro ihany...

Dia manomboka ny fitakiana sy ny fidrodrodrodroina...dia ohabolana sisa ampiasaina hoe TSY MAHAJERY VOAMASON-JAZA...

demokrasia : Be no vitsy

Ny akanga maro tsy vakin'amboa, ny mita be tsy lanin'ny mamba, izay mitambatra vato izay misaraka fasika, tondro tokana tsy mahazo hao, ny hazo iray tsy mba ala...be no vitsy...ny hevitry ny maro mahataka-davitr'eh...valalabemandry ...

Ny be izay mbola tsy manana diplôma ofisialy(2) akory, ny fianarana farany vitany CP1, CM2...sssh...izay zany lay demokrasia, manao rodorodon'alika, miara-mirona dia miara mierona...ssssssssssssh...miaraka adala?

Ekena fa tsy dia manao fangatahan'ny be di-doha ry Be sy ny maro. ilay fangatahan'ny be di-doha toy ny hoe : midongy an-kanina eo amin'ny tsangambaton-dRalaimongo, na mivory sy migrevy tsy mety mandeha mianatra sy manao devoara raha vao tsy mahazo, na manimba zavatra eran'ny trano (mamaky vilia...)

Demokrasian'i Didiko-fehy lehibe : ny lehibe ihany no manapaka 

Izay zany no izy fa dia omeko NOTAM ny Demokrasia, Didiko Fehi-Lehibe io ka izahay Lehibe no manapaka...

Amposahay ny hevitrareo Zanako, fa tsy maintsy voatery hatao izany!!!...izahay lehibe no manapaka, Dada sy Neny izany...

Ok? Manomboka izao dia omeko NOTAM ny Demokrasia tsy hiditra ato an-trano...

 

Manao sonia DADA

17/09/11

 

 

(1) sakafon-tsirom-bava : hividiano glasy, hividiano pizza

(2)sady tsy miasa fa mbola velomina: mbola mianatra any amin'ny garabola daholo ny zanako

 


ho resy ihany Picasso...

08/15,2011

Tany Nosy Be no nahitana ny adversaire-ny Picasso...Merci nanaiky nangala sary Madama ah...voninahimpirenena izy ity, misaotr'eh...

alt

Teny antampony, fa dia miala tsiny aminao aho ra Picasso fa dia ho resy tsy ho ela ianao. 

alt

MIlay an, na ny zanako 07 taona aza ve tsa hahavaoka ohatran'io...resy ianao ra Picasso

alt

eny amin'ny Mont Passo no misy an'izao eh, ...

alt

Hevitra

  1. ikalamako

     

    tiako e


  2. kdaombaramita

     

    Ary mandehandeha be i Fin izany aan !

    Dia ohatrinona no ivarotany ny tabilao iray aman'ireo ? tsara tokoa ilay izy !


  3. finoanaranoray

     

    30 000 Ariary
    miady varotra


  4. finoanaranoray

     

    izaho koa tia an'ilay izy fa tsy ampy sôsy aho tamin'io dia naka sary fotsiny sisa no azo atao
    rehefa mba tafaverina any angamba mivanga...

    nefa misy option iray hoe ny zanako no asaina manao tableau dia samy vita...


  5. simp

     

    za dia tsy mba mahay mi-apprecier art izany mihintsy... indrindra fa hoe peinture...
    io ve dia ho vidiana 30 000Ariary??
    otaty izay ividianako tsaky sy beks... vola very maina
    haha

    ^:^


ny manao Pub tsy asa an...

08/08,2011

alt

Ny manao dokam-barotra tsy asa an...voaporofo mazava izany araka ny voasary, ohatrinona lesy no mety ho karaman'i Boay kely?...tena efa tamin'ny androny ankizy "journée mondiale contre le travail des enfants" mba te-hanoratsoratra an'ity.

mbola toran'ny hehy ihany lery nefa vao nahazo carton rouge...

ny godasy jere malalaka be...

alt

Lasa manao style facebook be koa zany blog-ko izany...sssh...sary - soratra kely - vidéo...


Paiso ran-kena

08/05,2011

Ity tena misy tononkira tsy azoko mihitsy...Tsy azoko mihitsy ny hevitr'i Bekoto...Paiso ran-kena eh...misy saina mandalo ihany ato an-tsaiko fa tsy haiko hoe marina ilay izy...

Vokatra ireo paiso ràn-kena
Mirehitra ireo azo mivoara-mena
Ao avaratrin’ny abatoara
Mihintsina ireo masaka

Alakamisy hariva andro tsy fianarana
Mifampitantana izahay roa lahy 
Ho any avaratrin’ny abatoara
Hangalatra ireo paiso ràn-kena

Ref : Mena mena asa raha tadidin’ialahy
            Mena mena ny lokon’ny fahatsiarovana

hatreo aloha mazava be...fa manomboka eto hafa mihitsy an...

Rehefa tonga eny ambony paiso 
Hidiko ny varavarana 
Manasaraka ny ambony sy ny ambany
Ny lanitra sy ny tany

Ny lanitra azo tsapaina tanana
Ny papango nanjary namana
Ny vavanay roa lahy amin’izany
Boba-drà amin’ny paiso ràn-kena

varavaran'inona koa ny eny ambony paiso...manasaraka ny ambony sy ambany? ambany saoka sy ambany faotra ve izany? lanitra azo tsapain-tanana? TSY AZOKO...

Sa misy ifandraisany amin'ity Hiran'i DAma ity, Hafatr'i Mbola, samy misy resaka Paiso mantsy, ry zalahy be Paiso...

Manao takariva ry zalahy
Manao takariva ry zalahy
Ry zalahy samy manana
Sy ry zalahy be paiso
Tandremo sao dia mipika ny any am-pataka
Tandremo sao dia mipika ny any am-pataka
Kakafotra eny ivohitra ialahy
Mangidy ny fanala !

Tsara anaoavana lahatsoratra fanadihadiana any amin'ny Malagasy any amin'ny BAcc angamba ity, fa dia samy hirevirevy eo daholo,...

Dia mbola mirary soa an'i MAHALEO indray amin'iry taon-jobily iry eh...nisy nisolo ve RAOUL amin'ny fampisehona manaraka? iza no hihira an'ny ASIO SIRAMAMY? 

 

 


Jerena fotsiny ohatran'ny....anabavy

08/03,2011

Aza tafintohana...aza mikorapaka...tsy misy mahamoafady eo...

Tsy azo kitihana, tsy azo kasihana...jerena fotsiny...fa dia be ny fendrofendro, ny hirahira, ny alahelo...izay manondrana dia manondrana (dikany 2 samy hafa ireo)...tsy azo amidy na atao haingon-trano...

Jerena fotsiny ohatran'ny...Anabavy...izay ilay famaritana ny "BOIS DE ROSE", jereo anie fa sady ROSE no EBENE... sao mikitika eo an...tsy aleo ve tapahana any daholo dia soloina MANGA...jereo fotsiny...

Paosin'iza daholo ireo feno eo akaiky ireo?...

Ity hoa no tokony ho sary eto fa tssssh...

http://association-rakalobe.org


Rehefa hody ihany ianao...

06/15,2011

Raha hody ihany ianao dia

mitondrà bonbon

tsetsafiko amin'ny alina

hanala ngidim-bava...

Mitondrà koa loaka vao

fa tsisy ato an-trano

laoka misy vary? fa tsy laoka fotsiny...

dia ataovy masaka fa tsisy charbon

...dia sao de mihiaka fa itondray rano

...dia mba jereo any

sao misy pataloha

fa rovitra ny ahy, rovitry ny tolona

teny andalambè...

Aza mody alina

fa modia atoandro,

fa masiaka ihany lay alika ato an-tanana...

ary raha mba azo atao milaza mialoha

fa hotsenaina ianao...

rafa hody ihany ianao 

dia aza omena tsiny 

fa efa nisy zaza teraka ato antokantrano,

dia mba antsangano...

na dia tsy zanakao...

ary aza mba mijery

ny tarehiko efa koaka

tsy lay fahiny intsony,

tsy lay nahatara anao...

 

Atolotra an'i Madama atsy avaratra naheno hafatra hoe hody ny Ramose-ny, Mahereza Madama, aza kivy, izahay mpifanolbody rindrina eto ihany hanohatohana araka izay azo atao.

Marina raha hahita ity akory izy izao, tos tsy mba mpiditra tranon-kala...

Bof

 

 


Tapaka tampoka ny jiro...

06/02,2011

Misy indraindray fahatsiarovana tsy mety maty…nampihomehy ny naheno ny fanamarihana kivazivazy valamaty, 03 moa no niresaka, ny tena latsaka afovoany TMATMA – fa izy 02 mifanipaka hevitra – (zà ‘zany ‘le mihaino fotsiny sady manoaka)…fa dia tantaraina ihany…

-          Bla bla bla, etc etc…aleo ihany hoa ny Ramose, hoy ny andaniny

-          An an, bla bla bla, etc etc…aleo ihany hoa ny Boay kely, hoy ny ankilany

Nifandimby miteny eo ry zalahy…

Tapaka tampoka ny Jiro (…)…dia hoy lay mpanao baolin’ny Boay Kely:

-          Angaha efa tafaverina moa Ramose, no miverina ny délestage(…)

Tapaka tampoka ny tsinaiko…

Fa mila tapahana ny jiro vao mahalany 01 amin'ireto:

alt

Sary tato

 


Piho io jiro io...

05/08,2011

Rehefa nanomboka nanaikitra tsy ankiato ny jirama, dia na ny jiro tsy vonoina aza mampiady mivady...

tena tsy azoko mihitsy hoe fa maninona koa ary izany...

rehefa tsy hanome vola andoavan faktioran'ny jirama Andriamanitra dia aleo ho tapahan'i jirama any...

Tsy haiko aloha na efa manomboka ho jihady kristianika koa aho, fa dia lasa mitady...

mitady hanilika andraikitra any amin'Andriamanitra...lasa tsy mivakivaky loha izany,

ka manjary fiteny lay hoe "rehefa tsy hikarakara ny Tompo dia aferany 'zany"...

Piho io jiro io rehefa tsy ampiasaina...fa mampiakatra faktiora...izany avy koa ka mitady hampiady mivady...

Tsy haiko hoe nanomboka oviana no ohatrany nahatsapa hahamafin'ny fiainana,...,

fa ny hamafin'ny seza fipetrahako ao an-trano mantsy no nanombohako ny fisainana hoe:

fa maninona no tsy lay seza milay be ireny ary no nomen'Andriamanitra ahy,

hipetrapetrahako hamakiako baiboly...fa raha ny vidiny hitako amin'ny gazety aloha dia parata antapitrisany, nefa seza iray an...tsy zaka izany ankehitriny...

dia raisina ny tsindrona ataon-drapasy: "izay anaka no anjara..."

raha tsy mitandrina amin'ity Kristianisma ity dia FAMPIONONANTENA no betsaka

...FAMPIONONANTENA...

Raha sendra mitelin-drora mahita ny tapaka sy namana mandany iraimbilanja 30 tapitrisa 

hanaovana filantsasatra tapa-bolana dia ritra...

dia mampionon-tena sy mitsetsetra...

dia hoy indray ny tsindron-drapasy: "ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra..."...

ratsy ve ilay manao vacances mandany vola? ...tsy dia tena henoko itsony ny navalin-drapasy,

satria izany koa ve dia ratsy...

mety izaho no tsy nahay nisafidy fianarana ahitana asa mampidi-bola be...?

...na laozako mivavaka fotsiny fa tsy mikarataka mandehandeha...?

Piho io jiro io...

Fa aleo dia tsy atao hoe FAMPIONONANTENA fa FAHATOKIANA ANJAMBANY...

satria dia NY ZAVATRA REHETRA MIARAMIASA HAHASOA...(angambany?)

ny harena ara-panahy hono no zava-dehibe...oK...

izao izany : Manankarena aram-panahy...ary mikasa hanankarena aranofo...TANJONA...

rehefa tafakatra enina hetsy iraimbilanja isam-bolana ny faktiora dia tsy maintsy miteny hoe : PIHO amin'izay io JIRO ary aza adino ny mamono ny télé, dia esory ny prise ny Frigo raha tsy misy zavatra ao...dia aleo mipasoka amin'ny fera saribô, dia ..."bonne nuit chérie"...

Ka rehefa manankarena be isika mivady afaka 100 taona dia ampiretina foan ny jiro...100 taona kosa ela loatra e...aleo atao hoe 100 andro...sa ahoana?

 

 

 


Resa-bo...

04/07,2011

Raha miditra any ampaosiko ireto vola ireto dia inona re no anaovako azy e? 

20 Ariary/minitra no alohako rehefa avy eo amin'i Connexion (tsy dia nova firy - nihena aza?)

30 Miliara ariary atokako no hanomanana Fifidianana (aiza akory izay fifidianana teo 01 taona aty aoriana 07/04/11)

8 000 Euros isambolana izany hoe 80 000 000Fmg any hanakaramaiko ny mpampiofana vaovao ny Barea (mbola kely noho ny karama raisin'ny mpanolotsaina vazaha teny Iavoloha) (voaroaka lèry amin'izao 07/04/11)

30 Millions Dollars hividianako Force One (tsy mety lafo hatramin'ty ny andro any)

30 Millions Dollars omeko izay ekipa handresy amin'ny Mondial 2010 (espagne!!!) 

ary 30 Millions Dollars no fanampiana omen'ny Banque Mondiale mandritra ny 04 Taona ho an'ny Fampiroboroboana ny Ambanivohitra (projet 01 mbola mandeha eto Madagasikara)

500 Millions Ariary omeko an'iza? Tsy omeko ny Zandary... (nangina tsy nisy tohiny...hi,hi)

andraso aloha hanao auto-haropaosy

Voasoratsoratra t@ 27/04/10 - natao tomban'ezaka 07/04/11

 


rango-pohy...

03/11,2011

 


Dada malala o

03/07,2011


VANADUIM...

03/01,2011

Marary Kibo nandritra ny firy taona?... nandritra ny 50 taona farafahakeliny...nipiriritra...Harena anKIBOn'ny tany...

NihaSOLA nandritran'ny firy taona?...bolabola...

ireto avy ny lisitry ny mahatonga ny aretina:

URANUIM - FASIMAINTY- ILMENITE - BOLABOLA - VOLAMENA - SAPHIR - FER - PALISSANDRE - GRAPHIT -  NICKEL - PETROL – SINISISA SINISISA

Dia tonga indray VANADUIM 

Misy any izao matahotra ny hihira an'ity hira ity - tsy lany match...

"ity hira ity dia atolotra amin'ny akama "Team" I & II & III sy ry "Taiza ve?"...sy ry Paul mianakavy (eisko Paul ) - mazotoa homana daholo hono hoe izay nahazo vilia, tohizo hono ny fitelomandrora ho an'izay tsy nahazo vilia, ary aza dia miady an-kanina itsony hono nareo 04 mirahalahy, fa ela loatra ny fiandrasana vasoka..." avy amin'i Berta bory avy ao Antrongivaohomana

A tous mes loupés, mes ratés, mes vrais soleils / Tous les chemins qui me sont passés à côté
A tous mes bateaux manqués, mes mauvais sommeils / A tous ceux que je n'ai pas été

Aux malentendus, aux mensonges, à nos silences / A tous ces moments que j'avais cru partager
Aux phrases qu'on dit trop vite et sans qu'on les pense / A celles que je n'ai pas osées
A nos actes manqués

Aux années perdues à tenter de ressembler / A tous les murs que je n'aurais pas su briser
A tout c'que j'ai pas vu tout près, juste à côté / Tout c'que j'aurais mieux fait d'ignorer

Au monde, à ses douleurs qui ne me touchent plus / Aux notes, aux solos que je n'ai pas inventés
Tous ces mots que d'autres ont fait rimer et qui me tuent / Comme autant d'enfants jamais portés
A nos actes manqués

Aux amours échouées de s'être trop aimé / Visages et dentelles croisés justes frôlés
Aux trahisons que j'ai pas vraiment regrettées / Aux vivants qu'il aurait fallu tuer

A tout ce qui nous arrive enfin, mais trop tard / A tous les masques qu'il aura fallu porter
A nos faiblesses, à nos oublis, nos désespoirs / Aux peurs impossibles à échanger

A nos actes manqués

Fredericks, Goldman Et Jones


Nampiesona Andriamanitra...

02/07,2011

Tena hay ve Andriamanita ity mahay mampiesona eh...danz be ilay soridalana nataony...tsy maintsy nampiesoniny aloha...

Tsy nisy "négociation" io ah...

eny eh, nahatsapa fotsiny ilay akama hoe toa tsy misy mety amiko ireto biby sy dinozoro be ireto...tsy misy pointure-ko ireto hoy ny akama...

fa tonga dia nampiesonin'Andriamanitra i Lery, nataon'Andriamanitra ny "opération"...surprise - dia ohatrotran'ity izany ny vehivavy taloha : (Tsy noforoniko izany fa izay voasoratra dia voasoratra...)

raha tsy mivaoka ilay sarina vehivavy voalohan'indrindra dia jereo eto sary

 

mampi te-hihinanana - tsy maintsy andrahoana - asiana sira kely - asiana saosy kely...tsy dia hohanina isan'andro...

tena raha hen'omby ilay izy be nofo be k'ty...fa raha tratran'ny akama kosa manifinify ihany...

misaotra amin'ny ilay fampiesonana Andriamanitr'o...milay ilay mamaky baiboly ka...

 

NB: nahasondrian-tory no dikanteny ilazan'ny baiboly azy...ilay tantara izany dia ao amin'ny baiboly eh... Genesisy...


ho laniko sy ho fiazako 'ty 2011 'ty

01/21,2011

raha 'ty aloha Tsy lany raha vao tsy misy fangarony 

 

izao 'zany no plan handaniako azy, 2011 io:

  • ezahana vakina mandritra ny 04-bolana ny baiboly...ary ho haverina vakiana in-3, manomboka amin'ny gen ka hatramin'ny Apo...mba tsy hivanaka rehefa miresaka amin'ireo miseho mahay baiboly...HO HITAKO EO ARY...

 

  • mody aloha any an-trano rehefa alina fa tsy any ivelan'ny trano foana...sssh tsy maintsy mianatra mitaiza izany...TSY OLANA, Handramana...

 

  • handalina ny fikafika tsy hay amin'ty solos'aina 'ty, fa mandreraka be ilay mi-formaté isan'andro vaky izao...TSY MAINTSY HAPOAKAKO 'ty...ary bye bye virus...

 

  • mandeha mifidy amin'ny fifidianana rehetra...dia izay tsy de be mpanohana no fidiana...satria matetika ny be sy ny maro mifidy an'i Barabasy...(aleo ihany aloha handinika ihany hoe iza no fidiana...)

 

  • dia tsy mandany andro firy amin'ny f a c e b o o k...( manao j'aime fotsiny kosa eh...'lay miditra mihitsy no olana ela vao tafavoaka...)

 

  • dia mba manao vakiraoka (brouillon) amin'izay rehefa manoratra ato amin'ny Blaogy.com fa tsy tonga dia mitapy clavier...(toa nofinofy 'ty koa - tsisy fotoana hanaovana vakiraoka izany...TSY OLANA)


ho be mpikoty indray 'zany ...

01/06,2011

2011...

de ho be mpikaonty ndray 'zany Ragasy ... hifampizarazara vato (vato mamy) bonbon gasy... hahazo vola ny artista... hiparitaka ny kasikety...

hitombo ny t shirt fentina matory...

horaofina amin'ny sobika ny vola zaraina amin'ny sotrokely [izany samy mahazo eran'ny sotrokely ny kôtina, fa ny mpikôty mitondra ny sobika feno mody...]... andeha foana 'lay hira hoe "eh...mandehana mfidy fa..." 

Hifandona ihany moa ka tsy nalaina ny vera sy ny tavoahangy hatramin'izay...

Sary: noteren'ny ONU ve - ary tao anaty commission koa ny bekintana? 

Aleo koa Ragasy mba hiteny amin'izay fa tsssss...vato taratasy...

Sary:tany ambanivohitra be ity sary ity, nalaina Déc 2010- tsy haiko na propagandin'ny TSIA na tsy izany? Mba mahay manao propagandy kosa hoa ny TSIA raha marina fa an'ny TSIA marina io?

Aza hitako aza mahita ahy ...Hum... "tsy lany aho eh..."...fa ny tena lany dia ny PAISO AN-KADY...mbola misy ve? Mba omeo aho eh...


10 taona...

01/04,2011

nonomusic.com

Raha vao nanitsaka 'ty taona 'ty, dia ny 10 taona taloha no tadidy...10 taona lasa...

Nisy ihany fanontaniana be dia be nandalo tao an-tsaina nandritr'izay 10 taona izay : 

"Nahay nifidy ihany va aho?..." --- "sao de mba tokony tary ary ny lalako?" --- "Ohatran'ny nanenina aho?" ---"Tsy nanenenana?" ----

Fa ny asa vita aloha no hifampitsarana : 03 (telo)...mbola ampiana vavy ve? sao dia lahy eo indray...lol

'Ty manaraka 'ty "07 taona" fa dia mahafehy sy mahalaza ny "10 taona" (tsy misy vavikely...)...

ireo rindrina voasoratsoratra sy feno sarisary - nibedesana matetika an-dry zalahy - nandaniana fotoana nolokoina matetika -

ny hadalana vitantsika -

ny nampalahelo nataonao ahy sy nataoko anao...

ny nitaintainana ny aretina nandalo, ny hafanana niakatra nilaina efferalgan...

'lay tezitra fa tsy mba nilaza aho hoe "tsara ny laoka" - "tsara 'lay ankanjo vao novidiana"...

'lay miandry ho kitihana...

'lay nanadino matetika nividy fanomezana isaky ny anniversaire...

'lay fahasarotam-piaro kely amin'lay mpanampy tao an-trano...

Hatramin'izao mbola saro-piaro an'ireo vehivavy efa tsy hitako nandritra ny 10 taona...Hatramin'izao mbola miharitra an'ireo fahazarana tsy mety hialako mandritry ny 10 taona...Hatramin'izao...Hatramin'izao.... 

  

Fito taona

Andininteny roa na telo -Voasoratro tsinahy
Nisy ihany ny mampalahelo - Nataoko anao, nataonao ahy

Feno taona fito androany - Ny niarahako taminao
Isika anefa eny ihany - Izaho sy ianao, izaho sy ianao

Firifiry moa ny adalana - Efa vitantsika roa
Ny fiainana tsy ataoko hoe tsara - Tsy azo hatao hoe ratsy koa
Soa fa nisy ihany - Fitiavana indraindray,
Tsikitsiky indraindray,Fandeferana

Ny lahimatoantsika roa - Herin-taona izao no nianatra
Ka feno soratra avokoa - Na rindrina, na fitaratra

Nônô


Lafika...Ampombolahy...

12/29,2010

 

Amin'izao faran'ny taona izao aho dia mahatsiaro an'ireo tapaka rahalahy...

antsoina hoe Ampobolahy ...

ireo izay lohalaharana amin'ny vaky lay...

ka manolo-tena ho sambotra sy vono, misedra zava-mahamay...

mba hitoeran'ny vodin'ny sasany...

Minia manajamba tsy mahita ambany maso...

sahy misedra ny basy antifin-kavana, misotro ny ankaso...

ireo izay LAFIKA amin'ny asany...

Tsy hiadiako hevitra na marina na rariny ny maha AMPOBOLAHY ,

fa dia ekeko ekeko ny fihetsika izay sahy...

Manaiky atao LAFIKA...manaiky atao lambanana

Hihinanan'ireo mamba - sy ireo zay te mba hanana...

Inona no tsaky?....

 


"Ampidino ny tongotr’ialahy"

12/29,2010

Teny tsy misorona :"ampidino ny tongotr'ialahy" - tohin'ny "tamin'ny telo taona toy izao..."

AMBOHITSOROHITRA. Le « Zanaka » s’est fait remonter les bretelles par le « Raiamandreny » qui lui a demandé de descendre son pied de son genou.

Andry Rajoelina « admonesté » par le Président !

...

 

En effet, c’est généralement le « Raiamandreny » - aussi bien spirituel que temporel - qui accorde le pardon à ses « Zanaka ». Tout comme il peut les admonester ou leur dire ce qu’il faut faire ou ne pas faire. Quitte à les tutoyer. A l’instar du Président Marc Ravalomanana qui a demandé à Andry Rajoelina de baisser son pied, juste au moment où les journalistes ont quitté la salle où devait se dérouler le tête-à-tête entre les deux hommes. « Ampidino ny tongotr’ialahy », a-t-il lancé au jeune maire qui avait effectivement croisé son pied gauche sur son genou, au début de leur entrevue du jeudi 20 décembre dernier. Le « Zanaka » s’est exécuté volontiers à la demande qui était moins une injonction que des « teny tsy misorona » formulés sur un ton de « Raiamandreny ».

R. O

Midi Madagascar  29/12/2007 

... 

Tamin'ny 03 taona toy izao koa no namakiako ireto andalan-tsoratra eto ambany iretoy, ka mahatonga ahy mieritreritra ankehitriny hoe "Mpaminany ve ny jentilisa....?" ...

Nahoana no resy ny TIM

""""...Nanana ny lazany ny nanalana ny takelabin’ny Injet teo Antanimena tamin’ny taona 2003. Ny antony ... hoe tsy manara-penitra ilay takelaby fa lehibe loatra. ... nahatonga ny hadrohadron’ny olona hoe eo afovoana takelaby roa misy ny vokatra tiko ... no nahatonga io fanalana takelaby io. Kanjo dia mbola niverina indray io fanalana takelaby io nandritra ny enimbolana farany tamin’ity taona ity. Efa tena karazam-pihatsiana mihitsy izany. Fahadisoana lehibe (ataoko hoe fingana ihany koa) io fihetsika efa nahazoana tsikera io efa-taona lasa izay nefa dia naverina indray tao anatin’ny taona anomanana fifidianana ho Ben’ny tanàna indrindra. Hafahafa ihany!"

"...Halan’Antananarivo ny fanjakazakana sy ny fihoaram-pahefana. Efa niditra tsikelikely tamin’izany fihetsika izany ny sasany (...) ao amin’ny antokoben’ny fitondrana. Mihevitena ... fa rehefa ao anatin’ny antoko dia tsimatimanota, ary misy mpiaro hatrany na inona na inona ataony. Mety ho nitarika izany fomba fisainana izany ny nanjo ny Ben’ny tanànan’i Toamasina sy Fianarantsoa izay nandalo ny fonja sy mbola any amponja amin’izao fotoana izao satria tsy ao anatin’ny TIM nefa nisy koa ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga izay TIM ... voampanga ho nanodikodim-bola nefa dia mialokaloka any ivelan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao... Ny TIM ihany noho izany no namolavola ny olona “hanohitra” azy nefa rehefa tonga tokoa ny fotoana itsaran’ny vahoaka dia nahazo ny fon’ny olona kokoa noho izy ilay novolavolainy ho “mpifaninana” aminy..."""

http://jentilisa.blaogy.com/post/122/3804 17/12/2007

Ra8: Hay ve dia efa tsy te-hahalala! "...Tsy adala akory ny Ntaolo raha efa nanana fomba fiteny hoe "ny vava tsy ambina no ahitandoza" ary aza manilaka fa ny mpanao gazety indray no diso fampita resaka tamin'ny tafa nataon'izy ireo taminao. Ambava homana, ampo mieritra, tompoko. (Toa ho vetivety ihany dia ho tafala ianao raha izao fomba fiteninao izao! mba sanatriavina anie)..."

TGV - TIM: Ireo ho diso fanantenana sy tsy ho diso fanantenana

"""Ny mpitondra fanjakana ambony mihitsy no tokony hieritreritra tsy haneritery ity mpitantana vaovao ity mba tsy ho afaka hiala bala ny TGV fa noteriterena (aleo halalaka ny fifaninanana raha tena sahy) tamin’ny asany. Alalaho ny sehatra hiasany tsara raha tsy te-ho menatra amin’ny Fivoriambe Afrikana kasaina hotontosaina eto amin'ny 2009 sy ny fivoriamben’ny mpiteny frantsay toa ekena hatao eto Antananarivo amin’ny taona 2010 ihany koa. Antananarivo ihany koa tsy azo teriterena fa dia ho diso fanantenana aminy tokoa raha hilaza anaty any hoe ‘sakoa izay rehefa tsy nifidy izay natolotro anareo’. Izay izy vao hivadika tanteraka fa tsy hijanona tamin’ilay fampitandremana fotsiny teo intsony.""""

Tsindriho ireny rohy ireny raha te hamaky azy tanteraka any amin'ny MAHARESAKA...VETO...NA NY BOLONGAN'NY VAOVAO ETO AN-TOERANA, ETO MADAGASIKARA

 


 


tamin'ny 03 taona toy izao...

12/23,2010

Tamin'ny 03 taona toy izao - 

Fête de Noël : Les dindes à Ar 20 000 Un Noël et une fin d’année sans dinde ? Force est d’y penser. « Les prix de la volaille ne sont plus à la portée de toutes les bourses. Une dinde de 4 kg est à Ar 20 000. Les poulets vivants coûtent Ar 4 000 à Ar 7 000 » nous a dit une commerçante de volaille à Analakely lors d’un interview que cette dernière nous a accordée.
Cela fait maintenant un mois qu’elle s’y trouve. « Depuis, je ne vends que 2 ou 3 dindes tout au plus dans la semaine contre 30 à 35 pour les poulets. A ma connaissance, les gens les achètent non pas pour la fête de Noël et de fin d’année, mais pour leurs familles qui sont malades à l’hôpital et qui ont besoin de bouillons de poulets ».
Nous sommes à moins d’une semaine de la fête de Noël. Des ménages, des mères de famille en particulier ne sont pas encore pressées pour acheter la volaille, et en particulier les dindes. Une dame que nous avons rencontrée affirme que son mari n’a pas encore touché son salaire. Une autre ne pense même pas dépenser son argent pour le menu de Noël.

Des viandes de zébus à la place des volailles
« Chaque année, nous fêtons Noël. Nous préparons des repas très spéciaux. Cette fois-ci, vu la cherté de la volaille, je préfère préparer le menu avec des viandes de zébus. Le prix est plutôt abordable. Je crois que si la préparation est bien faite, les plats seront plus délicieux que ceux qui sont faits avec des dindes ».
Cette mère de famille a eu raison. Mais elle a tort également. Puisque le prix de kilo de la dinde revient à Ar 5 000 contre Ar 6 000 pour la viande de porc. Seulement, beaucoup de ménages n’ont pas la possibilité d’acheter une dinde à Ar 20 000.

- par Herimanda R. 
Tribune 19/12/2007


Manasa hihinana...

12/21,2010

Hazo krismasy

Dodo Toto

Manasy sy Lambahoany

Fontsy lahy na Katakatalahy

Manasa hihinana...21/12/10


mpaminany jentilisa?

12/17,2010

 

 Mpaminany ve ny jentilisa....? ...

Nahoana no resy ny TIM

"...Nanana ny lazany ny nanalana ny takelabin’ny Injet teo Antanimena tamin’ny taona 2003. Ny antony tamin’izany fotoana izany moa dia hoe tsy manara-penitra ilay takelaby fa lehibe loatra. Efa nampisy resabe teto amin’ny tanàna io fanalana takelaby io tamin’izany fotoana izany ary efa nahatonga ny hadrohadron’ny olona hoe eo afovoana takelaby roa misy ny vokatra tiko (hatramin’izao fotoana anoratana izao) no nahatonga io fanalana takelaby io. Kanjo dia mbola niverina indray io fanalana takelaby io nandritra ny enimbolana farany tamin’ity taona ity. Efa tena karazam-pihatsiana mihitsy izany. Fahadisoana lehibe (ataoko hoe fingana ihany koa) io fihetsika efa nahazoana tsikera io efa-taona lasa izay nefa dia naverina indray tao anatin’ny taona anomanana fifidianana ho Ben’ny tanàna indrindra. Hafahafa ihany!"

"Antananarivo dia mpijery ny tranga tahaka ireny. Halan’Antananarivo ny fanjakazakana sy ny fihoaram-pahefana. Efa niditra tsikelikely tamin’izany fihetsika izany ny sasany (ataoko hoe sasany) ao amin’ny antokoben’ny fitondrana. Mihevitena manko ny sasany fa rehefa ao anatin’ny antoko dia tsimatimanota, ary misy mpiaro hatrany na inona na inona ataony. Mety ho nitarika izany fomba fisainana izany ny nanjo ny Ben’ny tanànan’i Toamasina sy Fianarantsoa izay nandalo ny fonja sy mbola any amponja amin’izao fotoana izao satria tsy ao anatin’ny TIM nefa nisy koa ny Ben’ny tanànan’i Mahajanga izay TIM kosa voampanga ho nanodikodim-bola nefa dia mialokaloka any ivelan’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Manao arofanina mandrakariva i Antananarivo. Misy olona niezaka io miaramiaiina aminy nefa dia “iharan’ny tsy rariny”, olona tratran’ny tsindry hazo lena ataon’ny sasany. Ny TIM ihany noho izany no namolavola ny olona “hanohitra” azy nefa rehefa tonga tokoa ny fotoana itsaran’ny vahoaka dia nahazo ny fon’ny olona kokoa noho izy ilay novolavolainy ho “mpifaninana” aminy..."

http://jentilisa.blaogy.com/post/122/3804 17/12/2007

Ra8: Hay ve dia efa tsy te-hahalala!

"...Tsy adala akory ny Ntaolo raha efa nanana fomba fiteny hoe "ny vava tsy ambina no ahitandoza" ary aza manilaka fa ny mpanao gazety indray no diso fampita resaka tamin'ny tafa nataon'izy ireo taminao. Ambava homana, ampo mieritra, tompoko. (Toa ho vetivety ihany dia ho tafala ianao raha izao fomba fiteninao izao! mba sanatriavina anie)..."

TGV - TIM: Ireo ho diso fanantenana sy tsy ho diso fanantenana

 


Hanao sa tsy hanao ianao Rangahy a? (tohiny)

12/12,2010

Izy mivady irery sisa no tavela tao an-trano. Vita soa amantsara ny lanonana...toa lanadanadanaka sy vizabizaka...mijerijery clip amin'ny fahitalavitra eo...sady mitsilailay...mijery an'i Big Ali...

- Dia ahoana no atao, hoy ramatoa.

- Ny amin'inona moa izay fa dia ndao hatory...hoy rangahy

- Ny anao koa hatory sahady ve? tsy mba dinihana aloha hoe ahoana no ho atao?...

- Atao amin'ny ahoana e? hanao inona?

- izany koa dia anontaniana? efa be loatra koa angamba ny mampivadika ati-doha anao...aleo ary tsoriko ny resak'e : hanao ve ianao sa tsy hanao?

-Hay ve...Inona tokotrany moa no misakana ahy tsy hanao?...nefa izaho izany lanadanaka sy vizabizaka amin'ity course lava 'ty...androany fotsiny tena drodroka mihitsy...gauche...droite...sssh...hanao ihany aho Ramatoa o...sa re tsy hanao e?...toa henjana mantsy izy ity...hoy rangahy namaly...tsy hanao aho ramatoa o...

-sssh.... nilaza ianao fa tsy hanao...nefa ny fihetsikao te-hanao...ny safosafo mandambolambo...ny tolotolotra mandinidinika...sssh...rehefa tsy hanao ianao, inona moa no azoko atao eo...miseho henjana nefa tsy hanao..., hoy ramatoa.

-Hanao ary aho sa tsy hanao?...,hoy rangahy nametra-panontaniana sady lasa saina.

-Adabohy any raha tsy mahatanty ny henjan'e..., hoy ramatoa somary sosotra

-Maneso 'ndray...koa tsy mandehana mody any amin'ny Reny Malala any..., hoy rangahy nihomehy.

-Hatory aho izany...fa rahampitso indray ho hita eo na hanao ianao na tsy hanao..., hoy ramatoa sady nihodina naka toerana hatory tsara.

- tsy maika izany ramatoa o!...mbola oviana vao handeha ny fifidianana prezida...fa taiza foana ary ianao...

- fa mba lazao mialoha ihany re hoe tena tsy hanao ianao a!

 

(Tantara noforonina - tsy azo asiana dikany na alaina roniny) 12/12/10

 

 

 

Dia lasa Rangahy, nandinin-tena - efa namboariny daholo ny kianja filalaovana aloha...

- ahoana ry hahavita ihany ve zah?

 


Raha tsy hifidy izany dia tsy hifidy BEN ny tanana koa? sy Depiote?...

11/11,2010

43.7% 

Io no ny mpifidy nandeha nifidy tamin’ny fitsapakevimbahoaka tamin’ny 2007 …lany ny ENY 75.23%

Tsy nanaiky ny fitondrana ve ny 67% no nahatonga azy tsy nifidy...sa natahotra fa na hifidy TSIA aza dia hivadika ENY noho ny hala-bato…sa narary tany amin’ny hopitaly dia tsy afaka nifidy…sa nilaozany nampiaraka...

tsy hay tsy hay…

Raha toa manaraka ireo hevitry ny tsy hifidy - dia rehefa tonga koa ve ny fifidianana ben'ny tanana dia tsy hifidy?

Kizo marina ve izy ty ry zalahy a?

Dia tsy hirotsaka koa ve i Satro-bory na i Fetison amin'ny fifidianana ben'ny tanana any Tana?

Nefa anie dia toa hoe tena tian'ny vahoaka be mihitsy izao ankolafy 03 ao Tana --- ka dia tena azo antoka izany fa ho lany...(70% aloha e)

Sao dia sanatria tokoa hiova ny vokapifidianana ao Tana amin'ny fifidianana Ben'ny tanana----, ka ovaindry zalahy ny valin'ny avy eny ambanivohitr'ny Kaomina Ambonivohitry TAna (ohatra eny Paraky sy Nosy BE) fa aleo tsy mirotsaka...sarotra inoana izany...

Dia sady tsy hirotsaka koa izany no tsy hifidy amin'ny fifidianana ben'ny tanana...nefa anie dia toa hoe tena tian'ny vahoaka eran'ny Madagasikara ny voninkazo TELOMIOVA...METY HO azo antoka tanteraka fa raha mirotsaka ireo dia ny 70% ny ben'ny tanana dia ho lasany... 

nefa indrisy mantsy ry saosisy fa... fa.....

Fa na dia efa i Satro-bory irery aza sisa no midongy tsy mihinankanina eo amin'ny tsangambaton-dRalaimongo dia mbola UNIlateral sady tsy CONsensuel foana...anontanio anie Chissano e...


5 minitra fotsiny dia vita...vetivety izany rangahy..

11/09,2010

Fiteny andavan'alina sy andavan'andro ilay hoe "vetivety izany rangahy..."...dia avy rangahy miesona avy eo...ny eo ampikenokenonana no maha-ela sy tsy maha-ela azy.

Ka rehefa nataoko ny kaonty dia dimy minitra eo ny ahy. Raha tsy hoe angaha voelingelina...

Dia izay no nanapahako hevitra fa hanao aho, na dia dimy minitra fotsiny aza dia vita...02 taona latsaka izay, izay aho vao nisy 5 minitra...

Ka dia fanararaotana tsy misy ohatran'ity...05 minitra ampy ahy izay...

gaga ihany aho amin-dry lerony tsy mety manao mihitsy...tsy azoko?...koa maninona raha manao FOTSY...

 

05 minitra fotsiny...no fotoana mba hanehoako ny hevitro ao anaty vata fifidianana...

ENY - TSIA - VATO FOTSY na vato MATY, iray amin'ireo no harotsako...satria tsy maintsy miteny ny hevitro aho...

tena zo-ko ny tsy mifidy fa zaza midongy aho amin'izay...midongy tsy hita hoe ahoana...midongy nefa mitomany te hihinan-kanina...

09/10/11

 

Hevitra

  1. 2907

     

    Ny pate matsiro salone aza ...
    ... 2 minitra monja dia masaka :-P


  2. Kdaombaramita

     

    ela izany marina, fa taiza foana ,

    ny antony ifidianana ary tsy azon'ny olona akory koa !!!!


  3. finoanaranoray

     

    ka izay mihitsy no METY hanaovako vato fotsy...

    teny foana fa leo decon-octet


  4. vah

    Na dia izany aza sarotra ny mavandy fa niparitaka be mihitsy ny famphalalana azy ty...misy gazety manokana zarazaraina eran'ny tanana ka constitu fotsiny no ao antiny... mbola tsy nisy ohatr'zany kosa e...tsy ohatr'zany le tamin 2007

  5. Hery

     

    Tsy resaka hoe zaza midongy na tsia ka. Eritrereto hoe mitsangana tampoka avy any i Osama Bin Laden dia hoe hampanao fitsapan-kevi-bahoaka hoe "Inona no tianareo, hatao Kristianina i Madagasikara sa hatao Silamo".

    Inoako fa na ny silamo na ny kristianina samy tsy handray anjara, tsy hoe midongy akory, fa gaga fotsiny hoe zo avy aiza no hampanaovan'i Bin Laden fitsapankevi-bahoaka?

    Zay le pasy


  6. finoanaranoray

     

    Hummmh....

    toa marina tokotrany...

    Tena mety hadalan'ilay Ambasadoro Amerikana taloha iny mihitsy hoa ny NITONDRA ILAY TARATASY FAMETRAHAM-PIALANA tao Antanimena...

    sssh...


  7. news2dago

     

    Averiko fa nanao in indray ty 5 min de vita ity tena tsssss TPT


  8. hery

     

    finoanaranoray> Tsy hoe mametra-pialana na tsia ny resaka :-)

    Fa angaha rehefa mametra-pialàna ny iray ohatra dia tonga dia raisin'izay manan-kery ny fitondrana fa tsy ifampidinihana?

    Imbetsaka no misy firenena misy mametra-pialàna ny prezidà. Dia ny filoha lefitra (ho an'ny USA) na ny filohan'ny antenimieram-pirenena (ho antsika ohatra) no mandray fahefana sy mikarakara fifidianana haingana dia haingana.

    Raha toa moa misy krizy dia atsangana haingana ny rafitra tetezamita iarahan'ny rehetra... mety afaka miandraikitra ny fiantsoana ny lafin-kery rehetra ohatra ny directoire militaire izay tokony ho tsy momba ny atsy na ny aroa.

    Ny tany amintsika vao banga ny toerana dia avy ry zalahy.


13 Mai pour rien...

05/14,2010

Rehefa mba niezaka notezaina hiteny gasy ry zalahy zanako, dia lasa niteny vazaha...satria dia resin'i  Dora sy Diego, ry Mickey sy ry Tintin ny tena tamin'ny fomba fampianarana, ny any ampianarana koa moa vazaha be rahateo...

fa ny tsara fotsiny dia raha miresaka aminy amin'ny teny gasy ianao dia mba azony ihany, na dia valiany amin'ny teny frantsay aza...

Fa rehefa mifamadibadika ny teny gasy sy ny teny frantsay dia lasa teny gasy ihany. Teny gasy ve ireto teny ireto sa teny vazaha e?

13 Mai pour rien ...

Herintaona pour rien...

ssssssshhh

Hevitra

  1. Kdaombaramita

     

    Ha ha ha, ny azo ilazàna azy angaha dia hoe misy ny tonalité gasy misy ny tonalité frantsay ka samy manana ny heviny ireo teny ireo raha ampiharina izy 2 ireo ! Mahita lalaon-teny koa ianao ity ka !


  2. Tokinao

     

    Dia tena je ne sais pas re Rafinoana a :). beurk :).


  3. Nannie

     

    Ka maninona anefany e ?! noheveriko fa izany anie ilay notadiavintsika e !!! tsy efa làlana hiditra amin'ny fanjakan'ny frantsay koa ve moa isika rehefa samy tsy hanjary ny malagasy rehetra fa mitady ny sezany sy izay hamenoany ny paosiny daholo e !? Na ny olo-manga aza tsisy intsony !


  4. ikalamako

     

    ka lé vava pour parler ange r'ise mandeha ho azy e


  5. simp

     

    aza manao resaka taboo ry finoana ah
    8)8)

 

 


Menu 16 000Ar

05/06,2010

Io misoratra amin'ny Biraom-panjakana io ny toerana...

Tsy azon'ny mpiasan'ny Zone hidirana ato amin'ity Hotely ity fa misakafoin-3 dia rava ny Fanjava raiky...

Hevitra

  1. Kdaombaramita

     

    zany tokoa moa an !!!!!


  2. finoanaranoray

     

    Blagy ...fa mbola misy ambiny atao frais mody sy andoavana JIRAMA sy fanafody...ary hividianana bonbon ho an'ny ankizy...


  3. eprom

     

    Mpiasan'ny zone ihany ve? Tsy ny 80% ny mpiasa malagasy ve no tsy afaka mankao?


  4. finoanaranoray

     

    ie nanomboka tamin'ny 1991, sa 1982
    tsy haiko intsony


nandalo teto ...3

05/05,2010

Nahita ireo Andry

Tsiahy ny Tantara


inona no mampitovy ny "constitution" sy ny vehivavy?

05/04,2010

inona no mampitovy ny "constitution" sy ny vehivavy?

Published on 05/04,2010

  

 

 

Rehefa miresaka mikasika ny maha-vavy ny lahy dia tsy maintsy misy ny hoe "tsara na ratsy ny Constitution-ny"

Izay vao azoko an-tsaina hoe maninona no ovaina foana ny Constitution gasy...

...


nandalo teto dia naka sary...(3)

05/02,2010

Eto no anisan'ny hiampitana amin'ny sary teo aloha...


nandalo teto dia naka sary...(2)

05/01,2010

Nahita ireo fiara

Nahatsiaro ny taloha...

203


nandalo teto... 1

04/29,2010

Nandalo teto aho

dia nahita ny sonia

napetraky ny lasa


Maputo ...latsaka afovoany...Ivato

03/06,2010

Latsaka afovoany...

Raha mijery amin'ny maso tsy miangatra dia eo anelanelan'i Ankatso sy Ambohidempona izao no tokony misy an'i Madagasikara...

Ao no miziriziry hoe maputo ihany...ao no mihenjana fa Ivato ihany...

Fa inona moa ilay tsy nety sy nety tamin'ny Maputo sy ny zanany?

efa nampiharina izy io, nampiharin'ny 4 tonta - fa ireto no olana:

  • Fa tsy nety nitsangana ny Governemanta - satria fa ahoana?

Samy matahotra daholo hoe hanjakazaka amin'ny ministera 6 izay minisitra tafiditra ao - ny Ministera mikirakira vola, tontolo iainana, raharaham-bahiny, ati-tany, fiarovam-pirenena, fifandraisana...

Mazava ho azy izany fa tsy voafehin'ny Filoha 3 sy ny Praiminisitra 1 ny Ministra...satria tsy misy "TDRs"

  • Namendrofendro koa ny sasatsany tao amin'ny 3 tonta, ka dia nahasahy nanoratra tany ivelany fa tsy afaka misolotena an'i Madagasikara ry Ranona sy Ranona - nefa dia tamin'ny anaran'ny fahefana azony tany Maputo sy addis Abeba no nanaovany sonia...

Tao anatin'ny fahefany ve izany?

Tsy nisy niteny ny 3 hafa nanao sonia...

Tsy hay itsony izany hoe inona no andrikitry Ranona - ary inona no andraikitry Ranona?

Tsara Be ilay Maputo sy ny zanany raha tovanana ny andraikitry ny tsirairay : ny tsy azo atao sy ny azo atao? - Izay ilay antsoina hoe TDRs ...

Hatraiza ny fetran'i Didin'ny Filoha? - Ny Co-Filoha? - Ny Praiminisitra? ny Minisitra?

Iza ny hoe : inona no andraikiny? ary iza no mpanapaka farany raha sanatria misy hevitra tsy itovizana? tsy voasoratra mazava tamin'ny Maputo&Co izany...dia avy eo samy miala bala daholo hoe "Ranona no tsy alehany"...

Avohay ny TDRs...dia ho hita eo ny tohiny

Izahay moa dia latsaka afovoany...

eo anelanelan'ny laona sy fanoto...

sady tsy tany Ivato no tsy tany MAPuto&Co

 


ilay Sabotsy (tsy 07 febroary 2009) sy Ramose

02/28,2010

Velona ny lakolosy, Manomboka ny lakilasy - Pejy voalohany ao amin'i "Lala sy Noro"...Rafitra namoaka boky Ireo mpianatra isan-dabilio - Endrey ny fibadabadany Mianatra ny abidy

Fa i Lesabotsy irery kosa - No toa osaosa, Raha namoaka ity boky efa tonta, Nolovainy Tamin'ny zokiny lehibe indrindra
Aoka izany e Raha ny henatra, Nanongo tena - Ka nanitrika tsimoramora Ilay boky : Soa fa tsy nisy nahita

Nanomboka tamin'izay Dia
tsy tafatombina mihitsy - Nierikerika tetsy teroa ô
Nanao fampitahana Tsikariny tamin'izay
Ireo namany vokolokolo - Tsaratsara sy ampy fitaovana Ka lasa tian-dRamose

Vaka dia vaka teo ny sainy, Fa i Ramose Izay nataony ho sakaiza tsara "Nanadino" : tsy nahalala ny anarany akory ---
Kivikivy Lesabotsy fa toy ny very...Hany hery dia nifindra lasy, Ka namonjy ny faran'ny dabilio

Re siosio tato aoriana: Ilesabotsy kely Dia malaza mpanao tsidi-pahitra ny sekoly
Tsy nahatamana hono mantsy Ka naleony nivangabao Nilalao sy mirenireny ô
Afaka madiodio

Ry ray aman-dreny ô
Na tsy hihinana aza ianareo - Na hiakanjo voron-kitsay sy ny sisa - Aza atao tsirambina re ny kilonga
Sanatria tsy haitraitra na savi-tsaranga - Fa ny zaza dia zaza eny ihany
Mandefera raha te-hanana ny tsara

Ifanihy

21/02/2009 no nadika tato - mitombona foana


Andriamanitra be tain-tsofina...

02/25,2010

Fa dia iza loatra aza no mpanala ny tain-tsofin’Andriamanitra, 

fa dia tena mikaikaika mihitsy ny mpomba ny atsy sy ny mpomba ny aroa, mikofokofoka mafy mivavaka nefa toa mbola tsy mivaly ihany…vavaka roa samihafa sy mifanipaka no indray ampiakarina…fa dia he he…farany mampionon-tena amin’ny hoe

 « Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andriko ihany e… » 

Inona moa no idiran’andriamanitra amin’izay resak’ PaolyTika any…tena andraso eo tokoa I Paoly raha dia vavaka tsy mifanaraka amin’ny sitrapony no atao eo…andraso eo hoa Paoly tsy Paoly apostoly fa i Paoly ilay tsy mety tonga mihitsy aty Madagasikara…Satria tonga dia “TSIA” avy hatrany no valim-bavaka… “TSIA, tsy hamaly aho” hoy andriamanitra ka noho izany Andriamanitra tsy be tain-tsofina, fa ny olona no be tain-tsofina tsy mihaino valim-bavaka hoe "TSIA"...

Satria fa nahoana?... 

Izy ve dia handiso ny teniny hoe  

Ary handre ady sy filazana ady ianareo … Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin'ny tany samy hafa…. Fa izany rehetra izany no fiandohan'ny fahoriana ...Ary amin'izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy…amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira… koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany. 

Mety hoy ilay maître be mahay ny teolojia hoe : “eh ...tsy azo atao ny mitsimpontsimpona tenin’ny soratra masina...”

...fa dia hoy aho hoe “izay voasoratra dia voasoratra..., efa andro farany izao...ka tsy maintsy hitranga ireo na dia hivavaka be sahala amin’inona aza aho mba hisian’ny fandriampahalemana” 

Fa LOZAN’izay hiavian’ny fahantafintohana...tahaka ny hoe “ny tompo tsy maintsy ho hombohana teo amin’ny hazo fijaliana fa lozan’izay manaiky ho jodasy eo”... 

Dia eo koa ilay hevitra hoe : “Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao...” 

an’iza tokoa moa izany izao rehetra izao...? 

"Aza atsofoka amin'ny tsy tokony hitsofohana hoa andriamanitra fa manjary tafatsoka irery any amin'ny kizo ianao... izy tavela aty ivelany"hoy izaho mananatra ny tenako

19/02/2009


Miarahaba anareo afaka amin'ny fanjanahana...

02/21,2010

Efa niasa tamin'ny zone ve nareo?

Raha TSIA dia tsy ianareo no arahabaina - fa raha efa niasa tamin'ny ZONE ianao ka anisan'ilay voaroaka noho ny Krizy dia miarahaba anareo aho afaka amin'ny FANJANAHANA...

Efa nandalo tao tokoa aho - ary nahita - na dia toeran'olona ambonimbony ihany aza no nisy ahy dia nahita - nahita ny fanjanahana amin'ny endriny vaovao - nahita ny karama vary masaka nozarazaraina - nahita ny masokarena madinika dia madinika mafamaly amin'ny tombom-barotra maventy dia maventy...nahita ny fanalikana atao amin'ireo gasy kely asaina mitrongy fa tsy asaina homana...

Tsy hitantara zavatra betsaka aho satria mety ho tsara kokoa ny mihinan-kely toy izay mandry fotsy - nefa ny mihinan-kely dia mihinan-kely mandrakizay fa ny mandry fotsy no mampiasa saina hihinam-be...

Arahabaina hoy aho afaka amin'ny Fanjanahana - ary Tonga soa amin'ny Fahoriana vaovao dia ny fitadiavana na famoronana asa?

Raha mba fantatry ny olona aty an-dafy mantsy fa endrimpanajanahana be ny fomba nanamboarana ireny akanjo avy any Madagasikara ireny  - dia mbola hividy ve ry Zareo?  

 Eritreritra nandalo tao aorian'ny fanafoanana ny AGOA nahatsiarovana ilay 100 000Fmg/mois?


Governemanta vaovao

02/20,2010

Ity no heveriko fa tena soso-kevitra hahomby ary hampandroso an'i Madagasikara, tokony ho soniavina an'i Djibouti izy ity - dia antsina hoe "Djibouti I"

ny Filoha : Andriamatoa Joaquim izay mpanelanelana teo aloha - hipetraka sy hiasa amin'ny lapa-panjakana any amin'ny renivohitr'i Madagasikara vaovao dia i Maputo - Maputo ihany Maputo hatrany.

Ny praiminisitra dia Andriamatoa Jean - ny toerana hiasany dia ao amin'ny Carlton.

ny Ministry ny raharaham-bahiny : valovotaka any Congo izay mpanapa-kevitra ny olona tokony hiteny sy tsy hiteny rehefa any ivelany ary ny sazy tokony arotsaka...Andriamatoa Bazily.

ny Minisitra miandraikitra ny fampiroboroboana ny toe-karena : Andriamatoa Ambasadera malagasy taloha tany Madagasikara - nisahana ny fifandraisana tamin'ny Amerikana - mifandray mivantana amin'ny AGOA.

Ny Minisitra lefitra ny raharaham-bahiny sady solontena maharitra ao amin'ny SADEC sy ao amin'ny Union Africaine, hiandraikitra manokana ny fifandraisan'i Madagasikara sy Afrika dia Andriamatoa Marka.

Ny Minisitra lefitra ny raharahambahiny sady solontena maharitra ao amin'ny vondrona Eropeana, hiandraikitra manokana ny fifandraisan'ny Madagasikara sy Frantsa dia Andriamatoa Nirina.

Ny Parlementaire  hisolo vonjimaika ny congresy sy hanapaka ny ho avin'ny Madagasikara dia an-dry zareo Eropeana...

Ny hisahana ny Fiarovana dia ny Miaramilan'i SADEC...

Marihana moa fa Niangaviana manokana ny Miaramilan'i SADEC mba tsy hampiasa ny BASY BE izay ananany fa sao dia hampijaly ny zaza amam-behivavy gasy ... raha voatery tsy maintsy hampiasa izy dia niangaviana hanao satroka...

 

 


Resaka alika: mahafatifaty ve ny alika?

01/26,2010

Leo resaka politika aho dia manao resak’alika…

Ny alika hono mivovo rehefa matahotra…na mitomany valala…

ary ny alika jamban’ny taolana… 

Amin’ny alina iny rehefa misy olona hafa misaodisaody, dia izy no lakolosy maneno voalohany…na dia tsy hanao ratsy aza ilay olona dia mivovo foana ny alika… 

Asa aloha hoe raha omen’ilay olona misaodisaody taolana na hena kely ilay alika, dia mety hangina ve ka hipirina tsy hivovo… fa na dia izany aza raha toa ka misy poizina iny hena kely omena azy iny dia tsy fantany ary tsy ho azon’ny an-tsaina fa hoe misy poizina…fa “kay kay kay” sisa noa ho lazainy eo am-pialana aina… 

Ny alika rehefa miady dia miady taolana izy izay…na miady alika vavy…(?)…ary ny alika be toy ny Berger allemand tsy ho resin’i chien de salon mihitsy… 

Fa ny mahagaga ahy amin’ireto alika ireto dia ry zareo miara-mirona … manara-bavy…ary dia tia mamofopofona izay tsy izy amin’iny fotoana iny…izay matanjaka ihany eo no mahavoa… ary rehefa mahavoa dia miraikitra…ohatran’ny miteny hoe “tsy hiala aho hoa”… 

Mifori-drambo…dia alika ihany io e…tsy misy azo atao itsony izy izay dia arovany mafy ny fitombenany, tena tsy azoko mihitsy hoe fa maninona?... 

Fa ny tena maharikoriko dia ny alika mihinanana ny loany…sy mihinana ny malotony…asa na voajanahary izany na dia ny sainy mihitsy no efa voa…mety hoe tsy mahita hohanina…fa dia efa naloa izao ve dia mbola hohanina indray…fa dia efa maloto izao ve dia hotsakoana indray…(ny dikan’ny maloto eto dia ilay ariana iny rehefa te-hivaoka)… 

Ary mba andramo alaina anie ny zavatra eny am-bavan’alika na eny an-tanany fa dia hahita ianao…hahita kaikitr'alika…

Ary ny alika romotra tsy maintsy vonoana fa manahirana...manjary mampitsindrona isan'andro mandritra ny 1 volana...

Aza mba ataon’ny olona hoe alikalahy ihany hoa…na hoe manao fisainana alika… 

Rarana mafy ny mandika vilana…

26/01/09


Inona ary no ataokoa aty?

01/25,2010

...ny connexion miadana be - mba te hamaky blaogy na vaovao amin'ny internet miandry adin'ny zato vao misokatra...indray mandeha izay ary tena saika mba hijery ny email dia teo adiny firy teo foana farany tapaka ilay connexion...

mazava ho azy fa mandalo miserana maharitraritra amin'ny sisitsisin'i Gasikara aho...

tara vaovao be... gazety efa lany andro no vakiana - gazety omaly tonga androany - nefa ny vaovao afak'omaly no lazain'ilay gazety...Radio RNM - fahitalavitra TVM vaovao tsy ampiampy...Radio Don Bosco sisa...nefa oa dia voafintina be...

Sary izany nalaiko izany...fa dia rehefa mba hampiditra azy amin'ny blaogy aho dia mihisatra be nedala...ary farany "connexion perdue"...

aleo mirôdy fa tssssh... tsy ho mateti-piavy intsony aho raha internet... raha mitohitohy izao...

Manokatra an'i Jentilisa aho - ela be - manokatra an'i Kdaomb - ela be - Simp - Hery - sns milona be...nefa manaikitra ihany ny hofany aloha- ary mikaonty minitra mihitsy...

Madagasikara...Tapenan-tsofina sy maso sa ny manao zavatra tsy mora - ka tsy vita izany tao anatin'ny 50taonan'ny fahaleovan-tena...bof...tsy any tena ny lelo ka mora ny miteny hoe ahisino...

Niakatra ny voankazo...letchi...Manga...Mananasy...manasa o! - matsiro...

ny sary ela vao tafatsofoka ka adaboko...

sssh...ndeha hihinana brochette aho fa tsssh...miaraka amin'ny lasary manga ary asiako obs...ampiako katakata ...Dia mitaingina soavaly tsy iray fa telo...

Amin'ny sabotsy aho handeha hilomano raha tsara ny andro...any amin'ny plage...

Fela mahogo miaro vonio no ataoko kabaka amarai - ampiarahana amin'ny antsary...

milay ihany ny aty amin'ny tany nihaviana ka...ça va...

Efa izy e...samy tsara tsika jiaby...


2009 - Manjakazaka ny miaramila gasy

01/15,2010

Tena nataon-dry zalahy nifafa mihitsy izay sendra azy tamin’ny 2009…nifafa ny kihony…

ary dia tsy maintsy milavo lefona …amin’ity taona 2010 ity indray manarina… Eny e tsy teo amin’izay nidiran-dry zalahy rehetra aloha e… fa na dia izany aza…tena nanjakazaka be mihitsy ry zalahy… (tohiny)


Mpivarotra gasy Voazanaka foana…

12/03,2009

Mpivarotra gasy Voazanaka foana… Iza moa no nanafoana ny ZOMA? – ny nodradraina tamin’izany dia ny hoe MALOTO ny tanana…MIKORONTANA – feno mpangarom-paosy - Amboataiazy…nafindra tesy ka nalefa teroa…Pochard…Petite vitesse…67…Anosy…ny any Tana ihany aloha no tena hitako ny tantarany…

Tadidiko rehefa sabotsy maraina na zoma alina ny mpiasan’ny Kaomina tamin’izany miaraka amin’ny fiaraben’ny pompier manondraka an-Analakely manila ny fako navelan’i ZOMA…hay moa ka voadio ihany raha resaka loto…

Tadidiko ny Polisy na manao ankanjo sivily na manao ankanjo polisy mandehandeha eran-analakely, miantoka ny fiarovana amin’ny mpangarom-paosy…hay moa ka azo atao ihany izany hiarovana amin’ny mpngarom-paosy…

Tadidiko fa tsy afaka nizoran’ny fiara tao Analakely isaky ny Zoma noho ny hafenoin’ny tsena be loatra, ary dia amboataiazy be ny manodidina an-Analakely…

Mazava hoa azy, tamin’izany, fa sahirana ny orinasa vaventy anaty trano ao anivon’Analakely isaky ny Zoma…sahirana satria napetraka lavitra ny fiara ary tsy maintsy mandeha tongotra namonjy birao

Dia nofoanana ny ZOMA…

ampandrosoana ny vahiny?

Noho ny Tetipanorona tsy tafavoaka nentin’ny mpitondra nifanesy teto amin’ny firenena dia nihavitsy ny GASY nahavidy trano teo Analakely : Lasan’ny KARANA – VAZAHA – SINOA – ary AFRIKANA ny ankabeazan’ny trano…

tamin’izaho tany farany dia mivarotra any entana be dia be any amin’ireny Trano fatoriam-bahiny hotely ireny ny Afrikana – sady manofa hotely izy izany no mivarotra – feno entana ny efitrefitra madinika rehetra…

tamin’izaho tany farany dia nampiseho ny fahaizany manao trano avo misy rihana maro amin’ny toeran ety (kely) ny SINOA…feno entana vita sinoa 6ème qualité ny lalantsara  - ny efitrefitra

Tamin’izaho farany tany dia feno gasy mivarotra amin’ny trano fivarotana fa tsy tompom-barotra izy ireny fa mpiasa madinika…na SINOA tsy mahay miteny gasy no Patrô…na KARANA…

ny ankabeazan’ny gasy manana trano ivaotana tao Analakely sisa dia mpivarotra sakafo masaka…

Aiza sisa no afaka mivarotra I gasy kely?

Eny amin’ny sisin’arabe…

Dia roahina, henjehina, …

ny tsena naorina no hitoeran’ny mpivarotra…67 Ha : aty ivelany daholo ny ankabeazan’ny olona no mivarotra – mila ho foana ilay tsena namboarina…ary eran’ny Madagasikara io … mitogaigy eo, fotsiny matetika ilay tsena naorin’I FID…

Nampahatsiaro ahy ilay Ben’ny tanana ny tanana iray izay : tamin'ny propagandy dia izao no nolazainy- hamerina ny Zoma hono izy rehefa lany ka ataon’ny tsena misy rihana…ary ho lokoiny menamena ny sisin-dalana…ataony Edena I Tana…haveriny ny Rova…

Lany tokoa izy fa tsy nahatody hatramin’ny farany, fa lasa niandraikitra zavatra hafa…taty aoriana ela voa nahavita tsena misy rihana ny solony…fa lasa Epicerie kely be dia be sy mpanao reliure sy saisie ary photocopie ny tao anatin’ilay tsena satria LAFO be ny Hofany…

Efa mihamalalaka ny lalana mankeny Anosibe…tsy fota-mandrevo intsony…ary tena isaorana ny mpitondra tamin’izany nanavao io tsena io, isaorana koa ny mpamatsy vola (reny malalaka)…

Efa namboarina ny tsenan’Anosikely…

Fa ireto mifanenjika eto analakely…mialona an’ireo VAZAHA KARANA SINOA migalabona mivarotra ao anaty trano…

Mampahatsiaro ahy ny Tsenan’ny ZOMA…

dia hosasana atidoha foana hoe NY FISAINANA NY FISAINANA...ry zareo irery no misy saina


tsy miteny intsony ny madinika

11/24,2009

Jirama - Farmasia - banky...any angamba sisa no sehatra mba hitenenan'ny madinika...Siligaoma, pecto, bômbô, ireo matetika no tsy maintsy lasa anjaran'ny madinika...

Indrisy mantsy ry madinika, tsy fidiny ho azy anie ny ho tonga amin'io toerana io - tsy nangataka izy hoe ity aho ampijalio - ...nihen-danja hono hoa ny vola malagasy ka ariary dimy aza lasa tokan'e...ary ny iray alina lasa tokan'e...

Milalao baoritra daholo sisa ny olona gasy - ary raha misy trano na tany amidy taty amin'ny toerana nandalovako(faritra eto Gasikara io), ka miparitaka eny amin'ny affichage eny  dia tsy maintsy misy izao soratra izao : en Euros. [tsy misy madinika hahavidy an'ireny trano antoniny ireny koa]

Style fotssiny sisa ny XX50Ariary na XX25Ariary fa tsy maintsy mivadika boribory 100Ariary io rehefa mividy zavatra... 

"pecto sa bômbô hafa no omena na-dramose fa tsy misy madinika?"...

Tsy miteny intsony ny madinika fa efa manjaka ny vaventy...

Mobla misy mitsipona ve raha misy ariary folo latsaka ao anaty taxi-be?


Politikan'ny fanaratsiana...

11/19,2009

ny mamaoka zavatra tsy voahadihady tsara dia "diffamation" ... zavatra tsy mitombona...ny mamoaka vaovao tsy mitombona...

fa mba firy moa ny vaovao tsy mitombona navaokan'ny mpanao gazety? ary mpanao blaogy?...ny tsaho moa etsy andaniny efa manginy fotsiny...dia rehefa samborina dia midradradradra hoe "LIBERTE DE PRESSE" e...

Io indray izao no fampisehoam-pahaizan'ny miseho ho tia politika...manenjika fahalemena maivana ...tsy misy vaingany fa dia halako bika tsy tiako tarehy...

Efa impiry no voaenjika amin'ny vakavaka amin'ny teny frantsay ny mpitondra?...satria hoe rehefa malama vava amin'ny teny vahiny vao mahay mitondra...

Efa impiry no enjehina amin'izay mba niavotany teo amin'ny fiainany ka nahatafavoaka azy ny mpitondra? Mpitondra ronono e? DJ e?...satria hoe rehefa nianatra tany an-dafy ihany vao mahay mitondra... 

Dia sokirina daholo ity tantara antsanga tsy aman'orana ity...pakta tamin'ny satana...seky 4 miliara...mpifoka rongony....jiolahim-boto...mpilalao vehivavy....tsy manana BEPC...

Raha mbola politika mivavaka amin'ny OLON TOKANA dia izay sisa no hiafarany tsy mahay sy tsy mahita afatsy ny halako bika tsy tiako tarehy...Tsy mahay afatsy ny hitsikilo hoe nangetotra hono i Ranona dia atao sariitatra  (...) nisy taindelo ny oron'ny anona...

tsy afaka ny hanokatra ady hevitra amin'ny zavatra hafa  izay ZAVA DEHIBE - toy ny lalampanorenana sns - fa dia HALAKO BIKA TSY TIAKO TAREHY foana...sy politikan'OLONTOKANA...

 


Fanontaniana ny Safidim-bahoaka...

11/13,2009

Dia tsy maintsy atao izany ny fifidianana –

 

ny referandoma …

nefa mba niomana tamin’izany ve ny ankolafy hafa?

efa nisy ihany ny zaikabem-paritrandrajoelina – mitovy tamin’ny fakana hevitra tamin’ny MAP – ny tanjona dia ny maka sary ny fahabetsahan’ny olona tonga nanatrika ny fivoriana…fa dia niady stylo sy kahie ary indemnité no tena izy …

Ny an’I fireharehan-dRavalo kosa ve mba efa vonona?...raha toa ka ny narosony tamin’ny 2007 ihany no arosony dia mety maro no tsy hanaiky (fanjakam-piloha be ?)… Ary ny an’i fireharehana Hafa?

Toa mety amin’ny Ragasython ihany mantsy ilay manompo tompo iray ilay tsy maintsy manonona ny anaran’I Prezida isaky ny mba mahazo micro : “…fitondrana tarihan’ny Filoha X…” – “…Ny filoha hajaina X…” Ilay tsy maintsy manaraka ny baikon’ny filoha na dia efa TOA asainy mivarina any an-kady aza

Koa raha atao co-prezida koa izay hahazo ny laharana faha 2 amin’ny fifidianana filoham-pirenena (azo atsofoka ao amin’ny lalampihinana io – atao andininy voalohany)…dia mba miara mitantantana sôsy ao tsy manankorontana ny sarom-bilany…

Fa mahagaga fa rehefa be laotra koa ny PDs amin’ny tanana, dia tsy misy mivolana mihitsy hoe safidi-bahoaka tsy hajaina (?) – spesialité ny fitondrana efa nisy teto io – efa oviana moa no very zo hifidy I Nosy beI Saint MarieI Fort Dauphin? – ary mba efa impiry I Tana renivohitra no vao avy mifidy izay tiany dia afindra toeran-kafa ny tiany fa soloina PDs? – Fanajana ny safidim-bahoaka izany matoa tsy misy miteny –

Ka angamba mety raha mba soratana ao amin’ny lalampihinana panorenana koa fa tsy azo atao mihaotra ny 3 volana ny fipetrahan’ny olona tsy nofidiana hisolo voafidy, fa ao anatin’ny 3 volana dia tsy maintsy mifidy…

Fa naninona koa no tsy nofidiana mihitsy ny filohan’ny faritra? Ka angamba mety raha mba soratana ao amin’ny lalampihinana koa fa tsy maintsy fidiana volana vitsivitsy ao aorian’ny nahalany ny filoha ny filohan’ny faritra… (tsy efa voasoratra ve izany fa tsy nisy nanaja e?)

Mbola be dia be ny Fanontaniana ato an-tsaiko – fa aleo aloha ho any…

Ohatra

Fa maninona no misy mpifidy tsy azo fidiana? – ny 18 taona ohatra – tonga dia hoe “mbola tsy matotra” hoy ry zalahy –

dia nampiako hoe “maninona ary ny mbola tsy matotra no mahazo mifidy e?”

dia hoy ry zalahy “sssh ady hevitra be izany fa manomboka eo amin’ny 35 taona eo no matotra”…

Ary ny GTT aty andafy angaha tsy hifidy? Tsy misy mba mitolona ho an’izany koa – Isam-bahoaka…mpandrehatra trano-kala fotsiny

Dia hono hoa Loholona mandram-pahafatiny daholo ny Filoha teo aloha hoy Maputo…ary ny Co Filoha mba ahoana? Mahazo manantena ve I Fetison sy Rakotovahiny…Sa tsy raharahan’I Emanoela Izany…

Ary maninona moa raha lany solombavambahoaka dia tsy azo atao minisitra e…nahavoafitaka ny Tana io : Nihazakazaka ery nifidy an-dry Andriamparany, ry Ben’ny tanana taloha sy ny sisa … hay affecte-ndry zalahy ho minisitra fotsiny avy eo dia avy eo esoriny…dia eo vao hoe iza moa ilay 2ème position? – tsy nisy nahalala – Fitaka be vava…fanajana ny safidim-bahoaka

Ary nankaiza ilay Fitsarana mpitondra ambony HCJ tsy nety nitsangana?...ho hitako eo izay sahy hanoratra izany indray ao anaty lalampanorenana...

 


Sakafo fihinan'ny gasy hatramin'izay?...

10/21,2009

Ny gasy hoe hafa ihany...Fa dia resaka teny anjorony izy ity ary tehiriziko ho tantara...

Niova ny foto-tsakafon'i Malagasy tamin'ity taona ity...hay efa sakafon'ny hatramin'izay fa izaho koa no miesona-

Ny Mafana no tena mpamorona teny mitsofoka avy hatrany ao an-tsaina taloha (tamin'izaho mbola kely...) - misoratsoratra eny amin'ny rindrina eny, ohatra:

Je veux t'aider (GVTD tamin'ny andron'ny oe oe - samy mahalala ny fanalavana azy) Le mouvement du Gvtd -Gouvernement transitoire vers la démocratie- a voulu initier le premier 13 mai de l'histoire au stade des 67 ha mais a été réprimé par le régime de l'amiral. 

ny 4M - Club M (aimer)

Dia miampy slogany tena mampihetsi-po sy saina "lasa izao izao dia izao, GVTD" - "ndao"...

ao koa ny "Striga" (ahi-dratsy lasa anaran'ny fitondrana fahiny noho ny lokony - niparitaka be io ahi-dratsy io tany Bongolava tamin'izany  Le striga est connu sous plusieurs noms, selon les régions de Madagascar :Striga” d’après son nom latin, “Ahitra menakely”Arema” ou“Kimenamena”, en raison de ses fleurs rouges (Moyen-Ouest), ...

ny fiteny manainga tamin'izany moa dia ny "oe - oe" - "mamokatra mamokatra mamokatra hatrany" - "fanantenana vaovao" - "lera"- fa ny tena nifantoka tao an-tsaiko dia ny "ankizin'ny taona 2000" ...SUBLIMinal

"Ny minoa fotsiny ihany" natao autocollant niparitaka eran'i Dago vao hanomboka hanoratra tantara ny orin'asa "vita malagasy" tamin'izany- notohizana hatrany hatramin'izay..."Ny amboary ny lalana" –

SAingy indrisy Fa nisy ireo tsy nahatafita hafatra firy - Asa aloha -, toa ireto :

Ao ny "FAV" izany hoe Favy ( ?) FAV Fitondrana Ara-dalana hiany ho an’ny Vahoaka, regroupant une quarantaine d’entités politiques, dont le parti présidentiel TIM, le MFM, le PSD, le GRAD Iloafo, l’AMF/3FM… et présidé par le député de Kandreho,- ary dia lasa LEGALISTA (aza vakina hoe LE Caliste)- nisy nananihany hoe SONEGALISTA mahazo baiko...

ary vao tsy ela teo ny "TSAR"(Tout SAuf R. sa Transition sans R.) izany hoe Tsara (?)Pour renforcer son refus de céder face à Andry Rajoelina, Marc Ravalomanana et les légalistes ont désormais adopté un slogan "Transition Sans Andry Rajoelina" ou TSAR. 

Fa ny tena nivilana mihitsy ny heviny dia ny MAP – nahazo dikany be dia be mihitsy : MAPihomehy – MAPiesona – Miantoka Am-Paosy…

Ny HAT – lasa hoe Hazo Amoron-Tevana…

Ny FAT (lasa hoe FATy..) = Fitondrana faty, vata-paty?

Ny TIM lasa TIMihinana…Tiako I Manandafy 

Fa ny tena hotehirizina dia ny hoe : Niova ny foto-tsakafon'i Malagasy tamin'ity taona ity (efa hatramin'izay kay)...

Ny valin’ny avalin-dry zalahy ny fanontaniana hoe “dia ahoana lety? Inona no vaovao?” – raha sendra mifankahita ankehitriny dia hoe: 

izao mihinana ny NEM izao e

"Ka matsiro ve e?"


vahoaka...sa fokonolona?

10/16,2009

Samy mahay miteny hoe vahoaka daholo ny manam-pahefana isany sy ny te hanam-pahefana...Tolombahoaka e...tombontsoambahoaka e...

Mahafinaritra ka...rehefa mba mahatsiaro ny vahoaka - fa dia tsy mbola faheno firy aloha ny teny hoe Vahoaka vaventy (...) fa dia vahoaka tsy mandandy harona sy vahoaka madinika no fiteny...

Dia ahoana moa raha atao ny fifidianana ka tsy lanim-bahoaka ireo miteny vahoaka vahoaka ireo?

Satria mantsy tsy afaka mitory ny vahoaka, hoe nampiasaina fahatany ny anarany, dia samy manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina manonononona ny teny hoe VAHOAKA...

Ilay vahoaka koa amin'izany toa efa lasa 4 sisa?...dia niampy 1(fiara miombompirenena?)...

Fokonolona no tena izy...

Fa mba firy moa no tsy handeha hifidy e...eo no tena fangalaram-bato...ataoko hoe nifidy ianao nefa tsy nandeha nifidy akory...anontanio anie ny CDE e...nefa raha tsy mifidy ianao dia tsy voakaonty ho isam-bahoaka...

(fa maninona moa ny any an-dafy no tsy mifidy mihitsy e? ;-)...sa tsy vahoaka koa?

 

 

 


Hitolona foana aho...

10/12,2009

Na inona inona hitranga dia hitolona foana aho...

Mety tsy dia mitovy amin'ny valala be mandry angamba ny fomba fitolomako...na koa tena samy hafa tanteraka amin'ny fitoloman'ny valala tsy mandady harona sy ny sarambabembahoaka...izay mety hanaiky ho tangosana ohatran'ny valala voatango...asa mba hitsinjovany ny ho avin'ny taranany ve?...

na mety tsy hifanaraka amin'ny ady sy tolon'ny vato nasondrotry ny tany sy ny hazo avo halan-drivotra...na mety hifanipaka tanteraka amin'ny vinavinan'ny lehilahy nosoran-dreniny menaka izay mety hitady voninahitra sy seza (sanatriavina?)...

Mety tsy ho hitanao eny an-Kianja mihitsy aho...ka hitabataba hanoso-potaka olona...na hanara-drenirano toy ny very ketsa...na hiozongozon-doha hiteny hoe ny mitabe tsy lanin'ny mamba ary ny akanga maro tsy vakin'amboa, nefa dia ho lanin'ny mamba sy ho vakin'amboa ihany...ka mety hitondra mody ra mandriaka...

ary mety tsy hiakatra ny lapa mihitsy...hanindrahindra ny fahaiza-mandihin'ny zana-drazana...na hisolelaka faladia mihosom-potaka...

Fa Hitolona am-bavaka...izay ny ahy  ny tolona...

Manasa anao aho hiaraka hitolona amiko, ny toerana dia eny rehetra eny...ny fotoana dia isan'andro isan'ora...Tsy tolona mandreraka akory izy ity fa FINOANA sy FAHATOKIANA...Fametrahana ny fiainana amin'Andriamanitra...ary fahatokiana fa voavela heloka sy manana ny fiainana mandrakizay...

09/02/09


Krizin'ny Fifandraisana...

10/10,2009

Nandehandeha nitety Madagasikara ny tena, Tsy dia ela izay...dia nahatsapa, nahare, nahita ny KRIZIN NY FIFANDRAISANA...

Efa ela io Krizy io fa dia eh eh eh...tsy nisy nahavaha azy - na koa hoe novahana amin'ny ampahany...

Naninona no may ny Radio Tsioka vao? Naninona no nisy namotika ny Radio tany Ambositra tamin'ny 2002? Naninona noa may ny RNM tamin'ny 2009? naninona no may ny MBS?

Radio iray RNM (02 izy niampy an'i MBS tamin'ny fitondran'ny TIM), izay ihany no manenika an'i Madagasikara, ary manaparitaka vaovao izay heverin'ny sasany fa tsy marina izany Radio iray izany (tamin'izany sy hatramin'izao?)...saika adino ny  RFI mandrakotra tanan-dehibe tsy izy rehetra...

Na i Profesora efa nanana fahefana aza tsy namaha io olana io, ka taty aoriana vao midradradradra fa tsy omena fitenenana ao amin'ny RNM sy ny TVM (saika adino hoe mitovy amin'izany koa ny fahitalavitra...)---raha mba navelanao nanonja eran'i Madagasikara moa ny Radio tamin'izany, indrisy mantsy...

Lafiny ara-teknika?

Inona no ARADALANA? ary fa naninona ny MBS no afaka niparitaka eran'ny Nosy? fa maninona ny Radio DOn BOsco no afaka mandefa vaovao mivantana hatramin'izao? Fa maninona ny Radio FAhazavana no ao Tana fotsiny? Fa maninona ny Radio Antsiva no ao Tana Fotsiny?

Krizy be ny fahazoana vaovao... ny internet moa dia dikavilana sy fafilainga no betsaka...sady vitsy no liana aminy...ny gazety any amin'ny faritra tara andro hany ka vetivety dia lany andro...

Ary maninona moa no tsy mba mifidy mihitsy ny gasy any an-dafy isaky ny misy fifidianana? toa mbola tsy nahare ny voka-pifidiana filoham-pirenen'ny gasy any ivelany aho? Nefa ny vazaha aty toa mifidy ny filoham-pireneny foana isaky ny misy fifidianana?

Very zo ve ny gasy any an-dafy?

dimy minitra ihany no ahazoa-miteny isaky ny 5 taona...ary tsy mahazo miteny akory ary fa taratasy antsoina hoe VATO no arotsaka...raha miteny ivelan'io ianao dia lazaina fa tsy manaja ny safidim-bahoaka...he he...5 minitra ihany azafady

ARA DALANA ve izany sa ARA DRARINY...

  


Konakonaime

09/30,2009

Manahirana an-Drafotsy mihitsy rehefa misolifatra ilay teny hoe kona konaime, asa aloha na miteraka faka mangidy any amin’ny fony na tsia … 

Jeneraly iray izay no nahenoiko io teny voalohany indrindra, ary dia fiteny tao antsaiko rehefa tsindraindray…taty aoriana anefa votsitra teo imason-drafotsy ilay izy…dia fantatra ihany moa ny talentan’ny taranak’I Eva raha hanao fanadihadiana fa dia resiny ny C I S sy C I A…ny teknikan-dRavalo manana ireny tsy misy valera aminy (Colonel Ravalo manana Rich ard io Fa tsy ilay Ravalo manana iray)…Miala fondro manonona anarana Tompoko…  (tohiny)


Didy vaovao no omeko anareo...

09/28,2009

Didy vaovao no omeko anareo Didy vaovao no omeko anareo dia ny…efa fantatra ny tohiny ho an’izay mpamaky baiboly sy mpihaino toriteny…nefa tsy izay ô…  (tohiny)


Angatra manangatra

09/25,2009

Misy angatra hoa ato antranoko ato fa tsy haiko hoe ahoana no atao?

Ny nanombohan’ny nanangaran'ilay raika lahy taloha, no nampikorontana ny trano tahak'izao (anisany fa tsy iny ihany ry ise a)...gravy...aiza moa izao ny hafatra tamin'iny?...na izaho koa aza mbola tsy naheno azy hatramin'ny farany... (tohiny)


nahitana elefanta tao Tana...

09/08,2009

Nahitana Elefanta tao Tana...Nisy Elefanta hita hono dia nanapa-kevitra ny fokonolona fa handefa solon-tena hijery sy hamakafaka...

Ny nampalahelo anefa dia ireo jamba efa-dahy no voatendry fa hisolo tena ny fokonolona... (tohiny)


Mpaka sary daholo...ba 2 sa ba 3...

06/29,2009

Mba ataon-jareo aiza ary ireny sary ireny?

Natao soratra ikalakely zandrim-bady...ilay milalao ny vadin-joky io...Nahafinaritra ny fihaonana amin'ny fianakaviana efa ela tsy hita, mazava ho azy fa dia somary saika menamenatra ihany ny tena satria tsy nanao palitao sy kravaty, fa lobaka fohy tanana, - ny lehilahy rehetra manao - fa dia nanamafy saina hoe :"izay rangahy ny Kolontsaiko ah"...lamba landy fotsy kely izay no mba nasampiko niaraka taminy...

Nanomboka ary ny Sinema (sary mihetsika?) - dia nikabary ilay mpikabary...ohatran'ny hoe mitady tsy omen'ny andaniny ery...fa izay ilay hoe Sinema eh - efa fantatra fa efa azony io ka mbola angatahany indray - plivava re izao - blabla re izao - Ohabolana re izao - fa dia teo aho no niezaka nijery fa kanto be ilay teny gasy mihaingo hainteny...ary tapa-kevitra ny hividy boky fampianarana mikabary mihitsy any aoriana...

Dia lasany hono Ikala, natakalon'ny VODY ondry - ary nolain'ny fa FOZA...tsy FOZAORANA fa fozavavy...

Teo koa no nahitana ARIARY DIMY, efa ela aho tsy nahita an'io an...ny karazam-bola rehetra mantsy no nanaovan-dry zareo tapi-maso...

Tonga dia Firaisana avy hatrany no nitodihan'izy roa kely, hisoratra...

Fa ny tiana ho raiketina dia izao:

Mpaka sary izany maka sary izany...samy maka amin'ny numérique-ny daholo ny olona...angamba ny antsasaky ny mapanatrika tamin'ny fangatahana lasa mpaka sary daholo - angamba ny antsasaky ny mapanatrika tamin'ny soratra mpaka sary daholo - toy izany koa ny tany amin'ny fety...

Fa dia lasa nifampavongovongo eo aloha eo maka sary...ohatran'ireny tena star na mpanao politika ireny hoa izy roa kely...

Enim-bolana lasa izay, nifankahita indray izay...

Aiza daholo hoa ilay sary nalain'olona ireny no toa ireto fotsiny sisa, mantsy azy, EFA NOVONOIN-DRY ZAREO HONO FA TSY NANDALO TANY ISIKA NAKA AZY hoy izy...

Hay moa ka vonoin-dry zareo ilay izy rehefa lasa ny volana "faute d'espace"....

Dia maninona raha tsy naka fa nanelingelina teo aloha teo fotsiny...

izay ilay hoe "GASY FIANAKAMS MPAKA SARY...TSY DIA NY SARY LAOTRA FA FITIAVANA HITSANGANA ENY ALOHA"

fa ilay bà hoa 2 sa 3 eh...manaoainina be ilay mbola manolotra takolaka fahatelo nefa ilay olona efa dify (voarakitra amin'ny horonan-tsary) - avy eo indray ianao mijanona eo amin'ny 2 izy mbola mihodina ametraka fahatelo tena saika teo amin'ny molotra...hummm

 


Tsy azo hiraina intsony INY LALANA INY?

06/27,2009

toa hoe tsy azo hihiraina any am-piangonana FJKM itsony "iny lalana iny"...

Satria ve tsy mifanaraka amin'ny foto-pinoana FJKM?

Koa naninona raha alohany ny nampidirana azy tao amin'ny fihirana raha dia efa notsinjovina izany?

Sa noho izy nohirain'ny andaniny teny an-dalambe?

Tafiditra hatrany ve rangahy ny resaka politika...

AVOHAY POLITIKA

...AVOHAY ANY AM-PIANGONANA

Raha misy hoa ny tsy demokraty indrindra dia ny Fiangonana...


Fa inona no dikan'io Saina io...Saina Malagasy

06/24,2009

Mazava ho azy fa hanangan-tsaina aho...Miala tsiny amin'ndry zalahy tompon-kevitra amin'ny amin'ny fanafen-tsaina mandra-paha aho...

Fa inona hoa ny dikan'ny saina gasy eh?

Ilay Mena misy milaza hoe fiandrianana : Jaky...( sa tamin'izany dia efa nisy naminany hoe AREMA?) - sa Ra Mandriaka? - sa doro-tanety (mena = afo eo ambonin'ny maitso = tanety sy ala)

Ary ilay Maitso? : Tontolo iainana ve? ny ala antsinana? - sa inona?

Ary Maninona ny Maitso ao ambanin'ny Mena - tsindrian'ny Mena ? Sa ny Maitsovolo (tanora maitso volo) dia Miaina ambaniny ny Mena foana...? 

Ny Mena sy Maitso mba mitsivalana ihany (mandry hilika) - fa ilay fotsy amin'ny sisiny no mitsangana, fa maninona?

Sa hoe Manangana saina fotsy fa resy lava? dia mody asiana mena sy maitso fotsiny...

tena tsy azoko mihitsy hoa ny dikan'ilay Saina?

dia maninona koa no "maitso-fotsy -mena" no fiantso azy fa tsy fotsy mena maitso - sa miady rima amin'ilay hoe ssainam-pirenena

Na dia tsy azoko aza ny dikany dia hanangan-tsaina aho...


Vitsy no ho vonoina ho faty alohan'ny 26 jona...

06/20,2009

Satria variana amin'ny fandehan-draharaha ny Gasy, dia tena mino aho fa ho vitsy no ho vonoina ho faty alohan'ny 26 jona...ary dia mety ho ambany dia ambany ny salan'isan'ny ra latsaka...
 
Na hisy Merssa na tsy hisy Merssa...
 
Na ny manam-pahefana na ny Legalista...
 
Na ny misy saina na ny tsisy saina...
 
Na ny TIMihinana na ny Hazo Amoron-Tevana...
 
Eny hoy aho Ho vitsy ny Gisa , Kisoa sy Akoho halatsa-dra atao laoka saosy, ho vonoina ho faty atao sakafo 26 jona...
 
 
 
 


izao va rangahy...

06/10,2009

Basy poleta 1, 2, 3

Basy Lava 2

Sabatra 2 miampy 1 efa tapaka

Antsy, grenady

Miaramila 15 samy manambana basy ny sasany tafondro fanao an-tsoroka

Tsipika 2 miampy zana-tsipika

Basy hafahafa (laser angamba)

Fiara haingam-pandeha vitsivitsy...

Biby masiaka maroamaro (liona - dinozoro - dragon - ...)

Aiza moa no tsy hilalao basy rehefa any aoriana any, aiza koa moa no tsy hanao "pointe"...

plastika daholo ireo - ary ilay fiara dia fiara kely kilalao

Tena sahirana mihitsy aho satria dia ireo no kilalaon'ny zanako 3 lahy, ny ankabeazany moa dia azony tamin'ny didim-paotra - ny sasany nitomaniany dia novidiana tsy fidiny...izao ve rangahy...mbola kely ohatr'izao ve dia milalao izany sahady...

Nefa ny dahalo moa ve nilalao basy koa tamin'ny mbola kely?...toa tsy mitombona indray ny eritreritro...aleo rangahy kely ohatran'izao dia manao kilalao miaramila sy ankitifitifitra dia rehefa lehibe mba efa leo ...Mbola mandinika foana aho hoe "mba mitombona koa ve izany"...

Inona no kilalao vidiana ho an'ialahy amin'ny fetin'ialahy? - Raoplanina na Basy...

Miteraha mba hahita hoy Neny izay rehefa mba be moraly izahay fony mbola mpitovo, ka nidradradradra hoa "ny zanako tsy ividianako kilalao mahery setra izany" - hay tsy nahajery voamason-jaza akory rehefa niteraka...

Ary raha hividiana saribakolivavy izy 3 lahy? mety hitondra voka-tsoa sa voka-dratsy?

Hevitra

  1. kdaombaramita

     

    Ilay saribakoly manja ireny dia mba mahay mijery ny canon-canon !!! ha ha ha ! Ny ahy aloha h@ izao dia mba basy 1 ihany no fiadiana novidiako ho azy, fa ny sisa avion (sao lasa pilote), hélicoptère, zava-maneno isan-karazany (mba hizatra izany raha mafy ny manjo fa ny mozika manamora adim-piainana), fiarakodia (iny no hanehoanay ny toetran-dehilahiny fa vahany tsiray² dia esahiny haverina na dia tsy mety intsony ary), baolina (basket sy foot : ary tena tiany tokoa ny milalao azy), fa dia mbola tiany lavitra ilay peluche ireny fa miara-matory aminy daholo ny anakidimy be izao !!!! tsetsatsetsa ts yaritra leiroa .............


  2. ikalamako

     

    "ny kivadivady aza moa nataony" hoy ny hiran'i Levelo...


  3. mangamaso

     

    Afangaro daholo ny kilalao izay tiany, na saribakoly izany na auto, na ho an'ny zaza vavy na lahy, fa rehefa lehibe ny vavy hanana fiara ary ny lahy hitaiza zanaka :-).


  4. hasinina

     

    dia aza adinoina ny mampianatra Raosijamba sy Jiro kapoaka sy ny Mampiady ravina sy ny mampiady omby tanimanga e


  5. henitsoa

     

    mmmH mamy ny zanaka...

    Tsy hohadinoana ireo kilalao soft ireo ry zareo...

    Saribakoly gonflable va re?


  6. simp

     

    lol
    tsy manakivy ah @ le saribakoly...
    ho lasa mpanjaitra lamody izy ary indrindrindra... ho lasa tia lehilahy :)


proudly malagasy

06/05,2009

BROETY MALAGASY... (araho ny rohy) Namapalaza ny gasy io Hatsikana io ...

 

Ny Gasy hoa hafa ihany, sady misy sinoa endrika no misy vazaha endrika no misy senegaly endrika, no misy karana endrika sns fa dia gasy ... kompoze (composé sy la soupe no tiana tenenina)...antsiben'Andriamanitra (arc en ciel no tiana tenenina)...Tiako i Malagasy... (tsy misy miresaka TIM na TGV eo...sssh....mandreraka izany...)

 

Samy manana ny fiteniny...nefa toa teny iray ihany...Mbola tsara...Manao ahoana...Mbarakaly...Akory li...Tsara va tompoko...Salama...sns dia bonjour daholo no dikan'ireo...Tsara hoa ilay samihafa miara-mitoetra...gasy izay...Tiako i Malagasy... 

 

...

 

Dia ilay manindraindra  ny Razana hoa TSY Tiako , Taranak'Andriana  e ... Andevo e... Borisatroka e... Foko izao e... Ataovy amin'ilay fombandrazana ... ilay tsy hita izay maharatsy azy e...

 

Miampy an'ilay Manindraindra havana manana seza : HAVANAY anie Rafitomanana ! (eny havana tsy dia akaiky aloha e)...TSY tiako rehefa tsy nisy nanontany an'izany dia izany no abosesika...

 

Gasy hono ka hoe...

Hevitra

  1. simp

     

    looooooooooooooooollllllllll
    iny indray no tsy hitako :-)


  2. simp

     

    in no filaza an'zany?

    gasy ka manja :-)


  3. simp

     

    sa gasy ka exotika
    hahaha


  4. LeRastah

     

    Ilay manindraindra havana manana seza io no tena mampiavaka antsika :-)


  5. Kdaombaramita

     

    ILay milaza firazanana tsy manindraindra amiko fa anissan'ny mahaolona io ;-)

    Ny hoe havan-dRafitomanana : olomanga anie Rafitomanana e, fa izay havana "fozaorana" no tena loza ! Izaho aloha "havany" na dia tsy mifankahafantatra ary izahay satria samy mankafy ny fampandrosoana firenena e ! hi hi hi !


  6. ikalamako

     

    Okiiiiiiii !
    Ary tena génie ny Malagasy (we are so proud) d'avoir inventé la fameuse brouette - mouahahaha


  7. mangamaso

     

    Mbola tsy takatry ny saiko mihintsy izany antsoinareo hoe "fozaorana" marina ! :-).


  8. LeRastah

     

    Mitovy isika sy i Mangamaso amin' io resaka io. Izaho koa dia nampitaha resaka tetsy sy teroa teto amin' ny internet ihany, fa tsy mbola azoko tsara ny hevitr'ilay hoe "fozaorana" (Ankoatr'ilay hira).
    Tany am-boalohany io teny io dia toa nidika hoe "tovovavy kely jefijefy", dia avy eo angamba mety niova.


  9. Kdaombaramita

    Mangamaso sy LeRastah < inty ny momba ny fozaorana ka ataoko fa io no niandohan'ilay teny izay midika hoe ZAVA-DOZA ("fléau" no ieritreretako azy). Fa natao ho lasa argot ilay izy itenenana ny ratsy rehetra, ary lasa fanopàna mihitsy ary.

  10. Kdaombaramita

    Mangamaso sy LeRastah < inty ny momba ny fozaorana ka ataoko fa io no niandohan'ilay teny izay midika hoe ZAVA-DOZA ("fléau" no ieritreretako azy). Fa natao ho lasa argot ilay izy itenenana ny ratsy rehetra, ary lasa fanopàna mihitsy ary.

  11. finoanaranoray

     

    Milay hoy aho ny Gasy...

    sady mahay mi tacle sy manova palitao an...


  12. finoanaranoray

    normaly kay lay manova palitao satria ny ry imbe ihany no tsy mety miova hevitra na dia efa hevi-diso aza...

  13. mangamaso

     

    Hay ve ! misaotra akia fa mazava amin'izao e! :-)


  14. finoanaranoray

     

    Efa azon'i Mangamaso an-tsaina izany hoe iza tokotrany moa ilay fozaorana an...


Titanic & Madagascar

05/27,2009

Horonan-tsary malaza ary nampitolagaga ny ankabeazan'ny olona ny Titanic sy Madagascar...ny hifandraisany moa dia misy dian-tanan’I Steven Spielberg

Fa dia tamin'ity indray mitoraka ity dia Titanic I Madagasikara...eny tokotrany, "film" efa nandeha io...

tamin'ny Titanic anefa niandry hatramin'ny farany ny "Commandant" - ary nihira mandram-paha ireo mpihira (dj angamba no fiantso azy amin'izao fotoana izao)...mihavaky mihavaky ny sambo...tsy hita ny mpamonjy...mbola raikitra ihany anefa ny ady saritaka...sao dia Titanic i Madagasikara?

Angamba hoy aho, tokony hisy "film" vaovao indray hotontosain'i steven Spielberg mba hampivaha ny olana eto Madagasikara...fa tsy Terminator lava izao... (Terminator Renaissance)

Nanombonomboka farany 2008 mantsy no nivaoka i Madagascar 2, ary nanombonomboka tamin'izay koa ny krizy...?... ary mety hivaoka ato ato indray I Terminator Renaissance

Madagascar...tafiditra tokoa moa I Alex (avy any amerika)… I Jurassic Park mampivandravandra ireo Dinozoro (politika)...i E.T. moa tsy lazaina itsony, fa dia mipoitra ho azy eny...I Indiana Jones nampiseho ireo harena be misy - hifampandroitana - avy eo tsy misy ho raisina...

Lasa finoanoampoana izy ity?... "il faut sauver le soldat Ryan"...sa "il faut sauver madagascar"... sa "the Rivals ?"...

Tintin...

evitra

  1. naritsimba

     

    finonaranoiray> izany tokoa angamba no atao hoe nofy ririnina, tsy ho rendrika i Madagasikara, satria ny Commandant Ravalomanana efa tsy eo, Ratsiraka moa tsy lazaina intsony, aleo @ izay ho entin'ny mahay ny firenena, @ izay izy tsy sambo intsony fa TGV.
    Tsy ho rendrika i Madagasikara
    Mitohy foana ny asa e, tsy maintsy mandroso Madagasikara na inona na inona filazan'ny TIM.


  2. ikalamako

     

    ngô dé mba mission impossible r'ise ?


  3. finoanaranoray

     

    Tena Mission ImpôtCible marina


  4. zafintaolo

     

    Mbola tsy rendrika tanteraka ny sambo ary ho tafita fa minoa fotsiny ihany :)


  5. dadasy

     

    Fanampim-baovao no omeko: Efa nivoaka t@ ity volana Mey 2009 ity ny film Terminator farany, mitondra ny lohateny hoe : "Terminator Salvation" !! mety hanampy anao @ aingam-panahy hanohizana ny tantara voalaza etsy ambony.


  6. finoanaranoray

     

    Mba tsara fiafara ve ilay "terminator salvation"...? sa mbola "intrigue" ...

    "the rivals" (mbola hivaoka) izay misy ny dian-tanan'i Steven Spielberg mantsy dia adin'olon-droa tsy mifanaraka - Madagasikara koa io...

    Bof

 


Governemantan'Angatra...

05/26,2009

Nivory hono ireo gasy efa maty tany amin'ny fiainan-tsi-hita...tsy izy rehetra anefa fa izay maty nisy namono noho ny tolona...

Ny antony ny Fivoriana dia ny fananganana Repoblika fantôme...satria dia efa tsy lasa intsony ny korontana ataon'ny velona an-tanindrazana...

Mazava ho azy fa dia Kolonely Ratsimandrava no lany fa atao présida...lanin'ny mpivory rehetra io...satria dia anisan'ny maty novonoina izy...Ny didimpitondrana navaokany voalohany hono dia ny nanome amnistia an'i Zimbo...

Fa dia tsy hita hoe iza no atao praiministra, satria dia toa olona tsy dia be diploma avokoa ireto maty ho an'ny tanindrazana...ireo mba manana diploma moa dia tsy nety nirotsaka satria "leo" hono izy, ny vitany aza nanenenany...Mazava ho azy fa dia nanahirana be torak'izany koa ny hanendry hoe iza no ho Ministra...

Tonga saina avokoa ary ireto mpivory fa dia tena natao fitaovana tokoa fony fahavelony...ka dia tapaka ny hevitra fa dia HANANGATRA ry zareo...ka eny tsimbazaza no atao ny fitokonana...

Tsy nanaiky anefa ny antoko "10 aogaositra" ka nivaoka ny trano tsy nety hifampidinika itsony, aminy mantsy dia tsy maintsy eny iavoloha no atao ny fanangarana...ny any antoko "13 Mai" moa dia vaky 2 avy hatrany, eny analakely ihany ny no toerana tokony hanangarana hoy ny sasany - eny Ambohijatovo hoy ny sasany - eny Ambohitsirohitra hoy ny sasany... ny reservista sy ny nanohitra azy tamin'izany moa dia eran'ni madagasikara mihitsy no tena tiany...

Nifanaritaka Ambondrombe iray manontolo...tabataba izao...

taitra aho...oadray amin'ny firy izao ... amin'ny 2 maraina...Nofy ririnina


Ilay Kisoa lahy ‘ty

05/02,2009

Hatramin’ny nahavoan’ny gripa an’ilay kisoa lahy ‘ty, dia voatapim-bava (jereo eto ny vehivavy voatapim-bava) ny ankabeazan’ny olona…tsy dia afaka miteny firy itsony noho izany fanapenam-bava izany…satria dia tena matahotra fa sao dia mihatra amin’ny aina…

izany dia noho ilay kisoa lahy ity ihany…  Firy sahady izay ny maty  noho Ilay Kisoa lahy ‘ty ? 

Na ny ONU aza lasa nikoropaka mihitsy noho Ilay Kisoa lahy ‘ty… 

Biby miverina amin’ny naloany…biby mpihinana maloto…biby tia mihosim-potaka…biby be tenda tsy mifidy izay arapaka…biby manimba ny fofon’ny tontolo manodidina…nefa MATSIRO (samy manana ny matsiro aminy io - sa ahoana?)

Mibitaka indray izao ny apokalipsy tsy mihinan-kisoa, ny adventiste tsy mahalala ny tsiron’ny kotileta, ny anjoany tsy nanandrana tsaramaso sy henakisoa… 

Sakano ny kisoa sy ny sombim-patin-kisoa azo hohanina tsy hotafiditra ny sisin-tany fa sao handroban-draha 

Inona no laoka ao androany? 

Henakisoa sy voanjobory…

Toa ny Teo Ihany no Miverina, tsy vao haingana ve isika nanao izany laoka izany? Tena Gaga sy Variana mihitsy aho…dia tena tsy mahita laoka atao mihitsy ve nareo e! Arosoy MAFANA ary e…inona moa no azo atao?... Ary inona no “dessert” – tsindrin-tsakafo mantsy e?  Laoranjy Marikivy makadilo nify 

Hevitra

  1. LeRastah

     

    Na izany aza, dia tokony ho mailo ihany i apokalipsy satria tsy ny "fihinanana" kisoa akory no mahavoan' ny gripan-kisoa, fa ny rivotra iainana, izay mitondra ny otrikaretina (maladie à transmission aérienne).


  2. ikalamako

     

    Tena Gaga sy Variana tokoa fa ny Teo Ihany no Miverina r'lé kisoalahy ty !
    mouhahahahahaha
    Mahita lazaina mihtsy ity bandy ity kah, makasitraka e....


  3. Kdaombaramita

     

    Mandrosoa re mandrosoa re Ravinanto ô ô ô, Trondro maina sy voatabia re ny laokantsika a,
    Atao ahoana fa vehivavy ity reninao a !
    ...


  4. finoanaranoray

     

    :-)

    Masiro...miaraka amin'ny anamalaho...

 


Tsy misy "précis" ny teny gasy?

04/22,2009

Tena tsisy « précis » mihitsy ny teny gasy… ? 

Raha toa ka “mazava” ny dikany dia toa tsy mety satria toa “clair” no hevitr’izany, izay tsy voatery ho “précis” mihitsy… 

Raha toa ka “voafaritra tsara”, dia “bien défini” no hevitr’izany fa tsy ho voatery ho « précis » mihitsy… 

Raha toa ka “tsy miolakolaka”, dia “direct” no hevitr’izany fa tsy ho voatery ho « précis » mihitsy…

 

 Inona ary no dikan’ny « précis » amin’ny teny gasy ?...tsy dia tena “précis” tsara hoe inona no dikan’ny “précis”… 

Ny tiana lazaina tsy tahaka ny hoe tsy “précis” tahaka ny ampitomboana sy ampiana ihany io, sarotra be ny mieritreritra hoe ny zavatra ampitomboina iray ny isany dia tsy miova, fa ny ampiana iray no miampy iray… 

tena tsy "précis" ho'a ilay Andafiavaratra  ny Praiministra, nandrasana tao tamin’ny ora voatondro ka he he he, sao dia any Andafy Avaratra kosa e? (any ampitan-dranomasina)... tsy misy “précis” hoy aho ny teny gasy… (dia sahala amin'ny kilalaon-jaza-kely izy ity) 

tena tsy "précis" ho'a ilay “famindram-pahefana” noeritreretina hoe  “fametraham-pialana” hay moa “tsy fametraham-pialana” ny “famindram-pahefana” (voafitakin’ny fandikan-teny daholo ny mpanao gazety eran-tany) … tsy misy “précis” hoy aho ny teny gasy…(dia sahala amin'ny kilalaon-jaza-kely izy ity)

tena tsy "précis" ho'a ilay dikan'ny hoe "NDAO LASA IZAO IZAO DIA IZAO" hay ny dikan'ny hoe ndao hamonon-tena hovonoin'olona...tsy misy "précis" hoa ny teny gasy...(dia zazakely daholo no fiheverana an'azy e)

 Na tahaka ny hoe “ambadika ao”, valin’ny fanontaniana – mbola lavitra ve? - rehefa mandeha tongotra any ambanivohitra, hay ary amin’ny “100 km miala avy” teo… sy ny “indray mahamasa-bary eo no eo dia tonga” hay moa tsy vary soa fa vary maina eran’ny vilany be…

RedRed...

 

Hevitra

  1. sitlo

     

    Lasa mot a mot ilay izy raha ezahana adika amin'ny teny gasy daholo ny voambolana vahiny rehetra.
    Raha fehezan-teny (ma fehezan-kevitra) misy hoe "precis" no adika dia inoako fa misy mahadika "tsara".


  2. zafintaolo

     

    Zaho mahita.
    'précis' = 'voafaritra mazava tsara' no mahadika ny hevin'ny 'précis' rehetra.
    Satria: mba avereno adika amin'ny teny frantsay ny 'voafaritra mazava tsara' dia lasa 'bien clairement défini'='précis'


  3. Tokinao

     

    Mitovy hevitra amin'i sitlo aho!
    Manaova ange teny frantsay misy hoe "précis" e! ... misy hatrany ny ahafahana mandika azy ho teny malagasy:

    à 7h précis = @ 7ora tsy diso
    plus précisement à andafiavaratra = ny marimarina kokoa dia ao andafiavaratra.
    un lieu précis = toerana voatondro mazava.
    sns.

    Momba ilay mari-pandrefesana indray kosa : ny indray mahamasa-bary, ny iray njehy (asa toa io ve ny fanoratra azy?), sns :

    Amiko dia matsilo saina ny razana raha namorona an'ireny satria efa nanomboka namorona mari-pandrefesana sahady izy ireo. Eto dia ampahatsiahiviko fa ry zareo anglisy dia nampiasa ary mampiasa ny :
    - iray felantongotra ( one feet)
    - iray ankihibe (one inch),
    sns.
    (amin'ny sehatra maro maneran-tany dia ampiasàna ireo)

    Taloha dia tena ny vatan'olombelona no nataon-dry zareo ho fandrefesana. Taty aoriana dia natsarainy izany ka namorona zavatra lavalava iray izy (tokana maneran-tany io zavatra io. "echelon no anarany, izany hoe modely), dia io no nolazaina fa tena iray felan-tongotra, ira ankihibe, sns.

    Izaho manokana dia mino fa raha tsy tratry ny fanjanahan-tany isika dia ho haintsika koa ny hampivoatra io fomba fandrefesana io, ka mety ho lasa fandrefesana malaza koa. Asiana fifandraisany amin'ny fomba fandrefesana iraisam-pirenena ange dia vita e :). Ity fanatontoloana ity koa moa loza ihany, ka na tsy nisy aza ny fanjanahan-tany ... toa tsy hisy ihany aloha ilay vinavinako e hihihi.


  4. ikalamako

     

    mdr fa mampatsiahy fony SN ilay hoe ao ambadika ao. Hamonjy biraon'ny zandarmaria atao antongotra, nandeha antsasak'adiny nanomboka nanontany dia ny valiny efa kely sisa fa ao ambadik'io bonga io fotsiny, dia nandeha lasa ny adiny iray, nanontany olona hafa nifanena indray dia kely sisa kah, dia nita rano t@ lakana, dia mbola efa kely sisa, dia mbola nisaka rano nanainga zipo-kilaoty ry zavavy sy pataloha salopety ry zalahy dia indray mahamasa-nahandro indray (raha andrahoina @ saribao dia tokony ho adiny telo fa raha andrahoina @ gaz dia adiny iray fts farafahaalikany), teny ka teny vita soa amantsara ny 50 km vao tonga anoloan'Ingahy lehiben'ny Zandaramaria adiny efatra aty aoriana : ça use les souliers hozy simp. Fa nilay be fa nianatra fiainana daholo t@ zany.

    Miverina @ tena resaka, angamba kosa bien précis ny hoe "rouge avant d'expert fa expert avant d'être rouge" (latsaka ny rà menamena vao mahay mipetraka fa efa expert :-P)


  5. fahamarinana

     

    ikalamako : njy koa nahatadidy tsara be an ! ié ,hoe ao an'anona ao dia lasa foana nefa tsa mety tonga mihintsy ,ny tena efa kajo tanteraka !
    Za manokana tsy mana-kambara mikasika ny dikan'ny "precis" satria na ny fiteniko sy fanoratro aza tena misy precis sady tsy ampy mihintsy ,mba tsy hilazana fa diso tanteraka e!


  6. sitlo

     

    katroka koa ohatraaaa


  7. finoanaranoray

     

    katroka? ...

    tena nianako mihitsy io ao ambadimbadikao io...


  8. finoanaranoray

     

    ok Ratokinao a...ezaka atao io raha mbola tsy votifitifitra fahatany izahay aty amin'izao fotoana izao...

    zafintaolo: ilay teny(mot) iray no tsy misy angamba e ... ilay "précis" anie "ponctuel" e ...

    fa tena tsy misy ny dikan'io tany amin'ilay rakibolana amin'ny aterneto...


  9. Soanja

     

    Precis amiko dia midika hoe "voakendry". Ny hevitra hoe "kendry" dia milaza zavatra efa nodinihina sady ara-tanjona voafaritra ara-tsiansa ny vokany.
    Ohatra: Kendreo tsy ho vaky ny voanio raha alatsaka avy any ambony hazony.


  10. harilova

     

    precis dia tsy teny frantsay fa nohajariana ho frantsay, avy amin'ny matoanteny latinina prae-cidere, izay manome praecisus...
    raha adika amin'ny teny malagasy dia mazava hoe : manara-penitra.
    Ny prae- aloha (sy aoriana) ary cidere (tinapaka) dia milaza ny zavatra iray tsy mihoatra ny fennitra ho azy.
    Koa aza ambaniana ny teny malagasy, ary raha tsy misy teny tokana mahadika ny precis dia satria mazava ny antony, tsy teny tokana izy tsy akory...
    Ny mampalahelo dia ilay pécis mihitsy no tsy hainareo ny dikany fa tsy ny teny gasy...
    raha te handika teny araka ny tokony ho izy, farafahakeliny ahay, fantaro ny fotopototra niforonan'ilay teny


  11. finoanaranoray

     

    sao dia "viser - cibler" kosa ny voakendry? na "objectif" ny kendry?

    kendreo tsy ho vaky ny voanio = visez bien les cocos afinqu'ils ne seraient pas cassés???

    sa hoe ny kendry = cibler d'une façon précise? -- mety ho izay angamba


  12. finoanaranoray

     

    harilova : fa angaha misy manambany teny gasy izany ... tena tsy haiko tokoa ny dikan'ny précis amin'ny teny gasy...mety ho haiko ihany any aoriana any...

    manara-penitra ve tsy hoe "normal" (norme)


  13. Ndrianaivo

     

    Araka ny hevitro ... tsy hoe "tsy misy teny mahadìka ny précis" fa "maro be ny teny malagasy ahafahana milaza hoe précis" araka ny hampiasàna azy.

    hitako ho marina daholo ireo naroson'ny rehetra ireo (raha araka ny fijeriko hatrany :) :

    -marina, katroka, sns


  14. bobizato

    tena tsy "précis" ho'a ilay dikan'ny hoe "NDAO LASA IZAO IZAO DIA IZAO" hay ny dikan'ny hoe ndao hamonon-tena hovonoin'olona...tsy misy "précis" hoa ny teny gasy...(dia zazakely daholo no fiheverana an'azy e)

  15. bobizato

    tena tsy "précis" ho'a ilay dikan'ny hoe "NDAO LASA IZAO IZAO DIA IZAO" hay ny dikan'ny hoe ndao hamonon-tena hovonoin'olona...tsy misy "précis" hoa ny teny gasy...(dia zazakely daholo no fiheverana an'azy e)


poatahak’izay…

04/15,2009

Lasa lavitra ny saiko, ka nieritreritra hoe "ianao ity moa izany mbola ho antitra"…

he he…

dia hoy ny fiteny hoe “fitia garanadrelina – miketroketrona vao tena mamy” – izay novaiko hoe “miketroketrona vao tena mama”…

 Izany no fiainana… tsy ho hitahita akory,

dia hikolepaka ireto manga eso…dia hiforiporitra izay tsy izy ity pasoka malama…dia halazo ny hazo eo afovoan’ny saha…dia tsy afaka hanondraka ny zaridaina matetika itsony…ho fola-damosina hitodika… 

Mbola afaka hiteny ve aho amin’izay hoe “tiako ianao” sa hoe “tsy misy mpitia ahy itsony afa-tsy ianao sisa ka dia tiako ianao?”…? 

Dia ho tena marina ve ilay fitia garanadrelina - miketroketrona vao tena mamy, ny “vieille marmite”, ny divay ela, ny fary lava vany, ny farany vao misy ventiny? 

Tsy azoko veroka mihitsy…

mahita ireo efa miaina izany aho ankehitriny dia valalanina, ahoana ary no hahazakany  izao?... sa dia hoe samy reraka sy disaka ka tsy izany itsony no jerena?...sa izay ilay hoe tapi-dalan-kaleha ka mason-tsokina ny kely hananana no hahiratra?...sa hoe izao sisa e?... 

Tsy mety manome tsiny an’ireo anti-môla ny saiko raha vao mieritreritra izany, nefa mametraka ihany azy ireny hoe “mpanararaotra” – mpanararaotra farany…dia misy mamaly moramora ao am-poton-tsofiko hoe “fahanteran’alika ny an’ireny”… nefa… 

Tena hamototra ahy ve ny finoako rehefa any aoriana any ka hahavita fefy tsy hamela ahy hiboritsaka eny amin’ny raozy vao mivelatra…

tena hamatotra ahy ve ny voady nataoko ka tsy hahatonga ahy hitsiriritra sy hihinana voankazo voarara… 

Ho sahiko ve ny hiteny hoe "mbola manintona ahy foana ianao" amin’izay fotoana izay?

Soa ihany fa ny fiainako tsy eto an-tany ihany!... 

Mandalo izao fianan’izao …

poatahak’izay…

Hevitra

  1. ikalamako

     

    ka izay no hanararaotana dieny mbola tsy mikentrona koh, manjary very tour be dia be :-)
    (dia tena mba lasa lavitra koa sain'i twa tato zao kah !)


  2. finoanaranoray

     

    sady lasa saina no tonga saina... tsy hay itsony...

    mila manenjika tour zany aho izao ...


  3. pilato

     

    anotanio Dadazily


  4. ndrema

     

    Efa maty moa Dadazily sa mbola velona?
    mba omeo ny amail an'i dadazily...zfd


  5. razily

     

    Mbola tsy hita hono Razily hatramin'izao

    http://observers.france24.com/en/content/20090330-razily-ravalomanana-supporters-cyber-hero-protests-madagascar

    Ny nahitana azy farany dia ilay nosamborin'ny miaramila sy natao tao anaty 4x4-n'ny kapsaty.


  6. fahamarinana

     

    finoanaranoray : tena mba lasa lalina marina ilay eritreritrao nefa tena mitombona tanteraka tokoa !....Naika nihomehy aho ,naika tapa-tsinay kinanjo nandefa saina ihany dia tonga saina koa fa tena ahoana tokoa re amin'izany andro zany e ? hummm ! aleo tsy heverina marina,araka ny lazain'ikalamako fa ny androany no araraotina!


  7. Kdaombaramita

     

    Tena ratsy no fahitanao ny ho fahateranao izany an !  Ny tena miketrona tokoa, ara-batana ihany io, fa ny saina feno fahendrena, feno experiences, ho fanalahidin’ny hevitra. Tsy ilay vadinao ihany no mbola hiteny aminao fa mbola tiany foana ianao. Nahoana moa no hanimba sy tsy hanaja tena sy ilay fitia niarahana tamin’ny mamy sy ny mangidy ka “hiboritsaka eny amin’ny raozy vao mivelatra” ? Raha tsy hoe tena manao adina “stars” ise ? Ary ireo taranaka (raha tsara taiza izy ireo) sy ny manodidina anao haka hevitra aminao daholo. Ny namana mitovy taona tsy tapaka etsy an-daniny hiaraka adala sy hametsovetso, sy hikakakaka ny adalana natao fahiny. Tsy ho irery akory ianao fa hoe heverin’ny olona fa “martien”. Tsy ekeko ireo fampitahana raha araka ny voalazako noho izany.

  8. Ataovy mafy ny finoana, ary aza adino fa olona mendrika ny fahatokisana ianao matoa nivoady. Ho avy moramora io, ary ho hitanao fa tsy araka ny noeritreretinao satria ny manodidina anao dia tsy hanary anao fa hanampy anao amin’izany. Mety hisy ny zavatra adino na ny aretina, fa olombelona no manodidia anao fa tsy biby akory rehefa tsy be ny ratsy natao. MAHEREZA.


  9. Tokinao

     

    Dia miahiahy ny amin'ny ho aviny foana tokoa raOlombelona 'ka :).

    Izaho indray dia zavatra hafa (izay efa lalovan'ny maro aminareo) no mba mahalasa saina ahy ... dia ny fanambadiana sy ny fananan-janaka :).

    Toa azoko an-tsaina ery izy izany : raha 4 ohatra ny isan'ny zanaka, dia tsy maintsy eritreretina daholo :
    - ny fahasalaman'izy 4 :).
    - ny sakafony.
    - ny kilalaony.
    - ny fianarany.
    - izay zavatra ataony rehetra (arahi-maso rehefa eny an-dalàana sao voadonan'ny fiara,...).
    - sy ny sisa sy ny sisa hihihi

    Dia mba manontany tena aho hoe : mbola hisy tokontaniny ve ny ho fialambolin-drainy :) [ny blaogy, ny fitiavana teny malagasy, ny blagy amin'ny samy mpinamana, ny lalao maro isan-karazany, ny fitiavana mihira sy mihazakazaka, sns. : ireo zavatra ireo manko dia toa tsy ho atakaloko mihitsy ry 'zareo 'ko hihihi]] sy ny fahalalahana : toa tsy azo hatao intsony ilay hoe :
    - rehefa tsy noana dia mahazo tsy mahandro :)
    - rehefa kamo mifoha maraina dia @ 5ora hariva vao mikaly, dia avy eo tonga dia matory indray :).
    - rehefa kamo hanasa lovia dia mihinana anaty sopera hihihi.
    - rehefa tsy te hamafa trano dia lafihina gazety ny gorodona hihihi.
    - rehefa tsara ny andro dia mandehandeha eny an-tsena, na mamonjy famakiam-boky :).

    (hakamoana iray lavaka lllooolll)


  10.  

    O ry Tokinao a, mbola hanananao daholo ireo fahalalahana tianao tazonina fa aza miahiahy e ! tandremanao fontsiny ny ankizy tsy ho sous-alimentés sy ampy torimaso tsara ary ary fitaovana sy mandeha tsara ny fianarany ary indd ho ampy fitiavana dia mandeha zatra io fa ianareo no tsy ho azy, ianao indray no tsy aharaka avy eo !


  11. sitlo

     

    Ny antitra mola moa ny tanora be zesita! Tsy hita be ihany.


  12. finoanaray

     

    Mahalasa saina sady mahatonga saina e?

    izay ilay hoe tonga dia lasa ohatran'ny lelon-jaza...


  13. Tokinao

     

    misaotra an'i tsimitononanarana e :)! ho tanteraka anie ny teninao :)


Lesona faha-3 : Maty ho an’ny Tanindrazana

04/04,2009

  Lesona faha-3 : Maty ho an’ny Tanindrazana 

Mbola mitohy ihany ny lesona ataon’ireo mpanao politika amin’ny gasy kely. Ny antsoina hoe maty ho an’ny tanindrazana indray no nampianarina, izany hoe sombin’ilay Hira hoe: 

“Madagasikara Tanindrazanay, Tany sarobidy….maty ho anao no tena lazanay”  (tohiny)


lesona faha-2: fomba fanaparitahana ny vaton’ny Mpifidy ?

04/02,2009

Fanaparitahana ny vaton’ny Mpifidy ?

Mitohy ihany ny fampiharana ny lesona politika, eo anivon’ireo izay mankamamy izany. Ny lesona natao tato ato indray dia mikasika ny fomba fanaparitahana vato.

 Jereo eto ny fianarana manaparitaka vato, tena mafotaka.  (tohiny)


Lesona voalohany: Ampianarin'ny mpanao po-litika ny Gasy :D

03/30,2009

Nampianarina nanisa aloha ny mpanao gazety:

"10 000 - 20 000 - 40 000. Firy tapitrisa ireo?". izay ilay fanontaniana. nentina teny ambohijatovo sy teny amin'ny 13 mai ary teny Mahamasina mihitsy hanao fampiharana ny lesona. ..."Tena tapitrisa ny 40 000 ka" hoy ny andaniny, "an, an, an...Arivo na aman'alina io ka" hoy ny ankilany...Mifamadibadika io valin-teny io an, omaly ny iray milaza fa "Tapitrisa", rehefa tsy eny itsony izy fa ny andaniny indray no eny dia "Arivo"...toy izany koa no ambetin-tenin'ny andaniny...Fa hatramin'izao mbola tsisy mahay manisa ry zareo e na ny andaniny na ny ankilany. Ny marina anio lasa diso rahampitso, ny diso anio lasa marina rahampitso. (tohiny)


Sinoa, Senegaly,Vazaha, Comores

03/25,2009

Dia tena nihatra tokoa ireto fomba fiteny ireto…

 

Sinoa very entana (Behoririka - nanjakan’ny fandrobana - feno fitoeram-pivarotana sinoa)

 

Sonegaly nahazo baiko (na ny be grady indrindra na ny kely grady indrindra )

Vazaha tara sambo : (niezaka nanenjika ilay sambo ihany ilay vazaha, ary nandeha fiaramanidina mihitsy hanenjehana izany sambo izany, ny sambo nontaigenan’ny endrikendrim-bazaha toa azy anefa efa lasa [izahay tsy hiverina hoy ry zareo raha tsy ny vahoaka rehetra no antsoina hoe vahoaka], tara sambo Ingahy, naka vedety ihany ny niafarany…) 

Echauffement -ny Comores : (be fihetsiketsehana alohan’ny lalao, avy eo rehefa tena lalao tsy misy atokona…) 

Manontany basy amin’ny Anglisy (eny soanierana ny fitoerana basy)

Vazaha lany mofo (Touriste-ny 13 Mai)

Départ Américain (nankany swaziland)


Gravy ny hira...

03/24,2009

Misy marina ve izany hoe "message subliminal"? fa dia tena misy hira ohatran'ny mandrisika hanaraka firehana tsy eken'ny saina...mahagaga fa lasa miverimberina ao an-tsaina tsy mety miala mandritra ny andro ilay hira...

 

Tandremo : Tena "mivantana" manasa ati-doha mihitsy ny Hira maka endrika politika, na sendra maheno tsy nahy sy tsy fidiny aza, … lasa te hihaino bebe kokoa ho azy izany. Fanapahan-kevitra hentitra mihitsy no notapahana hoe "hira tsy alehany izany", "hira tsy mitondra fahasoavana eo amin'ny fianako!".

 

Miala tsiny aminareo mpanakanto mpihirahira fanentanana hitolona aho fa dia VONOIKO tsy hoe ho tifiriko ny Basy akory fa vonoiko ao an-tsaina…ny hira toy izany.

Raha mihaino ny hiram-pitoloman’I Sareraka izao dia lasa Mpanohitra ho azy teo, dia miverimberina ao an-tsaina foana iny hira iny, … ary raha sendra tafahira “ka sahia” dia toa lasa sahisahy hafahafa teo…indrindra moa raha ilay hira hoe “ao anaty boky mena…” dia lasa te-ho eny Ambohijatovo hitady boky Mena, Ambohijatovo tsy Kianjan’I demokrasia io fa Ambohijatovo mpivaro-boky tonta…

Ao indray ireo Hira malaheloelo : hira mivetso fisarahana ohatra...lasa te-hisaraka ho azy teo rehefa mihaino elaela, fa angaha tsy loza...dia mamorona ady mangatsiaka amin'ny andefimandry, te ahita azy mandeha miala...dia avy eo te hiantso azy indray - nefa anie dia tsara ery ny mihaino ilay hira e, ao tsara daholo ny hakantony…

Ary koa tadidy ilay fihetsikin’ny Ray aman-dreninay tamin’izany…Samoela nanao hira mivatambatana, fa dia tsy tian’ny Ray aman-dreny mihitsy fa tonga dia hoe “vonoy any izany”fa manimba saina…nefa rehefa hira vazaha, toy ny “Faisons l’amour avant de nous dire adieu…” mandeha tsara tsy misy blabla…eise e…mahery ilay "message subliminal"

Fa hanao veloma ny sehatra hono I Henri Ratsimbazafy, ka mba ho fahatsiarovako azy, dia mba mametraka ireto fanontaniana ireto amin’ny tenako aho sy aminy:

Inona kay ilay lamba mikopakopaka? Ilay tsara sy ma te-ho tia? Ilay toa miantso hoe avia ? : … ve?

Ary dia misaotra fa dia tena ny ankabeazan’ny fiainako no nohirainao : fitiavan’ankizy, fiara-dalamby, trano falafa, Mahafatifaty, Andriamanitra fitiavana, indro tazako ianao re ry tiana, Fony aho, vola, ny lehilahy, ianao (hizarako ny hasambarako)…Anao no nidramiko

Mipoa-tsarok’e…

Efa ela aho no nivoady - fa hijanona tsy hanambady
'Zaho tsy ho voarebireby - hitebiteby ;

Koa ataoko sanatria - izay ho tia ka tena tia
ary hanao ny hadalana - dia ho voatana,

Kanjo asa foana teo,niseranan-dry zareo,
niova hevitra avy hatrany - babony aho no niafarany,
tsy nahateny fa nalemy !

Ny masony, toa mangarika
'nefa koa malefadefaka fijery
MAHAFATIFATY
ka manintona sy misarika
toa ny misy herimbaratra mahery
MAHAFATIFATY
Tena kanto izany volony
Miondraondra, misarako ao an-damosiny
MAHAFATIFATY
Raha mitsiky izany molony
toa voankazo mena fify ka aoka fotsiny
MAHAFATIFATY.

Ireo sakaizako fahiny - avy dia manome tsiny,
lazainy aho fa tsy matotra ka dia voafatotra.

Ry zareo manao izay tiany - tsisy ora ny fodiany
izay tiany aleha rehetra - dia tsy voafetra !

Ity anefa no mba lalina : rehefa mody izy amin'ny alina
efa nanao kibo an-tsena, tonga tsy misy mpitsena
fa manirery toa ny very

Ny ahy kosa, vao amin'ny enina,
indro tazako izy ery am-bavahady
MAHAFATIFATY
dia tsaroako, tsisy nenina
mahafinaritra ery ny manambady
MAHAFATIFATY
Indro izy misomebika
an-dakozia mikarakara ny sakafo
MAHAFATIFATY
Amizay aho dia rebika
tsy maharitra fa dia manafosafo
MAHAFATIFATY

Nefa kosa, na izany aza,
ny lafiratsiny mba misy kely ihany
TSY MAHAFATIFATY
Rehefa izy no mivazavaza,
menomenona tsy misy fiafarany
mila tsy ho tanty
rehefa misy adi-hevitra
mirintondrintona amin-java-tsisy fotony
tena mahasoso-(tra ahy)
nefa izaho tsy mety tezitra
vao mahita izato fiangotingotiny
MAHAFATIFATY !!
 

 


Mitsara ve ny tantara...?

03/23,2009

Mitsara ve ny tantara? Fiteny matetika sy ombieny ombieny ny hoe SAMY MBOLA HOTSARAIN'NY TANTARA - asa na fitenin'olona resy io na fitenin'ny olona mampisaina, fa dia lasa sady tonga ny saina hoe : Mitsara ve ny tantara?

Mora ve ny tsy mahatsiaro, ka hanamarina hatrany ilay ohateny hoe "RIRININ-DASA TSY TSAROANA", sa dia ny LASA OMBAN'ny LASA no savony manasa ny atidoha, ka mahatonga ny tantara miverimberina sy manao tampody fohy isaky ny tsingerin-taona.

Sarotra tsaroana ve ny TANY NAHALAVOANA, ka hiverenana indray, Sa ny zokibe toa ray no tsy mba namela hafatra ho an'ny taranaka fa nahalavo sy nahasolafaka iry lalana iry ka mitandrema, Sa dia ny RAHA MATY AHO MATESA RAHAVANA sy ny RAHA MATY RAHAVANA MATESA RAOMBY no antontan-teny filamatra?

Iza no mpanoratra ny tantara ho velarina hodinihan'ny sarambabembahoaka? Ny fomba nanoratany azy ve no tsy hay vakian'ny valala tsy mandady harona, ka mahatonga azy ireo ho solafaka amin'ny tany nahalavoan'ny teo aloha?


Vero taingenam-pody...

03/18,2009

Miala tsiny fa teny frantsay...

Credo de la paix

Je suis coupable de guerre
quand j'exerce orgueilleusement mon intelligence
au détriment de mes frères humains.

Je suis coupable de guerre
quand je déforme les opinions des autres
lorsqu'elles diffèrent des miennes.

Je suis coupable de guerre
quand je ne tiens pas compte
des droits et des possessions des autres.

Je suis coupable de guerre
quand je convoite
ce qu'un autre a honnêtement acquis.

Je suis coupable de guerre
quand je cherche à maintenir la supériorité de ma position
en privant les autres de leurs opportunités d'avancement.

Je suis coupable de guerre
si je m'imagine que ma famille
et moi-même devons être privilégiés.

Je suis coupable de guerre
si je crois qu'un héritage me donne le droit
de monopoliser les ressources de la nature.

Je suis coupable de guerre
quand je crois que les autres
doivent penser et vivre comme je le fais.

Je suis coupable de guerre
quand je fais dépendre le succès dans la vie,
de la force, de la réputation et de la richesse.

Je suis coupable de guerre
quand je pense que la conscience des gens
devrait être soumise par la force plutôt que suivre la raison.

Je suis coupable de guerre
quand je crois que le Dieu que je conçois
est celui que les autres doivent admettre.

Je suis coupable de guerre
quand je pense que le pays qui a vu naître quelqu'un
doit nécessairement être le lieu où il doit passer sa vie.

Ralph Maxwell Lewis


Misaotra fa namana e...

03/16,2009

Misaotra fa namana e...


ndao ovaina...ny hiram-pirenena

03/11,2009

“tahionao ry Zanahary
ty nosin-drazanay ity  
hiadana sy ho finaritra 
e sambatra tokoa izahay”
 
 

Sao dia tokony ovaina lesy io Hiram-pirenena io fa dia tena tsy misy vokany mihitsy. 

Efa olona firy izay no nihira an'io im-piry nefa mbola TSY SAMBATRA IHANY tokoa izahay... (ampijalian’ny drog bas na koa antsoina hoe gros bras…),

sa ilay Zanahary mihtsy no  be marenina 

Efa nohiraina daholo ny andininy 3, fa dia eh eh eh...

ary ilay hiram-pirenenan’ny TVM ilay alefany alohan’ny fandaharana sy kabarin’ny Filoha iny aza lasa ohatran’ny hafahafa be izany ( ohatran’ny tsy mahazo ventin’aina izany ilay antokom-pihira) 

Maninona tokoa moa, ohatra, raha ovaina an'ilay hira  hoe:  

"choc, choc, choc – halako magnano choc
ady ady ady halako olo-miady
olo-tsy mahay miaigny mandrombaka ny ambiansy
choc choc choc  e halako magnano choc e i a" 

sa mety lasa mihetsiketsika be, mety handihy eo am-pihirana ny hiram-pirenena...

Izao indray ary, raha tsy mety iny e, ho soloina an’I Ka sahia e, dia ny anaran’ny Filoha no ovaivaina:

“Ka sahia andeha hiara-dia…Aza kanosa Ka avia a
I Filoha no hitondra antsikaTiako ny Malagasy” 

Sa mety manindraindra AVI be… Sa ity hira ity rangahy dia ovaina ny tonony a, nefa toa hiram-paty be : 

“Aza manadino anay
Ry Ambohitsirohitra
Aza mba manary anay
Hanalavitra anao
Mitodiha vetivety…
Hampandroso sy hampety” 

Hevitra taingina marina...ity no tena mety e

 
Toa lavitra be ny eny Ambalambahoaka 
Raha tazanina avy eny Ambohikobaka
Toa lavitra be ny eny Ambohikobaka
Raha tazanina avy eny Ambalambahoaka
Tsy mahatazan-davitra ny any Ambalambahoaka
Tsy mbola afaka mitsinjo ny vody andro merika
Tsy tazana mihintsy ny any Ambalabahoaka
Fa varimbariana ny lavitra ny eny Ambohikobaka
Ny eny Ambohikobaka variana Mivarotra rorono an-tavy
Ny any Ambalambahoaka sahirana 
Mitady ny hanina hohanina anio
 
Toamangina be ny avy eny Andohasaha
Raha henoina avy eny Ambohikobaka
Aza ny lohasaha mangina no jerena
Fa Ambohikobaka an-tampon' ny loha
Tsy heno mihintsy ny avy eny Andohasaha
Avo feo loatra ny avy eny Ambohikobaka
 
Nankaiza tokoa ary ny feon' ny tantsaha
No ireo mpisolo vava no mbola tompon' ny laka
Ny eny Ambohikobaka mifaninana 
Mamadika bainga hivelomana...


Izaho mivarotra seza...

03/10,2009

Izaho mivarotra seza izay mitady. Misy karazany maro :

  • Dablio: ho an'izay mafimafy fitombenana, kelikely ihany ny sakany...tsy dia tena amporisihana loatra ianareo hividy an'io fa manjary mitady seza hafa rehefa ela ny ela fa tsy tamana,...dia lasa miady seza...fa tsara io amin'ny fiarahana 2 na 3 na 4, rehefa hiaraka hisakafo sy hianatra.

Tabouret: ho an'olon-tokana ihany io, maozamaozatra koa no mipetraka aminy...mety hiadivan'ny olona koa any aoriana fa aza mividy an'io...raha izaho nareo tsy mividy an'io, na dia mora entina an'i Mahajanga sy any Toamasina aza.

  • Pouf: io indray afaka ho entina mandehandeha, ho an'izay tsy manana seza raikitra...sady tsy dia mavesatra no afaka atao solon-tseza (reserva) raha toa ka very seza tampoka...

Strapotin: vitsivitsy io sisa, fa dia tena be mpividy tokoa, fa tsy maintsy miaraka amin'ny palitao mora avadika izy io, fa raha tsy izany tsy mety...ka raha tsy manana palitao mora avadika ianareo dia tsy dia tsara ny mividy an'io...

  • Salon: io indray komandy manokana, tsy maintsy mifanaraka amin'ny diplomaty aho vao afaka manafatra an'io...sarotsarotra ihany vao mety azo io an, mety hipetraka amin'ny goudron ianao...ary mety hanao polisy volera eran'ny tanana vao hahazo azy...sur commande.

Ankalana: io moa dia tena sasatra vao mahita azy, raha tsy hoe manafatra any amin'ny valala bemandry mpisolo vaikan'ny ankalana...aza mividy an'io fa tsy fipetrahana io fa fitetitetehana hena...mody ohatran'ny seza fotsiny ny paoziny.

Sy ny sisa sy ny sisa e...

Mba tsy hisian'ny ady seza sy ny fitiavan-tseza moa no nanokafako ity varotra iray ity.

Fa ny seza tsisy intsony dia ny "seza arenina", efa lasan'ny malagasy io mba hiterahany an'i Demokrasia HONO...


ntsss...

03/09,2009

ntsss...

Tena mitohana be mihitsy ny fifamoivozana ... fiara izany tsisy aleha itsony. iny misy olona mandalo mandeha tongotra andeha hanontaniana...

- fa misy aksidan angaha ao no ambotaiazy be?... 

- an an an, misy mpanao politika malaza be ao...

- mitokona indray ve sa manao filaharam-be?...

- an an an tazomin'ny "gros bras" ao anatin'iry hotely iry lery dia tsy avelany mandeha hono raha tsy manome vola be 40 millions an-dry zareo raha tsy izany dia hodorany amin'ny lasantsy nedala... dia tohanan'ny vahoaka ny lalana sady misy solon-tena mitety fiara ao mangataka izay foy...mbola ho avy aty ireo solontena ireo hangataka izay foy omena ireo "gros bras".

- dia ohatrinona no omen'ny olona?

- Lasantsy 2 litatra isan'olona eo ho eo...andorana an'i lery

- Ntss... 

 

hatsikana nadika vilana


Mbola ho antitra ihany...

03/09,2009

Samy ho antitra ihany lesy dia maninona no mifanome aretin’an-doha tahaka io an, samy ho antitra ihany lesy raha mbola tsy tonga aloha ny Tompo, mba mipetraha tsara moa lesy fa manakona an…mba samy hihira an’ity hira ity ihany anie rehefa antitra fa dia mba mipetraha moa fa tsy misy hakana tsirony ny fiainan’e e…mbola samy hitelin-drora sy horarak'ivy ihany rehefa antitra mahita ilay voalaza ery ambany…sy hahatsiaro zoma manifikaao moa lesy fa aza be dongy eo an... aza migafy lesy a...

Ouh ! Ouh! Ouh! Eh! eh!eh! ...Veloma ny lasa letsy ry zalahy a!

Soara   soara soara soara e e e! --- Antitra vao be ny tanora --- Antitra   letsy 'ty ka antitra e --- Antitra letsy   Dadazily a, Antitra letsy   Dadazily a,
 

Maraina ny andro, maraina ny andro --- Irery antrano, irery mitanondrika  --- Manganohano, manganohano tsy afaka e! --- Mahatsiaro , mahatsiaro ny andro lasanà a!
Tazanina io miantona @ rindrina e! --- Io ny sary mariazy---Rafotsy mbola "jeune" misarona ny voaly… "Souvenir" sisa.

O! Rafotsy o…! Rafotsy a…! Rafotsy e…!
Jeram-potsiny efa ketrona sy lany --- Tsisy mamy intsony ny oroka nafana --- Aiza ho aiza lay bôgôsy fahizay e ! --- Miara- miondrika eto amorom-parafara

Tsy hita intsony ny hamamin'ny alina iny e---Mangatsiaka ny mamanton'alina iny --- mivadibadika   Rafotsy misohiaka ---Feno banga, tsy hita intsony zany bika --- Aiza ho aiza ny fahiny ho aho ry tiana --- Efa antitra vao be ny "souvenir" a!

Ouh!ouh!ouh! Mafy refa antitra letsy e! --- Mbola samy hoantitra letsy a a

Soara soara soara soara e e e! Antitra vao be ny tanora -- Antitra letsy 'ty ka antitra e! --- Antitra letsy Dadazily a!

Atoandro ny andro, atoandro ny andro --- Mitapy   andro ,mitapy ny masoandro ---MAhatsiarotsiaro, mahatsiaro ny andro lasana e--- Manganohano, manganohano manina

Manembona eto ampoto-kazo maloka e --- Njao ny ankizy mikorana --- Ireny fa mandalo reny sipa manja reny --- Manao "jean" tery.

O! ry Bandy a…!bandy o…! Bandy e…! Te ho tanora foana saingy tsisy fika --- Efa gôdraka, malazo ny efa vita --- Bye bye 'lay zoma magnifika e! --- Brigthon, ny revy, sy ny sipa.

Sasakalina mikohaka mandevy --- Fa mitaky ny sigara   sy ny revy, Nisotrosotro teo Isoraka hoa fahiny --- Nitazatazana iny Anosipatrana iny, Aiza ho aiza ny fahiny hoa   ry tiana --- Efa antitra vao be ny "souvenir"

Ouh!ouh!ouh! Mafy refa antitra letsy e! --- Mbola samy hoantitra letsy a!

O !ry bandy a…! Bandy o…! Bandy e…! --- Indray andro any refa antomotra ny anjara --- Efa soara ela miandry 'lay fotoana Mivavabavaka eo andoham- parafara e! --- Miady aina samirery ambava-haona

Fa ny olona manohy ny fiainany iny e!...
Anaty "bus" handeha hampiaraka @ tiany e! --- "Spectacle" any Antsahamanitra any
Fa elah veloma handao ny tany!
Ouh!ouh!ouh!
…..elah veloma handao ny tany

Ialahy tia hira be io ve dia tsy mahalala fa Hiran'ny Ainga io, ... tsy hiran'i Boney M tao Antsonjombe izany io... 

 


Sareraka sa onja?

03/07,2009

rehefa mba leo politika dia lasa mba nihaino hirahira, fa dia tena voafitaka ao tamin'ity indray mitoraka ity fa dia dia tena tafajabaka...nanontany ilay mpitondra fiara hoe afaka mihaino hirahira ve ramose fa mbola lavitra ny lalana?---ie izany izao no tsara hoa, tahak'izay koa aho nitondra avy any an-trano, adinoko koa iny---misy ao ka, hoy ilay mpitondra...inona no tianao Sareraka sa Onja?---(mpihira hafa mihitsy no nandrasako - boooh...)---fa angah tsy misy hafa? hoy aho nanatsafa --- an an an, ireo izao no mba lamaody---lamaody taiza koa? hoy aho gaga be---nga tsy fantarao Sarerak'e? tsy fantatrao koa angaha i Onja Tinondia?...sady nalefan'ilay hira.

Lava izany raha hira ...ny nitady avy hatrany ilay tonon-kira no nataoko nony niditra tranokala:

 

INONA NY VAOVAO MANERANA NY TANY 2004


A ro valy e ts'isy farany e

Vaovao azo farany : Mahatratra 90% ny Malagasy tsy nandia sekoly sy zara raha nianatra
Afenina @ fampividina   kitapo, kravaty, akanjo izao ny fahantrana.
Tsy alehany ny mpandraharaha sy ny manampahaizana Malagasy ailika gadraina atao sesitany.
100 miliara raha anton'aina kajy tsotsotra fa samy mahantra 6000 fmg isan'olona hojain'ny zafy azo letra, rehefa tsy ampy ny vokatra sy hetra.
Miasa miaraka tokoa izao ny mpitondra sy ny vazaha  - Offre d'emploi avy @ sareraka : " Mitady fonctionnairen'ny bretton wood tsy misy rà gasy hitantana miaraka ny fanjakana Malagasy"

Nozarainy foko maromaro Hanarina ny hery madagasikara
Manampahaizana avo lenta   anglisy hiady à tsolotra
Raràna ny sinoa za-draharaha hanafatra PPN,
Sud africain bokonozatra avo be mitondra motard garde corps
solon'ny officier rehetra navoakan'ny akmil
Frantsay hitaky vidin-jiro sy rano 

Morisianina hitrandraka fary sy siramamy
Ny Kolombianina handray an-tànana ny tsenan-drongony.
Associés vazaha manambola matahotra fanjakana sy fitsarana
Hanamboatra tatezana sy hanampina lavadavaka
Conseiller senegalais hitora-bonikazo fa tsy tirailleur hamoha razana
Mila hongrois sy bulgare hanabe voho ny isam
Chief of staff isaky ny Region fivondronana commune
CIS GCC isam-pokontany
Mila force one vitsivitsy ho an'ny havana sy ny akama mahatoky
Mitady jeune patriote havanana sy sahy
@ hazalambo, fandarohana mipitokona sy
mpanohitra ary fandoroana dahalo.

Mila mpitsara tsy ao anatin'ny SMM havanana @ fitsarana vilana sy fanamarinana diso

Adraidraidrai …… (3 fois ) Mba miareta kely fotsiny ee OOO ooooo
Gasy koa tsy azo sangisangina
Radio n'ambohitsitononina antoko fahaefatra = Dia voatery hiverina hiresaka aminareo indray izany zao Sareraka.

MEDITATION

{Posy fa i Rasoa   ve no mamoy fo inona ny miseho o beni oui oui…}
Avy manaiky be fahatany 100 taona dia minomino fotsiny ihany 02 taona - Ary manantena vary masaka hamidy amin'ny boatina madco

Hiaka sy baikom-pitolomana noforomporonin'ny mpilalao politika dia nahavoafitaka antsika.

"Eto miakatra e miasa miaraka vahoaka paraka, vahoaka raraka" - Dominy tapany dia mandoa erany e

Miareta kely fotsiny ihany, vakio im-7 ny bokin'ny torovohana nosoratan'ny apostoly Naina Germain  
toko faha-7 andininy faha-7 ao anaty Baiboly 7.

MEDITATION

Nozaraina 4x4 sy VolsWagen tsy fantam-piavina ny depiote sy ny Officiers
Lasa DeSylla Marc fa tsy Deputé intsony ny eny Tsimbazaza
Nikivorivory hotran'ny olona 02 teny @ 13 mai no nampigadra an'i Victor Huong
Raha izao no mitohy dia ho lasa mpanjaka ny Filoha.
Miovaova eny am-panindinana ny andininy ao @ lalam-panorenana - Jeren'ny HCC hotran'ny tany nahalavoana - Aza gaga raha grands electeurs no hifidy Filoham-pirenena

Rainizavona ny amare proof   sy Helico hiadivana   @ dahalo - 3P Promotion sy paty ho hanin 'i Presidentielle angamba

Kely sisa dia ho resin'y Groupe TIKO ny Groupe MacDonald - 3P Paiso Paoma Poara ny vahoaka malagasy


Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo hoy i Kristy, saingy voatsodranon'ny FFKM ka mandà fihavanana angamba ny TIM - Ka mody mivavaka alohan'ny Fivoriana fa mandà amnistie - Mihiboka @ maizina na misy   diavolana ô Mon Ami

Azo atao tokoa ny Karama farany ambany 1 350 000 fmg, Raha ts'isy detaxation ho an'ny orin'asa toa an'i TIKO hatramin'izay;
Lavin'ny kardinaly Marolahy ny fampiasana bonnet plastika, hadinon'ny Filoha ny nandà an'i satàna satria be herehana izy.

Ref:
Herinandron'izao tontolo izao
Aleo idray zao halambahoaka toy izay halan'andriana
Maty tsy voatsara ny colonel Botomora iray vohi drazana @ Premier minisitra Sylla.
Resin'I Sylla Williams I Dally Randiantefy
Mivorivory eny Iavoloha sy Ambohitsorohitra ny zafim-paladian'andriana Zara raha manangana fanjakan'andraina ts'isy andevo angamba ry zareo
Tehirizin'ny mpinompino foana ny biletan'ny TIM sao mba hiova 50 000

Maty tsy natao autopsie ny praministra Ravony. Vony mavotany no kitay nandorana azy - May miaraka aminy ilay cause côtière
Izaho ravalo indray izao no malaza Tsipoy amalona akanga
Tsy misy azo atolotra afa tsy voandraketa sokatra ka very hevitra ny RAR kaleta.
Lany fanahy zokibe tsizaraina ka tsy misy afatsy ananambo soanambo
…… Ny depiote Jao Jean fa tsy mahazo mihoa bonga ny toaka gasi'ni soafia
Mitokona 03 andro ny vahoaka Nigeriana dia naidin'ny fitondrana ny vidin'ny solika MEDITATION

Rakotra diplaoma tsy fahita eran-tany ramose. (hahahahaha)
Sahirana ny teknisiana sy ny SECES misy mpitompo teny fantatra - Misy mpitondra liam-pahefana misalovana ny asan'ny sasany - Raha izao ny mitohy dia hisy ny ho Filohan'ny Filoha
Resy lalandava toa an'i Scorpion ny tantsaha Malagasy.
Novonoin'ny arabo mahery fihetsika toy ny kisoa Nicolas berthe
Efa miroso mivarotra tanindrazana izao ny depiote - Samy miandry ny higadonan'ny mpivarotr' olona isika mianakavy.
Tsy mba maty toa ny fahiny teny amin'ny malacam ,ravolomaso fa maty tao @ staden'ambohitsorohitra - Maty noho ny fisalasalana izany ravolomaso ka dia afaka noho ny fisalasalana Ranjokibe.
Tsy misy arakaraka toy ny mpandrava fihetsiketsehana eo anatrehan'ny emmonat ireo namono azy.
Novetavetain'ny miaramila anglisy sy amerikana ireo babo an'ady irakianina.
Nandresy tamin'ny Urne I Rolly Mercia fa resy kosa teny ambony helicoptèra.

Efa sahy mamono mahafaty olona izao ny depioten'ny TIM i Mahafaritra sy Rakotoasimbola

Milefasa ro Zakahely sao tratry ny élimination physique fa tsy assasinat politique toy ny mahazo ny Depiote Hajan'ikalamavony.

Na dondrona na mpanavakavaka ny tsy mahay mampitovy nyDecagona sy Alma
Nodimandry i Ronald Reagan saingy
tonga   ny namany Gorbatchev - Niravona hatrany am-pasana ny adimangantsika fahiny

Vita izao ny am-pahandalan'ny Praograman'i Didier Ratsiraka fa ny frais handehanana aminy no tsy misy.

Réf:

Sao mba haingana sy maharitra ny fivadiham-pitokisan'ny Prezidà
Ny manamanana ity mihamantra izay kely anananao hesorina aminao
Mahery raha hametraka olona iray @ sezany ny Malagasy - Mifampitora-bato anefa izy raha mba hitaky hampanana ny tsy manana
Espece d'Hitler Mussolini, espèce d'idiot,de voyou Dia hoe sambory basy izay manelingelina ahy ety,Tifiro basy izay miseho ho mokon-doha - Atero aty ny renseignement - tsy DGIDE intsony no miandry an'ialahy fa ny CIS
Espèce d'Hitler Pinochet Bokassa Tsy matahotra mpanohitra ny aty rangah!
……………………………….
Tokony hatao confort @izay ny fonja - Alterance democratique aza hitako aza hitako

Tsy maintsy handresy ihany ny ady @ mahantra - Dia hozaraina 4L sy Frigidaire ……
Ghana Rwanda Botswana Ouganda Liberia

Fahamasinana Fahamarinana - Izay vendra-poana ihany sisa azo ampanginina
Burundi zambie algerie lybie tanzanie
Fadin-drazana ny lahy gasy ny maty an-kazo tokana
Nigeria Cameroun Angola Côte d'ivoire Kenya
Tsy mihoa-bonga ny sokina nanani-bato
Elfreh Niger Soudan Mali Lesotho Mozambique
Izay mpihinin-drà mikisakisaha mab tsy ho azon-draha
Comore Tunisie Seychelle Maurice
Izay tsy may raha mialà

Le fou du village n'est-il pas aussi un sage?
Méditation
Ny fou du village ho'aho mba sage - A ry havako e meditation baba aa - Meditation niniko e! Méditation méditation ... Fou du village = sage ... Méditation méditation

RY SARERAKA


OLP gasy...

03/02,2009

MAHALEO, efa ela no maha-Mahaleo an'i Mahaleo fa izao vao tena tsapa fa tsy ry zareo no MAHALEO, ka dia aleo manao fihetsika OLP tsotra izao

...Samy manao izay mahafalifaly ny fony ...

MAHALEO ny miaka-midina toa lelon-jaza...

MAHALEO ny zaza be tomany amin'ny tsisy dikany...

MAHALEO ny vato be angeren'ny vorona...

MAHALEO ny moka tsy hahitan-tory...

MAHALEO ny tolona tsy omby tratra...

MAHALEO ny basy vava sy be taim-bava…

MAHALEO ny tsy miady tsy miady nefa ny kibay ankelika ihany…

MAHALEO ny madinika voatorotoro nefa ny fanoto sy laona no miady…

Izay te-hiditra OLP dia raisina an-tanan-droa...

OLP : olona LEO pôlitika...

Ka rehefa MAHALEO ihany dia ity no ny MAHALEO e:

Olona samihafa loko, samihafa firazànana Tsy tia mitsitokotoko fa mifandray tànana…Samy faly sy mahatsapa fa ratsy ny mizarazara,  Ka aleo iray lapa mitovy zo mitovy anjara.

Ireo tanana izay mifandray toa sarotra sarahana - Toa miloko rano iray tsy hita ho havahana …Toy ny ankizy miara milalao, toa lavitry ny olana - Jereo ireto izy malaina hifandao manao faribolana…Dia mihodina tsy misy fiafarany miodidina fitiavana - Fa tsara sy mamy aok’izany izany hoe mifampihavana …

Hadino hoe Rakoto ilay mavomavo , Rabe ilay manana Fa samy hazoto hanandratra izany fihavanana  

Jereko ny manodidina ahy toa mianjona mangarika  - Antsoiko hoe ndao isika hiray tsy misy voasarika --- Fa misy hono loko tsy mety hifangaro, misy harena tsy hihavanana …

Dia mitsitokotoko miala amin’ny maro ny fotsy sy ireo manana  

Mody LEO LEO eo…

fa raha vao misy “vaovao” dia manao ranga sofina…inona hono?

 


(valintagy)...izaho...

02/27,2009

MANIRY 

  1. Mba te hitaingina TGV aho, fa mbola tsy mitaingina hatramin’izay niainako…Undecided
  2. Mba te hitaingina Boeing 737 700 ihany koa…Sealed 
  3. Mba te hiteraka vavy fa hehe tsy mety mahazo hatramin’izao na dia efa mitsongoloka ohatran’ny inona aza (3 lahy no azo)Embarassed
  4. Mba te ho any Disney Land  Undecided
  5. Mba te hahay mihira tsara fa mbola mamalana ihanySurprised

TSY 

  1. Tsy be tratra (00) 
  2. Tsy be faladia (38)
  3. Tsy kely loatra (90)
  4. Tsy lava loatra (xl 1.63)
  5. Tsy fotsy tsy mainty (ny hoditra fa tsy ny volo)
  6. Tsy manambady maro fa 001
  7. Tsy mpikambana amin’ny antokom-piangonana n’aiza na aiza
  8. Tsy mahay mividy “cadeau” ary sahirana mihitsy rehefa misy tsingerin-taona
  9. Tsy mahay tsy mampindrina
  10. Tsy tia bakchich

 

TIA 

  1. Tia mamaky … soratra nefa tsy tia manoratra…(baiboly, boky,blog …) 
  2. Tia kilalao mankarary an-doha sy mahareraka tanana (accroscore – suduku – fifa) 
  3. Tia vato hafahafa (tsy vato ilay arotsaka amin’ny fifidianana fa vato vato) 
  4. Tia laoka (tsy goaka fa laoka)…tsaramaso sy sôsisy 
  5. Tia Lasary be (salady indrindrindrindra) 
  6. Tia Ranovola mafana 
  7. Tia Kafe tsisy ronono 
  8. Tia polo…ankanjo fa tsy polo misy sovaly 
  9. Tia mandendeha irery  
  10. Tia tsy mikravaty 
  11. Tia horonan-tsary tsy “fiction” nefa 
  12. Tia “Dessins animés” 
  13. Tia mijery (fotsiny) an’i Angelina jolie 
  14. Tia manovanova zavatra efa milamina  
  15. Tia Vady iray - vehivavy (001) 
  16. Tia “…”
  


Aiza ary no misy an'Andriamanitra?

02/20,2009

 (tohiny)


Izao no mety hitranga...

02/13,2009

izao no mety hitranga... sa ahoana hoy ianao...

film efa nandeha...ary mbola handeha...

samy mahay mitsiky...

tsy ho hapetrako ny daty hoe rahoviana, satria amin'ny ora tsy ampoizina...

taitra tampoka tao am-pandriana aho...hay ny andro amin'ny 1 maraina...niverina niesona aho...nampiesonina no marimarina kokoa...tsy ririnina izao ka hoe nofy ririnina...

asiako banga eto hametrahako ny daty hahatanteraka azy:...../febroary/2009


Aoka hatoky azy...

02/13,2009

Aoka hatoky Azy ny fonao
Atolory Azy ny fiainanao
F’Izy no
hitantana ny ho avinao
'Zay mampanahy anao

Maizina ve ny ampitsonao
Ka tsy fantatrao izay tokony hatao
Aza manary toky
Fa mbola ao Jeso
Mbola ao Jeso tia

Izy Ilay fahazavana hatrizay
Mbola hanazava anao indray
Ianao ‘zay anaty haizina
‘Zay mitady hiainana

‘Jeso ‘lay fahazavana hatrizay
Mbola hanazava anao indray
Ianao ‘zay anaty haizina
‘Zay mitady hiainana

(Hira heno dia zaraina...)


Arovy ny biby...ary Arovy koa ny olona...(nampodiana)

02/07,2009

Mba arovy koa ny olona re olona o...tsy manana hotenenina be aho fa dia mamerina ny teny efa voasoratra...mba henoy ihany e...07/02/09

Raha izaho hono no mpitantana na mpitarika vahoaka dia ho dinihako lalina ny tokony na tsy tokony handripahako ireto biby ireto... 

VALALA: 

Io biby io HONO no anisany mandray anjara be amin’ny famolavolana ny ankabeazan’ny tetika fitantanam-pitondrana toy ny hoe:  

Sambom-balala main’andro raha tsy azo anio tsy maintsy azo rahampitso…fisamborana tsy misy dikany io amin’ny samborina fa zava-dehibe amin’ny mpisambotra…(mety ho vola mety olona no samborina…) 

Valala eny an-danitra asiana sira … fanao matetika io ary anisany voasoratra lava ao amin’ny teti-pivoarana… 

Valala an-karona miady … fanao rehefa te-hanakana ny hafa tsy hiakatra… 

Valalan’alika ka na dia ny tompon’ny aza tsy tia…noho nahatonga ny teny hoe “gasy ka manja”…fototry ny fampivoarana ny toe-karena io teny io…

mazava ho azy fa rehefa foana ny valala tsy misy itsony ireo rehetra ireo...  

LAMBO: 

Io biby io HONO no lasa fototry ny fialambolin’ny tia fialam-boly hafahafa, fihazana (chasse) : Haza-lambo, no fiantso azy, mifandimbidimby ho lambo eo … mazava ho azy fa rehefa foana ny lambo, tsy misy hanao haza lambo itsony...

HAO: 

Miarakaraka amin’ny Lambo ihany io…SAVA HAO…mazava ho azy fa rehefa foana ny HAO tsy misy hanao sava hao itsony... 

LALITRA: 

Io biby io HONO no tena manome asa be tsy mampidi-bola indrindra, raha tsy misy azy angamba dia izay vao tena tsy an’asa daholo ny ankabeazan’ny olona…ilay asa moa dia mitango-lalitra…mazava ho azy fa rehefa foana ny lalitra dia tsy hisy hitango lalitra itsony... 

MOKA: 

Vono moka isaky ny tsitaitaika … mampitehatehaka amin’ny andro alina, tena nihoson-drà mihitsy ny tanana rehefa avy mikapoka…mazava ho azy fa rehefa foana ny moka dia tsy hisy vono-moka itsony aty afrika... 

MAMBA: 

Io biby io HONO no mihinana raha vao mandehandeha irery … Mitabe tsy lanin’ny Mamba…ka ho foanana sa tsy ho foanana ny Mamba? ... ny olana mantsy ilay ampihi-mamba...

OMBY: 

Be loatra ny olona nianatra ny fomban’izy io…MIJERY FLORA…ary atao A GOSY TIKY ... dia manaraka...ka ho foanana sa tsy ho foanana ny omby?... ny olana mantsy dia io no sary famantarana ny firenena...

27/11/08

  


Miady amin'ny mpandoa-bary...

02/07,2009

"Tena aza mba miady amin'ny mpandoa-bary izany mihitsy"hoy ilay zoky ray aman-dreny be resaka izay... dia tena nihatra tamin'ny tena ilay izy...

Eo moa ny hoe "ny hevitra no ampiadiana...fa tsy ny olona", dia mba nampiharin'ny tena izy io...indrisy mantsy noheverin'i Sefo fa izy mihitsy no niadiana...

nefa anie dia hevitra no nampiadiana e...Nasehony amin'izay ary re-olona fa izy no mbola mpandoa-bary...

Isak'izay mba manolotra vilia ianao amin'ilay fotoana fandaoaram-bary iny...

dia andraso aloha fa ny anao no farany hoy izy...lany ihany ny vary ka dia iray sotro kely sisa no mba anjaran'ny tena...snif...Cry...snif...raha be be ny vary ambiny amin'ny farany dia mody ataony izay hahavery azy...misanaka indray ny tena...handroaka ilay very amin'ny tany toa tsy mety...

Aza mba miady amin'ny Mpandoa-bary ihany hoa...

Dia tena hita izao fa dia tetika tsotra dia tsotra no fampiasan'i Sefo, rehefa hiady amin'ny tena ankolaka izy : mampanantena...dia mampitahotra...dia mampiady...

nampanantena izy fa tsy maintsy omeny vary rehefa handoa-bary izy...rehefa tonga ny fotoana fandoaram-bary...dia nikofokofoka nazoto niasa ery ... koa nanantena tsinona ka...

nampitahotra indray izy hoe sao dia hiadian'ny mpihinam-bary sasany  eo, raha ny tena no omena vary aloha ... raha tezitra mantsy ireo hafa ireo dia mety hamaky vilany... dia nanaiky tokoa koa natahotra tsinona ka...

nampiady amin'izay izy tamin'ny fiafaran'ny fandoaram-bary fa noho i Anona na i Anona no nahatonga ny vary tsy ampy ka tsy nahazoan'ny tena itsony...dia te-hiady tokoa satria toa tsy nety tokoa ny nataon-dry zalahy...

...ssh...tokony hiasa tena amin'izay angamba, fa tsy ho mpiasan'olona lava izao...amin'izay izaho indray no mpandoa-bary...


Demokrasian’ny infirmera...

02/01,2009

Tena lasa angano be ity tantara ity, ka dia averina eto, fa toa mitombina ilay angano...ilay ngahibe mpitantara moa nihomehy fotsiny...nony niverenako tany nanontaniana hoe fa iza ilay dokotera e? fa iza ilay infirmera?tena nisy ve io tantara io?...tsy mety mamaly izy... Finoanaranoray 01/02/09 ...

Ao amin’ity toeram-pitsaboana iray dia tena manjaka ny Demokrasia sy ny mangarahara

…dokotera 1 sy infirmera 4 ary marary 1, moa no ao anatin’ilay fiasana kely

 nihombo ny aretin’ilay marary 

Amin’ny anaran’ny fanehoan-kevitra malalaka dia hoy ilay dokotera hoe:“tokony ho tsindromina “tromadin298” ilay marary…” 

satria moa malalaka ny fanehoan-kevitra dia naneho ny heviny koa ny 1 tamin’ireo infirmera nanao hoe:“tokony parasipamole fotsiny no omena ilay marary, fa tsy tsindromina izany…”

nitarika ny infirmera ambiny hilahatra izy ka dia nahavory infirmera maro (2 – 3 miaraka aminy)…  

Ary satria moa demokraty hatrany amin-tsinay maintiny ra Doko dia natao ary ny fivoriam-be hanapahana hevitra,

ary satria moa mandala ny mangarahara dia nantsoina mihitsy ny vavolombelona maromaro hanatrika,

samy naneho ny heviny raDoko sy ilay Infirmera, ny ambiny tsy nana-kevitra fa dia nitongilan-tsofina nihaino ny fampielezan-kevitra… 

amin’ny maha demokraty dia tapaka ny hevitra ny farany fa atao ny tsangan-tanana, nivadika ho latsabato miafina izany ka ny fidiana dia na I  tromadin298 na I parasipamole…teo imason’ny mpanara-maso daholo izany, amin’ny anaran’ny mangarahara 

Voka-pifidianana : parasipamole = vato 3 – tromadin298 = vato 2… Tsy nety radoko fa nanao anakam-po hoe “ho tsindromiko amin’ny miafinafina ity marary ity”

…loza nisy nahita izy teo ampikarakarana ny tsindrona, ka dia nisy nitati-bolana tamin’ny mpanara-maso fa mitady tsy hanaja ny demokrasia sy ny hevitry ny maro…ka indrisy mantsy tsy maintsy nilefitra I radoko

 Nomena parasipamole ilay marary 

Ary maty afaka andro vitsivitsy 

Izany no atao hoe Demokrasian’ny Infirmera

Angano angano arira arira...

Finaoanaranoray 12/01/2009


Manomboka ny Fisamborana ... sahirana anefa ireo mpisambotra...

01/30,2009

Mampalahelo ... Maha ontsa...Fa dia manomboka ny FISAMBORANA...maromaro ihany izay efa voasambotra izay...

Misy ireo mahay miala bala ka raha vao miala any sy hitany lavidavitra ny mpisambotra, dia mitsaoka miafina izy...misy moa ny basy vava amin'ireo samborina ka dia tsy azo akisina sy tsy azo kitihana mihitsy...

Indrisy mantsy...fa dia tsy ho tafavoaka eto ny statistikan'ny VOASAMBOTRA, satria dia mianga amin'ny majinika indrindra izany ka hatrany amin'ny tsy misy majinika...

Ka dia miantso ny andrimasom-paosin'olona mba samy handray andraikitra...mba samy hiaro ny azy...mba samy hitsinjo ny vody andro merika...

Atorotoro ihany ny mety ho fomba fitenin'ireo Mpisambotra rehefa hisambotra izy ireo:

"Sao dia mba misy 25 000 any amin'ialahy dia soloiko rehefa tonga ny karama fa tena krizy be ity...ao moa lesy fa tena tsy mihinana ny ankizy a...ny karama ity tsy mety mivaoka (na hoe ny trano niasako ity may) ...ataovy 10 000 ary e..."

Ka dia antsoina isika vahoaka rehetra mba samy hiaro ny boatindrakiny fa mitady hisy hamaky izany... 

 


I anona mpanazatran’ny anona…HONO…

01/29,2009

Tena ohatran’ny marina hoa ilay hoe izay tezitra aloha ihany no diso… 

 Mba soratana  ho fahatsiarovana ity vinavinan’ny namana iray ity…

mandeha daholo ity vinavina rehetra ity… baolina moa izy ity…  

I anona saovalin’ny anona…HONO… 

“Niresaka hono I Anona sy Anona, dia nilaza I Anona fa ohatrany efa mihamilatsaka ny fitiavan’ny mpijery azy ary toa ohatran’ny tsy hain’ny ekipany ny mampiakatra azy…

izao ary no atao: midira inagahy manao baolina … dia tsy maintsy hitongilana nay amin’ingahy ny mpijery…eo aloha dia efa haparitaka hoe  I Anona no mpanazatra ao mabdik’ingahy… 

mandritra ny fanokafan-dalao aloha dia mody ho korontanina ingahy, mba tsy hahafantaran’ny olona ny tetika ataontsika, indrindra fa ny ekipa…

tsy maintsy haharesy ingahy amin’ny fiodinana voalohany satria efa ambany dia ambany ny fitiavan’ny mpijery  ny ekipako… 

Rehefa amin’ny lalao ny fiodinana faharoa indray ingahy dia mody hokorontanina, asina fingafingana kely…dia izao atao izay hibahanan-drangahy, tsy hamono baolina …

dia tarito amin’izay ny mpijery…eto mirotsaka ankianja…tsy maintsy hisy zavatra hitranga eo…atao izay hamakian’ny mpijery ny baolina…atao izay hanesorany ny tsatokazo…. 

hiraviravi-tanana ny ekipako, ary hiafina any anaty vestiaire mandritra ny fotoana vitsivitsy… 

Haparitaka hoe I anona no mpanazatra ao ambadik’ingahy… dia hirotsaka indray aho amin’ny maha kapitenin’ny ekipa ahy, ary hilaza ampahabemaso aho fa ho esorina ny karatra filalaovan’ I Anona (izay tsy maintsy hisosoka hiaraka hilalao amin’ingahy) dia lazaina hoe izy no tena nitarika ny mpijery anao izao…

ary koa hoe ho amboariko indray ny Kianja simba teo… Dia ho avy indray aho hitondra famonjena, dia ho mamim-bahoaka indray … 

dia halamina ny raharaha… dia avy eo Isika mifandray tanana… 

Ingahy miverina madio eo imason’ny olona, satria ho porofoana fa tsy mpanazatran’ingahy izany I anona izaho lasa mamin’ny mpijery indray…”  

Mifanohitra tanteraka amin’io ny hevitra naposany faharoa…io ilay hevitra mitovy amin’ny hevitry ny mpijery sasany…ka dia tsy ho tanteriko itsony… 

Avy eo nivadika Germain Tiko ny resaka, mahay baolina ingahy io an… Tiko Messina, laharana faha 11 ny mpilalao Juniors an'i cameroun...tsy haiko rangahy izay famakiana io anaran'io amin'ny teny gasy?...

Milamina Ry mpijery fa aleo ny mpilalao no hilalalao...Tadidio fa nandoa vidim-pidirana ianao vao afaka nijery teo...ho hakaton'ny FIFA indray anie io e...tsy hijery baolina firy taona eo indray sady handoa lamandy...ka sao matimaty foana e...fa sao dia sady lany vola no mbola hitondra faisana mody...Mandehana mody dia manaraha baolina amin'ny Fahitalavitra...


Fanjakana sy Ben'ny Tanana...

01/17,2009

ny hotelin'ny taona 2009, ireto sary ireto dia nalaina atmin'ny sary vinavina napetraky ny hanao azy mba hahitan'ny vahoaka ny ho zava-bita goavana amin'ity taona 2009 - samy hotely izy ireto, ny voalohany Hôtel de Ville ary ny faharoa Hôtel 5 étoiles...

Ankehitriny dia mifamalimaly ny tompon-kevitra amin'ny fanantontosana azy ireo...ny asa fanantontosana ny iray dia efa lavitra be, ny iray kosa anefa toa mbola vao manomboka fototra (zava-misy janoary 2009)...

Ny iray eo afovoan'ny analakely ary ny iray eny Ivato...

Mba samy hamitombo ny fari-piainantsika anie izy ireo rehefa vita

ny an'i Ben'i tanana

ny an'i Fanjakana foibe


faritra analamanga ampahany

01/14,2009

Ny rova iry managasanga ery amin'ny sisiny ankavia iry...ranon'ambohibao ny aty amin' ny sisiny ankavanana , Tendrombohitra Ambohimanarina ve (?) io afovoany io, ny eo ambaniny mikisaka kely miankavanana dia ny Ambatobe Lycée Français (miloko briky) , trano villa naorin'ny sinoa (raha tsy diso aho) ilay midorehitra mitafo mena ery ankavia ambanin'ny rova

dia....

......


Nandalo tao TANA dia...

01/11,2009

dia tranoben'Antananarivo, tazana mirongaronga sy mijenitra tsara iry lavitra iry i "5 ETOILES", eny Ivato io izany, ilay tany fotsifotsy eo ambanin'io no toerana misy ny galaxie eny andraharo...teny amin'ny fokontanin'i Ambohimiangara Andohalo aho no nitsangatsangana...ny hazo maintso tazana eo ambany dia ny hazo maintson'ambohijatovo...ny tafon'ny pavillon ireo tafo tanimanga io...

tranoben'antananarivo hoa ka izay vita aloha no manenina, nitodika kely aho dia talanjona toy izao,...nalebiazina kely ny sary ahitana ny trano eo afovoany...building Ramaroson io miloko mavo sy volon-davenona io...midina kely dia misy tafo menamena volontany mena: ny EPP Soarano io...dia mikasaka mianakavanana ny firaisana voalohany sy ny IHS, avy eo ny Lycéé JJ rabearivelo, pharmacie Ratovondriaka taloha...Ilay misy soratra CA no BNI Cl taloha, mikasaka miankavanana ny toerana malalaka misy ny trano fivoahana anaty tany...misy tsangambato ny SIDA eo afovoan'ny eo, pavillons amin'izay...ny fiangonana analakely io mavomavo mijaridina be eo akaikin'ny CA io... nivanaka sy nisanaka, ela aho tsy tety an...

ny sary eto ambany indray, faravohitra no tazana raha nahodiko kely ny lohako...ny antenne-ny radio fahazavana io manangasanga io, ary ny trano fonenan'i Filoha no eo ambaniny...ny sisan'izay tsy azoko hono...ny ala, alan'ambohijatovo...

dia nihodina miankavanana ihany...maintso tazanin-davitra...sary eto ambany izany, ao aorian'io hazo eo afovoany io ny nitifiran'i sasany an'i filoha Ratsimandrava...ary Panorama angamba iry efajoro fotsifotsy ery lavitra ery...ny sisan'izay tsy haiko aloha fa izaho vahiny...

 

dia lasa nitsangatsangana teny antampony hafa indray

ho atsofoko tsimoramora eto ihany ny sary...fa ela fahatongavana ny rian'ny aterin'eto-ko


Tsy mety Tonga soa IHagamainty!...

12/24,2008

Aiza ary nankaiza na iza i Hagamainty...Hagamainty mpanolo-kevitra alohan'ny hanapahana hevitra...sahy milaza hoe "tsy mety ny io hevitrao io ry filoha(m-pokontany), satria izao no tsy mampety azy...ary izao no mety satria izao no mampety azy..."---fa tsy beniouioui be fotsiny ka raha tsy kenda vao domy aho ranaotra vao mamono afo...

Izao mantsy no olana, matetika ireo MPANOLOTSAINA tsy mandinika tsara koa fa dia manaraka ambokony fotsiny ohatran'ny kofehy manara-panjaitra...matahotra ny ho tapa-kapoaka...

Sa kosa ilay "Toriana hevitra" no mety masiaka sy mihevi-tena ho mahay be loatra (mafy loha) ka manjary mampody mitsiky foana sy ahaizana ny hoe:

  • "izany mihitsy tompoko" sy ny
  • "tena mety izany ka..."

raha vao miresaka aminy...ianaro i hagamainty fa hainy ny mampiresaka olona be di doha...

Aiza ary i Hagamainty...

Iza no Hagamaintin'ny filoha? Iza no Hagamaintin'i Ben'ny tanana?

Manoro hevitra tsara, manoro hevitra mafy, manoro hevitra haingana

Tsy mety tonga soa i Hagamainty 

TSy Ity no lahatsoratra voalohany ao amin'ny blaoginao. Azonao fafaina na ovaina ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ity lahatsoratra andrana ity.
Misaotra anao mampiasa ny Blaogy.

Inona no mahasakana ny mpanao politika tsy hiresaka?...samy mpanao politika daholo moa fa ny tena matihanina no tiana resahana...

Rehefa tsy mety hifanatri-maso manodidina ny latabatra dia tokony hanokatra sehatra hanehoana hevitra...fa tsy rehefa misy fanapahan-kevitra efa tapaka, vao misokatra ny ady hevitra...Dia maninona izao raha mifanatrika?...fa dia ny haino aman-jery no ifandimbiasana andrasana hampita hevitra eo...rehefa mampita hevitra indray ireo haino aman-jery ka tsy manaraka ny hetaheta dia lazaina fa mitongilana...

Mba manandrama ianareo matihanina amin'io zavatra io mifampiresaka...dia hoe eny amin'ny antenimiera no sehatra anaovana izany...eny e fa na dia izany aza, mety tsy hahazo toerana eny ireo olona sasany izay manam-potoana betsaka handinihina ny ho avin'ny firenena, dia ny hevitry ny maro no mahataka-davitra...

tsy mahay milaza tsotra ... fa fanaratsiana no betsaka...eh tsy ny olona no haratsiana...fa tokony HEVITRA no ampiadiana...

Sao dia tsy mahalala an'i Hagamainty ianao...mpanolo-tsaina ny mpanjaka tamin'izany izy...

 


Tratrany...

12/24,2008

Saika tsy tratrany angaha aho no arahabainao hoe TRATRANY...

Eny eh fa dia tratrany soa aman-tsara aho...norovitiny soa aman-tsara ny paosiko sy izay mba paoketra keliko taty...TRATRANY tokoa aho...

Ka dia ireto misy fisaorana mitafotafo mety ho ataoko ...

Fa dia isaorana mitafotafo ny SINOA, namorona kilalao tsy dia lafo nefa tsy dia mateza, sitrany ahay mba nampihena ny vola nivaoka tamiko...tsy azoko nentina nivaoka firy mantsy ry zalahy boaykely tamin'ity fa be tomany kilalao lafo...mandreraka... soa fa "SinOA NY FIARAHANTSIKA" (hira malaza amin'ny dokam-barotra ankehitriny io) = mahazo toa mahazo tsara rehefa simba haingana tsy manenina...

Fa dia isaorana manokana ny fanjakana sasatsasany tsy nanapaka na nanidy ny Fahitalavitra sasany (afa-tsy ny VIVA) fa raha tsy izany dia tsy afaka andro mihitsy nandritra ity fety ity, fa raha TVM sy MBS fotsiny mety mahamonamonaina be ihany...simba mantsy ny lecteur DVD ko tamin'ity ary mbola tsy nahavidy aho...

Fa dia isaorana manokana i Jesoa Kristy nanaiky hiara-hipetrapetraka tamiko tato an-trano androany krismasy, tsy nanaiky aho aloha hoe ovainy divay ilay rano...ary tena tsy haiko na tany am-piangonana tany lery, adinoko ny nanontany azy fa be dia be mantsy ny olona lasa any...

Fa dia isaorana manokana koa ny Filoha manomboka tsy mi-kravaty firy tamin'ity taona ity...

Dia isaorana koa ny tarika Saotra sy dera amin'ilay Clip mampivanitika "avia ry mino"...fa dia lasa kilalao atoko amin'ny zanako tamin'ity krismasy ity ny fihetsikareo...he, he...

Dia misaotra ny ben'ny tanana Tana fa dia nahita film tsy nanadoavan-bola e...ary ianao mihitsy no mpilalao...asehoy amin'izay ilay saovaly taingenanao fa efa te hahita izahay...

Mirary Soa e...

 


MaNdroaka devoly...

12/06,2008

Fa angaha lasa nisy masera ny protestanta, hoy ilay tsy mahalala…mahita ireto vehivavy miankanjo fotsy manjopiaka sy misaron-doha fotsy…hay mpandroaka devoly ireo, na mpiandry…

Misy fiantraikany amin’ilay devoly ve ilay mitrerona sy mibetroka iny rehefa mandroaka devoly?…”amin’ny anaran’i jesosy, miala ny fanahy ratsy rehetra”…

Na ny feo voalohany aza lasa beso ho azy teo…Ny totohondry mivokona, sy ohatran’ny hamely ireny mihitsy…na ilay baiboly no hahetsiketsika ohatran’ny hikapoka rivotra…

any amin’ny antoko sasany aza tena ohatran’ny hoe marenina ilay devoly dia mitabataba be mihitsy: “miala, miala, miala hoa…amin’ny anaran’i jesosy miala!”…(mandalova kely atsy ananona raha mba te hahita…)

Ohatran’ny hoe arakaraka ny hikiakiahina no mampitsaoka ilay devoly…(mitovy ve ny hoe miteny mafy sy mikiakiaka?)ekena fa tokony “toherina” ny devoly…fa na dia izany aza dia mahay  sinema be isika e…misy fiantraikany be aty an-tsaina mihitsy ilay mikiakiaka…satria mahatsiaro ny fomba fandroahana alika…”allez”…na dia izay fotsiny aza dia mampamaivamaivana…

Tsy amin-kery na amim-patanjahana, fa amin’ny fanahiko, hoy Jehovah…Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina…ao anaty baiboly ireo teny ireo…

Izaho indray tsy handohalika eo anoloanao izany masera (dika ara-bakitenin’ny Ranabavy), fa mijoroa ato aorianako ianao raha hametra-tanana amiko mandritran’izaho mandohalika iny…Andriamanitra irery no andolihana…dia mba aza ahetsiketsika be moa ny lohako e…

Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: "hamoaka demonia amin'ny anarako izy..."hoy Jesosy

Fa misy olona mahita fijery hafa mihitsy, toa devoly daholo izay hitany tsy dia mitovitovy amin'ny heveriny fa marina...ary ny loza dia tsy ilay devoly irery itsony no roahany fa dia voaroaka hatramin'ny ilay olona - hany ka asian'ny kakay sy hoditra ankondro avokoa ny lalan'ilay olona.... 


diplaoma tsy be mpahalala...

12/01,2008

Ary satria moa efa nampianarina ny handrombaka diplaoma isika tato ho ato...dia mba atorotoro ihany itony diplaoma itony , sao mba tokony horombahana koa...

Mety hahaleo ny sarany ny vidiny...izy ity moa dia tamin'ity lohahevitra ity: aola'ko a ; no nahalalako azy ary dia hisaorana ny nanaposaka hevitra...

Ny mampalahelo ahy dia ilay ramatoa mieritreritra fa ny toy izao no mety ahavoavonjy azy tsy ho any amin'ny helo...INDRISY...

Je suis catholique et avais perdu ma virginité avant le mariage. J'étais sûr que j'allais directement à l'enfer, mais j'ai parlé à mon prêtre et il a ri et a dit, « salut par S R V, mon enfant. » Je suis un ange maintenant ! «  (dika malalaka)

Kivalavala koa ary ve izy izany...

O rankizy a aza atorotoro an-dramose fa hafa mihitsy ny an'ny lehilahy...

izay soratra menamena cliquer-na dia ho hitanao ny tohiny...


Jesoa ihany hoa no Zezo...

12/01,2008

Iza amin'ireo sary be dia be ireo no tena izy e?...indraindray toa Mpihira Rock indraindray toa "années 70"...

Nahasahy nandrovitra ny sary mikasika an'io aho...dia ohatran'ny nampihoron-koditra ny sasany ny nahita ny nanaovako izany...

dia hoy aho hoe tsy misy izy ireo sary ireo...ka izay tonga eo rovitiko...fa ny ahy mbola tsy hitako ny tarehiny, any an-danitra aho mahalala azy...

Raha miainga amin'ny sary dia i Jesoa tsy Zezo... i Zezo somary bogosy kokoa raha sary (ilay sary vongana mihantona any amin'ny hazofijalian'ny fiangonana katolika no nalaiko ohatra)...ary i Jesoa tsy hita hoe aiza izay sariny...(tany amin'ny protestanta aho no nitady fa hazofijaliana-tsisy olona voafantsika -izay fotsiny no ao am-piangonan-dry zareo)...

Ilay endrik'i Jesosy amin'ny hiran'i Tsiliva koa tsy ratsy a...version malagasy...

RAha ataoko hoe Andriamanitra izy dia tsy hanao sarin-javatra voasikotra hanehoana azy aho (sary voasikotra amin'ny pinceau...)

eh hevitro io an...vakio ny lalam-panorenana...tazomy mafy ny hevitrao...

eoa Basy...


ampianarina miteny gasy…quiz…

12/01,2008

tondroy izay valiny marina (ny dikan’ny asa… eto dia valinteny mitovitovy @ hoe tsy fantatro)MIANATRA MANISA SY MANAO KAJY:

  • ampitomboy 1 io paoma 1 io, dia lasa firy izany ny paoma

                        2  - 1 - asa… 

  • ampio 1 io paoma 1 io,dia lasa firy izany ny paoma… 

               2 - 1 - asa...(fa 1 ampitomboana 1, firy e? ary 1 ampiana 1, firy? mandehana miverina any amin’ny garabola…ampianarina manao kajy(tohiny)


Moramora DADA...

11/25,2008

- Moramora Dada a...
- Nankaiza i Dada teo...
- Mba jereo aloha io zavatra io ry Dada...

Tafara-dalana niaraka tamin'ny olona roa (lahy sy vavy) ...nifampiresaka tsara ho azy...ka dia tsy aritro ny mba nandrakitra kely io sombin-dresaka eo ambony io ... ny "présentation" moa adino, fa tonga dia nafana ny resaka, ny lalana lavitra rahateo...

Ilay vehivavy mbola mampite-hizaha, samy tsy misy peratra ny tanany...sombin-dresak'ilay vehivavy, amin'ilay lehilahy sy mikasika ilay lehilahy io voasoratro eo ambony io...

Ela ny ela...tsy teo kely ilay lehilahy..."iza moa no anaranao"hoy aho mantsy ilay vehivavy, "i Solange"hoy izy...

Niverina ary ity lehilahy...nitohy ny tafatafa...tafateny aho hoe "hitan'i Dadan'i Solange, izao sy izao no ..." - tsy tapitra akory ny teniko...dia nanapaka i Solange...:
-"tsy dadako anie io fa vadiko e..."

Tankina aho...sady menatra fa diso...

Taty aoriana ao vao nandinika fa tsy i Solange mivady ihany no mifampiantso Dada sy Mama...fa mpivady be dia be...dia hoy aho tamin'ny vadiko, rehefa izy roa irery koa ve mbola Dada sy Mama ihany:"Moramora Dada..." ---"Ao moa Neny a..."... izany kosa ve tsy "inceste"...

aleo ny antsika mivady "malala" ihany sao dia mieritreritra ny Dadanao eo ianao rehefa tafaraka isika...

bof...

Hevitra

  1. sakaizakely

     

    hahaha
    Saika somary manao an'io daholo rehefa mbola tapohany mananjanaka iny, eo imason'ny ankizy. Tsy de hoe incestueux fa manantitra fotsiny hihi
    Izay tsy te ho antitra manitsy ny ankilany, raha mbola be mokondoha dia averiko any @ reniny ;op


  2. ikalamako

     

    tsy hoe notampohany kosa e, fa manaraka ny ankizy satria rizareo koa indraindray manaraka ny fiantsonao olona dia mba tsy hialany @ ilay hoe dada sy neny dia mba lasa ho azy ny an'ny mpivady. Fa misy ankizy tsinona rehefa zatra mihaino ny rainy miantso ny reniny amin'ny anarany (na vice-versa) dia manjary lasa ho azy koa ny vavany miantso ny rainy hoe Zôzefa a, na hoe Solanza a ! (mba sendra ilay hiran'i LSNT fotsiny io fa tsy hoe iza akory :-P)


  3. Kdaombaramita

     

    Rehefa mahare ilay zanaka miantso Papa sy Maman foana anie dia lasa ho azy koa ny anao e ! Fa hafa indray ilay angolan'olon-droa rehefa ary ka ! Toy izany ny iray tampo amiko ny iray antsoin'ny rehetra hoe Mama, ny iray voapetaka hoe Neny, ary ny zanako dia niantso ny andahiko hoe Dada ! mandeha zatra io fa ianareo no tsy ho azy e ;)


  4. Kdaombaramita

     

    Izao izany ilay hoe mikitikitika na dia tsy mihetsika ary an ! Mila ampitomboana ilay px n'ilay fanoratana eo afovoany, #main angambany no anaran'izy io raha tsy diso aho fa ny #rap ity efa mety ! ary tena hoe BLAOn'i Finoanaranoray ve ilay izy sa tokony hoe BLAOGIn'i Finoananoray e ?


  5. finoanaranoray

     

    ie mitoraka blao...blao...tena blao...boulon gasy...


  6. finoanaranoray

     

    MAhery be ilay Complexe d'OEdipe...Hi hi Hi


hamorona metisy afrikana?...

11/24,2008

Ny tena zava-dehibe dia afrikana no nahazoana “ireo Metisy afrikana” malaza...

Raha tsy nisy Afrika dia ho sahiran’izao Tontolo izao…hitady sy hamorona Afrikana sy metisy afrikana

SATRIA:

  • "Reservista" be ny Afrikana sy ny taranany - tamin'ireny ady lehibe ireny dia afrikana fotsiny no mameno ny ankabeazan'ny tafika vazaha...afrikana no nalefa andevo tany amerika hanampy amin'ny fampiroboroboana tamin'izany...afrikana no mameno ny ekipa amin'ny firenenan'ny fotsy sasany na hazakazaka io na baolina na hira...

  •  "mateza jerena ny vavy afrikana" (PHOTOGENIQUE) ary "mateza roitina ny lehilahy afrikana"-tsy izy rehetra aloha e -manary vady mihitsy ny vazaha lahy (sy vavy) raha sendra ny afrikana mahay azy...asa mba azonao an-tsaina hoe inona no antony...ary amin'ny toerana izay misy ahy ankehitriny - dago avaratra - dia manary lamba mihitsy ny vehivavy -ny ankabeazany - raha vao kaontin'ny vazaha fa mitsaotsaoka raha izahay Afrikana lahy...asa mba azonao an-tsaina hoe inona no antony...)

nefa hatramin’izao aloha dia izy no mbola tsy nahazo “coupe du monde foot” (sokajy normaly) ary mbola tsy mety hatao “pape”…

Dia ny Honohon’ny Afrika:

Ny afrikana hono no tena tsy mpamaky boky feno soratra … fa mpijery sary kosa … mijery FLORA...

nihitatra amin’ny “internet” izany, ka ny tena ilainy ny internet dia fitadiavana vady vazaha, raha vehivavy izy…raha lehilahy kosa izy dia ny “téléchargement gratuit”…tsy dia voalaza mazava hoe inona ilay tena tiany “télécharger”-na…Ny “Maimaipoana” no teny tena tiany … hany ka raha misy “cocktail” dia aza gaga raha manisa 5 dia manjavona daholo ny tsakitsaky eo…

“tonton”…”tantine”…"papa"..."mama" ary "mon FRERE" no hiantsoin’ny afrikana anao rehefa te-hikaoka kely anao izy…ary “sefo” no iantsoin’ny anao rehefa tsy te ho kaofinao izy…(tena eran’ny Afrika io an…)

Hiadivana izy izao ary hatramin’izay, hiadian’ny Sinoa sy Amerikana ary ny Eropeana…Nahatonga ny Amerikana hametraka ny taranak’I Afrika ho mpitondra azy io ady io…mba hahazoana tsena bebe kokoa ao Afrika, hanapotehana ny tsena sinoa…

 Ny mampalahelo ahy dia ohatrany adinon'i Afrika i Madagasikara...

Sa ahoana TONTON 

(Mangamaso ihany no mi tagitagy ahy eo…)


MIVAVAKA... MIVAHAVAHA KA...

11/18,2008

Anisan'ny nanombohako nivavaka tsy nikipy angamba ny fisian'ny Saka tao an-trano...Saka matsilo saina ary mahay mangarom-bilia sy vilany...ny mpianakavy variana mikipy iny no mitsoriaka izy maka ny laoka eo ambony latabatra (sikidiman no anarany), efa any ambany farafara any an'efitra izy rehefa vita ny vavaka...

Dia avy eo indray, lasa tsy miseho mivavaka itsony aho alohan'ny sakafo, fa novitaiko amin'ny fomba tsotra dia tsotra...amin'ny hoe "misaotra Andriamanitr'o!"...matetika any an-tsaiko fotsiny io fa tonga dia lasa amin'ny angady sy ny harona (sotro sy vilia mantsy e!)...dia nanontany ny vadiko "fa dia ahoana loatra re?", hoy izy...

"izaho angaha sain-kanina hoa...ka rehefa misakafo ihany vao miseho aminareo hoe misaotra an'Andriamanitra...Andriamanitra irery no mahita ny ao am-poko (ao amin'ny mangingina), sy maheno izay vavaka ataoko mikasika ity sakafo ity...Raha tan'ty moa ka be sira tsy azo hohanina io laoka io, nefa efa nalefa aloha ny vavaka fisaorana, dia sintomina indray ve ilay vavaka?...Ary jesosy koa hoa niandrandra ny lanitra ka nisaotra alohan'ny sakafo... fa tsy nikipy...ny tsara angamba aleo VOKY tsara isika vao miaraka MISAOTRA an 'Andriamanitra..."

Fa ilay vavaka Toriteny no tena tsy laitra, indrindra raha alohan'ny sakafo...pasohana sy dokafana ery Andriamanitra (manaotra noho ny manompo sampy)...dia avy atoro azy izay tokony ataony (tahakan'ireny tsy TSITOHA ireny Izy)...dia avy eo raha misy olona tiana ho tifirina ankolaka dia tifirina ankolaka ao amin'ilay vavaka...ssssh...

Dia miverina amin'ity Ntaolo be vazivazy ity aho: "mivavaha ho'aho ianao"..."mivahavaha ho'aho ianao"...tsy hay itsony izay tiany ho tenenina...,

Dia averiko eto ilay andalana ao anatin'ny vavaka alohan'ny sakafo, fanao matetika:

"Tahio ny sakafonay...", io no fanoratra azy...fa ny fiteny azy dia mety ho hafa mihitsy raha tsy tononina tsara, raha adika "Firinga io no sakafonay" ...tsy misy miteny "h" izany...mananihany an'Andriamanitra

"dia samy ho tahian'Andriamanitra e"...matetika anefa adino ny miteny ny "h" sy "a" amin'ny "hia"...ka lasa nanontany tena hoe "inona an'andriamanitra a?" ...

Kabary tsy valiana io lehiroa...

 


Ny fifankatiavan'ny sinoa sy ny gasy

11/14,2008

Teo andohan'Analakely...

Mbola ao ve io trano io amin'izao...efa ela koa aho no tsy tany...(sary nalaina jolay 2008)

Ny sary moa be tsy miteny izay ka ampitenenina: - norakofan'ny fifankatiavana amin'ny sinoa ilay Trano gasy aoriana (EPP Soarano) - mpivarotra sinoa mazava ho azy no tao taloha fa noravaina ny tao anatin'io trano io taty aoriana (nohavaozina angamba?) - ireo miankina amin'ny rindrina ireo ny gasy tsy miasa, mivarotra entam-barotra fa tsy hoe avy niantsena akory ka be entana...angamba hihazakazaka hitsaoka ry zareo rehefa kelikely fa ho henjehin'ny Polisin'ny Kaomina - tamin'ny andron'i Profesera ZAFY no nanombohan'ity fifankatiavana ity...

Ankehitriny dia efa 5 ETOILES izany FIFANKATIAVANA izany raha nanomboka tamin'ny Biriky toy izao...


Mpivarotra tanindrazana izahay...

11/13,2008

Mpivarotra tanindrazana izahay...tanindrazana azo tamin'ny fitsembohan'ny razanay...tanindrazana tsy foin'ny razanay... (tohiny)


Mitongilana amin'ny mitovy volon-koditra...

11/08,2008

Angaha moa misy ny loko mainty?...tsy misy n'inon'inona ny loko mainty..."vide"...

 Tsy nisafidy ho fotsy ny olona fotsy, ary izaho koa tsy nisafidy ny ho mainty na ho teraka teto Madagasikara...dia midika ve izany fa tsy maintsy OBAMA no tohanako fa tsy ny heviny... (tohiny)


Ny Voka-tsoan’ny Hakamoana

11/07,2008

Mandehana dieny mbola malaina fa rehefa mazoto tsy afaka itsony…

ohabolana filaza amin’ireo mihisatra matetika, …rehefa tena kamo iny ka irahina hamita zavatra…

nahatonga ny vazivazy toy ny hoe :

« tena mazoto be aho izao ka tsy afaka itsony, araky ilay ohabolana io e… »

« …ny hakamoan’ialahy no betsaka… »… (tohiny)


ATERO K'ALAO...

11/01,2008

Atero k'alao...atero ka alao...Aterokalao...fiteny andavan'andro amin'ny malagasy, ary lasa ampiharina matetika amin'ny fiainana... (tohiny)


Ary raha atao @ 8 ny @ 6

10/31,2008

Ary raha atao amin'ny 8 ny @ 6...rehefa fahavaratra...

@ 5 dia efa mazava be ny tamin'ny toerana misy ahy, @ 5 maraina io...ny varavarankely koa fitaratra ny "rideau" fotsifotsy sady miantsinana...nahazo ny tara masoandroko maraina be aho ka tsy maintsy tsy nahita tory itsony... (tohiny)


RAZANA MANANIHANY...

10/24,2008

Mba gaga amin’ireto razako ireto aho…fa dia tena mpananihany sy mpananihany tokoa izy ireto…ary mpampiasa teny miolakolaka sy midika roa matetika, asa na fialam-bala izany na tena tetika fifandraisana tsotra izao… (tohiny)


andron'ny lehilahy...

10/18,2008

Dia maninona izao raha mba atao mitovy zo tahaka ny vehivavy ny lehilahy...?

...ny lehilahy matetika rehefa mamonjy fotoan-dehibe dia tsy maintsy manao kravaty...ny vehivavy rehefa madio ny ankanjony sy miala kely amin'ny fanao ankoban'andro dia tsy olana...ny lehilahy tsy mba afaka misafidy fa tokana ihany ny mihaja aminy (?) lobaka - pataloha velon-drirana - palitao sy kravaty...ny vehivavy mandeha "jolie"... (tohiny)


boule sa baolina...

10/17,2008

Taiza tokoa moa no fetra farany nahatongavan’ny gasy tamin’ny baolina…hatramin’izay nahatsiarovako tena aloha dia ny BFV SG no hitako lasa lavitra… tipé, féfé, rado, fidy…tsy mitantatara ny zavatra tsy hitakoa aho, toy n,y saint michel - fortior - sotema… fa ny tamin’ny androko dia ry BFV Sg -BTM fc - ACT - COSFAP - VOROMAHERIN’ALAOTRA - SOLIMA - CIMELTA…

 (tohiny)


fiangonana toa mitovy...

10/17,2008

Ny olana dia toa tena mitovy tokoa ny fiangonanna samihafa … toa samy Kristy no Jeso…toa samy baiboly no vakiana… hany ka manjary tafatoetra ilay hoe “samy 1 ihany”…ao amin’ny antokompivavahana dia misy mpitondra, misy lohany, misy foibe…ny fiangonana sasany dia manerantany mihitsy (ny katolika ohatra dia any Roma no foibeny, ary ny Papa no lohany - ny FJKM ohatra dia ao analakely ny foibeny ary ny Filohan’ny FJKM no lohany,…) (tohiny)


Rabearivelo

10/17,2008

Tena mahery fo tokoa ve ny mpanoratra J.J. Rabearivelo?

Ekena fa tsy azo ferana ny olombelona iray amin’ny fanapaha-kevitra amin’ny fiainany - raha manapa-kevitra izy fa hamono tena dia tena zony tokoa izany - fa na dia izany aza dia somary lasa ny saiko, raha nahatsiaro ny tantaran’ity lehilahy ity, tsy dia ny tantarany fony fahavelony no nahalasa saina ahy fa ny tao aorian’ny nahafatesany… misy sekoly lehibe iray nampitondraina ny anarany nanomboka ny Mai 1960 “lycée JJ Rabearivelo”… (tohiny)


afaka 50 taona…foana ny teny gasy , hoy di…

10/17,2008

tsy nanatrika ilay famelabelaran-kevitra nataon’i Di… aho, fa nahita famintinana ambangovangony tamin’ny gazety tribune, nilaza fa “afaka 50 taona dia mety ho foana ny teny gasy…”, ary toy izany koa ny an’i Côte d’Ivoire…amin’ny teny frantsay ilay vaovao

samia velon’aina afaka 50 taona, dia ho hita eo ny fahamarinany…sa ahoana ry Di…? mba firy taona tokoa moa ianao afaka 50 taona ry Di…?

Fa kosa…firy taona teto no nisy fanjanahan-tany, nampiasana ny teny baiko, nahafaty ny teny gasy ve izany?… (tohiny)


ankanjonaa no ianao

10/17,2008

Eo moa ny filazan’izay mpandinika 01 izay, mikasika ny ankanjon’ny gasy…

Rehefa Sabotsy sy Alahady hoy izy , na @ andro tsy fiasana dia izao no ahafantarana ny sokajin-karenan’ny olona (tsy dia mitombona 100% izy ity), ny manankarena manao ankanjo « jogging » miaraka @ kiraro « tennis » na di tsy hanao fanatanjaha-tena aza izy, ny antononontonony kosa dia mitovitovy @ izay ihany fa tsy dia tena ilay « marque » malaza… fa rehefa alahady hoy izy dia eo no manararaotra manao ankanjo mihaja ny madinika … noho ny maha madinika azy anefa dia matetika mampihomehy ny ankanjo mihajany…tsy mifanaraka ny loko… malalaka be ilay ankanjo…mihantona be ny pataloha…(ary mitondra baiboly sy fihirana)… dia mandeha tongotra… na taxi be…ary mifanjohy maromaro… (tohiny)


hisy fokontany ho ravana...?

10/11,2008

Antananarivo miofo... 

raha nihaino ny tenin'ny Ministra aho dia nanontany tena hoe hisy fokontany ho ravana izany?

...noho ny fanitarana ny lalana mba hampihena ny "embouteillage"?

 

 

 

 

 

 

 

...noho ny fametrahana drafitra  sy foto-drafitr'asa maharitra mikasika ny fanarian-drano maloto? (tohiny)


AHOLAAKO A...

10/08,2008

AHOLAAKO A...ambetin-teny malaza avadika io teny io...ny fivadihany moa dia heno andavan'andro...fa ny vakiny mivadika dia milaza hoe "aolako a!"...teny ampanasana bodofotsy izany no fiteny matetika fa ankehitriny lasa fanaon'ny OLONA kilasian'ny fiaraha-monina ho BIBY...

mampatsiahy ilay hira hoe "ao anatiko ao anefa misy biby lava...biby lava tena lava...biby lava ngoza be...tsy ho voky e!..." , asa na inona no bibilavan'i Lôlô...sa dia misy ifandraisany amin'io koa ilay hira hoe "...bibilava...sinambotr'ankizy...tsy tanana handrangotra tsy tongotra hitsipika..."

"Tazomy ny maha virijiny anao" hoy ny Doka ...dia hoy ilay voatavo mitady hifandraka nananihany "Tazomina amin'ny tanana havia sa amin'ny tanana havanana...?"..."aza dia avoboka fotsiny e!..." hoy ny vosibositra.

mahita sampona mihitsy ...

dia tsy vao maika ve mampilendalenda (ho an'ireo izay efa zatra) ny mahita ito zaza mitafy lamba toa azo isarombahana avy hatrany... amin'ny DOKA manohitra ny "fizahantany mamoafady" (dikanteny ofisialy)?

sssh..."AOKA ALOHA"...eh...Andriamanitra ao an-tampon'ny loha...

Ho sahirana aho anaka hampianatra anao ny eritreretiko fa tokony ho atao...mety tsy ahovoka aho manoloana an'izao tontolo izao...mijery "clip" ianao toa mandefa hafatra ambadika ry zareo, manaitra filana...mijery "film" ianao toa misy miserana eny ihany ireo manosika filana...ny namanao any am-pianarana toa manesika andrankandrana...

...Mitodika ho azy amin'andriamanitr'e!...tsy misy horombahana... 

PS: AHOLAAKO A...dia vadi-tenin'ny AOKA ALOHA, fonjan-teny ampiasain'ny fanentanan'ny ANKOAY amin'ny ady atao amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra sy an-tery...


Loton'i Madagasikar....

09/27,2008

Maninona loatra re no tsy zava-dehibe amin'ny gasy ny fahadiovana...raha nitsidika distrikta iray aho dia nahita ny loto niparitaka etsy sy eroa...rehefa atao ny statistika amin'ny tomba-maso dia ny "sachet platique" no betsaka mameno ny fako miparitaka amin'ny tanana, mikopakopaka miarahaba anao eny amin'ny faritra maromaro dia avy eo ny poti-taratasy...nefa kosa ny lalabe dia azo lazaina madiodio ihany...fa raha vao mitsofoka any amin'ny elakelan-trano dia mitobaka ny loto...

Tsapa fa ny tetika fanariandrano maloto no tsy ampy...ny lakan-drano mifanaraka amin'izany no mivotirika hany ka mahatonga ny fiangonan'ny rano maloto mifangaro fako...mba tamana lahy ny mponina amin'ireny toerana ireny...mety hihetsika ihany angamba ny fokontany amin'izy ireny atsy ho atsy ka hametraka sy hamerina ny dina toy ny taloha tany...

Mba mahagaga koa fa tsy ampy ny toeram-pivoahana sy fipipiazana ho an'ny sarababem-bahoaka, sahirana mihitsy raha vao poritra satria dia ohatran'ny tsy mahita hoe aiza no aleha...namonjy biraom-panjakana sasatsasany fa dia sadaikatra ihany mahita ny tooetoetran'ilay tao anatin'ny toeram-pivoahana...namonjy niangavy tamin'ireny Hotely fatoriana natao ho an'ny valala be mandry ireny fa dia manahirana koa ...mitsingitsingy ery miditra ilay fitoeram-pivoahana...

Mazava ho azy fa raha toerana misy fakofako kely mitangorongorona eny anjoron-trano na anjoron-dalana dia efa mantsina izay satria lasa fivoahana amin'ny fomba ofisialy...

raha sendra nanontany ny tranon'olona indray dia teo vao nahalala fa hay mifangaro ny toeram-pandroana sy ny toerana fipipiazana, antsoina hoe "ladossy", trano kely vita amin'ny fafana...mba ahoana hoy aho ny fandroana ato amin'izany fofona mantsina be sy amin'ity fanambany feno amany ity?...

Ilay izy ve noho ny fahantrana sa noho ny toe-tsaina? tsy haiko itsony... fa dia nisy fotoana aho poritra te-hivalandrano teny amin'ny kianja teny, tsy maintsy nisafidy hoe - na izaho vaky tatavia na izaho hivalandrano eto anjoron-dalana eto?...nisafidy ny tsy ho vaky tatavia aho tamin'izay...

 


360 000 000Ar... Olympafrica-Antsirabe

09/22,2008

Raha tany Antsirabe dia avy eo tany Miarinarivo no novinavianina hametrahana ny foto-drafitr'asa manara-penitra tamin'ny Nov 2007...Raha nisavorovoro ihany hoe mety ho votsitra ilay fanomezana ny fanampiana avy amin'ny olympafrica, noho ny fahataran'ny antontan-taratasin'Antsirabe (?) sy ny  tsy fetezan'ny hametrahana ny foto-drafitr'asa any Miarinarivo (lavitra ny tanana ilay toerana?)...

dia raikitra HONO fa ao Antsirabe no hapetraka izany...300 000 000Ar miampy ny fandraisan'anjaran'ny mpahazo tombontsoa 60 000 000Ar...

Hanamboarana kianja fanaovam-baolina - fihazakazahana - toerana fanazaran-tena toa hahazo vahana manokana ny taranja "karaté"- ary "parc" filalaovan'ny ankizy...

 


111 miaraka @ ny Sinoa...

09/18,2008

111 Distrika anamboarana toerana ho an'ny spaoro...ny sinoa no hanampy amin'ny fanantontosana...tenin'ny minisitra tamin'izy avy namonjy lalao olympika io ary mpifaninana 50 fara fahakeliny no tanjona ho alefa hifaninana amin'ny lalao olympika 2012...

Mafy rehefa te-ho hita...hitan'izao tontolo izao...

i Bresil hono ny mampalaza azy eran-tany dia ny baolina...Maradona sy Tevez dia efa izay matetika no ahafantarana an'i Argentine...Zidane ireharehan'ny Algérie...Eto idedahan'ny Cameroun...Drogba manakona ny ady ao Côte d'ivoire...

111 toerana ho an'ny spaoro...maninona moa raha ny spaoron'olon-tokana na tsy maro no tena karakaraina?

ny Ethiopie ny hazakazaka, ary tsy mety mivadika "nationalité" mihitsy ry zalahy sy ry zavavy...dia nipoitra koa Jamaique...Nadal nampiseho indray an'i espagne...

tompondaka eran-tany  amin'ny tsipi-kanety be - tompondaka eran-tany amin'ny hai ady - tompondaka eran-tany amin'ny ...

iza no mba manana ny lisitry ny gasy efa tompondaka eran-tany?, mba omeo aho ho tanataraiko amin'ny zanako...

 


SIDA an'Image Appli...

09/10,2008

ny famelabelaran-kevitra nataon-dry zareo Image Appli:

- 2.500.000Fmg ny totalim-bidin'ny fanasitranana...

- mankany amin'ny ivon-toeran-dry zareo any Tana mandritra ny fotoana ny fitsaboana, 2 volana eo no eo no fitsaboana dia tsy ahitana ilay aretina itsony ny tsaboina...

- ny fanafody dia amin'ny endrika TAMBAVY, ka tsy azo entina mivaoka ny toerana fitsaboana sao dia misy mangalatra ny mombamoba azy, ravin-kazo karazany 10 no mitambatra avadika ho vovoka afangaro amin'ny tantely...voasokajy ao @ "plantes médicinales" ilay fanafody...

- efa maro no sitrana gasy sy vazaha...

...Ho an'ireo izay te ho any...


Mahaleo sy Lôlô sy ny tariny dia GASY...

08/29,2008

Tena afaka atao fampitahana mihitsy ny Tarika Mahaleo sy Lôlô sy ny tariny ary ny gasy... ... ...

ny mahafinaritra ahy amin'ny tarika Mahaleo dia izy mahay miaraka ary koa samy afaka mandeha irery...namoaka raki-kira azy manokana i Dama, i Fafah,i Dadah, i Bekoto, ny an'i Raoul tsy haiko...nefa dia mbola tsy dia nahare firy aho hoe nisaraka hono Mahaleo... tsy mba tahaka ny Rebika izay efa niteraka zana-drebika maromaro...

ary tsy mba lasa "olon-tokana" tahakan'ny Rossy ry zareo, vao nanomboka i Rossy dia ny Tarika iray manontolo no atao hoe "Tarika Rossy", ny sarin'izy rehetra no teny @ afisy, taty aoriana dia i sarin'i Rossy irery sisa no hita amin'ny raki-kira...tahaka an'izany Tselatra, Kiaka, ...fa i "Mahaleo" dia izy rehetra foana no miara-mitsikitsiky eo amin'ny afisy eo 

dia avy eo koa dia tsy mety leo azy mihitsy ny olona (tsy ny rehetra io an...), ny hirany taloha mantsy no tsy mankaleo ny olon'e!...aiza izao no misy raki-kiran-dRaberanto (mba omeo aho raha misy manana hadikako)...ny an'i Njila moa toa misy ihany...raki-kira Mahaleo tsy orizinaly izany manenika ny tany izany...toy izany koa ny Lôlô...

FA dia samy kamo manao raki-kira orizinaly ry zalahy...benny(?) sy charles(?) no mba nanetsiketsika kely taloha namokatra raki-kiran'i tarika...dia izao efa moa efa misy mpamokatra...izany hoe raha ry zalahy ireo no andrasana hiteny hoe fadio ny piraty dia nofy...

Fa i Lôlô, taminy hitako farany tamin'ny télé niresadresaka alohan'ny fampisehona dia lasa ohatran'ny vazaha miteny gasy, miteny gasy mibadabada ... dia avy eo misy hirany tsy hainy itsony ny tonony soa fa teo ny mpijery nihira...i Bebe nisafidy hijanona eto madagasikara, dia ireny ny fiainany (izay nijery anim'artist TVM)...mba mahaforona hira toy ireny taloha ireny itsony ve i Lôlô? - nisy "clip" hira vaovao izay nandeha tamin'ny fotoana nandalovany teto madagasikara fa tsy nalaza e ary tsy naeha itsony!(i Lôlô irery no mihira ao anaty clip)...eny e ny "clip"-ny "bandy sy rôla" koa aza tsy alefan'ny TVM mihitsy (clip ny lôlô sy ny tariny efa ela be)... 

Iza moa no tsy mahalala ny revin'i bekoto sy Fafah? ...tsy ho resahana itsony?...

Dia nianjera i Dadah...

Dia gasy anie hoa ireo tarika 2 ireo, ny iray gasy mafy ady lasa any an-dafy dia miova be (mibadabada)...ny 1 gasy nisafidy hijanona eto an-toerana...mahay miaraka sy mahay misaraka... tsy mivaky loha be amin'ny fiainana fa dia omeo gitara sy seza dia lasa izao...samy tsy mieritreritra hihazakazaka hanohana ny "original"...tsy dia manana zava-baovao atolotra fa ny teo ihany nefa tsy mety leo...tsy manafin-talenta ary tsy manafina fahalemena (mianjera min'ny seza eo ampihirana)...samy nilaza hoe mafy ny mafy ady...samy tsy dia be môraly...

mivaotra moa izany gasy sa tsia...?

Hevitra

  1. DadaRabe

     

    NAmpalahelo tokoa no nahita an'i Dadah nidaraboka.


  2. simp

     

    ... mody refa manina ny revy be any @ tanana...


  3. bilakarenjy

     

    Samy milay sy samy tiako ry zalahy ireo , fa mbola masaka kokoa i LOLO fa tena mifono zavatra sy fiainana be ny tononkirany ary rehefa tena tafalatsaka ao anatin'ilay revy miainga iny ary vao tena milay be le revin'dry zalahy avy eny Ambohijatovo ireo .

 


ohatrinona ny karama mahavelona eto Madagasikara?

08/22,2008

Misy mahalala ve ny hiran'i Lôlô sy ny tariny hoe "kala Katosoa" 

Mba te hahafantatra ny fiainan'ireny olona mikarama 160.000Ar ireny aho...

indrindra moa raha mandoa hofan-trano izy15.000Ar isam-bolana izy...raha mandoa jiro sy rano 10.000Ar isam-bolana...raha manefa saram-pianaran'ny zanany 10.000 isam-bolana mandritra ny 9 volana...raha mividy fanafody raha sendra marary...raha mandeha taxi-be rehefa handeha hiasa 200Ar isaky  ny andro fiasana...raha mba mijery fampisehoana indray isan-telo volana amin'ny fidirana 3 000Ar...raha mampiditra fahana 2.000Ar isam-bolana...raha mividy vary sahabon'ny 3 kapoaka isan'andro, miaraka amin'ny laoka hihinanana azy...raha mividy savony hisasana sy hanasana lamba...menaka...sira...

Tsy dia hita itsony ry zareo amin'ny fivoriam-pianakaviana satria matetika dia "cotisation" sy "hividy ary hivarotra "billet"-na 20.000Ar " ho fidiram-bolan'ny taranak'i ... no resaka matetika ao...Manahirana azy ny mampiditra havana an-trano satria ny seza "salon"-ny dia fandriana...hany ka tsy mety mandray fivoriam-pianakaviana izy...

Raha misy fahoriana dia tsy mihaotran'ny 1.000Ar ny tsipaipaikany...

Raha misy fifaliana toy ny mariazy dia izy ilay mpitady fiaran-kavana mba ho taingenana "sao dia misy place any aminareo", na ilay mihazakazaka haingana mitady taxi-be rehefa avy ao am-piangonana sao dia tara laotra vao tonga any amin'ny toerana hisakafoana...

Fripy ny ankanjony, fripy ny kirarony...

Tsy mba afaka maka vakansy izy...

"Mianara tsara nareo fa izay ihany no lova avelako ho anareo..."hoy ry zareo mantsy  ny zanany...

"Minoa an'i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao..."

Hevitra

  1. tebokaefatra

     

    Ho ahy dia "finoanaranoray" no vaha olana eeee


  2. news2dago

     

    velona ihany izy aloha h@ izao e! hainy ihany ny mandamina an'io isam-bolana


  3. lehilahytsyresy

     

    Aiza kosa e.
    Raha eny Ampasampito ohatra izy no mipetraka ka mamonjy mandeha miasa eny Anosy, dia vita tsara ny mandeha bisikileta eo isan'andro; tsy mila mandany vola @ taxi-be.
    Na fripy aza ny akanjony, dia mampitafy azy tsara izany.
    Na fripy aza ny kirarony, rehefa vitany ny manasa sy miborosy azy tsara, dia madio-kiraro toy ny olona rehetra izy.
    Raha any amin' ny CEG na lycée na université-mpanjakana no mianatra ny zanany, dia tsy mila mandoa écolage izy.
    Raha vakansy indray no lazaina, dia tsy voatery hoe mandeha manao voyage fandaniam-bola foana akory. Azony atao tsara ny mandefa ny zanany hanao asa tselika manao vendeur / vendeuse eny amin' ny grandes surfaces na eny amin' ny MacDo (na hafa koa) izy, ka amin' izay dia tsy mila manome argent de poche an' ireo intsony ny ray aman-dreny.


  4. ikalamenavolo

     

    ouups aiza ho aiza ao dago no misy MacDo kay e!!!


  5. finoanaranoray

     

    ay izy mantsaka fa tsy mandoa volan-drano...na dia mipetraka eto an-tanan-dehibe aza...
    toa ilay ankanjo fripy hono na nampisy hodi-potsy azy...


  6. lehilahytsyresy

     

    finoanaranoiray ==> Hevitra tsara azo atao koa io mantsaka rano io.

    ikalamenavolo ==> io andrefantranon'ikalamenavolo io no misy McDo fa aiza indray e.
    tpt :-) Tena misy McDo eto Tana fa tsy laingako re io a.


  7. Tokinao

     

    Nefa dia betsaka ny malagasy no mikarama an'io, na ambany akory aza.

    lehilahitsiresy, finoanaranoray-> ny saran-dalany dia mihoatra ny 200Ar satria mandroso sy miverina. Ary mety tsy ho iray amin-dry zareo no mila mandeha "bus", fa roa ohatra. Izany hoe : 400Ar x 5andro/herinandro x 4herinandro/volana = 8.000Ar/volana. Momba ilay mitondra bisikileta ao Tanà koa mantsy tena dadany 'ko. Tery ny làlana, ary ny vovoka aoka fotsiny.

    Ilay fijerena fampisehoana in-1 isam-telovolana ataoko fa tsy ho vitany intsony.

    Rehefa faran'ny volana dia vary amin'anana no sakafo.

    Tena tsy hita e.

    Na izany aza anefa dia manana fanantenana ry zareo, tsy kivy fa mikaro-bahaolana hatrany, mitsiky.

    Izany ka fahasoavan'Andriamanitra hoy aho any an-tsaiko. "Allah akhbar" hoy ny silamo. Lehibe Zanahary.

    Aleo mahantra nefa manana fanantenana eo amin'ny fiainana toy izay manan-karena nefa te hamono tena.


  8. Tokinao

     

    Nefa dia betsaka ny malagasy no mikarama an'io, na ambany akory aza.

    lehilahitsiresy, finoanaranoray-> ny saran-dalany dia mihoatra ny 200Ar satria mandroso sy miverina. Ary mety tsy ho iray amin-dry zareo no mila mandeha "bus", fa roa ohatra. Izany hoe : 400Ar x 5andro/herinandro x 4herinandro/volana = 8.000Ar/volana. Momba ilay mitondra bisikileta ao Tanà koa mantsy tena dadany 'ko. Tery ny làlana, ary ny vovoka aoka fotsiny.

    Ilay fijerena fampisehoana in-1 isam-telovolana ataoko fa tsy ho vitany intsony.

    Rehefa faran'ny volana dia vary amin'anana no sakafo.

    Tena tsy hita e.

    Na izany aza anefa dia manana fanantenana ry zareo, tsy kivy fa mikaro-bahaolana hatrany, mitsiky.

    Izany ka fahasoavan'Andriamanitra hoy aho any an-tsaiko. "Allah akhbar" hoy ny silamo. Lehibe Zanahary.

    Aleo mahantra nefa manana fanantenana eo amin'ny fiainana toy izay manan-karena nefa te hamono tena.


  9. DadaRabe

     

    Jereo fa afaka jerenao ato ilay "maria katosoa"

    http://www.lolosynytariny-lacigale.com/lolo%20mozika/mp3/lolo%20mozika.htm


malagasy tsy leo vary...

08/14,2008

Tera-bary…  

dia toa fohifohy daholo ny olona @ firenena manana foto-tsakafo vary … 

dia anisany nanimba ny nifiko ny vary misy vato… 

dia nihinanana vary aho nandritra ny 34 taona, izany hoe 70 gony teo ho eo ny vary laniko hatramin’izao…kely balitika izy izany…

dia hita koa fa be loatra ny asa natao tamin’io vary io vao tonga teo am-biliako:

miasa tany mamadika bainga /   manosy /   manetsa (raha hanao SRI sy SRA) /  mamindra-ketsa avy eo /  miava in-3 fara faharatsiny /  mampiditra sy mandritra rano /   miandry fody / jinjaina / kapohana eo amin’ny banja /   kororoana eo amin’ny rivotra – atao anaty gony /  totoana @ laona /  ahofa @ sahafa /   tsimponina ny vato sy akotry @ sahafa /   sasana dia sivanina tsara / andrahoana dia arahi-maso (ora 1 latsaka…) /    sy ny sisa (…lava-piringa no farany) 

 

dia misy tahalaka ny tanimbarintsika , samy manana ny tompony, hany ka sarotra ny mampiasa ny fitaovana maventy toy ny “tracteur” eny an-tanimbary…

dia lafo sy miakatra hatrany ny vidim-bary hoy ny mpihinana-mpividy… 

dia mora sy varo-boba ny vidim-bary hoy ny mpamokatra antsoina hoe Tantsaha…ary ny manelanelana sy manangom-bokatra (antsoina hoe mpijirika) no tena mahazo tombony… 

dia manafatra vary hatrany isika…mampanify ny kitapom-bola Malagasy… 

dia ny fambolem-bary anaty ala sy an-tanety na tavy sy savoka, no mahatonga ny antsangasy fihenan’ny ala…ary ny vokatr’izany … 

dia mahantrahantra daholo ny ankabeazan’ny firenena manana ny vary ho foto-tsakafony… 

dia vary maina, varin’ampango, vary sosoa na sabeda, vary amin’anana, “riz cantonnais”, vary lasopy, vary mangatsiaka, vary modaka – ireo ihany no mba haiko @ fomba fandrahoana azy…

 

dia tsy mba misy vary mihitsy ao anaty "composé"...

Mahatsiaro anareo nandray anjara rehetra tamin'ny nahatongavan'ity vary ity hoe ento ambony viliako aho, Mahatsiaro ny asa be natao tamin'izany, Ho tahian'Andriamanitra anie ianareo... 

 

Hevitra

  1. simp

     

    tokony ovaina katsaka sy ovy ndray o??
    vao-maina sy ny karazany...

    mifohaza ry Vakina :-P:b:b:b:b


  2. finoanaranoray

     

    tena misy "VARINE" ilay vary...
    ilay mitovitovy amin'ny mifarana @ INE rehetra : CAFEINE, NICOTINE, COCAINE...tsy mety leo mihitsy aho ry zareo a...


  3. Tokinao

     

    Fa tsy misy matsiro ohatran'ny vary aloha e (amiko aloha e :-P).


  4. finoanaranoray

     

    raha tany ivelany tany hono ilay Gasilahy izay, namonjy fiofanana...dia niaraka niditra Hotely tamin'ny tsy gasy, dia nitady vary...
    - "mais pourquoi tu manges des graines? chez nous les graines sont pour les volailles...t es pas une poule par hasard..."
    - "ah bon", hoy, ilay gasilahy...
    fa ny an'ilay tsy gasy kosa hono, "..." no nosafidiany hohanina..., dia hoy ilay gasilahy
    - Mais pourquoi tu manges des "..."?, chez nous... les COCHONS adorent ce truc..."


  5. Nofynofy

     

    Rah ho ahy aloha tsy misy mahasolo ny vary ao an-kiboko. Ny tsakitsaky hafa raha misy ny fahafaha-manao azy atao fa tsy noheveriko ho foton-tsakafo loatra. Raha vao tsy mihinambary aho de tsy mahariva andro mihitsy


Inona no mahasamihafa ny goavy mena sy Herizo?...

08/12,2008

Kivalavala ihany izy ity, fa aza raisina ho tena izy...tsy izaho no namorona azy, fa mampita fotsiny aho...satria izy efa lasan-ko-razana...fiteny kivalavala ("blague") tany Ambositra izy ity, tamin'izaho mbola nipetrapetraka tany, ...

Raha resaka politika moa t@ izany, (tsy haiko itsony izao),dia mizara 3 mazava tsara Ambositra ary ny Fianakaviana nipoiran'i Herizo no endriky ny fizarana: i Herizo (Leader Fanilo), i Tantely (arema) ary i Rapelanoro (MFM)...mpihavana akaiky izy 3 mirahalahy ireo, ary tena akaiky dia akaiky tokoa...samy tian'ny zanak'Ambositra...nandeha ny fifaninanana tao aorian'ny 2002, ny fifidianana maro samihafa io...dia samy miresadresaka eny amin'ny sisiny eny..."hifidy Leader sa hifidy zavatra hafa?", izany no votoatin-kevitra...

dia hoy ilay rangahy iray izay nananihany:"inona moa no mahasamihafa ny goavy mena sy Herizo?...",

... "fa ilay rangahy ity ve mahita hoe Herizo toa goavy? tsy mba voatavo ahay...mampitovy zavatra tsy mitovy...", hoy nysasany...

"goavy mena anie no nolazaiko teo e, fa tsy goavy fotsy...",hoy indray ilay rangahy nanamafy

"inona koa no hidiran'ny goavy fotsy, tsy hitako izay mampitovy azy @ goavy..."

"ny hodiny MAVOMAVO, fa ny ao anatiny MENAMENA..."

 ...tamin'izany izany...

Hevitra

  1. finoanaranoray

     

    goavy mena rehefa masaka dia mavomavo ny hodiny - ary raha hohaniona izy dia menamena ny ao anatiny sady be voany...


  2. Faka

     

    hay !!!!!
    Izao vao azoko.


Rehafa tsisy Azy

06/23,2008

Indrisy ry ota nifetakaNandoto ny saiko tsy niarina

Nahatonga ny saina ho reraka

Nahatonga nanaiky “tsy marina” 

Indrisy ry saina nisento

Niteraka fitsiriritana

Nahatonga fisainana pepo

Nahatonga ny tena hiridana

Nihosina sy mitsikasina

Tsikoko mifangaro fotaka

Tsy fantatra, inona andrasana?

Nanonja, nihotakotaka

Nahazo tsy nety afa-po

Naniry nitady nangetana

Nakiana nangaina ny loha

Isan’andro nientanentana… 

Indrisy ry fiainana banga…

Tsy ampy tsy nety ho feno

iri-mahory toa sangasanga

antsoina tsy nety ho heno… 

Soa fa teo Ianao mameno

Soa fa teo Ianao mihaino…

Manisy dikany ny fiainako... 

 


tsy hita

06/06,2008

Nahita anao ny saina, tsy mba ny maso...

nahatsapa anao ny fo, tsy mba ny tanana...

Navotanao ny aina, rava ny ankaso...

Nangina ny toloko, rava teo ny vahana...

Mbola tsy hitako ianao, mbola tsy notsapaiko...

Nefa ianao tsy miafina, hita miharihary...

Tsy mbola reko ianao, ny feonao tsy haiko...

Nefa ianao miteny...:"izaho no nahary..."

 

Hevitra

  1. news2dago

     

    tsara izy izany


  2. pissoa

     

    tsara mihitsy.